-
Mampahery ny Miresaka Zavatra Ara-panahyNy Tilikambo Fiambenana—2003 | 15 Septambra
-
-
20. Inona no azontsika atao raha sendra olona saro-kenatra isika?
20 Ahoana anefa raha toa tsy miraika ny olona sasany, rehefa iresahana zavatra ara-panahy? Aza kivy. Hahita fotoana mety kokoa amin’izany angamba ianao any aoriana. Hoy i Solomona: “Ny teny atao amin’ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.” (Ohabolana 25:11) Aza manakiana na mitsara ny olona saro-kenatra. “Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona; fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany.”a (Ohabolana 20:5) Ambonin’izany rehetra izany, dia aza avela hisakana anao tsy hiresaka momba izay manohina ny fonao ny fihetsiky ny hafa.
-
-
Mampahery ny Miresaka Zavatra Ara-panahyNy Tilikambo Fiambenana—2003 | 15 Septambra
-
-
a Lalina be ny fantsakana sasany tany Israely. Nahita fitahirizan-drano tany amin’ny 25 metatra ny mpanao fikarohana ambanin’ny tany, tany Gibeona. Misy tohatra ao anatiny, natao hidinan’ny olona mantsaka rano.
-