MENAKA
Ny diloilo azo avy amin’ny oliva no tena nahazatra ny Hebreo. Ny oliva mainty masaka tsara no tena nakana menaka. Ny oliva maitso efa manomboka miova loko anefa no nahazoana menaka faran’izay tsara. Notazana tsimoramora aloha ireo oliva, nesorina ny tahony sy ny raviny, ary narotsaka tao anaty fitaovana fanamboarana menaka ireo oliva.
Menaka ny antsasany eo ho eo amin’ny oliva iray masaka. Arakaraka izay atao amin’ny oliva anefa ny hatsaran’ilay menaka. Tsotra ny fomba nahazoana menaka faran’izay tsara, “tsy misy fangarony avy amin’ny oliva voatoto.” (Le 24:2) Natao tao anaty laona sy nototoina halemy tsara ny oliva, na nohitsakitsahina indraindray. (Mi 6:15) Nararaka tao anaty harona nisy loadoaka avy eo ireo oliva mba hitsika ny menaka. Notehirizina tao anaty siny tanimanga ilay menaka tsy misy fangarony, fa ireo oliva kosa nalefa tao anaty fitaovana famiazana oliva.
Eo ho eo kosa ny hatsaran’ny menaka azo, raha nototoina niaraka tamin’ny voany tao anaty laona ny oliva na nopotehina tamin’ny vato fikosohana oliva. Natao tao anaty siny tanimanga ilay menaka avy eo, mba hihandrona any ambany ny faikany.
Tsy tsara kosa ny menaka azo, raha faikan’oliva efa avy tao anaty fitaovana famiazana oliva no mbola nakana menaka. Nafatratra tao anaty harona nampifanaingenina ilay izy ary natao tao amin’ilay famiazana, teo anelanelan’ny zavatra roa lavalava mitsangana. Noterena tamin’ny hazo lavalava nasiana zava-mavesatra avy eo ireo harona nifanaingina mba hivoahan’ny menaka, izay nikoriana nankao anaty fitehirizana lehibe. Nitsingevana teo ambony faikan’oliva sy rano ilay menaka. Nesorina ilay izy avy eo ary natao tao anaty sinibe tanimanga na fitehirizana manokana hafa.—Ampit. 2Ta 32:27, 28; jereo FAMIAZANA.
Famantarana an’ireo nanan-karena. Harem-be no tiana holazaina amin’ny hoe ‘tondraka ny menaka ka hihoatra ny fanantazana azy.’ (Jl 2:24) Nahatsiarotsiaro ny fananany maro be i Joba rehefa nijaly, ka hoy izy: “Niboiboika menaka ho ahy ny vatolampy” tamin’izany. (Jb 29:1, 2, 6) Nampitsentsitra an’i “Jakoba” na ny Israelita “menaka avy tamin’ny vatoafo” i Jehovah. Menaka avy tamin’ny hazo oliva naniry teny amin’ny toerana be vato angamba izany. (De 32:9, 13) Naminany i Mosesy fa “hanatsoboka ny tongony ao amin’ny menaka” i Asera. Midika izany fa hanan-karena ilay foko.—De 33:24.
Entam-barotra sy sakafo. Anisan’ny entana sarobidy namidy tany Palestina ny menaka oliva satria be azy io tany. Nomen’i Solomona “menaka roapolo kora [4400 L] avy amin’ny oliva voatoto” i Hirama mpanjakan’i Tyro isan-taona, ho vidin’ny fitaovana nalefany hanorenana ny tempoly. (1Mp 5:10, 11) ‘Nanao raharaham-barotra’ tamin’i Tyro i Joda sy Israely, ka nivarotra menaka taminy. (Ezk 27:2, 17) Anisan’ny entana vidin’i Babylona Lehibe amin’ny “mpivaro-mandeha” eto an-tany ny menaka manitra sy ny menaka oliva.—Ap 18:11-13.
Manome hery ny menaka oliva sady anisan’ny menaka mora levonina indrindra. Fampiasan’ny Israelita tamin’ny sakafony izy io, ka matetika no nataony solon’ny dibera sy nandrahoany sakafo. (De 7:13; Je 41:8; Ezk 16:13) Nandrehetana jiro koa izy io (Mt 25:1-9), ary “menaka oliva tsy misy fangarony avy amin’ny oliva voatoto” no natao tao amin’ireo fitoeran-jiro volamenan’ny tranolay fihaonana. (Ek 27:20, 21; 25:31, 37) Nasiana menaka ny fanatitra varimbazaha natolotra ho an’i Jehovah. (Le 2:1-7) Nihosotra menaka koa ny olona avy nandro. (Rt 3:3; 2Sa 12:20) Fahaiza-mandray vahiny ny fanosorana menaka ny lohany. (Lk 7:44-46) Nohosorana menaka ny ratra sy ny mangana mba tsy hanaintaina (Is 1:6), ary nasiana divay koa indraindray.—Lk 10:33, 34.
Fampiasana azy tamin’ny fivavahana sy heviny an’ohatra. Nasain’i Jehovah nanamboatra “menaka masina fanosorana” i Mosesy. Menaka oliva nisy fangarony hafa ilay izy. Iny no nanosorany ny tranolay masina, ireo fitaovana sy fanaka tao, ary ny Vata misy ny tenin’ny vavolombelona. Nohosorany tamin’ilay izy koa i Arona sy ny zanany lahy ka nohamasininy ho mpisoron’i Jehovah. (Ek 30:22-33; Le 8:10-12) Nohosorana menaka izay voatendry ho mpanjaka. “Naka ny menaka tao anaty tavoara kely”, ohatra, i Samoela, “ka nandraraka izany teo amin’ny lohan’i Saoly.” (1Sa 10:1) Tandroka misy menaka no nampiasaina rehefa nohosorana ho mpanjaka i Solomona.—1Mp 1:39.
Voalaza mialoha fa hahafaly ny olona ny fanompoan’i Jesosy Kristy tetỳ an-tany, satria homeny “menaka fifaliana ho solon’ny fahoriam-po” ireo “ory noho ny amin’i Ziona.” (Is 61:1-3; Lk 4:16-21) Hohosoran’i Jehovah “menaka fifaliana” mihoatra noho ireo namany koa i Jesosy, izany hoe ho faly kokoa noho ireo taranak’i Davida nanjaka talohany.—Sl 45:7; He 1:8, 9; jereo VOAHOSOTRA, FANOSORANA.
Mampitony sy mamelombelona ny fanosorana menaka amin’ny loha. Toy izany koa fa mampitony, manitsy, mampionona, ary manasitrana olona marary ara-panahy ny Tenin’Andriamanitra. Ampirisihina àry ny anti-panahin’ny fiangonana kristianina mba hivavaka ho azy sy “hanosotra menaka azy amin’ny anaran’i Jehovah.” Tena ilaina izany mba hahasalama azy ara-panahy indray.—Jk 5:13-15; ampit. Sl 141:5.