Miahy An’ireo Ory Ilay “Andriamanitry ny Fiadanana”
AMBARAN’NY Baiboly mazava fa nahalala tsara ny atao hoe fahoriana ilay Davida tamin’ny andro fahiny. Niaina tamin’ny naha-mpandositra izy nandritra ny taona maromaro, rehefa nenjehin’ny mpanjaka ratsy fanahy sy kirina iray tsy an-kijanona, izay tapa-kevitra ny hamono azy. Niafina tany amin’ny toerana mitokana i Davida nandritra io fotoam-pahoriana io. Nanao zavatra nihoatra noho izany anefa izy. Nivavaka tamim-pahatsorana tamin’i Jehovah izy momba ilay fahoriany. “Ny feoko no itarainako amin’i Jehovah”, hoy ny nosoratany tatỳ aoriana momba ny fisedrana mafy nahazo azy. “Loarako eo anatrehany ny fitarainako; ambarako eo anatrehany ny fahoriako.” — Salamo 142:1, 2.
Amin’izao andro izao, dia mety hanaraby ny fianteheran’i Davida tamin’Andriamanitra ny olona sasany. Mety hiteny izy ireo hoe ny vavaka dia fanohanana ara-tsaina fotsiny ary fandaniam-potoana izy io raha ny tena izy. Kanefa, tsy diso toerana akory ny fatokian’i Davida an’Andriamanitra satria resy ireo fahavalony tamin’ny farany. Rehefa nanao jery todika ny zavatra niainany izy, dia nanoratra toy izao: “Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin’ny fahoriany rehetra.” (Salamo 34:6). Ilay Andriamanitra marina izay nitodihan’i Davida dia antsoina hoe “Andriamanitry ny fiadanana”, any amin’ny toeran-kafa. (Filipiana 4:9; Hebreo 13:20). Hitondra fanamaivanana amin’ny fahoriana ve izy, ka fiadanana no ho vokatr’izany ho antsika?
Miahy anao i Jehovah
Tsy hoe tsy miraika amin’ny fahorian’ny vahoakany i Jehovah. (Salamo 34:15). Tsy ny zavatra ilain’ireo mpanompony amin’ny fitambarany fotsiny no anehoany fiheverana, fa ny an’ny isam-batan’olona izay matahotra azy koa. Rehefa nitokana ny tempoly tany Jerosalema fahiny i Solomona, dia nitalaho tamin’i Jehovah mba hihaino “izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon’olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahoriany sy ny alahelony avy”. (2 Tantara 6:29, izahay no manao sora-mandry.) Niaiky i Solomona eto fa manam-pahoriana hiaretana izay misy mampiavaka azy, ny isam-batan’olona. Mety ho aretina ara-batana izany ho an’ny olona iray. Ho an’ny iray hafa, fijaliana ara-pihetseham-po. Ny sasany mety ho ory noho ny fahafatesan’ny olon-tiana iray. Fahoriana fahita koa amin’izao andro sarotra izao ny tsy fananana asa sy ny fahasahiranana ara-bola ary ny zava-manahirana ara-pianakaviana.
Eritrereto kely hoe ny momba ny ‘fahorianao sy ny alahelonao’! Indraindray angamba ianao dia mety hahatsapa toa an’i Davida mpanao salamo izay nanoratra hoe: “Niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony, fa tsy nahita.” Kanefa, afaka matoky ianao fa miahy ny amin’ny tarehin-javatra misy anao Andriamanitra, satria tatỳ aoriana tao amin’io salamo io ihany, i Davida dia nanoratra hoe: “Mihaino ny malahelo Jehovah, ary ny olony mifatotra tsy mba hamavoiny.” — Salamo 69:20, 33.
Rehefa ampiharina amin’ny heviny malalaka ireo tenin’i Davida ireo, dia afaka matoky hatrany isika fa ilay Mpamorona ny olombelona dia mihaino ny vavak’ireo izay voafatotry ny fahoriany, raha azo atao ny milaza izany. Mihoatra noho izany aza, fa manao zavatra manoloana ny toe-javatra ratsy misy azy ireo izy. Diniho ireto fanambarana manaraka ireto izay mampiharihary ny fangoraham-pon’i Jehovah amin’ireo ory.
“Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory hianareo, fa raha mampahory azy na amin’inona na amin’inona hianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho, ka hirehitra ny fahatezerako”. — Eksodosy 22:21-23.
“Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman-alina, ary moa hitaredretra va izy?” — Lioka 18:7.
“Hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo. Hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny rany.” — Salamo 72:12-14.
“Izay mikasika anareo [vahoakan’Andriamanitra eto an-tany] dia mikasika ny [anakandriamasoko, NW ].” — Zakaria 2:12.
Ireo dia ohatra vitsy manazava ny fahalianana lalina asehon’ilay Mpamorona antsika ny amin’izay hahasoa ny vahoakany. Noho izany, isika dia manana antony tsara hanarahana ny fananaran’ny apostoly Petera hoe: “Apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.” (1 Petera 5:7). Ahoana anefa no hanampian’Andriamanitra antsika mandritra ny fotoam-pahoriana?
Ny fomba hanampian’Andriamanitra an’ireo ory
Araka ny efa hitantsika, rehefa nandia fahoriana i Davida, dia nivavaka tamim-pahatsorana tamin’Andriamanitra izy mba hahazoana tari-dalana. Nanao ny dingana voalohany mba hanamaivanana ny tarehin-javatra izy tetsy an-danin’izany, tamin’ny fampiasany fahaiza-mamoron-kevitra mba handosirana an’ireo mpanenjika azy. Araka izany, ny fianteherana tamin’i Jehovah, nampiarahina tamin’ny fiezahan’ny tenany manokana no nahafahan’i Davida niaritra ny fahoriany. Inona no azontsika ianarana avy amin’izany?
Azo antoka fa tsy hoe ratsy akory ny manao ny dingana voalohany araka ny antonona mba handaminana ny zava-manahirana, rehefa miatrika fahoriana isika. Ohatra, raha tsy manana asa ny Kristiana iray, tsy hanao fiezahana ve izy mba hahitana asa? Na, raha azon’ny aretina ara-batana izy, tsy hitady fikarakarana ara-pitsaboana ve izy? Eny tokoa, na dia i Jesosy aza, izay nanana ny hery hanasitranana ny karazana aretina rehetra, dia niaiky fa ‘mila [dokotera, NW ] ny marary’. (Matio 9:12; ampitahao amin’ny 1 Timoty 5:23.) Mazava ho azy fa tsy azo esorina ny fahoriana sasany; tsy maintsy iaretana fotsiny izy ireny. Na dia izany aza, ny Kristiana marina iray dia tsy mihevitra ny fijaliana ho toy ny zava-tsoa, araka ny iheveran’ny olona sasany azy. (Ampitahao amin’ny 1 Mpanjaka 18:28.) Manao ny dingana na inona na inona kosa izy mba hahafahany hiatrika ny fahoriany.
Etsy an-danin’izany anefa, dia araka ny fandrindran-kevitra ny hitondrana ilay raharaha eo amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka. Nahoana? Voalohany aloha, amin’ny fianteherana amin’ilay Mpamorona antsika, dia ampiana isika ‘hamantatra [ireo zavatra lehibe kokoa, NW ]’. (Filipiana 1:10). Ohatra, rehefa mitady asa isika, dia hanampy antsika tsy hanaiky asa izay mifanohitra amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ny fianteherana amim-pahatsorana amin’Andriamanitra. Hohalavirintsika koa ny ho ‘voavily hiala amin’ny finoana’ noho ny fitiavam-bola. (1 Timoty 6:10). Raha ny tena izy, rehefa manao fanapahan-kevitra lehibe — momba ny asa na lafiny hafa iray amin’ny fiainana — isika dia mila manaraka ny fananaran’i Davida hoe: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” — Salamo 55:22.
Manampy antsika mba hihazonana ny fahaizantsika mandanjalanja ara-tsaina koa ny vavaka, hany ka tsy mandifotra antsika ny fahoriana. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.” Inona no ho vokany? “Ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:6, 7). Eny, fiadanana, ny fiadanan’Andriamanitra. “Mihoatra noho ny fahalalana rehetra” io fiadanana io, koa afaka mampiorina antsika àry izy io rehefa vesaran’ny fihetseham-po mampahory isika. ‘Hiaro ny fontsika sy ny hevitsika’ izy io, ka amin’izany dia hanampy antsika hanalavitra ny fanaovan-javatra amin’ny fomba maimaika sy tsy amim-pahendrena, izay mety hampitombo ny fahoriantsika. — Mpitoriteny 7:7.
Afaka manao zavatra mbola bebe kokoa noho izany ny vavaka. Afaka manova ny fomba ivoaran’ny tarehin-javatra izy io. Diniho ny ohatra iray ao amin’ny Baiboly. Rehefa natao am-ponja tany Roma ny apostoly Paoly, dia nampirisika an’ireo Kristiana namany hivavaka ho azy izy. Nahoana? “Mainka mangataka anareo hanao izany aho, mba hampodina faingampaingana kokoa ho aminareo.” (Hebreo 13:19). Fantatr’i Paoly fa ho afaka hanova ny fotoana hanafahana azy, ny vavaka amim-pikirizana nataon’ireo namany mpino. — Filemona 22.
Hanova ny fiafaran’ny fahorianao ve ny vavaka? Mety ho izany. Tokony ho takatsika anefa fa tsy araka ny mety hanantenantsika azy foana no amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika. Namerimberina nivavaka momba ny “tsilo tamin’ny nofo”, ohatra, i Paoly — angamba zava-nanahirana ara-batana iray nifandray tamin’ny fahitan’ny masony. Tsy nanala ilay fahoriana Andriamanitra, fa nilaza tamin’i Paoly toy izao kosa: “Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena.” — 2 Korintiana 12:7-9.
Koa indraindray àry, dia tsy esorina ny fahoriantsika. Hanana fahafahana kosa isika hanaporofo ny fianteherantsika amin’ny Mpamorona antsika. (Asan’ny Apostoly 14:22). Ankoatr’izany, afaka matoky isika fa na dia tsy hanala ilay fahoriana aza i Jehovah, dia “hasiany làlana hahafahan[tsika] koa mba hahazakan[tsika] izany”. (1 Korintiana 10:13). Eny, misy antony tsara iantsoana an’i Jehovah hoe “Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra”. (2 Korintiana 1:3, 4). Manome antsika izay ilaintsika mba hiaretantsika amim-piadanan-tsaina lehibe izy.
Tsy ho ela — Tontolo iray tsy hisy fahoriana!
Mampanantena ilay Mpamorona fa amin’ny alalan’ny Fanjakany, dia hanaisotra tsy ho ela ny fahorian’ny olombelona izy. Ahoana no hanatanterahany izany? Amin’ny fanesorana an’i Satana Devoly, ilay lehiben’ny mpamorona fahoriana sy fahavalon’ny fiadanana voalohany indrindra. Ampahafantarin’ny Baiboly ho ny “andriamanitr’izao tontolo izao” izy io. (2 Korintiana 4:4). Hifarana tsy ho ela anefa ny fifehezany ny olombelona. Ny fanafoanana azy dia hanokatra ny lalana ho amin’ny fahatongavan’ny fitahiana tsy tambo isaina amin’ireo izay matahotra an’Andriamanitra. Mampanantena ny Baiboly fa ‘hofafan’i Jehovah ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha’. — Apokalypsy 21:1-4.
Toa tsara loatra ka tsy mampino ve ny hoe tontolo iray tsy hisy fahoriana? Zatra aoka izany ny miaina ao anatin’ny fahoriana isika, hany ka sahirana isika maka sary an-tsaina ny tsy fisiany. Ny tsy hisian’ny tahotra, fanahiana, ary loza indrindra anefa no nokasain’Andriamanitra ho an’ny olombelona tany amin’ny famoronana, ary hahomby ny fikasany. — Isaia 55:10, 11.
Izany no fanantenana hitan’i Sonia, i Fabiana, ary i Ana, voalaza tao amin’ilay lahatsoratra fanokafana. I Sonia izay nanan-janaka roa lahy matin’ny SIDA, dia nahita fiadanan-tsaina betsaka avy tamin’ny fanantenana atolotry ny Baiboly, ny fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina. (Asan’ny Apostoly 24:15, NW ). “Zavatra iray loha no azo antoka”, hoy izy, “manan-tombo noho ny fahoriana na inona na inona ny fanantenantsika.”
Notsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray i Ana raha mbola nipetraka tany amin’ny fitaizana zaza kamboty. “Nasehony ahy tao anatin’ny Baiboly ny anaran’i Jehovah”, hoy i Ana, “ary nitomany noho ny hafaliana aho. Nila fanampiana mafy dia mafy aho, ary nianarako fa misy Andriamanitra iray izay miahy antsika.” Nanaiky fampianarana Baiboly sy nianatra bebe kokoa momba ireo fampanantenan’i Jehovah i Ana, taorian’ny nandaozany ny fitaizana zaza kamboty. Nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah izy avy eo, ary nanamarika izany tamin’ny alalan’ny batisa. “Nanomboka tamin’izay dia nanohy niantehitra tamin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny vavaka aho, ary ampiononin’ny fatokiana fa hanampy ahy izy.”
Nahita fampiononana sy fiadanan-tsaina betsaka tamin’ny fahoriany koa i Fabiana, tamin’ny alalan’ny fianarana momba ny fampanantenan’Andriamanitra ny amin’ny hoavy. “Ny fianarana ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly dia mitovy amin’ny fandaozana toerana maizina be sy manjombona iray ary fidirana ao amin’ny efitra mazava sy mamirapiratra ary mahafinaritra iray.” — Ampitahao amin’ny Salamo 118:5.
Amin’ny fomba ahoana sy rahoviana anefa no hisian’ny fiadanana ara-bakiteny hanerana ny gilaoby? Andeha hojerentsika ao amin’ireo lahatsoratra manaraka izany.
[Efajoro, pejy 6]
Ireo Lafiny Maro Amin’ny Fahoriana
▪ Sahabo ho ny ampahefatry ny mponina amin’ny tany no miaina ao anatin’ny fahantrana faraidiny, ary an-tapitrisany maro fanampiny no miaina ao anatin’ny toe-piainana tsy sahaza ny olombelona, izay mahatandindomin-doza ny fahavelomany.
▪ Ankizy 200 tapitrisa mahery no tsy ampy sakafo.
▪ Isan-taona, ny aretim-pivalanana dia mahafaty zaza latsaka ny dimy taona tokony ho telo tapitrisa.
▪ Namono olona 16,5 tapitrisa eo ho eo ny areti-mifindra, tamin’ny 1993 fotsiny. Koa satria ny tany sasany manasokajy ny karazana aretina amin’ny fomba maro samy hafa, dia mety ho ambony lavitra ny isa marina.
▪ Notombanana ho 500 tapitrisa ny olona voan’ny karazana aretin-tsaina.
▪ Mitombo haingana kokoa ny habetsahan’ny famonoan-tena eo anivon’ny tanora noho ny amin’ny sokajin-taona hafa.
▪ “Nanjary kilema eo amin’izao tontolo izao ny hanoanana sy ny tsy fananana asa”, hoy ny The Unesco Courier. “Misy olona 35 tapitrisa tsy manana asa ao amin’ny tontolon’ireo firenena fito manankarena indrindra, ary any Brezila fotsiny dia misy mpiasa 20 tapitrisa izay, ny fananany asa dia tsy midika akory hoe ho afaka ny ho voky izy ireo.”
[Sary, pejy 7]
Afaka manampy antsika hifantoka amin’ny fampanantenan’Andriamanitra tontolo iray tsy hisy fahoriana ny vavaka