Nahoana Ianao no Hitana ny Teny Nataonao?
“ILAY lehilahy mampanantena kely indrindra fidina; izy no tsy handiso fanantenana indrindra”, hoy i Bernard Baruch, mpanolo-tsain’ny prezidà, nodimandry vao haingana. Eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia toa natao hivadihana ny fampanantenana. Mety ho voadim-panambadiana izany, fifanarahana ara-barotra, na fanomezan-toky ny hiara-mandany fotoana bebe kokoa amin’ny ankizy. Tsy raharahain’ny besinimaro izay tiana holazaina amin’ilay fitenenana mahazatra hoe “Ny tena lehilahy mitana ny teniny”.
Mazava ho azy fa olona maro no tsy mikasa mihitsy hitana ny teny nataony. Ny hafa maimay hanome toky tsy azony tanterahina, na mivadika amin’ny teny nataony, satria fotsiny hoe izany no lalana mora arahina indrindra.
Ekena aloha fa mety ho sarotra ny hitana ny teny natao, raha mipoitra ny tarehin-javatra tsy nampoizina. Tena manimba be ve anefa ny fivadihana amin’ny teny natao? Tokony hihevitra ny teny nataonao ho zava-dehibe ve ianao? Ny topy maso fohy amin’ny ohatr’i Jehovah Andriamanitra, dia hanampy antsika hahita ny antony tokony handinihantsika an’io raharaha io amim-pitandremana.
Manatanteraka ny fampanantenany i Jehovah
Isika dia manompo Andriamanitra iray, izay ny anarany mihitsy dia mifamatotra amin’ny fahatanterahan’ny fampanantenany. Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia matetika ny anarana no nanambara zavatra momba ilay olona. Marina koa izany, raha ny amin’ny anaran’i Jehovah, izay midika hoe “Mahatonga Izy”. (Eksodosy 3:14). Araka izany, ny anaran’Andriamanitra dia mahafaoka ilay hevitra hoe hanatanteraka ny fampanantenany sy ny fikasany Andriamanitra.
Mifanaraka amin’ny anarany, i Jehovah dia nitana ny fampanantenana rehetra nomeny ny firenen’ny Isiraely fahiny. Momba ireny fampanantenana ireny, dia niaiky toy izao i Solomona Mpanjaka: “Isaorana anie Jehovah, Izay nanome fitsaharana ho an’ny Isiraely olony araka izay rehetra nolazainy; tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin’izay teny soa rehetra nampilazainy an’i Mosesy mpanompony.” — 1 Mpanjaka 8:56.
Mendri-pitokisana aoka izany i Jehovah, hany ka afaka nilaza toy izao ny apostoly Paoly: “Andriamanitra nanao teny fikasana tamin’i Abrahama, ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin’ny tenany Izy”. (Hebreo 6:13). Eny, ny anaran’i Jehovah mihitsy sy ny maha izy azy, dia antoka fa tsy hivadika amin’ny teniny izy, na dia mety hitondra fanaintainana sy alahelo lehibe ho azy aza izany. (Romana 8:32). Ny fanatanterahan’i Jehovah ny fampanantenany dia manome fanantenana antsika, izay vatofantsika ho an’ny fanahintsika, na ny aintsika. — Hebreo 6:19.
Ireo fampanantenan’i Jehovah sy ny hoavintsika
Ny fanantenantsika sy ny finoantsika ary ny aintsika mihitsy dia miankina avokoa amin’ny fahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah. Fanantenana inona no ankamamintsika? “Misy lanitra vaovao sy tany vaovao izay andrasantsika, araka ny fampanantenany [ny an’Andriamanitra], ary tsy maintsy hitoeran’ny fahamarinana ireo.” (2 Petera 3:13, NW ). Manome antsika fototra inoana koa ny Soratra Masina fa “hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina”. (Asan’ny Apostoly 24:15, NW ). Ary afaka matoky isika fa misy zavatra mihoatra noho ity fiainana ankehitriny ity. Eny tokoa, izay nantsoin’ny apostoly Jaona hoe “zavatra nampanantenaina” dia “ny fiainana mandrakizay”. (1 Jaona 2:25, NW ). Tsy voafetra ho amin’ny hoavy ihany anefa ireo fampanantenan’i Jehovah ao amin’ny Teniny. Manome heviny ho an’ny fiainantsika andavanandro dieny izao izy ireo.
Nihira toy izao ny mpanao salamo: “Jehovah dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, (...) ary hihaino ny fitarainany”. (Salamo 145:18, 19). Manome toky antsika koa Andriamanitra fa “mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be”. (Isaia 40:29). Ary tena fampiononana tokoa ny mahafantatra fa ‘Andriamanitra dia tsy hamela antsika halaim-panahy mihoatra noho izay zakatsika; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahana’! (1 Korintiana 10:13). Raha nisy tanteraka teo amin’ny tenantsika manokana ireny fampanantenana rehetra ireny, dia fantatsika fa azo itokisana tanteraka i Jehovah. Rehefa heverina ireo soa raisintsika avy amin’ireo fampanantenana maro omeny sy tanterahiny, ahoana kosa no tokony hiheverantsika ny fampanantenana omentsika an’Andriamanitra?
Fitanana ny teny ataontsika amin’Andriamanitra
Ny fanoloran-tenantsika ho an’Andriamanitra dia tsy isalasalana fa ilay fampanantenana lehibe indrindra azontsika omena. Amin’ny fanaovana io dingana io, dia asehontsika fa maniry hanompo an’i Jehovah mandrakizay isika. Na dia tsy mavesatra aza ny didin’Andriamanitra, dia mety tsy ho mora foana ny manao ny sitrapony, noho isika miaina eto amin’ity fandehan-javatra ratsy ity. (2 Timoty 3:12; 1 Jaona 5:3). Raha vao ‘nitana fangady tarihina’ anefa isika, ka tonga mpanompon’i Jehovah nanolo-tena sady mpianatr’i Jesosy Kristy Zanany, dia tsy tokony hiherika intsony any amin’ireo zavatr’ity tontolo izay efa nilaozantsika ity. — Lioka 9:62.
Rehefa mivavaka amin’i Jehovah isika, dia mety hahatsapa ho voatosika hampanantena azy fa hiady mafy isika mba handresy fahalemena, hamboly toetra kristianina, na hampitombo ny lafiny iray eo amin’ny asantsika teôkratika. Inona no hanampy antsika hanatanteraka ireo fampanantenana ireo? — Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 5:1-4.
Avy amin’ny fo sy ny saina ny fampanantenana amim-pahatsorana. Noho izany, aoka isika hanamafy ny fampanantenana omentsika an’i Jehovah, hamboraka ny ao am-pontsika aminy ao amin’ny vavaka, ka hilaza aminy marina ny tahotra mahazo antsika sy ny faniriantsika ary ny fahalementsika. Ny firesahana ao amin’ny vavaka momba ny fampanantenana iray omentsika, dia hanatanjaka ny fahatapahan-kevitsika hanatanteraka azy io. Azontsika atao ny mihevitra ireo fampanantenana omentsika an’Andriamanitra ho toy ny trosa. Rehefa betsaka ny trosa, dia tsy maintsy atao tsikelikely ny fandoavana azy. Toy izany koa fa haka fotoana ny fanatanterahana ireo fampanantenana maro omentsika an’i Jehovah. Amin’ny fanomezantsika ho azy tsy tapaka izay azontsika omena anefa, dia asehontsika fa mihevitra ho zava-dehibe izay nolazaintsika isika, ary hitahy antsika mifanaraka amin’izany izy.
Afaka mampiseho isika fa mihevitra ho zava-dehibe ny fampanantenana omentsika, amin’ny fivavahana momba azy ireny matetika, angamba isan’andro. Izany dia hampiseho amin’ilay Raintsika any an-danitra fa tso-po isika. Ho fampahatsiahivana tsy tapaka koa izany. Namela ohatra tsara dia tsara ho antsika i Davida, raha ny amin’io lafiny io. Tamin’ny hira, dia nitalaho tamin’i Jehovah toy izao izy: “Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny fivavako. (...) Izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan-andro ny voadiko.” — Salamo 61:1, 8.
Manorina fitokisana ny fitanana ny teny nataontsika
Raha tsy tokony hohamaivanina ny fampanantenana omentsika an’Andriamanitra, dia mitovy amin’izany koa ny amin’ireo fampanantenana omentsika an’ireo Kristianina tahaka antsika. Tsy tokony ho samy hafa ny fomba ifampiraharahantsika amin’i Jehovah sy amin’ny rahalahintsika. (Ampitahao amin’ny 1 Jaona 4:20.) Hoy i Jesosy tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra: “Aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia”. (Matio 5:37). Ny fanaovana izay hahazoana antoka fa mendri-pitokisana foana ny tenintsika, dia fomba iray ‘hanaovana soa amin’ny mpianakavin’ny finoana’. (Galatiana 6:10). Manorina fitokisana ny fitanana ny teny rehetra nataontsika.
Goavana kokoa matetika ny fahavoazana ateraky ny fivadihana amin’ny teny natao, rehefa vola no tafiditra. Tokony hitana ny teny nataony ny Kristianina iray, na resaka famerenam-bola nosamborina izany, na fanaovana asa iray, na fifanarahana ara-barotra. Mampifaly an’Andriamanitra izany ary manamafy ny fifampitokisana izay tena ilaina aoka izany, raha tian’ireo mpirahalahy ny ‘hiara-monina ao anatin’ny firaisan-tsaina’. — Salamo 133:1, NW.
Ny tsy fankatoavana ireo fifanarahana anefa dia afaka manimba ny kôngregasiôna sy ireo olona tafiditra amin’izany mivantana. Hoy ny fanamarihan’ny mpiandraikitra mpitety faritany iray: “Ireo fifandirana ara-barotra — vokatry ny fifanarahana izay heverin’ny ankilany, fara faharatsiny, hoe tsy eken’ny andaniny — dia manjary fantatry ny besinimaro matetika. Ho vokany, dia miandany amin’ny andaniny na ny ankilany ireo rahalahy ary mety hanjary hihenjana ny rivo-piainana ao amin’ny Efitrano Fanjakana.” Tena zava-dehibe tokoa ny handinihana amim-pitandremana izay fifanarahana rehetra ataontsika sy ny hanaovana izany an-tsoratra!a
Tokony hitandrina koa isika, rehefa mivarotra entana lafo vidy, na mampirisika fanaovana fampiasam-bola, indrindra raha mahazo tombony amin’ilay varotra ny tenantsika. Toy izany koa fa tena ilaina ny mitandrina mba tsy hanao laza masaka ny amin’ny soa azo avy amin’ny entana na ny fanafody sasany, na hampanantena tamberim-bidy tsy araka ny zava-misy. Ny fitiavana dia tokony hanosika ny Kristianina hanazava amin’ny fomba feno izay loza mety ho tafiditra. (Romana 12:10). Koa satria tsy za-draharaha loatra amin’ny fandraharahana ny ankamaroan’ireo rahalahy, dia mety hitoky amin’ny torohevitra omentsika izy ireo, satria fotsiny hoe mpiray finoana aminy isika. Tena hampalahelo tokoa raha ho rava izany fitokisana izany!
Amin’ny maha Kristianina antsika, dia tsy afaka manaraka fanao ara-barotra tsy marina na tsy miraharaha ny tombontsoa ara-dalàna ananan’ny hafa isika. (Efesiana 2:2, 3; Hebreo 13:18). Mba hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah sy ‘hitoerana ao amin’ny tabernakeliny’, dia tsy maintsy mendri-pitokisana isika. ‘Tsy mivadika amin’ny fianianantsika isika, na dia maningotra ny tenantsika aza.’ — Salamo 15:1, 4.
I Jefta, Mpitsara teo amin’ny Isiraely, dia nivoady fa raha omen’Andriamanitra fandresena ny Amonita izy, dia hatolony ho an’i Jehovah ho fanatitra dorana, izay olona voalohany mifanena aminy, aorian’ny hiverenany avy any an’ady. Ny hany zanak’i Jefta izany olona izany, nefa tsy nivadika tamin’ny teny nataony i Jefta. Noho ny faneken’ny zanany vavy tamim-pahatsorana, dia nanolotra azy io ho amin’ny fanompoana maharitra tao amin’ny fitoerana masin’Andriamanitra i Jefta — fanatitra izay tsy isalasalana fa nampanaintaina sy namoizany be tamin’ny lafiny maro samihafa. — Mpitsara 11:30-40.
Ireo mpiandraikitra ao amin’ny kôngregasiôna indrindra no manana andraikitra hankato ny fifanarahana nataony. Araka ny 1 Timoty 3:2, dia tokony ho “tsy manan-tsiny” ny mpiandraikitra iray. Izany dia avy amin’ny teny grika iray midika hoe “tsy azo hazonina, tsy manan-tsiny, tsy azo kianina”. Izany dia “tsy midika fotsiny hoe tsara laza ilay olona, fa mendrika an’izany izy”. (A Linguistic Key to the Greek New Testament). Koa satria tsy maintsy tsy manan-tsiny ny mpiandraikitra iray, dia tokony ho azo itokisana foana ny fampanantenany.
Fomba hafa hitanana ny teny nataontsika
Ahoana no tokony hiheverantsika ny teny ataontsika amin’ireo izay tsy Kristianina tahaka antsika? “Aoka hazava eo imason’ny olona (...) ny fahazavanareo”, hoy i Jesosy “mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” (Matio 5:16). Ny fanaporofoantsika fa mitana ny teny nataontsika isika, dia mety hanintona ny hafa ho amin’ny hafatra kristianina entintsika. Na dia eo aza ny fikororosian’ny fari-pitsipika momba ny fanaovana ny marina, dia mbola manisy vidiny ny tsy fivadihana ihany ny ankamaroan’ny olona. Ny fitanana ny teny nataontsika dia fomba iray hanehoana fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika ary hanintonana ireo tia ny fahamarinana. — Matio 22:36-39; Romana 15:2.
Nandritra ny taom-panompoany 1998, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nandany ora maherin’ny arivo tapitrisa, nanambarana ampahibemaso ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 24:14). Nety ho tsy noraharahaina ny sasany tamin’izany fitoriana izany, raha tsy nitana ny teny nataontsika teo amin’ny fifampiraharahana ara-barotra na ny raharaha hafa isika. Koa satria misolo tena an’ilay Andriamanitry ny fahamarinana isika, dia ara-drariny raha manantena antsika hanao ny marina ny olona. Rehefa mendri-pitokisana sy milaza ny marina isika, dia “hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra”. — Titosy 2:10.
Eo amin’ny fanompoantsika, dia manana fahafahana hitana ny teny nataontsika isika, rehefa miverina hitsidika an’ireo maneho fahalianana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana. Raha milaza isika fa hiverina, dia tokony hanao izany. Ny fiverenana, araka ny nampanantenaintsika, dia fomba iray ‘tsy hamihinana ny soa amin’izay tokony homena azy’. (Ohabolana 3:27). Nanazava izany tamin’izao fomba izao ny anabavy iray: “Imbetsaka aho no sendra olona liana izay nilaza fa nampanantena ny hiverina ny Vavolombelona iray, nefa tsy niverina. Mazava ho azy fa fantatro hoe nety tsy ho tao an-trano ilay tompon-trano, na nety ho nisy tarehin-javatra tsy nahafahana niverina. Tsy ho tiako anefa ny hilazan’ny olona izany amin’ny tenako, koa dia manao izay farany azoko atao aho mba hahitana ilay olona ao an-trano indray. Mino aho fa raha mandiso fanantenana olona iray ny tenako, dia hisy fiantraikany ratsy eo amin’i Jehovah sy ny fitambaran’ny mpirahalahy izany.”
Amin’ny toe-javatra sasany, dia mety ho tsy hahatsiaro ho voatosika hiverina isika, satria manatsoaka hevitra fa tsy tena liana ilay olona. Nanazava toy izao io anabavy io ihany: “Tsy manandrana hitsara ny haben’ny fahalianana aho. Ny zavatra niainako manokana dia nampianatra ahy fa mazàna no ratsy foana ny fihetsika voalohany. Koa miezaka ny hijery lafy tsaran-javatra àry aho, ka hihevitra ny olona tsirairay ho mety ho tonga anadahy na rahavavy.”
Eo amin’ny fanompoana kristianina sy eo amin’ny lafin-javatra maro hafa, dia ilaintsika ny mampiseho fa azo itokisana ny teny ataontsika. Marina fa mora lazaina kokoa ny zavatra sasany, fa sarotra atao. Nanamarika toy izao ilay lehilahy hendry: “Maro ny olona samy midera ny soa ataon’ny tenany avy; fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy?” (Ohabolana 20:6). Raha maneho fahatapahan-kevitra isika, dia afaka ny ho olo-mahatoky sy hitana ny teny ataontsika.
Fitahiana tondraka avy amin’Andriamanitra
Ny finiavana hanome fampanantenana poaka aty dia fanaovana ny tsy marina, ary azo ampitovina amin’ny fanoratana seky tsy misy petra-bola. Valisoa sy fitahiana toy inona anefa no raisintsika amin’ny fitanana ny teny nataontsika! Fitahiana iray noho isika mendri-pitokisana ny feon’ny fieritreretana tsara. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 24:16.) Tsy henjehin’ny fahatsapana nenina isika, fa hahatsapa fahafaham-po sy fiadanana kosa. Fanampin’izany, amin’ny fitanana ny teny nataontsika, dia mandray anjara amin’ny firaisan-tsain’ny kôngregasiôna, izay miankina amin’ny fifampitokisana, isika. Ny “teny fahamarinana” avy amintsika koa dia mampiseho antsika ho mpanompon’ilay Andriamanitry ny fahamarinana. — 2 Korintiana 6:3, 4, 7.
Tsy mivadika amin’ny teniny i Jehovah, ary halany ny “lela fandainga”. (Ohabolana 6:16, 17). Amin’ny fanahafana ny Raintsika any an-danitra, dia manatona akaiky kokoa azy isika. Azo antoka àry fa manana antony tsara hitanana ny teny ataontsika isika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Mettez-le par écrit!”, ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) 8 May 1983, pejy 13-15.
[Sary, pejy 10]
Nitana ny teny nataony i Jefta, na dia nampanaintaina aza ny fanaovana izany
[Sary, pejy 11]
Raha nampanantena ny hiverina ianao, dia miomàna tsara mba hanaovana izany