Afaka Misedra ny Finoanao ny Fanambinana
AFAKA misedra ny finoan’ny olo-marina iray ny fanambinana. Afaka mitarika ho amin’ny fahaverezan’ny finoana ny fikelezana aina mba hahitana fanambinana ara-nofo. (1 Timoty 6:9, 10). Afaka misedra ny finoana amin’ny fomba hafa iray koa anefa ny fanambinana. Rehefa voamariky ny olo-marina iray fa ambinina ara-nofo ny olona tsy marina maro, kanefa mijaly ny tenany, dia mety halaim-panahy hanaraka lalana tsy mampiseho fitiavana an’Andriamanitra izy. Izany dia nitarika mpanompon’i Jehovah sasany mihitsy aza hisalasala ny amin’ny hasarobidin’ny fananana fiainana marina!
Izany no nitranga tamin’i Asafa, Levita iray mpitendry zavamaneno nandritra ny nanjakan’i Davida mpanjakan’ny Isiraely. Nanao salamo izay nampiasaina tamin’ny fanompoam-pivavahana ampahibemaso i Asafa. Niaraka tamin’i Hemana sy i Jedotona, dia naminany koa izy, nanao fiderana sy fisaorana an’i Jehovah Andriamanitra narahin’ny zavamaneno. (1 Tantara 25:1; 2 Tantara 29:30). Na dia nahazo tombontsoa aza i Asafa, dia asehon’ny Salamo faha-73 fa tonga fisedrana mafy ho an’ny finoany ny fanambinana ny ratsy fanahy.
Fihetsik’i Asafa nampidi-doza
“Andriamanitra [dia] mahasoa ny Isiraely tokoa, dia ny madio fo. Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro; saiky solafaka ny diako”. (Salamo 73:1, 2). Tamin’ireo teny ireo dia neken’i Asafa fa tsara tamin’ny firenen’ny Isiraely i Jehovah. Izany indrindra no izy tamin’ireo izay “madio fo”, satria fanirian’izy ireo ny hanolotra fifikirana tsy nizarazara ho an’Andriamanitra sy handray anjara tamin’ny fanamasinana ny anarany masina. Raha manana izany fihetsika izany isika, dia hidera an’i Jehovah amin’ny filazana zavatra tsara momba azy na dia voasedra mafy noho ny fanambinana ny ratsy fanahy na noho izay mety ho tarehin-javatra hafa rehetra aza isika. — Salamo 145:1, 2.
Na dia nahafantatra ny hatsaram-pon’i Jehovah aza i Asafa, dia saika niala tamin’ny lalana marina ny tongony. Toy ny hoe nibolisatra teo amin’ny tany nisy ranomandry ny tongony nandritra ny hazakazaka lavitra ezaka nandreraka iray. Nahoana no nanjary osa toy izany ny finoany? Nanazava toy izao izy: “Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy. Fa tsy misy fanaintainana amin’ny fahafatesany, ary fatratra ny heriny [“matavy ny kibony”, NW ]. Tsy mba misy manavesatra azy, tahaka ny olona sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy.” — Salamo 73:3-5.
Ny fanambinana ara-nofo an’ireo olona tsy marina dia nahatonga an’i Asafa hitsiriritra azy ireo. Toa niriaria tamin’ny fiainana feno fiadanana izy ireo, na dia nanangon-karena tamin’ny fanambakana aza. (Ampitahao amin’ny Salamo 37:1.) Na dia teo aza ny zava-dratsy nataony, tamin’ny fahitana azy tetỳ ivelany, dia toa tsy nanana ahiahy izy ireo. Ny fiainan’izy ireo dia toa nifarana tsy nisy fanaintainana mahatsiravin’ny fahafatesana! Indraindray izy ireo dia maty tamim-piadanana sy natoky tena, tsy nisy fahatsapana filana zavatra ara-panahy. (Matio 5:3, NW ). Etsy an-danin’izany, ny mpanompon’Andriamanitra sasany dia miaritra aretina sy fahafatesana mampanaintaina, kanefa dia manohana azy ireo Andriamanitra, ary manana ilay fanantenana mahatalanjon’ny fitsanganan’ny maty izy ireo. — Salamo 43:1-3; Jaona 5:28, 29.
Olona ratsy fanahy maro no tsy manan-java-manahirana ara-pahasalamana izay manakana azy tsy hankafy ny tahirin-tsakafo maro ananan’izy ireo. “Matavy ny kibony”, izany hoe mibontsina ny kibony. Ambonin’izany, dia “tsy mba misy manavesatra azy, tahaka ny olona sasany”, satria tsy sahala amin’ny sarambaben’olona, izy ireo dia tsy voatery hikely aina mba hahazoana ireo zavatra ilaina eo amin’ny fiainana. Nanatsoaka hevitra i Asafa fa ny ratsy fanahy dia “tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa”. Afa-miala amin’ireo fitsapana indrindra izy ireny, dia ny fitsapana hitan’ny olona tia an’Andriamanitra noho ny fanarahany ny fari-pitsipika marin’i Jehovah eo amin’ny tontolo ratsin’i Satana. — 1 Jaona 5:19.
Noho ny ratsy fanahy ambinina, dia nanohy ny teniny momba azy ireo toy izao i Asafa: “Dia izany no iambozonany rehareha toy ny rojo, sy itafiany fahalozana tahaka ny lamba. Bongon-tavy ny masony; miloatra ny hevitry ny fony. Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana an-dolompo; avo vava izy. Manao vava manakatra ny lanitra izy, ary ny lelany mandeha mitety ny tany.” — Salamo 73:6-9.
Miambozona avonavona toy “ny rojo” ny mpanao ratsy, ary maro be aoka izany ny fanaovany herisetra hany ka ‘mitafy izany tahaka ny lamba’ izy ireo. Tapa-kevitra ny hanana ny lalany manokana izy ireo ka mampitahotra ny hafa. Tsy lali-maso noho ny tsy fahampian-kanina ireo ratsy fanahy fa “bongon-tavy” ny masony, mibontsina noho ny hatavezana be loatra avy amin’ny hatendan-kanina. (Ohabolana 23:20). Nahomby aoka izany ny tetik’izy ireo hany ka ‘mihoatra ny hevitry ny fony’ mihitsy aza izy ireo. “Avo vava” sy mieboebo izy miresaka ny amin’ny fanambakana nataony. “Manao vava manakatra ny lanitra izy, ary ny lelany mandeha mitety ny tany”! Tsy manana fanajana an’izay any an-danitra na izay etỳ an-tany izy ireo ka miteny ratsy an’Andriamanitra sy manaratsy olona.
Toa tsy i Asafa irery ihany no niharan’ny voka-dratsin’izay hitany. Hoy izy: “Izany no itodihan’ny olony hankany aminy [Andriamanitra]; ary rano be no gohin’ireny; ka hoy izy: Hataon’Andriamanitra ahoana no fahalala? Ary manam-pahalalana va ny Avo Indrindra?” (Salamo 73:10, 11). Mety ho te hilaza ilay andinin-teny hebreo fa noho ny ratsy fanahy toa ambinina, dia mandray fiheveran-diso ny sasany eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra ary tonga hatramin’ny fitovian-toerana amin’ny tsy mpanara-dalàna miteny hoe: ‘Tsy mahafantatra izay mitranga Andriamanitra ary tsy hanao zavatra hamelezana ny tsy fanarahan-dalàna izy.’ Etsy an-danin’izany, ny fahitana ny olon-dratsy tsy mpanara-dalàna toa tsy iharan’ny sazy, dia toy ny fisotroana ranon-javatra mangidy izay manosika ny olo-marina hanontany hoe: ‘Ahoana no ahafahan’Andriamanitra milefitra amin’ireo zavatra ireo? Tsy hitany ve izay mitranga?’
Rehefa nampitaha ny toe-javatra nisy azy tamin’ny an’ny ratsy fanahy i Asafa dia niteny hoe: “Indro, ireny dia olona ratsy fanahy; miadana mandrakariva izy ka mitombo harena. Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasako ny tànako tamin’ny fahamarinana. Azom-pahoriana mandritra ny andro aho, ary faizana isa-maraina.” (Salamo 73:12-14). Nahatsapa i Asafa fa tsy nisy nilana azy ny fananana fiainana marina. Nambinina ny olona ratsy fanahy, azo inoana fa ‘nampitombo ny harenany’ tamin’ny fanambakana. Toa afa-maina tamin’ny fanaovan-javatra faran’izay ratsy izy ireo, kanefa i Asafa dia azom-pahoriana “mandritra ny andro” — nanomboka tamin’ny fifohazany ka mandra-pialany sasatra tamin’ny alina. Nihevitra izy fa nanafay azy isa-maraina i Jehovah. Nisedra ny finoan’i Asafa izany satria toa tsy ara-drariny.
Fanitsiana teo amin’ny fisainana
Farany, rehefa takany fa diso ny fisainany, dia izao no nolazain’i Asafa: “Raha tàhiny aho nanao hoe: Hiteny izany aho, dia ho namitaka ireo zanakao. Dia nieritreritra ta-hahalala izany zavatra izany aho, kanjo sarotra teo imasoko izany, mandra-piditro tao amin’ny fitoera-masin’Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany. Eo amin’izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao ho ringana izy. Hià! rava indray mipì-maso izy! Levona izy, matin-java-mahatahotra izy! Tahaka ny anaovan’ny olona ny nofiny ho tsinontsinona, dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik’ireny ho tsinontsinona, raha mifoha Hianao.” — Salamo 73:15-20.
Tsara ny tsy nilazan’i Asafa fitarainana tamin’ny feo avo, satria ny fanambarana ampahibemaso hoe tsy misy ilana azy ny fanompoana an’i Jehovah, dia nety ho nanakivy ireo mpikambana tamin’ilay fianakavian’ny mpivavaka nisy azy, na nety ho nikiky ny finoan’izy ireo. Ho tsara kokoa toy inona moa ny fitoerana ho mangina toy ny nataon’i Asafa! Mba hahitany ny antony toa naha-afa-maina ny ratsy fanahy tamin’ny fanaovan-dratsy kanefa ny marina nijaly, dia nankany amin’ny fitoerana masin’Andriamanitra izy. Io faritra io dia namela an’i Asafa hisaintsaina tamim-pahatoniana teo anivon’ny mpivavaka tamin’i Jehovah, ary dia voahitsy ny fisainany. Koa raha very hevitra noho izay hitantsika isika amin’izao andro izao, dia aoka isika hitady toy izany koa ny valin’ny fanontaniantsika amin’ny fiarahana amin’ny vahoakan’Andriamanitra fa tsy amin’ny fitokantokanana. — Ohabolana 18:1.
Nanjary takatr’i Asafa fa nametraka ny ratsy fanahy teo “amin’izay mahasolafaka” Andriamanitra. Koa satria ny fiainan’izy ireo dia mihodinkodina eo amin’ny zavatra ara-nofo, dia rahonan’ny fahitana fianjerana tampoka izy ireo. Fara fahelany, dia hahatratra azy ireo amin’ny fahanterany ny fahafatesana, ary tsy hiantoka fiainana lava kokoa ho azy ireo ny harenany azo tamin’ny fomba ratsy. (Salamo 49:6-12). Ho sahala amin’ny nofy mandalo vetivety ny fanambinana azy ireo. Mety ho tratran’ny fitsarana mihitsy aza izy ireo alohan’ny hahatratraran’ny fahanterana azy, satria mijinja izay afafiny izy. (Galatiana 6:7). Koa satria ninia tsy niraharaha Ilay hany afaka manampy azy izy ireo, dia tsy manam-panampy sy tsy manam-panantenana. Rehefa hamely azy ireo i Jehovah, dia hijery amim-panesoana ny ‘endrik’izy ireo’ — ny reharehany sy ny toerana misy azy.
Tandremo ny fihetsikao
Noho izy tsy nanana fihetsika tsara tamin’izay hitany, dia niaiky toy izao i Asafa: “Raha lotika ny foko, ka voatsindrona ny voako, dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, biby teo anatrehanao aho. Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tànako ankavanana Hianao. Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin’ny voninahitra aho.” — Salamo 73:21-24.
Ny fandinihana ela ny fanambinana ara-nofo ny ratsy fanahy sy ny fijalian’ny olo-marina dia afaka mahatonga ny fon’ny olona iray ho feno fankahalana na hahatonga azy ho feno fahatezerana. Tao anatiny lalina tao — ny voany — dia niteraka fanaintainana lehibe ho an’i Asafa ny fahorian-tsainy tamin’io tarehin-javatra io. Araka ny fiheveran’i Jehovah dia tonga toy ny biby iray tsy misaina izy, dia biby izay manao zavatra miorina amin’ny fahatsapana ara-batana fotsiny. Na dia izany aza, dia ‘niaraka mandrakariva tamin’Andriamanitra izay nihazona ny tanany ankavanana’, i Asafa. Raha manao fahadisoana eo amin’ny fisainantsika isika kanefa mitady ny torohevitr’i Jehovah toy ny nataon’i Asafa, dia hitantana antsika Andriamanitra mba hanohana sy hitarika antsika. (Ampitahao amin’ny Jeremia 10:23.) Amin’ny fampiharana ny toroheviny ihany vao afaka ny ho voatarika any amin’ny hoavy sambatra isika. Mety hizaka fampietrena mandritra ny fotoana kelikely isika, kanefa dia hataon’i Jehovah izay hisian’ny fitsimbadihan-javatra, amin’ny ‘fandraisana antsika ho amin’ny voninahitra’.
Noho ny fahatakarany ny ilana fianteherana amin’i Jehovah, dia nanampy teny toy izao i Asafa: “Iza no ahy any an-danitra? Ary tsy misy etỳ ambonin’ny tany iriko tahaka Anao. Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra. Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao. Fa, izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.” — Salamo 73:25-28.
Sahala amin’i Asafa, dia tsy manan-kianteherana afa-tsy amin’i Jehovah isika mba hahitana tena tsy fananana ahiahy sy fiononana. (2 Korintiana 1:3, 4). Koa toy izay hitsiriritra haren’olona eto an-tany, dia aoka isika hanompo an’Andriamanitra ary hihary harena any an-danitra. (Matio 6:19, 20). Ny fitanana toeram-pankasitrahana eo anatrehan’i Jehovah no tokony ho fifaliantsika lehibe indrindra. Na dia hihaosa aza ny taovantsika sy ny fontsika, dia hanatanjaka antsika izy ary hampiorina tsara ny fontsika mba tsy hamoizantsika fanantenana sy herim-po ao anatin’ny zava-tsarotra. Fananana sarobidy ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah. Ny famoizana izany dia hitondra loza ho antsika miaraka amin’izay rehetra mahafoy azy. Sahala amin’i Asafa àry, dia aoka isika hanakaiky an’Andriamanitra ary hametraka ny fanahiantsika rehetra eo aminy (1 Petera 5:6, 7). Mampandroso ny fahasalamantsika ara-panahy izany ary manosika antsika hilaza amin’ny hafa ireo asa mahatalanjon’i Jehovah.
Mitoera ho tsy mivadika amin’i Jehovah
Sahiran-tsaina i Asafa noho ny fahitany ireo mpanao ratsy nambinina teo amin’ny Isiraely, taniny. Teo anivon’ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika, dia nisy “ratsy fanahy” meloka ho nieboebo, nirehareha, nahery setra, nanimbazimba, sy nanambaka, ary tsy nanaiky fa nahafantatra izay nataony Andriamanitra. (Salamo 73:1-11). Fampitandremana re izany! Mba hampifaliana an’i Jehovah Andriamanitra, dia tsy maintsy mitana tena mba tsy haneho toetra toy ny avonavona, ny herisetra, ny fanimbazimbana, ary ny tsy fahamarinana isika. Sahala amin’i Asafa, dia enga anie ny mpanompon’i Jehovah rehetra ‘hiditra ao amin’ny fitoerana masin’Andriamanitra’ amin’ny fiaraha-mivory tsy tapaka amin’ireo mpivavaka tsy mivadika aminy. Eny tokoa, aoka izay rehetra tia an’i Jehovah ‘hanakaiky an’Andriamanitra’, hiantehitra aminy mba hanohana azy ireo ao anatin’ny fijaliana, na inona na inona mety holazain’ny sasany na hataony. — Salamo 73:12-28; 3 Jaona 1-10.
Marina fa mety hisedra ny finoantsika ny fanambinana ara-nofo ireo mpanao ratsy, toy ny nataon’izany tamin’i Asafa. Na dia izany aza, dia afaka miaritra io fitsapana io isika raha mampifantoka ny fiainantsika amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Hovalian-tsoa isika noho ny fanaovana izany satria ‘Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asantsika sy ny fitiavana izay nasehontsika ho voninahitry ny anarany’. (Hebreo 6:10). Ho ‘maivana sy ho vetivety foana’ ny fitsapana mahazo antsika raha oharina amin’ny valisoantsika. (2 Korintiana 4:17). Na dia ny 70 na 80 taona eo ho eo ijaliana aza, dia toy ny fofonaina mihelina faingana eo amin’ny molotsika rehefa mibitsibitsika fotsiny raha oharina amin’ny fiainam-pahasambarana mandrakizay ampanantenain’i Jehovah ny mpanompony tsy mivadika. — Salamo 90:9, 10, NW.
Enga anie isika tsy hamela na oviana na oviana ny fanambinana ara-nofo ny mpanao ratsy mifanohitra amin’ny fijaliantsika noho ny fahamarinana, hanakana antsika tsy haneho finoana izay vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra. (Galatiana 5:22, 23, NW; 1 Petera 3:13, 14). Ho faly i Satana raha toa isika maka tahaka ny ratsy fanahy izay matetika miroborobo noho izy ireo maty eritreritra. Aoka kosa isika hanome voninahitra ny anaran’i Jehovah amin’ny fanoherana ny fakam-panahy hiala amin’ireo fari-pitsipiny marina. (Zefania 2:3). Aoka isika tsy ho sahiran-tsaina noho ny fahombiazan’ny mpanao ratsy, satria, tsy afaka mahita afa-tsy fanambinana ara-nofo izy ireo, fara fahabetsany. Ary toy inona anefa ny hasarobidin’izany? Tsy mitovy na dia kely akory aza amin’ilay fanambinana ara-panahy ananan’ireo maneho finoana an’i Jehovah Mpanjaka Tompo izany.