FANAINTAINAN’NY MIHETSI-JAZA
Fahararian’ny vehivavy efa hiteraka. Rehefa nanota i Eva, dia nilaza taminy Andriamanitra fa hisy vokany eo amin’ny fiterahana ny fahotany. Raha mba nankatò mantsy i Eva, dia ho nitahy azy foana Andriamanitra, ka tsy ho semban-drahona mihitsy ny fifaliany rehefa niteraka izy. “Ny fitahian’i Jehovah” tokoa “no mampanan-karena ary tsy ampiany fahoriana izany.” (Oh 10:22) Lasa tsy lavorary anefa i Eva, ka tsy niasa tsara intsony ny vatany ary tsy maintsy nanaintaina izy rehefa niteraka. Hoy àry Andriamanitra: “Hataoko mihamafy ny fanaintainanao rehefa bevohoka ianao. Hanaintaina ianao rehefa hiteraka.” Matetika no lazaina hoe ataon’Andriamanitra ny zavatra avelany hitranga.—Ge 3:16.
Midika ara-bakiteny hoe hampitombo “ny fanaintainanao sy ny fotoana maha bevohoka anao” ny teny hebreo ao amin’io andininy io, ary izany no hita ao amin’ny Baiboly sasany. (Da) Teny hebreo roa ampifandraisina amin’ny hoe “sy” no eo, nefa zavatra iray ihany no tiana holazaina raha ny fitsipi-pitenenana hebreo no jerena. Mandika an’io andininy io araka ny tena heviny ny Baiboly sasany ankehitriny. (TV; Prot.; Kat.; DIEM) Tsy ny fotoana maha bevohoka àry no hitombo, fa ny fanaintainana.
Marina fa misy fitsaboana azo atao mba hampihenana ny fanaintainana, ary mety hisy fiomanana azo atao mialoha mihitsy aza mba tsy handre fanaintainana loatra izay bevohoka sy miteraka. Matetika anefa no manaintaina foana ny olona rehefa miteraka.—Ge 35:16-20; Is 26:17.
Heviny an’ohatra. Manaintaina ny vehivavy rehefa mihetsi-jaza sy miteraka, nefa miova ho fifaliana izany rehefa teraka ny zanany. Nampiasa an’izany hevitra izany tao amin’ny fanoharana iray i Jesosy Kristy, tamin’izy niresaka tamin’ny apostoliny, ny alina talohan’ny nahafatesany. Nilaza izy fa handao an’ireo mpianany ireo, ary hoy izy avy eo: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa hitomany sy hidradradradra ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly. Ho ory ianareo, nefa hovana ho fifaliana ny fahorianareo. Manam-pahoriana ny vehivavy rehefa tonga ny fotoana iterahany. Tsy tsaroany intsony anefa ny fahoriany rehefa teraka izy, satria faly izy fa nisy olona nateraka eto an-tany. Ory koa ianareo ankehitriny, nefa mbola hahita anareo indray aho ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy hanala aminareo izany fifaliana izany.”—Jn 16:20-22.
Efa ho telo andro ny mpianatra no toy ny hoe nanaintaina, satria nitomany sy ‘nampahory tena’ ka nifady hanina. (Lk 5:35; ampit. Sl 35:13.) Nitsangana tamin’ny maty anefa i Jesosy vao maraina be tamin’ny andro fahatelo, izany hoe ny 16 Nisana. Niseho tamin’ny mpianany sasany izy tamin’izay sy nandritra ny 40 andro taorian’izay. Faly be ny mpianany! Tamin’ny Pentekosta, izany hoe 50 andro taorian’ny nananganana an’i Jesosy, dia nilatsaka tamin’ny mpianatra ny fanahy masina. Faly izy ireo ka lasa vavolombelona nanambara fa efa natsangana i Jesosy. Nanao izany izy ireo tany Jerosalema, ary tatỳ aoriana dia tany amin’ny faritra lavitra amin’ny tany. (As 1:3, 8) Tsy nisy afaka nanala izany fifaliana izany tamin’izy ireo.—Jn 16:22.
Milaza ny mpanao salamo fa nisy mpanjaka maromaro nahita ny voninahitra sy ny hatsaran’i Ziona tanàna masin’Andriamanitra sy ny tilikambony ary ireo tovon-tany niaro azy. Hoy ilay mpanao salamo: “Izy ireo mihitsy no nahita, ka gaga. Raiki-tahotra izy ireo, ka nikoropaka nandositra. Tora-kovitra izy ireo tany, ary nanaintaina toy ny vehivavy mihetsi-jaza efa hiteraka.” (Sl 48:1-6) Toa zavatra tena nitranga no resahin’ilay mpanao salamo eo: Nisy mpanjaka fahavalo nitetika hanafika an’i Jerosalema, kanjo raiki-tahotra izy ireo.
Naminany i Jeremia fa ho resy ny firenena matanjaka babylonianina. Nolazainy fa hanaintaina mafy toy ny vehivavy efa hiteraka ny mpanjakan’i Babylona rehefa mandre hoe hisy vahoaka avy any avaratra hanafika azy ireo. Tanteraka izany rehefa nanafika an’i Babylona i Kyrosy, ary indrindra fa rehefa nisy tanana nipoitra nanoratra teo amin’ny rindrina, nandritra ny fety nataon’i Belsazara mpanjakan’i Babylona. Nanazava i Daniela mpaminany hoe fambara ilay soratra fa ho resin’ny Medianina sy ny Persianina avy hatrany i Babylona.—Je 50:41-43; Da 5:5, 6, 28.
Nilaza ny apostoly Paoly fa ho tonga ny “andron’i Jehovah” rehefa hisy hanambara hoe: “Fandriampahalemana sy filaminana!” Aorian’izay, dia “hanjo azy avy hatrany ny fandringanana tampoka, toy ny fitrangan’ny fanaintainana eo amin’ny vehivavy mihetsi-jaza. Ary tsy ho afa-mandositra mihitsy izy ireo.” (1Te 5:2, 3) Tampoka tokoa ny fanaintainan’ny vehivavy mihetsi-jaza, fa tsy fantatra mialoha ny andro sy ora hitrangany. Isaky ny 15 na 20 minitra eo ho eo no mitranga ilay izy amin’ny voalohany. Mihamatetika kokoa anefa ny fanaintainana rehefa akaiky ho teraka ilay vehivavy, ary tsy maharitra ela be izany ho an’ny ankamaroan’ny vehivavy, indrindra rehefa tena ho latsaka ilay zaza. Vao manomboka manaintaina izy dia fantany fa tena efa ho teraka izy ary tsy maintsy hijaly. “Tsy ho afa-mandositra” izy.
Nahazo fahitana ny apostoly Jaona, ka nahita vehivavy iray tany an-danitra. “Nitaraina [ilay vehivavy] fa narary nihetsi-jaza efa ho teraka.” “Tera-dahy ravehivavy, dia zazalahy hifehy ny firenena rehetra amin’ny tehim-by.” Nitady handrapaka an’ilay zazakely ny dragona. “Nentina haingana nankany amin’Andriamanitra sy ny seza fiandrianany” anefa ilay zaza. (Ap 12:1, 2, 4-6) Midika izany fa neken’Andriamanitra ho zanany izy io. Toy izao mantsy ny fanao fahiny: Nentina tany amin’ny rainy ny zaza vao teraka ary nekeny hoe zanany. (Jereo FAHATERAHANA.) ‘Vadin’Andriamanitra’ àry ilay “vehivavy”, izany hoe i “Jerosalema any ambony”, izay ‘reny’ ho an’i Kristy sy ireo rahalahiny ara-panahy.—Ga 4:26; He 2:11, 12, 17.
Lavorary ilay “vehivavy” vadin’Andriamanitra any an-danitra, ka azo antoka fa tsy hanaintaina ara-bakiteny izy. Tsy maintsy ho amin’ny heviny an’ohatra àry ilay fanaintainana. Midika izy io hoe ho takatr’ilay “vehivavy” fa tena efa ho teraka ny zanany. Tsy ho ela dia ho tonga ilay nandrandrainy!—Ap 12:2.
Iza io “zazalahy” io? Voalaza fa “hifehy ny firenena rehetra amin’ny tehim-by” izy io. Mampiasa teny toy izany koa ny Salamo 2:6-9 rehefa miresaka momba ny Mesia Mpanjaka notendren’Andriamanitra. Taona maro taorian’ny nahaterahan’i Kristy teto an-tany, sy ny nahafatesany, ary ny nitsanganany tamin’ny maty anefa i Jaona vao nahazo an’ilay fahitana. Miresaka momba ny fahaterahan’ny Fanjakan’ny Mesia àry ilay fahitana. I Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra no hitondra an’io fanjakana io. “Nipetraka teo ankavanan’Andriamanitra izy”, rehefa avy natsangana tamin’ny maty. “Koa nanomboka tamin’izay, dia niandry izy mandra-panao ny fahavalony ho fitoeran-tongony.”—He 10:12, 13; Sl 110:1; Ap 12:10.
Fotoana efa nandrandraina izany! Arakaraka ny nanatonan’ny fotoana àry dia tena tsy andrin’ny tany an-danitra sy ny teto an-tany ilay izy. Rehefa tanteraka mantsy ny faminaniana dia midika izany fa tena efa akaiky ny hahaterahan’ny Fanjakan’ny Mesia. Ho toy izany koa àry ny fahatongavan’ny “andron’i Jehovah”, araka ny nolazain’ny apostoly Paoly hoe: “Raha ny amin’ny fotoana sy ny vanim-potoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo.” “Ianareo kosa, ry rahalahy, dia tsy ao amin’ny maizina ka hoe hahatratra anareo tampoka toy ny mpangalatra izany andro izany.”—1Te 5:1, 4.