Matokia An’i Jehovah!
“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra”. — OHABOLANA 3:5.
1. Ahoana no nanairan’ny Ohabolana 3:5 ny sain’ny zazalahy iray, ary nisy vokany naharitra toy inona izany?
NANORATRA toy izao ny misionera efa hatramin’ny ela iray: “ ‘MATOKIA NY MANDRAKIZAY AMIN’NY FONAO REHETRA; ARY AZA MIANKINA AMIN’NY FAHENDRENAO.’ Nanintona ny saiko ireo teny ireo, notsoahina avy ao amin’ny Baiboly, natao anaty tranon-tsary sy napetaka teo amin’ny rindrin’ny trano iray notsidihiko. Nosaintsainiko izany tamin’ny sisa tamin’ny andro ka nanontany tena aho raha ho afaka ny hatoky an’Andriamanitra amin’ny foko rehetra.” Iraika amby roapolo taona io olona io tamin’izay. Eo amin’ny faha-90 taonany izy izao ary mbola manompo amim-pahatokiana ihany amin’ny maha-loholona ao Perth, any Aostralia. Afaka mitodika ny lasa izy, mijery ny fiainany ampoky ny soa vokatry ny fatokiana an’i Jehovah amin’ny fo manontolo, tafiditra tamin’izany ireo 26 taona feno zava-tsarotra nanaovany ny asan’ny mpisava lalana tany amin’ireo saha misionera vaovao tany Ceylan (Sri Lanka amin’izao fotoana izao), i Birmania (Myanmar amin’izao fotoana izao), i Malaisie, i Thaïlande sy i India ary i Pakistan.a
2. Fatokiana inona no tokony haorin’ny Ohabolana 3:5 ao amintsika?
2 “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra” — ireo teny ao amin’ny Ohabolana 3:5 ireo, araka ny andikana azy ao amin’ny Fandikan-teny Malagasy, dia tokony hanosika antsika rehetra hanohy hanokana ny fiainantsika manontolo ho an’i Jehovah, amin’ny fatokiana fa azony hatanjahina ny finoantsika ho tonga hatramin’ny fandresena vato misakana toy ny tendrombohitra mihitsy aza. (Matio 17:20). Aoka isika izao handinika ny Ohabolana 3:5 ao anatin’ny teny manodidina azy.
Toromarika omen’ny ray
3. a) Fampaherezana inona no tokony ho hita ao amin’ireo toko sivy voalohan’ny Ohabolana? b) Nahoana isika no tokony handinika akaiky ny Ohabolana 3:1, 2?
3 Ireo toko sivy fanokafana ilay bokin’ny Baiboly hoe Ohabolana dia mamirapiratra noho ireo torohevitry ny ray, torohevitra feno fahendrena avy amin’i Jehovah ho an’izay rehetra manantena hanana fifandraisana toy ny zanaka aminy any an-danitra, na “fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”, eo amin’ny tany ho tonga paradisa. (Romana 8:18-21, 23, NW ). Indro misy torohevitra feno fahendrena izay azon’ireo ray aman-dreny ampiasaina eo amin’ny fitaizana zanaka lahy sy vavy. Miavaka ilay torohevitra ao amin’ny Ohabolana toko faha-3 izay manomboka amin’ny fananarana hoe: “Anaka, aza manadino ny lalàko; fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko”. Arakaraka ny anatonan’ireo andro farany ho an’ny tontolo ratsin’i Satana ny fiafarany, dia enga anie isika handinika akaiky kokoa ireo fampahatsiarovana ataon’i Jehovah. Mety ho toa lavitra ny lalana, kanefa ny fampanantenana ho an’izay rehetra miaritra dia “andro maro sy taona ela iainana” — fiainana mandrakizay ao amin’ny fandehan-javatra vaovaon’i Jehovah. — Ohabolana 3:1, 2.
4, 5. a) Fifandraisana mahafinaritra inona no voalazalaza ao amin’ny Jaona 5:19, 20? b) Ahoana no iharan’ny torohevitra ao amin’ny Deoteronomia 11:18-21 hatramin’izao androntsika izao?
4 Ny fifandraisana mahafinaritra eo amin’ny ray sy ny zanany dia afaka ny ho sarobidy indrindra. Nandamina azy io ho toy izany i Jehovah Andriamanitra Mpamorona antsika. Niteny toy izao ny amin’ny fifandraisany akaiky tamin’i Jehovah i Kristy Jesosy: “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray; fa na inona na inona no ataon’ny Ray dia toy izany koa no ataon’ny Zanaka. Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon’ny tenany”. (Jaona 5:19, 20). Nokasain’i Jehovah ny tokony hisian’ny fifandraisana akaiky toy izany eo amin’ny tenany sy ny fianakaviany rehetra eto an-tany, ary koa eo amin’ireo ray olombelona sy ny zanany.
5 Nampirisihana ny hisian’ny fifandraisana feno fatokiana ao amin’ny fianakaviana teo amin’ny Isiraely fahiny. Nanoro hevitra ireo raim-pianakaviana toy izao i Jehovah tamin’izany: “Koa alatsaho ao amin’ny fonareo sy ao amin’ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin’ny tànanareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ny handrinareo; ary ampianaro ny zanakareo izany, ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha eny an-dàlana, na mandry, na mifoha; ary soraty eo amin’ny tolam-baravaran’ny tranonao sy eo amin’ny vavahadinao izy; mba ho maro ny andronareo sy ny andron’ny taranakareo eo amin’ny tany izay nianianan’i Jehovah tamin’ny razanareo homena azy, toy ny faharetan’ny lanitra ambonin’ny tany.” (Deoteronomia 11:18-21). Ny Teny ara-tsindrimandrin’i Jehovah Andriamanitra, Mpampianatra antsika Lehibe, dia afaka miasa tokoa mba hampifamatorana azy akaiky amin’ireo ray aman-dreny sy ireo zanany ary koa amin’ireo hafa rehetra izay manompo azy ao amin’ny kongregasiona kristiana. — Isaia 30:20, 21, NW.
6. Ahoana no mety hahazoantsika sitraka amin’Andriamanitra sy ny olona?
6 Mitohy eo amin’ny andininy faha-3 sy faha-4 amin’ny Ohabolana toko faha-3 ny torohevitra feno fahendrena omen’ny ray ho an’ny vahoakan’Andriamanitra, antitra sy tanora: “Aoka tsy handao anao ny [hatsaram-panahy miharo fitiavana, NW ] sy ny fahamarinana; afehezo eo am-bozonao izany, ary soraty ao amin’ny fonao tahaka ny amin’ny vato fisaka, ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona hianao.” Ihoaran’i Jehovah Andriamanitra ny rehetra raha ny amin’ny fanehoana hatsaram-panahy miharo fitiavana sy fahamarinana. Araka ny ilazan’ny Salamo 25:10 azy dia hoe: “Ny lalàn’i Jehovah rehetra dia [hatsaram-panahy miharo fitiavana, NW ] sy fahamarinana”. Ho fanahafana an’i Jehovah, dia tokony hanolokolo ireo toetra tsara ireo sy ny heriny feno fiarovana isika, hihevitra azy ireo ho sarobidy toy ny ataontsika amin’ny vakana sarobidy iray, ary hanoratra izany amin’ny fomba tsy azo kosehina eo amin’ny fontsika. Amin-kafanam-po àry, dia afaka mivavaka isika hoe: “Jehovah ô, (...) aoka ny [hatsaram-panahinao miharo fitiavana, NW ] sy ny fahamarinanao hiaro ahy mandrakariva.” — Salamo 40:11.
Fatokiana mitohy
7. Tamin’ny fomba ahoana avy no nanehoan’i Jehovah fa mendri-pitokiana izy?
7 Ny fatokiana dia faritan’ny Webster’s Ninth New Collegiate Dictionary ho “fianteherana amin-toky amin’ny toetra, fahaizana, tanjaka, na fahamarinan’ny olona iray na zavatra iray”. Ny toetran’i Jehovah dia mamaka mafy ao amin’ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana. Ary afaka matoky tanteraka ny fahaizany manao izay nampanantenainy isika, satria ny anarany mihitsy hoe Jehovah dia mampahafantatra azy ho ilay Mpikasa lehibe. (Eksodosy 3:14, NW; 6:2-8). Amin’ny maha-Mpamorona azy, dia izy no Loharanon’ny tanjaka sy ny hery. (Isaia 40:26, 29). Izy no ohatra velona mampiseho ny fahamarinana, satria ‘tsy mahay mandainga Andriamanitra’. (Hebreo 6:18). Noho izany dia ampaherezina isika mba hametraka fitokiana tanteraka amin’i Jehovah Andriamanitsika, ilay Loharanon’ny fahamarinana rehetra, izay manana ny hery tsitoha mba hiarovana ireo matoky azy sy mba hahatonga ny fikasany malaza rehetra hahita fahombiazana be voninahitra. — Salamo 91:1, 2; Isaia 55:8-11.
8, 9. Nahoana no tsy misy amin’ny fomba mampalahelo ny fatokiana eo amin’izao tontolo izao, ary amin’ny ahoana ny vahoakan’i Jehovah no mifanohitra amin’izany?
8 Eo amin’izao tontolo izao mikororosy manodidina antsika, dia mampalahelo fa tsy misy ny fatokiana. Ho solon’izany, dia ny faniriana mihoa-pampana sy ny fandraisana kolikoly no hitantsika hatraiza hatraiza. Nirantiranty teo amin’ny fonon’ny gazetiboky World Press Review, nomerao tamin’ny May 1993 ilay hafatra hoe: “FITOMBOANA TAMPOKA EO AMIN’NY FANDRAISANA KOLIKOLY — Vola Maloto ao Amin’ny Fandehan-javatra Vaovao ho An’izao Tontolo Izao. Ny indostrian’ny fandraisana kolikoly dia miitatra hatrany Brezila ka hatrany Alemaina, hatrany Etazonia ka hatrany Arzantinina, hatrany Espaina ka hatrany Peroa, hatrany Italia ka hatrany Meksika, hatrany Vatican ka hatrany Rosia.” Noho izy io miorina amin’ny fankahalana sy ny faniriana mihoa-pampana ary ny tsy fatokiana, dia tsy mijinja afa-tsy fahoriana mitombo haingana hatrany ho an’ny taranak’olombelona ilay antsoin’ny olona hoe fandehan-javatra vaovao ho an’izao tontolo izao.
9 Mifanohitra amin’ireo firenena ara-politika, dia faly ireo Vavolomben’i Jehovah fa ‘firenena manana an’i Jehovah ho Andriamaniny’. Izy ireo ihany no afaka milaza marina hoe: ‘Andriamanitra no ametrahanay ny fitokianay’. Ny tsirairay amin’izy ireo dia afaka miantsoantso amin-kafaliana hoe: “Andriamanitra no iderako ny teniny (...) Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho”. — Salamo 33:12; 56:4, 11.
10. Inona no nanatanjaka tanora kristiana maro hitana tsy fivadihana?
10 Any amin’ny tany iray any Azia, izay misy Vavolombelona tanora an’arivony maro nizaka fikapohana mafy sy fanaovana an-tranomaizina, ny fatokiana an’i Jehovah dia nanampy ny ankamaroan’izy ireo hiaritra. Indray alina tao an-tranomaizina, dia nihevitra ny Vavolombelona tanora iray avy nampijalijalina tamin’ny fomba nahatsiravina fa tsy zakany intsony ilay izy. Nisy tanora hafa iray anefa tonga an-tsokosoko tao aminy, nanararaotra ny haizina. Nibitsibitsika toy izao izy: “Aza manaiky ho resy; nanaiky lembenana aho ary tsy milamin-tsaina intsony hatramin’izay.” Nanavao indray ny fahatapahan-keviny hifahatra mafy ilay tanora voalohany. Afaka matoky tanteraka an’i Jehovah isika fa hanampy antsika izy mba handresy izay mety ho ezaka rehetra ataon’i Satana mba hanimbana ny tsy fivadihantsika. — Jeremia 7:3-7; 17:1-8; 38:6-13, 15-17.
11. Ahoana no andrisihana antsika hitoky amin’i Jehovah?
11 Vakina toy izao ny tapany amin’ilay didy voalohany: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra”. (Marka 12:30). Arakaraka ny isaintsainantsika ny Tenin’Andriamanitra, ireo fahamarinana lehibe izay ianarantsika dia milentika lalina ao am-pontsika, hany ka voatosika isika handany ny fananantsika rehetra sy ny herintsika rehetra ho amin’ny fanompoana an’ilay Andriamanitsika mahatalanjona, dia i Jehovah Mpanjaka Tompo. Ny fo safononoky ny fankasitrahana azy — noho izay rehetra nampianariny antsika, izay nataony ho antsika ary mbola hataony ho antsika — no mandrisika antsika hatoky tanteraka ny famonjeny. — Isaia 12:2.
12. Nandritra ireo taona, ahoana no nampisehoan’ny Kristiana maro ny fatokiany an’i Jehovah?
12 Azo ambolena mandritra ireo taona io fatokiana io. Ny Vavolombelon’i Jehovah nanetry tena iray izay nanompo tamim-pahatokiana nandritra ny 50 taona mahery tao amin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower ao Brooklyn, nanomboka tamin’ny Aprily 1927, dia nanoratra toy izao: “Tamin’ny faran’io volana io aho dia nahazo vola fanonerana izay laniko, 5 dolara tao anaty valopy niaraka tamin’ny taratasy matevina kanto iray nisy ilay soratra ao amin’ny Ohabolana 3:5, 6 (...) Teo ny antony rehetra hatokiana an’i Jehovah satria, tao amin’ny foibe, tsy ela aho dia nanjary nahatakatra fa manana ‘mpanompo mahatoky sy malina’ mikarakara amim-pahatokiana ny tombontsoan’ilay Fanjakana rehetra eto an-tany, i Jehovah. — Matio 24:45-47, NW.”b Ny fon’io Kristiana io dia tsy nifantoka tamin’ny fitiavam-bola, fa tamin’ny fahazoana “harena any an-danitra tsy mety ho lany”. Toy izany koa amin’izao andro izao, ireo olona an’arivony maro manompo ao amin’ireo Betelan’ny Fikambanana Watch Tower maneran-tany dia manao izany eo ambanin’ny karazana voady ho amin’ny fahantrana araka ny lalàna. Mitoky amin’i Jehovah izy ireo mba hanome azy izay ilainy isan’andro. — Lioka 12:29-31, 33, 34.
Miankina amin’i Jehovah
13, 14. a) Aiza ihany no mety hahitana torohevitra matotra? b) Inona no tsy maintsy halavirina mba hahatafavoahana velona amin’ny fanenjehana?
13 Mananatra antsika toy izao ny Raintsika any an-danitra: “Aza miankina amin’ny fahalalanao [“fahatakaranao hevi-javatra”, NW ]”. (Ohabolana 3:5). Ireo mpanolo-tsaina sy ireo psikology (mpandinika ny fiasan’ny sain’olombelona) eo amin’izao tontolo izao dia tsy afaka hanantena mihitsy ny hanakaiky ny fahendrena sy ny fahatakarana hevi-javatra izay asehon’i Jehovah. “Tsy hita lany ny fahalalany [“fahatakarany hevi-javatra”, NW ].” (Salamo 147:5). Aoka isika hitodika any amin’i Jehovah sy any amin’ny Teniny ary any amin’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona kristiana mba hahazoana torohevitra matotra, fa tsy hiankina amin’ny fahendren’ireo olo-malaza eo amin’izao tontolo izao, na amin’ny fihetseham-pontsika tsy mifototra amin’ny fahalalana. — Salamo 55:22; 1 Korintiana 2:5.
14 Tsy hitondra antsika na ho aiza na ho aiza ny fahendren’olombelona, na ny fireharehana ny amin’ny fahamboniana amin’izao andron’ny fitsapana mafy manatona haingana izao. (Isaia 29:14; 1 Korintiana 2:14). Tany Japana, nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia nisy mpiandry ny olon’Andriamanitra iray nahay saingy niavonavona, nifidy ny hiankina tamin’ny fahatakarany hevi-javatra manokana. Tao anatin’ny fanerena dia nanjary nivadi-pinoana izy, ary nitsahatra tsy niasa koa ny ankamaroan’ny ondry tao anatin’ny fanenjehana. Nanao izao fanazavana izao ny anabavy japoney tsy nivadika iray izay tafavoaka velona tamin’ny fitondrana nahatsiravina tao amin’ireo efitrano maloton’ny fonja: “Ireo izay naharitra ho nahatoky kosa dia tsy nanam-pahaizana manokana loatra na anisan’ny nisehoseho. Hita amin’izany àry fa isika rehetra dia tokony hatoky an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra ary amin’ny fotoana rehetra.”c
15. Toetra tsara araka an’Andriamanitra inona no tena ilaina raha ta hahazo sitraka amin’i Jehovah isika?
15 Mahatafiditra fanetren-tena fa tsy fahatakarantsika hevi-javatra manokana ny fatokiana an’i Jehovah. Zava-dehibe toy inona moa io toetra io ho an’izay rehetra maniry hahazo sitraka amin’i Jehovah! Eny, na dia ny Andriamanitsika aza dia mampiseho fanetren-tena eo amin’ny fifandraisany amin’ireo zavaboariny manan-tsaina, eny fa na dia Mpanjaka Tompo eo amin’izao rehetra izao aza izy. Afaka ny ho velom-pankasitrahana noho izany isika. ‘Miondrika [“mampietry ny tenany”, NW ] mijery ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany izy. Manangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka Izy’. (Salamo 113:6, 7). Noho ny famindram-pony lehibe, dia mamela ny fahalementsika izy miorina amin’ny fanomezana lehibe indrindra ho an’ny taranak’olombelona, dia ny sorona sarobidin’ny Zanany malala, i Kristy Jesosy. Toy inona moa no tokony ho fankasitrahantsika noho io hatsaram-panahy ho an’izay tsy mendrika akory io!
16. Ahoana no mety hiezahan’ireo rahalahy handroso mba hahazoana andraikitra ao amin’ny kongregasiona?
16 Ny tenan’i Jesosy mihitsy no mampahatsiaro antsika toy izao: “Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.” (Matio 23:12). Amim-panetren-tena, ireo rahalahy vita batisa dia tokony hiezaka handroso mba hahazo andraikitra ao amin’ny kongregasiona kristiana. Kanefa ireo mpiandraikitra dia tokony hihevitra ny fanendrena azy, tsy ho toy ny mariky ny laharana akory, fa ho toy ny fahafahana manao asa amim-panetren-tena sy amim-pankasitrahana ary amim-pahadodonana, toy ny nataon’i Jesosy izay nilaza hoe: “Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.” — Jaona 5:17; 1 Petera 5:2, 3.
17. Inona no tokony ho takatsika rehetra, ka izany dia mitarika ho amin’ny fanaovana inona?
17 Enga anie isika hahatakatra amim-panetren-tena sy amim-pahatsorana, mandrakariva fa vovoka ihany isika eo imason’i Jehovah. Afaka ny ho faly tokoa àry isika satria “ny famindrampon’i Jehovah dia hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’izay matahotra Azy ary ny fahamarinany mihatra amin’ny taranaka”! (Salamo 103:14, 17). Tokony ho mpianatra mazoto ny Tenin’Andriamanitra àry isika rehetra. Tokony ho anisan’ireo ora sarobidy indrindra ananantsika isan-kerinandro ny fotoana lanintsika amin’ny fianarana manokana sy ny fianaram-pianakaviana ary amin’ireo fivorian’ny kongregasiona. Amin’izany fomba izany no hampitomboantsika “fahafantarana ny Iray Masina Indrindra”. Izany no atao hoe “fahatakarana hevi-javatra”. — Ohabolana 9:10, NW.
“Amin’ny alehanao rehetra (...)”
18, 19. Ahoana no azontsika ampiharana ny Ohabolana 3:6 eo amin’ny fiainantsika, ary inona no vokany?
18 Rehefa nitarika antsika ho amin’i Jehovah, ilay Loharanon’ny fahatakarana hevi-javatra, ny Ohabolana 3:6 avy eo dia nilaza hoe: “Maneke Azy [“asio fiheverana izy”, NW ] amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao”. Ny hoe manisy fiheverana an’i Jehovah dia mahatafiditra ny fitoerana ho akaiky azy amin’ny vavaka. Na aiza na aiza mety hisy antsika, ary na toy inona na toy inona tarehin-javatra mety hipoitra, dia afaka manatona azy avy hatrany amin’ny vavaka isika. Raha eo am-panaovana ny asantsika isan’andro isika, eo am-piomanana ho amin’ny asa fanompoana, eny am-pandehanantsika isan-trano mitory ny Fanjakany, dia afaka mivavaka tsy tapaka ny mba hitahiany ny asantsika isika. Araka izany, dia manana tombontsoa sy fifaliana tsy hay tombanana isika amin’ny ‘fiaraha-mandeha amin’Andriamanitra’, matoky fa izy no ‘handamina ny lalantsika’, toy ny nataony tamin’i Enoka sy i Noa natahotra an’Andriamanitra, ary tamin’ireo Isiraelita nahatoky toa an-dry Josoa sy Daniela. — Genesisy 5:22; 6:9; Deoteronomia 8:6; Josoa 22:5; Daniela 6:24; jereo koa ny Jakoba 4:8, 10.
19 Rehefa mampahafantatra ny fangatahantsika amin’i Jehovah isika, dia afaka matoky fa ny ‘fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra dia hiaro ny fontsika sy ny hevitsika ao amin’i Kristy Jesosy’. (Filipiana 4:7). Io fiadanan’Andriamanitra io, hita taratra eo amin’ny endrika falifaly, dia afaka mampirisika ireo tompon-trano hitantsika mandritra ny fitoriana ataontsika, handray ny hafatra entintsika. (Kolosiana 4:5, 6). Izy io koa dia afaka mampahery ireo izay mety hiharan’ny fihenjanana na ny tsy rariny mahazatra aoka izany eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, araka ny asehon’ilay fitantarana manaraka.d
20, 21. a) Nandritra ny fampihorohoroana nataon’ny Nazia, amin’ny ahoana ny tsy fivadihan’ny Vavolombelon’i Jehovah no mampahery ny hafa? b) Tokony hanaitra fahatapahan-kevitra inona ao amintsika moa ny feon’i Jehovah?
20 Nilazalaza toy izao ny dia nataony nankany amin’ny toby famonoana nazia iray i Max Liebster, avy amin’ny firazanana jiosy izay tafavoaka velona toy ny tamin’ny fahagagana tamin’ny Holocauste (fandripahan’ny Nazia ny Jiosy): “Nohidiana tao anatin’ny kalesin-dalamby izay novana ho efitrano figadrana tery dia tery maro be natao ho an’olon-droa izahay. Rehefa voadaka hankao anatin’ny iray amin’ireny aho, dia nifanatrika tamina mpigadra iray tony fijery. Tao izy noho ny fanajany ny lalàn’Andriamanitra, nifidy ny tranomaizina sy ny mety ho fahafatesana, toy izay handatsa-dran’olon-kafa. Vavolombelon’i Jehovah izy io. Nesorina taminy ireo zanany, novonoina ho faty ny vadiny, ary nanampo ny hitovy anjara amin’izany izy. Ilay dia naharitra tapa-bolana dia nitondra valiny ho an’ireo vavaka nataoko, satria tamin’io fandehanana nankany amin’ny fahafatesana io indrindra no nahazoako fanantenana ny fiainana mandrakizay.”
21 Taorian’ny nanafahana an’io rahalahy io tao Auschwitz “lavaky ny liona”, araka ny nilazany azy, sy taorian’ny batisany, dia nanambady Vavolombelon’i Jehovah iray izay efa natao an-tranomaizina izy ary ny rain’ilay anabavy dia nijaly tany amin’ny toby fitanana tany Dachau. Raha mbola tany io rainy io dia nandre fa voasambotra koa ny vadiny sy ny zanany vavikely. Nilazalaza toy izao ny amin’ny fihetsiny io ray io: “Sahiran-tsaina lalina aho. Avy eo, indray andro raha nilahatra mba handeha handro aho, dia nandre feo iray nanonona ny Ohabolana 3:5, 6 (...) Nanakoako toy ny feo iray avy any an-danitra izy io. Izany indrindra no nilaiko mba hahitako indray ny fahaizako nandanjalanja.” Raha ny marina, dia feon’ny mpigadra hafa iray nanonona io andinin-teny io ilay izy, fa ilay fisehoan-javatra dia manamafy ny hery mety hananan’ny Tenin’Andriamanitra eo amintsika. (Hebreo 4:12). Enga anie ny feon’i Jehovah hiteny amin-kery amintsika amin’izao andro izao amin’ny alalan’ireo teny amin’ny teny fototra ampiasaintsika ho an’ny taona 1994 hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra”!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Matoky an’i Jehovah amin’ny Foko Rehetra Aho”, notantarain’i Claude S. Goodman, Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Jolay 1974, pejy faha-404-408.
b Jereo ilay lahatsoratra hoe “Déterminé à louer Jéhovah” notantarain’i Harry Peterson, La Tour de Garde tamin’ny 15 Septambra 1969, pejy faha-568-572.
c Jereo ilay lahatsoratra hoe “Tsy Mahafoy An’ireo Mpanompony Jehovah”, notantarain’i Matsue Ishii, Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Aogositra 1988, pejy faha-21-25.
d Jereo koa ilay lahatsoratra hoe “Une délivrance dont nous nous montrons reconnaissants” notantarain’i Max Liebster, La Tour de Garde tamin’ny 1 Janoary 1979, pejy faha-20-24.
Ho Famintinana
◻ Karazana torohevitra inona no aseho ao amin’ny Ohabolana?
◻ Amin’ny ahoana ny fatokiana an’i Jehovah no mitondra soa ho antsika?
◻ Inona no tafiditra amin’ny hoe miankina amin’i Jehovah?
◻ Nahoana isika no tokony hanisy fiheverana an’i Jehovah amin’ny alehantsika rehetra?
◻ Ahoana no handaminan’i Jehovah ny lalantsika?
[Sary, pejy 15]
Ilay hafatra mahafaly momba ny Fanjakana dia mahatonga izany hanintona ny olona manana fo marina