Aoka ianao ho feno fifaliana
“Feno fifaliana sy fanahy masina hatrany ny mpianatra.” — Asan’ny apostoly 13:52, MN.
1. a) Karazam-bokatra inona ny fifaliana? b) Noho ny fanomezana mahafaly inona no tokony hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra?
FIFALIANA! Io toetra tsara kristiana io dia nalahatra ho faharoa avy hatrany aorian’ny fitiavana, ao amin’ny filazalazan’i Paoly ny vokatry ny fanahy. (Galatiana 5:22-25). Ary inona no miteraka izany fifaliana izany? Ny vaovao tsara nambaran’ny anjelin’Andriamanitra iray tamina mpiandry ondry tsotra, maherin’ny 1 900 taona lasa izay, manao hoe: “Indro, milaza teny soa mahafaly [vaovao tsara, MN] aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.” Tamin’izay, dia niseho ny andian’anjely maro ary nidera an’Andriamanitra tamim-pifaliana niaraka tamin’ilay anjely voalohany ka nanao hoe: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany [olon’ny fahamoram-panahy, MN].” — Lioka 2:10-14.
2, 3. a) Nahoana no nety ny nandefasan’Andriamanitra ny Zanany lahimatoa mba ho tonga Mpanavotra ny taranak’olombelona? b) Tamin’ny fomba hafa ahoana avy no nanatanterahan’i Jesosy ny fikasan’Andriamanitra fony izy teto an-tany?
2 Ny fahamoram-panahin’Andriamanitra amin’ny olombelona dia niseho tamin’ny nanomezany famonjena tamin’ny alalan’i Kristy Tompo. Io Zanaka lahimatoan’Andriamanitra io dia ilay tena fahendrena velona mihitsy ary voalaza fa niteny toy izao momba ny Rainy tamin’ny fotoan’ny famoronana izy: “Dia mpità-marika teo anilany aho sady ravoravo isan-andro isan-andro ka nilalao mandrakariva teo anatrehany; eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, ary naharavoravo ahy ny zanak’olombelona.” — Ohabolana 8:30, 31.
3 Nety indrindra àry raha handefa ny Zanany, izay niravoravo aoka izany noho ny zanak’olombelona, mba ho Mpanavotra ny taranak’olombelona, Andriamanitra. Ary amin’ny ahoana no hitondran’izany voninahitra ho an’Andriamanitra? Izany dia hanokatra ho azy ny lalana hanatanterahana ny fikasany lehibe ny hameno ny tany amin’ny olombelona marina sy tia fiadanana. (Genesisy 1:28). Ambonin’izany, fony teto an-tany io Zanaka io, i Jesosy, dia hampiseho ao anatin’ny fitsapana mafy indrindra fa ny lehilahy tanteraka iray dia afaka mankatò amim-pahatokiana an’i Jehovah amin’ny maha-Tompom-piandrianana azy, ka hanamarina amin’ny fomba feno ny zon’ny Rainy hanapaka eo amin’ny zavatra noforoniny. (Hebreo 4:15; 5:8, 9). Ny fomba fiainana narahin’i Jesosy nitana tsy fivadihana koa dia namela môdely ho an’ny kristiana marina rehetra, mba hanarahany akaiky ny diany. — 1 Petera 2:21, MN.
4. Niteraka fifaliana lehibe inona ny fiaretan’i Jesosy, ary ahoana no tokony hampaherezan’izany antsika?
4 Nahita fifaliana tsy manam-paharoa i Jesosy tamin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Rainy toy izany, ary izany dia amin’ny fanantenana ny hahazo fifaliana lehibe kokoa aza, araka ny nasehon’ny apostoly Paoly toy izao ao amin’ny Hebreo 12:1, 2: “Aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy.” Fifaliana inona izany? Izany dia ny fifaliana tsapan’i Jesosy, tsy amin’ny fanamasinana ny anaran’ny Rainy sy amin’ny fanavotana ny taranak’olombelona amin’ny fahafatesana ihany, fa amin’ny fanapahana amin’ny maha-Mpanjaka sy Mpisoronabe azy koa rehefa hamerina ny olombelona mankatò ho amin’ny fiainana tsy hanam-pahataperana ao amin’ny tany paradisa indray izy. — Matio 6:9, 10; 20:28; Hebreo 7:23-26.
5. Iza moa ireo ‘rahalahin’i Jesosy’, ary fifaliana tsy misy toa azy inona no tsapan’izy ireo koa?
5 Eny, nahita fifaliana foana ny Zanak’Andriamanitra tamin’ny fanompoana ny taranak’olombelona. Ary fifaliana ho azy koa ny niara-nanompo tamin’ny Rainy tamin’ny fifidianana ny antokon’ireo olombelona mitana tsy fivadihana izay antsoiny hoe ‘rahalahiny’ ary hatsangana amin’ny maty ho any an-danitra eo amin’ny fahafatesany. Izy ireo dia hiara-miditra ao amin’ny fifaliana tsy misy toa azy miaraka amin’i Jesosy. Atao hoe “sambatra sy masina” izy ireo, ary “ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy (...) ka hiara-manjaka aminy arivo taona.” — Hebreo 2:11; Apokalypsy 14:1, 4; 20:6.
6. a) Fanasana mahafaly inona no atolotr’ilay Mpanjaka an’ireo “ondry hafa”? b) Tombontsoa inona avy no ananan’ny maro amin’ireo ondry ireo ankehitriny?
6 Fanampin’izany, dia misy olona betsaka voaforon’ny “ondry hafa”, izay avahan’ilay Mpanjaka efa manapaka ho eo amin’ny ankavanany mampiseho ny fankasitrahany, mandray izao fanasana avy aminy izao: “Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao.” (Jaona 10:16; Matio 25:34). Tombontsoa mahafaly toy inona moa izany! Eo amin’ireo izay handova ny faritr’ilay Fanjakana eto an-tany, dieny izao aza dia efa maro ireo izay manaiky fanendrena hitana andraikitra eo anilan’ireo voahosotra, araka ny nilazan’i Jehovah azy mialoha hoe: “Ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman-osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanimboaloboka ho anareo, fa hianareo kosa no hatao hoe mpisoron’i Jehovah, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitsika no hilazana anareo”. Izy rehetra ireo dia miara-miteny amin’ny mpaminanin’Andriamanitra manao hoe: “Hifaly dia hifaly amin’i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho”. — Isaia 61:5, 6, 10.
7. Nahoana izao “andro” nanomboka tamin’ny 1914 izao no manokana tokoa?
7 Miaina amin’ny andro manokana tokoa isika izao. Nanomboka tamin’ny 1914, izany andro izany dia ny andro anapahan’i Kristy amin’ny maha-Mpanjaka any an-danitra azy, araka ny voalazalaza ao amin’ny Salamo 118:24, 25 hoe: “Ity no andro nataon’i Jehovah; hifaly sy ho ravoravo amin’izao isika. Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è!” Izany dia ny andro izay hahatratra ny fara tampony rehefa handringana ny fivavahana babyloniana i Jehovah ka hampiray ny ampakarin’i Kristy voaforon’ireo rahalahiny 144 000 amin’ny Mpanjakany any an-danitra. Ny vahoakan’Andriamanitra rehetra dia “hifaly sy ho ravoravo” noho izany. Hifaly koa izy ireo rehefa hiady ao Haramagedona ny Mpanjakany mesianika mba hamonjy ny fireneny mahatoky mba hidirany ao amin’ny tontolony vaovao sy marina. (Apokalypsy 19:1-7, 11-16). Manome fahombiazana ve i Jehovah raha manambara io fanantenana feno fifaliana io ny vahoakany? Hanazava izany ny tatitra manaraka.
Ny fitarana maneran-tany
8. a) Amin’ny ahoana no hita taratra eo amin’ny rapaoro ao amin’ny pejy faha-18 ka hatramin’ny faha-21 amin’ity gazety ity ny fifaliana amin’ny fanahy masina? b) Inona avy no sasany amin’ireo hevitra misongadina ao amin’io rapaoro io?
8 Ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny dia ‘mitombo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny fanahy masina’. (Romana 15:13). Izany dia hita taratra eo amin’ilay tabilao ao amin’ny pejy faha-18 ka hatramin’ny faha-21 amin’ity gazety ity, izay ampisehoana amin’ny an-tsipiriany ny rapaoro maneran-tanin’ny fanompoana ilay Fanjakana tamin’ny 1990. Endrey ny fifaliantsika mahita tampon’isa vaovao amin’ny isan’ny mpanompo 4 017 213 niasa teny amin’ny saha fitoriana! Izany dia manamarika fitomboana 77 isan-jato nandritra ireo folo taona lasa, raha mbola mitohy haingana any amin’ny tany 212 maneran-tany ny fanangonana ireo ondry. Taorian’ny 15 taona, dia nahatratra tampon’isa mbola tsy hita hatramin’izay indray ny natao batisa — 301 518! Nisy isan’ny natao batisa niavaka tokoa tany amin’ny fivoriamben’ny distrika maro, indrindra fa tany amin’izay natrehin’ireo Vavolombelona avy tany Eoropa atsinanana. Anisan’izy ireo, dia nisy tanora maro, ka izany dia manaporofo fa lainga ny teny itompoan’ireo sôsialista hoe hiaraka ho faty amin’ny olona antitra ny fivavahana.
9. a) Mitondra vokatra mahafaly inona ny fampiofanana omen’ny ray aman-dreny aloha be? b) Zava-nitranga teo an-toerana na hafa inona no manamafy izany?
9 Mamaly izao antso ao amin’ny Salamo 32:11 izao ny tanora maro dia maro: “Mifalia amin’i Jehovah, ary ravoravoa, hianareo olo-marina; ary mihobia, hianareo mahitsy fo rehetra.” Toa mampihatra ny torohevitra mba hampiofana ireo zanany kely “hatry ny fony zaza” ny ray aman-dreny maro. (2 Timoty 3:15). Ampiasaina tsara ireo zavatra vita an-tsoratra sy ireo “cassettes” natao ho an’ireo mbola kely taona. Rehefa manomboka mianatra ireo ankizikely ireo, tsy ela dia manao fanambarana tsara dia tsara, toy ny nataon’ny ankizivavikely japone valo taona izay nitantara hoe: “Taorian’ny fialan-tsasatra tamin’ny fahavaratra, dia nanatona ny mpampianatra ahy aho ka nanontany azy hoe: ‘Nitsidika ny fasan’ny rainao ve ianao nandritra ny fialan-tsasatra?’ Namaly izy hoe: ‘Eny, olona nalemy fanahy be ny raiko, ary mitsidika ny fasany isan-taona aho.’ Hoy aho hoe: ‘Raha mianatra ny Baiboly ianao ka manaraka ny fampianaran’Andriamanitra, dia ho afaka hahita ny rainao be fitiavana ao amin’ny paradisa eto an-tany.’ Avy eo dia nomeko Ny Bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly izy. Izao ny mpampianatra anay dia mamaky toko iray amin’io boky io ho an’ny kilasy manontolo amin’ny fotoan’ny sakafo antoandro isan-kerinandro.”
10. Fikasana tsara inona no notanterahin’ny boky Les jeunes s’interrogent, ary inona avy no ohatra sasany amin’izany?
10 Ireo zatovo dia mampiasa tsara ny boky Les jeunes s’interrogent — Réponses pratiques, ho an’ny fianarany manokana ary koa rehefa manao fanambarana amin’ny tanora hafa. Nankasitraka io boky io koa ny ray aman-dreny. Nanapa-kevitra ny hitsidika ny ray aman-drenin’ireo mpiara-mianatra amin’ny zanany ny anabavy iray any Soisa, izay nanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy. Izany dia nanokatra ny fahafahana hanao fifanakalozan-kevitra tsara dia tsara tamin’ny ray aman-dreny maro, ary boky 20 (Les jeunes s’interrogent ny ankamaroany) sy gazety 27 no napetraka taminy. Rehefa avy nametraka io boky io tamin’ny mpampianatra azy tany an-tsekoly ny ankizivavy mpianatra iray tany Trinité, dia nanao izany koa ny reniny ka nahazara boky 25 tamin’ireo mpiasa 36 tao. Nanohy izany hatramin’ny volana nanaraka izy ka nifantoka kokoa tamin’ireo ray aman-dreny izay fantany manokana, ary nahazara boky 92 fanampiny sy nanomboka fampianarana Baiboly any an-tokantrano vaovao maro. Tany Korea, ny mpampianatra tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa iray dia nampiasa ny boky Les jeunes s’interrogent rehefa nanao lesona fananarana fohy momba ny fotokevitra toy ny hoe “Ahoana no hahazoako naoty tsaratsara kokoa?” sy ny hoe “Ahoana no hahafahako mifandray tsara amin’ny mpampianatra ahy”, ary avy eo dia nanolotra ilay boky. Rehefa avy nanaiky boky 39 tamin’izany ny mpianatra, dia nanomboka nitaraina ny ray aman-dreny sasany. Kanefa nandinika ny iray tamin’izany boky izany ny talen’ny sekoly, ary nilaza fa “mahatalanjona” izy io ka nanafatra iray ho an’ny zanany vavy.
Ny fitaizana tsara indrindra
11, 12. Inona avy no porofo sasany manamarina fa manome ny fitaizana tsara indrindra ny Fikambanana Watch Tower?
11 Ankasitrahan’ny maro koa ny hasarobidin’ireo gazetintsika raha eo amin’ny fitaizana, toy ny sekoly amerikana iray izay nanafatra 1 200 tamin’ny gazety Mifohaza! tamin’ny 22 Jolay 1990 (frantsay) (mampiharihary ny fampiasana ilay zava-mahadomelina antsoina hoe “crack”) mba hampiasaina tao amin’ireo kilasiny. Ambonin’izany, dia mbola misy heriny tsara eo amin’ny hafa foana ny fitondrantena fakan-tahaka ananan’ny zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah any an-tsekoly. Tao an-dakilasy nitabataba iray tany Thaïlande, dia niantso an’i Racha, 11 taona, ho eny anoloan’ny iray kilasy taminy ny mpampianatra ary nanao teny fiderana azy noho ny fitondrantenany tamin’ny filazana hoe: “Nahoana ianareo rehetra ireo no tsy maka azy ho ohatra? Marisika amin’ny fianarany izy sady hendry.” Avy eo izy dia nanampy hoe: “Angamba rehefa tonga Vavolombelon’i Jehovah tahaka an’i Racha ianareo vao hihatsara fitondrantena.” — Ampitahao amin’ny Ohabolana 1:8; 23:22, 23.
12 Nanoratra toy izao ny anabavy tanora iray any amin’ny Repoblika Dominikanina: “Raha vao efa-taona monja aho, dia efa saika nahazo diplaoma avy tao amin’ny sekoly ara-pivavahana ho an’ankizy kely nianarako namaky teny sy nanoratra. Ho fanomezana, dia nomeko ny boky Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany ilay masera nampianatra ahy, niaraka tamin’ny soratra hoe: ‘Velom-pankasitrahana tokoa aho noho ny nampianaranao ahy namaky teny sy nanoratra. Ny iriko dia ny hahatakaranao koa ny finoako sy ny hanananao ny fanantenako ny hiaina mandrakizay eto an-tany rehefa ho voaova ho paradisa izy ity.’ Voaroaka avy tao amin’ilay sekoly aho noho izany. Valo taona tatỳ aoriana, dia nifanena tamin’io mpampianatra io indray aho. Notantarainy ny fomba nahafahany namaky ilay boky na dia teo aza ny fanoherana mafy avy tamin’ilay pretra. Nifindra honina tany an-drenivohitra izy, ka afaka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona iray. Niara-natao batisa tamiko tamin’ny fivoriamben’ny distrika ‘Ny Fiteny madio’ izy.” Araka ny naminaniana azy, dia afaka mivoaka avy amin’ny “vavan’ny ankizy madinika” ny fahendrena! — Matio 21:16; Salamo 8:1, 2.
13. Ahoana no fandraisan’ny zatovo maro ny torohevitr’i Solomona, ary ahoana no ahitana taratr’izany amin’ny rapaoro maneran-tany?
13 Nanome izao torohevitra mampahery izao i Solomona: “Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin’izay sitraky ny fonao”. (Mpitoriteny 11:9). Fahafinaretana tokoa ankehitriny ny mahita zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah maro mampihatra ireo teny ireo, mampiasa ireo taona maha-zatovo azy mba hiomanana ho amin’ny fiainana hanompoana an’i Jehovah manontolo andro ka miditra ao amin’io asa atao antom-piainana lehibe indrindra io raha vao nahavita ny fianarana tsy maintsy. Mihamitombo haingana hatrany ny isan’ireo miditra ao amin’ny laharan’ny mpitory maharitra, ka nisy 821 108 ireo namerina filazana asa tamin’izany nandritra ny taona. Miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavy 11 092 manompo ao amin’ny Betela, izany dia mahaforona 21 isan-jaton’ny isan’ny mpitory rehetra!
14. Inona no anjara noraisin’ireo anabavintsika, ary teny fiderana inona no mendrika ho azy?
14 Mahaliana ny manamarika fa any amin’ny tany maro, toy ny any Etazonia, ny 75 isan-jaton’ireo mpitory maharitra rehetra eo ho eo dia anabavy, ka izany dia manamafy tokoa ireo teny ao amin’ny Salamo 68:11 manao hoe: “Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa [ny vaovao tsara, MN] dia antokony lehibe.” Tokony homena teny fiderana ireo anabavintsika satria manao ny tapany lehibe indrindra amin’ny asa fitoriana izy ireo. Mitarika olona maro ho amin’ny fahamarinana ny fampianarana feno hakingana ataony any amin’ireo fampianarana Baiboly any an-tokantrano, ary tokony hoderaina amin-kafanam-po koa ireo anabavy manambady izay manohana amim-pahatokiana ny vadiny amin’ireo andraikiny maro be ao amin’ny kongregasiona. — Ohabolana 31:10-12; Efesiana 5:21-25, 33.
Mandroso fatratra ny fitaizana ara-baiboly
15. a) Tamin’ny ahoana no nampiavaka ny tany sasany voatonona eo amin’ny rapaoro maneran-tany raha ny amin’ny asa fampianarana Baiboly any an-tokantrano? b) Zava-nitranga inona avy no azonao tantaraina, hampisehoana fa afaka mitondra vokatra ny fampianarana Baiboly?
15 Mandroso fatratra ny asa fitaizana ara-baiboly, ka misy fampianarana 3 624 091 amin’ny antsalany tarihina maneran-tany isam-bolana. Afaka manova toetra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, araka ny asehon’ny tatitra avy any amin’ny faritra misy an’i Aostralia sy Nouvelle Zélande. Tany am-piandohan’ny Janoary 1987, dia nafindra ho any Nouvelle Zélande avy tany Aostralia ny lehilahy iray rehefa avy nigadra 25 volana tany am-ponja noho ny halatra sy fanaovan-taratasy sandoka. Nampiasa zava-mahadomelina izy ary nivarotra izany koa nandritra ny 17 taona mahery. Ny taona nanaraka, dia nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vadiny, ary arakaraka ny nitomboan’ny fahalalan-dravehivavy, dia nahamarika fiovana niavaka teo amin’ny fitondrantenany izy. Nanjary vady sy reny tsaratsara kokoa izy. Noho ny fampirisihan’ny vadiny, dia nanatrika fivoriamben’ny fizaran-tany iray ilay lehilahy tamin’ny Jona 1989. Izao izy dia nanaiky fampianarana Baiboly tany an-tokantranony, ary nisy fiovana lehibe nanomboka hita teo amin’ny fisehoany ivelany sy ny fomba fiainany. Nanomboka nanatrika fivoriana ireo mpikambana fito rehetra tao amin’ny fianakaviana. Natao batisa tamin’ny Janoary 1990 izy io, izy izay nanaraka ny torohevitra tsara dia tsara nomen’i Paoly ao amin’ny Efesiana 4:17-24.
16. a) Amin’ny ahoana no maha-loharanom-pifaliana ny tatitra momba ny Fahatsiarovana tamin’ny 1990? b) Inona no hita fa ilaina maika dia maika, ary fiezahana inona no tokony hataontsika mba hitondrana fanampiana amin’izany?
16 Ny zavatra iray niavaka dia niavaka tamin’io rapaoro tamin’ny herintaona io dia ny tampon’isan’ny mpanatrika 9 950 058 tamin’ny fankalazana ny fahatsiarovana natao ny talata 10 Aprily 1990. Nisy maherin’ny 70 tamin’ireo tany 212 no nanao tatitra fa avo telo heny ny tampon’isan’ny mpitory teo aminy ny mpanatrika tamin’izany! Ohatra, na dia teo aza ny fanakantsakanana maro, ny tany afrikana fito, izay nisy 62 712 ny tampon’ny fitambaran’isan’ny mpitory teo aminy, dia nanao tatitra fa nisy mpanatrika 204 356 tamin’ny Fahatsiarovana. Ireo mpitory 1 914 any Liberia rotidrotiky ny ady dia faly satria nisy 7 811 nanatrika ny Fahatsiarovana. I Haïti, izay nahitana tampon’isan’ny mpitory 6 427, dia nanao tatitra fa nisy mpanatrika 36 551 tany aminy. Ireo mpitory 886 any amin’ireo nosy miparitak’i Mikronezia dia nanana mpanatrika 3 958. Ireo mpitory 1 298 any Sri Lanka dia nanao tatitra fa nisy 4 521 ny mpanatrika, ary i Zambia, izay nanana mpitory 73 729, dia nahitana mpanatrika 326 991 tamin’ny Fahatsiarovana, izany hoe olona iray isaky ny mponina 25 any Zambia. Ny rapaoro maneran-tany dia mampiharihary indray fa misy an-tapitrisany maro ireo olona tso-po izay miandry ny hanangonana azy ho ao amin’ny andian’ondry. Tsy ampy anefa ny fahatsoram-po. Afaka mampitombo sy manatsara ny toetry ny asa fampianarantsika Baiboly any an-tokantrano ve isika, amin’ny fanampiana mpanatrika ny Fahatsiarovana misimisy kokoa ihany hamboly finoana matanjaka? Maniry azy ireny ho tonga namantsika manao asa sy midera an’i Jehovah isika. Ny ainy mihitsy no tafiditra amin’izany! — Salamo 148:12, 13; Jaona 17:3; 1 Jaona 2:15-17.
Fifaliana feno
17. Ohatra tamin’ny taonjato voalohany inona avy no tokony hanampy antsika hanamafy ny fahatapahan-kevitsika hihazona mafy ny fifaliantsika?
17 Na inona na inona fitsapana eo anoloantsika, dia aoka isika ho tapa-kevitra ny hifikitra amin’ny fifaliantsika. Azo ampoizina fa tsy ho voatery handalo fanandraman-javatra mafy toy ny an’i Stefana isika, kanefa afaka mampahery antsika ny ohatra nomeny. Na dia nampangaina aza izy, dia afaka nihazona ny fahatoniany feno fifaliana. “Nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin’anjely” ireo fahavalony. Nitsangana teo anilany Andriamanitra nandritra izany fitsapana mafy tsy maintsy natrehiny izany. Nanao fanambarana tamim-pahasahiana izy, satria “feno ny Fanahy Masina” hatramin’ny fahafatesany ho toy ny maritiora. Rehefa nitodika ho any amin’ireo firenena i Paoly sy i Barnabasy teo amin’ny fitoriany, ireo koa dia “faly (...) ka nankalaza ny tenin’Andriamanitra”. Nitranga indray ny fanenjehana. Tsy nahakivy ireo izay nino anefa izany. “Feno fifaliana sy ny Fanahy Masina [sy fanahy masina hatrany, MN] ny mpianatra.” (Asan’ny apostoly 6:15; 7:55; 13:48-52). Na inona na inona ataon’ireo fahavalontsika amintsika, na inona na inona fitsapana atrehintsika isan’andro eo amin’ny fiainana, dia tsy tokony hamela na oviana na oviana ny fifaliantsika ao amin’ny fanahy masina hanjavona isika. Nanoro hevitra toy izao i Paoly: “Mifalia amin’ny fanantenana; miareta amin’ny fahoriana; mahareta amin’ny fivavahana.” — Romana 12:12.
18. a) Inona ilay Jerosalema vaovao, ary nahoana ny vahoakan’Andriamanitra no tokony hiara-mifaly aminy? b) Amin’ny ahoana no hitahian’ny “lanitra vaovao sy ny tany vaovao” ny taranak’olombelona?
18 Endrey, mahatalanjona re izany fanantenana izany! Amin’ny vahoakany rehetra, dia manambara toy izao i Jehovah: “Indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho”. I Kristy Tompo miaraka amin’ilay “Jerosalema vaovao” (izay renivohitry ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra, dia i “Jerosalema any ambony”, izao) ary ny fikambanan’izao tontolo izao vaovao eto an-tany dia hitondra fifaliana safononoka ho an’ny taranak’olombelona. (Galatiana 4:26). Ny fananganana ireo olombelona maty, ny fanandratana ireo mankatò rehetra ho amin’ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahatanterahan’olombelona, ny hisian’ny mandrakizay hahafahana hanana fiainana mahasoa sy feno hery eo amin’ny tany paradisa — fanantenana sy antony mitondra faharavoana mahatalanjona re izany! Toa an’i Jehovah izay ‘faly amin’i Jerosalema sy ravoravo amin’ny olony’, ny mpaminaniny koa dia mandefa izao antso fanampiny izao ho an’ny vahoakan’Andriamanitra: “Miaraha mifaly amin’i Jerosalema, ary miravoravoa aminy hianareo rehetra izay tia azy; aoka hiara-mifaly aminy tokoa hianareo”. (Isaia 65:17-19; 66:10; Apokalypsy 14:1; 20:12, 13; 21:2-4). Enga anie isika ka ho feno fifaliana sy fanahy masina mandrakariva eo am-panarahana ny fananaran’ny apostoly Paoly manao hoe: “Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia.” — Filipiana 4:4.
Famintinana ny momba ny fifaliantsika:
◻ Môdely nampiseho fiaretana feno fifaliana inona no navelan’i Jesosy ho antsika?
◻ Antokon’olona nanolo-tena roa iza avy no manana antony hifaliana?
◻ Amin’ny ahoana no iravoravoan’ny tanora sy ny antitra ao amin’ny fahamarinana ankehitriny?
◻ Raha jerena indray ny rapaoron’ny taona 1990, valiny inona izao no omena raha ny amin’ilay vavaka hoe “Jehovah ô, ambino è!”?
◻ Rahoviana ary amin’ny fomba ahoana no ho azo ny fifaliana feno?
[Tabilao, pejy 18-21]
RAPAORO MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH, TAOM-PIASANA 1990
(Jereo ny gazety)
[Sary, pejy 16]
Nanambara ny hahaterahan’i Kristy Tompo ho toy ny ‘vaovao tsara, dia fifaliana lehibe’, ny anjelin’i Jehovah