-
Aretina sy FitsaboanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Rehefa marary ny mpanompon’i Jehovah, dia tsara raha mivavaka izy mba hananany herin-tsaina hahazakana an’ilay aretina sy hananany finoana matanjaka. Hanampy azy tsy hivadika izany mandritra ny fotoana mampahosa azy. “I Jehovah no hanohana [an’io olona io] eo amin’ny fandriana aharariany.”—Sl 41:1-3; jereo koa 1Mp 8:37-40.
-
-
FanasitrananaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Anisan’ny fitahiana nomen’i Jehovah ny olona rehetra ny fahaizan’ny vatana manasitrana ho azy ny tenany, rehefa maratra na marary izy io. Io fahaizana voajanahary io no tena mahasitrana ny marary, fa mety hanafaingana ny fahasitranana fotsiny ny fitsaboana. Izany no nahatonga an’i Davida hiaiky fa na tsy lavorary hatrany an-kibon-dreniny aza izy, dia mahay manohana azy amin’ny aretiny sy mahay manasitrana ny aretiny rehetra ny Mpamorona. (Sl 51:5; 41:1-3; 103:2-4) I Jehovah no namerina tamin’ny laoniny ny fahasalaman’i Joba (Jb 42:10), ary Izy koa no nanasitrana ny Israely vahoakany.—Ek 15:26.
-