Aoka Hiaro Anao ny Fahaiza-manavaka
“Hiaro anao ny fisainana mazava, ary hiambina anao ny [fahaiza-manavaka, NW ]”. — OHABOLANA 2:11.
1. Afaka miambina antsika amin’inona ny fahaiza-manavaka?
MANIRY ny hampiharanao fahaiza-manavaka i Jehovah. Nahoana? Satria fantany fa hiaro anao amin’ny loza maro samihafa izy io. Manomboka amin’ny filazana toy izao ny Ohabolana 2:10-19: “Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana, dia hiaro anao ny fisainana mazava, ary hiambina anao ny [fahaiza-manavaka, NW ]”. Hiambina anao amin’inona? Amin’ny “làlan-dratsy” sy amin’ireo izay mahafoy ny lalana mahitsy ary amin’ny olona maniasia amin’ny alehany.
2. Inona no atao hoe fahaiza-manavaka, ary karazany inona no irin’ny Kristiana indrindra?
2 Azo inoana fa tsaroanao fa ny fahaiza-manavaka dia ny fahaizan’ny saina manavaka zavatra iray amin’ny iray hafa. Ny olona iray manana fahaiza-manavaka dia mahatakatra ireo fahasamihafan-kevitra na fahasamihafan-javatra, ary manana fahaiza-mitsara zavatra. Amin’ny maha-Kristiana antsika, isika dia maniry indrindra fahaiza-manavaka ara-panahy miorina amin’ny fahalalana araka ny marina ny Tenin’Andriamanitra. Rehefa mianatra ny Soratra Masina isika, dia toy ny mihady ireo vato fanorenan’ny fahaiza-manavaka ara-panahy. Izay ianarantsika dia afaka manampy antsika handray fanapahan-kevitra izay mampifaly an’i Jehovah.
3. Ahoana no ahafahantsika mahazo fahaiza-manavaka ara-panahy?
3 Rehefa nanontany an’i Solomona Mpanjakan’ny Isiraely Andriamanitra hoe fitahiana inona no tiany ho azo, dia hoy ny nolazain’ilay mpanapaka tanora: “Omeo ahy mpanomponao fo mihaino ho entiko mitsara ny olonao, hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy”. Nangataka fahaiza-manavaka i Solomona, ary dia nomen’i Jehovah azy izany, sady be dia be tsy araka ny nahazatra. (1 Mpanjaka 3:9, fanamarihana ambany pejy; 5:10). Mba hahazoana fahaiza-manavaka, dia mila mivavaka isika, ary tsy maintsy mianatra ny Tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ireo zavatra vita an-tsoratra manome fahatakarana hevi-dalina, omena amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, NW ). Izany dia hanampy antsika hamboly fahaiza-manavaka ara-panahy, mandra-pahatongantsika ho “olon-dehibe amin’ny fahatakaran-javatra”, ka ho afaka ‘hanavaka [na hahay hanavaka] ny tsara sy ny ratsy’. — 1 Korintiana 14:20; Hebreo 5:14.
Ilaina indrindra ny fahaiza-manavaka
4. Inona no dikan’ny hoe manana maso “tsotra”, ary amin’ny ahoana izany no mety hahasoa antsika?
4 Noho ny fahaiza-manavaka araka ny tokony ho izy, isika dia afaka manao zavatra mifanaraka amin’ny tenin’i Jesosy Kristy manao hoe: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany [ny an’Andriamanitra], dia hanampy ho anareo izany [zavatra ara-nofo] rehetra izany.” (Matio 6:33). Hoy koa i Jesosy: “Ny masonao no jiron’ny tena; koa raha [tsotra, NW ] ny masonao, dia mazava ny tenanao rehetra”. (Lioka 11:34). Ny maso dia jiro ara-panoharana. Ny maso “tsotra” dia feno fahatsoram-po, mifantoka tsara. Amin’ny fananana maso toy izany, dia afaka maneho fahaiza-manavaka isika ary mandeha ka tsy ho tafintohina ara-panahy.
5. Raha ny mikasika ireo fifampiraharahana ara-barotra, inona no tokony hotadidintsika momba ny zava-kendren’ny kongregasiona kristiana?
5 Tsy nihazona ny masony ho tsotra ny sasany, fa nanasarotra ny fiainany sy ny an’ny hafa kosa, tamin’ny alalan’ny fifampiraharahana ara-barotra nanintona. Tokony hotadidintsika anefa, fa ny kongregasiona kristiana dia “andry sy fiorenan’ny fahamarinana”. (1 Timoty 3:15). Sahala amin’ny andry amin’ny trano iray, ny kongregasiona dia manohana ny fahamarinan’Andriamanitra, fa tsy ny raharaham-barotr’olona na iza izany na iza. Ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy naorina ho toerana mba hampandrosoana tombontsoa, entam-barotra na asa fanampiana ara-barotra. Tsy maintsy miezaka isika mba tsy hikatsaka raharaha ara-barotry ny tena manokana ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Ny fahaiza-manavaka dia manampy antsika hahita fa ny Efitrano Fanjakana, ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona, sy ireo fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah dia toerana ho an’ny fifaneraserana kristiana sy ny dinika ara-panahy. Raha mampiasa ny fifandraisana ara-panahy isika mba hampandrosoana dokam-barotra, na inona izany na inona, moa ve izany tsy hampiseho, fara fahakeliny, tsy fahampian’ny fankasitrahana ny zava-tsarobidy ara-panahy? Ny fifandraisana ao anatin’ny kongregasiona dia tsy tokony hohararaotina na oviana na oviana mba hahazoana tombony ara-bola.
6. Nahoana no tsy tokony hamidy na hanaovana dokam-barotra any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona, ireo entam-barotra sy asa fanampiana ara-barotra?
6 Nisy nampiasa ny fifandraisana teokratika mba hivarotana fanafody na zavatra fikojakojana hatsaran-tarehy, vokatra misy vitamina, asa fanampiana ho an’ny fifandraisan-davitra, fitaovam-panorenana, fanaovana dia lavitra, programa sy fitaovana ho an’ny ordinatera, sy ny toy izany. Kanefa, ireo fivorian’ny kongregasiona dia tsy toerana hivarotana na hampandrosoana vokatra na asa fanampiana ara-barotra. Afaka mahita ny fotopoto-pitsipika ao ambadik’izany isika, raha tadidintsika fa i Jesosy dia “nandroaka azy [ireo mpivarotra] rehetra hiala teo an-kianjan’ny tempoly, na ondry na ny omby, ary nararany ny volan’ny mpanakalo vola, sady nazerany ny latabatra; dia hoy izy tamin’ny nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao trano fivarotana ny tranon’ny Raiko”. — Jaona 2:15, 16.
Ahoana ny amin’ny fampiasam-bola?
7. Nahoana no ilaina amin’ny fampiasam-bola ny fahaiza-manavaka sy ny fitandremana?
7 Tena ilaina ny fahaiza-manavaka sy ny fitandremana rehefa mieritreritra ny hampiasa vola ho amin’ny raharaham-barotra iray. Aoka hatao hoe misy olona maniry hisambo-bola sy mampanantena zavatra toy izao: “Manome antoka anao aho fa hahazo tombony ianao.” “Tsy ho maty antoka ianao. Tena zavatra azo antoka io.” Mitandrema rehefa misy manome toky toy izany. Na tsy mijery ny zavatra araka ny tena izy izy, na olona tsy marina, satria mahalana ny fampiasam-bola no zavatra azo antoka. Raha ny marina, dia nisy olona maty eritreritra, nampiasa teny nandrobo, nisoloky mpikambana tao amin’ny kongregasiona. Izany dia mampahatsiahy antsika an’ireo “olona ratsy fanahy” izay niditra nisokosoko tao amin’ny kongregasiona tamin’ny taonjato voalohany, ary ‘namadika ny fahasoavan’Andriamanitra ho fijejojejoana’. Izy ireny dia toy ny haram-bato naranitra tao anaty rano, izay afaka nandratra sy namono ny mpilomano. (Joda 4, 12). Marina fa hafa ny antony manosika an’ireo mpisoloky, nefa ireo koa dia miremby an’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona.
8. Inona no nitranga tamin’ny raharaham-barotra sasany toa hahazoan-tombony?
8 Na dia Kristiana tsara fikasa aza dia nizara fanazavana momba ny raharaham-barotra toa hahazoan-tombony, ary nahita fa niara-namoy ilay vola nampiasainy ho amin’izany izy sy ireo izay nanaraka ny ohatra nomeny. Vokatr’izany, dia Kristiana maromaro no efa namoy tombontsoa tao amin’ny kongregasiona. Rehefa manjary miharihary fa tetika feno soloky ilay raharaham-barotra natao hampanan-karena haingana, ilay hany mahita tombony dia ilay mpisoloky, izay manjavona haingana matetika. Ahoana no ahafahan’ny fahaiza-manavaka manampy ny olona iray hanalavitra ny tarehin-javatra toy izany?
9. Nahoana no ilaina ny fahaiza-manavaka mba hanombanana ireo filazana atao momba ny fampiasam-bola?
9 Ny hoe fahaiza-manavaka dia manana ny hevitra hoe mahay mahatakatra izay maizimaizina. Ilaina izany fahaizana izany mba hanombanana ireo filazana atao momba ny fampiasam-bola. Mifampatoky ny Kristiana, ary mety hanjohy hevitra ny sasany hoe ireo rahalahy sy anabavy ara-panahy dia tsy ho tafiditra ao amin’ny raharaham-barotra izay hampamoy ny fananan’ireo mpiray finoana aminy. Ny maha-Kristiana ny mpandraharaha iray anefa dia tsy manome antoka fa faran’izay mahay izy eo amin’ny raharaham-barotra na koa fa hahomby ny fandraharahany.
10. Nahoana ny Kristiana sasany no mitady hisambo-bola amin’ireo mpiray finoana aminy mba hanaovana fandraharahana, ary inona no mety hitranga amin’ny fampiasam-bola toy izany?
10 Ny Kristiana sasany dia mitady hisambo-bola amin’ireo mpino namany mba hanaovana fandraharahana, satria tsy hanome vola na oviana na oviana ho an’ny raharahany mety hahitan-doza ireo fikambanana mpampisambo-bola manana laza tsara. Maro no voafitaka hino fa amin’ny fampiasana ny volany fotsiny, izy ireo dia ho afaka hanankarena haingana, nefa tsy voatery hiasa mafy, na angamba tsy hiasa mihitsy aza. Ny sasany dia voasinton’ny fampiasam-bola iray noho ny laza masaka mifandray aminy, kanefa dia namoy ny vola notsitsina nandritra ny androm-piainany manontolo! Ny Kristiana iray dia nampiasa vola be, noho ny fanantenana ny hahazo tamberim-bidy 25 isan-jato tao anatin’ny tapa-bolana monja. Nafoiny daholo izany vola rehetra izany, rehefa nambara ho bankirompitra ilay fikambanana. Tao amin’ny raharaham-barotra iray hafa, dia nisy mpivarotra tany sy trano nisambotra vola be tamin’ny hafa tao amin’ny kongregasiona. Nampanantena tamberim-bidy ambony be tsy araka ny antonona izy, nefa nanjary bankirompitra, ka namoy ireo vola nosamboriny.
Rehefa tsy mahomby ny raharaham-barotra
11. Inona no torohevitra nomen’i Paoly mikasika ny fierenana sy ny fitiavam-bola?
11 Ny tsy fahombiazan’ny raharaham-barotra dia nitarika ho amin’ny fahadisoam-panantenana, sy ho amin’ny famoizana ny fahasalamana ara-panahy mihitsy aza, teo amin’ny Kristiana sasany izay niditra tao amin’ny raharaham-barotra tsy azo antoka. Nitondra ratram-po sy fahasosorana mafy ny tsy famelana ny fahaiza-manavaka ho fiarovana. Ny fierenana dia efa namandrika olona maro. ‘Ny fierenana dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany’, hoy ny nosoratan’i Paoly. (Efesiana 5:3, NW ). Ary hoy izy nampitandrina: “Izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” — 1 Timoty 6:9, 10.
12. Raha manao fandraharahana eo amin’izy samy izy ny Kristiana, inona no tokony hotadidiny indrindra?
12 Raha manjary tia vola ny Kristiana iray, dia mety hiteraka ratra ara-panahy mafy ho an’ny tenany. Ireo Fariseo dia fatra-pitia vola, ary io dia lafin-toetra iray mampiavaka ny olona maro amin’izao andro farany izao. (Lioka 16:14; 2 Timoty 3:1, 2, NW ). Mifanohitra amin’izany kosa, ny fomba fiainan’ny Kristiana dia tokony “tsy ho amin’ny fitiavam-bola”. (Hebreo 13:5). Mazava ho azy, fa afaka manao fandraharahana eo amin’izy samy izy ny Kristiana, na hoe manomboka fandraharahana miaraka. Raha manao zavatra toy izany anefa izy ireo, ny fifampiresahana sy ny fifampiraharahana dia tokony hohazonina hiavaka tsara amin’ny raharahan’ny kongregasiona. Ary tadidio izao: Na dia eo amin’ny samy mpirahalahy ara-panahy aza, dia ataovy an-tsoratra foana ny fanekena ara-barotra. Hanampy amin’io lafiny io ilay lahatsoratra hoe “Mettez-le par écrit!” navoaka tao amin’ny Mifohaza! (frantsay) 8 May 1983, pejy faha-13 ka hatramin’ny 15.
13. Ahoana no hampiharanao ny Ohabolana 22:7 amin’ireo raharaham-barotra?
13 Milaza amintsika toy izao ny Ohabolana 22:7: “Izay misambotra dia mpanompon’ny mampisambotra.” Tsy fahendrena matetika ny hametrahana ny tenantsika, na ny rahalahintsika ho eo amin’ny toeran’ny mpanompo toy izany. Rehefa misy te hisambo-bola amintsika mba hanaovany raharaham-barotra iray, dia ho fanehoam-pahamalinana ny handinihana ny fahafahany hamerina ilay vola. Moa ve izy fantatra ho azo itokiana sy azo ianteherana? Mazava ho azy fa tokony ho takatsika fa ny fampisamboram-bola toy izany dia mety hidika ho famoizana ilay vola, satria raharaham-barotra maro no tsy mahomby. Ny fananana fanekena fotsiny akory tsy manome antoka fa hahomby ny raharaha iray. Ary tena tsy fahendrena mihitsy ny hametrahan’iza na iza vola betsaka kokoa noho izay azony afoy, ao amin’ny raharaha iray.
14. Nahoana isika no mila maneho fahaiza-manavaka raha nampisambo-bola ny Kristiana namana iray izay tsy nahomby tamin’ny fandraharahana nataony?
14 Mila maneho fahaiza-manavaka isika raha nampisambo-bola ny Kristiana iray mba hanaovany fandraharahana ka very ilay vola, na dia tsy nisy fanaovana ny tsy marina aza tao amin’ilay izy. Raha tsy fahadisoan’ilay mpiray finoana amintsika izay nisambo-bola tamintsika ny tsy fahombiazan’ilay raharaha, moa ve isika afaka milaza fa nampiharana ny tsy rariny ny tenantsika? Tsia, satria nampisambotra ilay vola an-tsitrapo isika, angamba naka zanabola tamin’ilay izy, ary tsy nisy fanaovana ny tsy marina tao. Koa satria tsy nisy fanaovana ny tsy marina tao amin’ilay izy, dia tsy manana fototra hanenjehana araka ny lalàna an’ilay mpisambotra isika. Inona no soa ho azo avy amin’ny fitondrana eo amin’ny fitsarana ny Kristiana tahaka ny tena manao ny marina, izay voatery nilaza tena ho bankirompitra, satria tsy nahomby ny raharaham-barotra iray natao tamim-pikasana tsara? — 1 Korintiana 6:1.
15. Anton-javatra inona avy no mitaky fiheverana raha misy filazana ho bankirompitra?
15 Indraindray ny olona iharan’ny tsy fahombiazan’ny fandraharahany dia mitady fanamaivanana amin’ny filazana ny tenany ho bankirompitra. Koa satria ny Kristiana tsy tokony hanamaivana ny fananan-trosa, na dia nafahana araka ny lalàna tamin’ny trosa sasany aza, dia nisy nahatsapa adidy hiezaka handoa ireo trosa nofoanana, raha nanaiky ny handoavana izany ireo mpampisambotra taloha. Kanefa, ahoana raha verin’ny mpisambotra iray ny volan’ny rahalahiny nosamboriny, nefa avy eo izy dia manana fiainana mirenty? Na koa, ahoana raha nahazo vola hamerenana izay nosamborina ilay mpisambotra, nefa tsy miraharaha ny adidy ara-bola mety hananany amin’ny rahalahiny? Amin’izay fotoana izay, dia hampisalasala ny fananan’ilay mpisambotra ireo toetra ilaina mba hiantsorohana andraikitra ao amin’ny kongregasiona. — 1 Timoty 3:3, 8; jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Septambra 1994, pejy 30-31.
Ahoana raha misy fisolokiana?
16. Dingana inona avy no mety hatao raha mihevitra isika fa niharan’ny fisolokiana tamin’ny fandraharahana ny tenantsika?
16 Ny fahaiza-manavaka dia manampy antsika hahatakatra fa tsy hahazoan-tombony daholo akory ny fampiasam-bola rehetra. Kanefa, ahoana raha misy fisolokiana? Ny soloky dia “lainga iniana atao mba hametsena na hangalarana; fitaka natao mba hanesorana amin’ny hafa zava-tsarobidy sasany izay fananany, na mba hanesorana zo ara-dalàna iray”. I Jesosy Kristy dia nanoritra ireo dingana mety hatao, rehefa mihevitra ny olona iray fa nosolokin’ny mpivavaka namany izy. Araka ny Matio 18:15-17, dia hoy i Jesosy: “Raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao; fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo. Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin’ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy.” Ny fanoharana nomen’i Jesosy nanaraka izany dia mampiseho fa ny tao an-tsainy dia ny fahotana toy ireo mahakasika raharaha ara-bola, anisan’izany ny fisolokiana. — Matio 18:23-35.
17, 18. Raha nisoloky antsika ny olona iray mihambo ho Kristiana, ahoana no ahafahan’ny fahaiza-manavaka miaro antsika?
17 Mazava ho azy fa tsy hisy fototra araka ny Soratra Masina hanaovana ireo dingana voasoritra ao amin’ny Matio 18:15-17, raha tsy misy porofo, na tsipy hevitra akory aza, ny amin’ny fisolokiana. Kanefa, ahoana raha tena nisoloky antsika ny olona iray mihambo ho Kristiana? Ny fahaiza-manavaka dia afaka miaro antsika tsy hanao zavatra izay mety haharatsy laza ny kongregasiona. Nanoro hevitra an’ireo Kristiana namany i Paoly mba handefitra ny tsy rariny sy haharitra hambakaina mihitsy aza, fa tsy hitondra ny rahalahy iray any amin’ny fitsarana kosa. — 1 Korintiana 6:7.
18 Ireo tena rahalahintsika sy anabavintsika marina dia tsy ‘feno fitaka sy hafetsena’ tahaka an’ilay mpanao ody natao hoe Barjesosy. (Asan’ny Apostoly 13:6-12). Koa aoka àry isika hampiasa fahaiza-manavaka rehefa misy vola very amin’ny raharaham-barotra mahatafiditra mpiray finoana. Raha mieritreritra ny hanao zavatra araka ny lalàna isika, dia tokony hihevitra ny mety ho vokatr’izany eo amin’ny tenantsika, eo amin’ny na ireo ankilany, eo amin’ny kongregasiona, ary eo amin’ny any ivelany. Ny fitadiavana onitra dia mety haka be dia be amin’ny fotoanantsika sy ny herintsika ary ny fananantsika hafa. Mety hampanan-karena mpisolovava sy matihanina hafa fotsiny, izany. Mampalahelo fa ny Kristiana sasany dia nanao sorona tombontsoa teokratika, noho izy ireo nanjary revo loatra tamin’ireo zavatra ireo. Ny fampiviliantsika ny saintsika amin’izany fomba izany dia tsy maintsy mampifaly an’i Satana, kanefa isika dia maniry hampifaly ny fon’i Jehovah. (Ohabolana 27:11). Etsy an-danin’izany, ny fanekentsika fatiantoka dia mety hiaro antsika amin’ny ratram-po, sy fandaniana fotoana betsaka, ho antsika sy ho an’ireo loholona. Izany dia hanampy mba hitsimbina ny fiadanan’ny kongregasiona, ary hamela antsika hikatsaka hatrany ilay Fanjakana aloha.
Ny fahaiza-manavaka sy ny fandraisana fanapahan-kevitra
19. Inona no azon’ny fahaiza-manavaka ara-panahy sy ny vavaka atao ho antsika, rehefa mandray fanapahan-kevitra miteraka fihenjanana isika?
19 Mety hiteraka tena fihenjanana ny fandraisana fanapahan-kevitra mikasika raharaham-bola na raharaham-barotra. Ny fahaiza-manavaka ara-panahy anefa dia afaka manampy antsika handanjalanja ireo anton-javatra ka handray fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena. Ankoatra izany, ny fianteherana amim-bavaka amin’i Jehovah dia afaka manome antsika “ny fiadanan’Andriamanitra”. (Filipiana 4:6, 7). Izy io dia fahatoniana sy filaminana azo avy amin’ny fifandraisana manokana sy akaiky amin’i Jehovah. Azo antoka fa ny fiadanana toy izany dia afaka manampy antsika hihazona ny fahaizantsika mandanjalanja rehefa miatrika fanapahan-kevitra sarotra isika.
20. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika mikasika ireo raharaham-barotra sy ny kongregasiona?
20 Koa aoka àry isika ho tapa-kevitra ny tsy hamela ny fifandirana momba ny raharaham-barotra hanakorontana ny fiadanantsika na ny an’ny kongregasiona. Mila mitadidy isika fa ny kongregasiona kristiana dia miasa mba hanampiana antsika amin’ny lafiny ara-panahy, fa tsy ho foibe hanaovam-barotra. Ny raharaham-barotra dia tokony hohazonina hiavaka tsara foana amin’ny asan’ny kongregasiona. Mila maneho fahaiza-manavaka sy fitandremana isika rehefa mirotsaka hanao raharaham-barotra. Ary aoka isika hihazona foana fomba fihevitra voalanjalanja momba ny raharaha toy ireny, ka hikatsaka ireo tombontsoan’ilay Fanjakana aloha. Raha sanatria tsy mahomby ny raharaham-barotra iray mahatafiditra mpiara-mivavaka amintsika, dia enga anie isika hitady izay hahasoa indrindra an’ireo rehetra voakasik’izany.
21. Ahoana no ahafahantsika maneho fahaiza-manavaka mba hanaovana zavatra mifanaraka amin’ny Filipiana 1:9-11?
21 Tsy hanahy be loatra ny amin’ireo raharaham-bola sy ireo zavatra hafa tsy dia lehibe isika, fa enga kosa anie isika rehetra hampitandrina fahaiza-manavaka ny fontsika, hivavaka mba hahazoana ny tari-dalan’Andriamanitra, ary hihazona ireo tombontsoan’ilay Fanjakana ho eo amin’ny toerana voalohany. Mifanaraka amin’ny vavaka nataon’i Paoly, dia enga anie ‘hitombo bebe kokoa ny fitiavantsika amin’ny fahalalana tsara sy ny [ fahaiza-manavaka feno, mba hahazoantsika antoka ny amin’ireo zavatra lehibe kokoa, ary tsy hanafintohina ny hafa, NW ]’ na ny tenantsika. Ankehitriny, noho i Kristy Mpanjaka eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra, dia aoka isika haneho fahaiza-manavaka ara-panahy eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana. Ary enga anie isika ‘ho feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitsika’, i Jehovah Tompo Manam-piandrianana. — Filipiana 1:9-11.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona no atao hoe fahaiza-manavaka?
◻ Nahoana no ilaina indrindra ny maneho fahaiza-manavaka eo amin’ny fifampiraharahana ara-barotra eo amin’ny samy Kristiana?
◻ Ahoana no ahafahan’ny fahaiza-manavaka manampy antsika raha mihevitra isika fa nosolokin’ny mpiray finoana iray ny tenantsika?
◻ Inona no tokony ho anjara asan’ny fahaiza-manavaka eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra?
[Sary, pejy 18]
Ny fahaiza-manavaka dia hanampy antsika hampihatra ny torohevitr’i Jesosy mba hikatsaka ilay Fanjakana aloha
[Sary, pejy 20]
Ataovy an-tsoratra foana ny fanekena ara-barotra