“Manatòna An’Andriamanitra”
“Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.”—JAKOBA 4:8.
1, 2. a) Inona matetika no fihamboan’ny olona? b) Inona no nampirisihan’i Jakoba, ary nahoana izany no nilaina?
“MOMBA anay Andriamanitra.” Nataon’ny firenena sasany ho teny fanevany izany, ary nandravaka ny fanamian’ny miaramila mihitsy aza. Misoratra amin’ny vola maro be koa ankehitriny ny hoe “Andriamanitra no itokisanay.” Matetika ny olombelona no mihambo ho mifandray akaiky amin’Andriamanitra. Tsy ekenao anefa ve fa raha tena mifandray akaiky amin’Andriamanitra ny olona iray, dia tsy ampy fotsiny ny miresaka momba izany na manao izany ho teny filamatra?
2 Asehon’ny Baiboly fa azo atao ny mifandray amin’Andriamanitra. Mitaky ezaka anefa izany. Na dia ny Kristianina voahosotra sasany tamin’ny taonjato voalohany aza dia nila nanamafy ny fifandraisany tamin’i Jehovah Andriamanitra. Tsy maintsy nananatra ny sasany ilay mpiandraikitra kristianina atao hoe Jakoba, satria nanana fanirian-dratsy izy ireo sady tsy nadio ara-panahy intsony. Nampirisika mafy koa izy tamin’izay hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.” (Jakoba 4:1-12) Inona no tian’i Jakoba holazaina tamin’ilay teny hoe “manatòna”?
3, 4. a) Mety ho nampahatsiahy inona ny hoe “manatòna an’Andriamanitra”? b) Nahoana isika no matoky fa azo atao ny manatona an’Andriamanitra?
3 Nahafantatra ny tian’i Jakoba holazaina ny ankamaroan’ny mpamaky ny taratasiny. Nanome toromarika mazava ho an’ny mpisorona izay nisolo tena ny vahoaka mantsy ny Lalàn’i Mosesy, mba hahafahan’izy ireo ‘hanakaiky’ na hanatona an’i Jehovah. (Eksodosy 19:22) Mety ho nampahatsiahy an’ireo mpamaky àry ny tenin’i Jakoba fa, tsy mandeha ho azy izany hoe manatona an’i Jehovah izany. I Jehovah mantsy no manan-kaja indrindra eran’izao rehetra izao.
4 Milaza anefa ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly fa “mahabe fanantenana koa ilay fampirisihana [ao amin’ny Jakoba 4:8].” Fantatr’i Jakoba fa nanasa tamim-pitiavana ny olombelona tsy lavorary foana i Jehovah mba hanatona Azy. (2 Tantara 15:2) Nanokatra ny lalana hanatonana an’i Jehovah amin’ny fomba feno kokoa ny soron’i Jesosy. (Efesiana 3:11, 12) Misokatra ho an’ny olona an-tapitrisa io lalana io ankehitriny! Inona anefa no azontsika atao mba hananana izany fifandraisana faran’izay tsara izany? Hodinihintsika eto ny fomba telo hanampy antsika hanatona an’i Jehovah Andriamanitra.
Miezaha hatrany ‘hahafantatra’ an’Andriamanitra
5, 6. Inona no dikan’ny hoe “mahafantatra” an’Andriamanitra, araka ny ohatr’i Samoela tamin’izy mbola kely?
5 Hoy i Jesosy ao amin’ny Jaona 17:3: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” Inona no tiany hambara rehefa nilaza izy hoe “mahafantatra” an’Andriamanitra? Manamarika ny manam-pahaizana maromaro fa ilay teny grika nadika hoe “mahafantatra” dia milaza fanaovan-javatra mitohy, ary mety hitarika ho amin’ny fifandraisana akaiky amin’ilay olona fantarina mihitsy.
6 Tsy vaovao tamin’ny olona tamin’ny andron’i Jesosy izany hoe mifandray akaiky amin’Andriamanitra izany. Voalaza ao amin’ny Soratra Hebreo, ohatra, fa “tsy mbola nahalala an’i Jehovah” i Samoela, tamin’izy mbola kely. (1 Samoela 3:7) Nidika ve izany fa vitsy dia vitsy ny zavatra fantany momba an’Andriamanitra? Tsia. Azo antoka fa nampianatra azy zavatra maro ny ray aman-dreniny sy ny mpisorona. Milaza anefa ny manam-pahaizana iray fa afaka manondro “fifandraisana faran’izay akaiky” ilay teny hebreo ampiasaina ao amin’io andinin-teny io. Mbola tsy nifandray akaiky tamin’i Jehovah àry i Samoela tamin’izay, tsy toy ny rehefa lasa mpitondra teniny izy. Tena nahafantatra an’i Jehovah, izany hoe nifandray akaiky taminy, izy rehefa nihalehibe.—1 Samoela 3:19, 20.
7, 8. a) Nahoana no tsy tokony hahakivy antsika ny fampianarana lalina kokoa ao amin’ny Baiboly? b) Milazà fahamarinana lalina ara-baiboly tokony hianarantsika.
7 Miezaka hahafantatra an’i Jehovah ve ianao mba hifandray akaiky aminy? Mba hanaovana izany dia mila ‘maniry’ ny sakafo ara-panahy omen’Andriamanitra ianao. (1 Petera 2:2) Aza mianina amin’ny fampianarana fototra fotsiny, fa miezaha hahafantatra ny fampianarana lalina kokoa ao amin’ny Baiboly. (Hebreo 5:12-14) Mahakivy anao ve izany satria heverinao fa sarotra loatra? Tadidio àry fa i Jehovah no Mpampianatra Lehibe. (Isaia 30:20) Mahay mampita fahamarinana lalina ao an-tsain’ny olona tsy lavorary izy. Afaka mampahomby ny ezaka ataonao mba hahazo izay ampianariny anao koa izy.—Salamo 25:4.
8 Nahoana raha mandinika ny fahalalanao ny “saina lalina izay an’Andriamanitra”? (1 Korintiana 2:10) Tsy mahamonamonaina toy ny adihevitra mety hataon’ny teolojianina sy mpitondra fivavahana izany. Mahasoa antsika kosa izany sady ianarantsika zavatra tena mahaliana momba izay ao an-tsaina sy ao am-pon’ilay Raintsika be fitiavana. Azontsika ianarana, ohatra, ny momba ny sorom-panavotana sy ilay ‘zava-miafina’ ary ny fanekena samihafa nampiasain’i Jehovah mba hitahiana ny vahoakany sy hanatanterahana ny fikasany. Tena mahasoa sady mahafinaritra ny manao fikarohana sy mianatra momba ireo foto-kevitra ireo.—1 Korintiana 2:7.
9, 10. a) Nahoana ny avonavona no mampidi-doza, ary inona no hanampy antsika tsy hiavonavona? b) Nahoana isika no tokony hiezaka hanetry tena, raha ny amin’ny fahalalana an’i Jehovah?
9 Mitandrema mba tsy hiavonavona, rehefa mitombo ny fahalalanao ny fahamarinana ara-panahy lalina kokoa. (1 Korintiana 8:1) Mampidi-doza ny avonavona satria mampisaraka ny olona amin’Andriamanitra. (Ohabolana 16:5; Jakoba 4:6) Tadidio fa tsy misy olona tokony hirehareha noho ny fahalalany mihitsy. Eritrereto, ohatra, izay voalaza ao amin’ny teny fampidirana ny boky iray mahakasika ny fandrosoana ara-tsiansa natao vao haingana. Hoy izy io: “Arakaraka ny hitomboan’ny fahalalantsika no hahitantsika fa tena vitsy ny zavatra fantatsika. . . . Tsy misy dikany ny zava-drehetra nianarantsika, raha oharina amin’izay mbola mila hofantarintsika.” Mahafinaritra izany fanetren-tena izany. Vao mainka àry isika tokony hanetry tena raha ny amin’ilay fahalalana lehibe indrindra, dia ny fahalalana an’i Jehovah Andriamanitra. Nahoana?
10 Mariho ireto andinin-teny momba azy ireto. “Lalina indrindra ny fisainanao.” (Salamo 92:5) “Tsy hita lany ny fahalalan[’i Jehovah].” (Salamo 147:5) “Tsy takatry ny saina ny fahalalan[’i Jehovah].” (Isaia 40:28) “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany!” (Romana 11:33) Mazava àry fa tsy ho fantatsika daholo mihitsy ny zava-drehetra momba an’i Jehovah. (Mpitoriteny 3:11) Nampianatra antsika zavatra maro mahatalanjona izy, nefa tsy ho tapitra mihitsy ny fahalalana mbola azontsika raisina. Tsy mampientam-po sy mahatonga antsika hanetry tena ve izany? Aoka àry isika hampiasa ny fahalalantsika mba hanatonana an’i Jehovah sy hanampiana ny olona hanatona azy, fa tsy mba hanandratan-tena ho ambony noho ny hafa velively.—Matio 23:12; Lioka 9:48.
Asehoy ny fitiavanao an’i Jehovah
11, 12. a) Inona no tokony ho vokatry ny fahalalana an’i Jehovah eo amintsika? b) Ahoana no ahafantarana fa tena tia an’Andriamanitra ny olona iray?
11 Nampifandray ny fahalalana sy ny fitiavana ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra.” (Filipiana 1:9) Tokony hampitombo ny fitiavantsika an’i Jehovah Raintsika any an-danitra àry ny zava-tsarobidy tsirairay ianarantsika momba azy, fa tsy tokony hampieboebo antsika.
12 Tsy tena tia an’Andriamanitra ny maro amin’ny olona mihambo ho tia azy. Mahatonga fihetseham-po lalina ao aminy tokoa angamba ny finoany an’Andriamanitra. Tsara izany ary mahate hidera mihitsy aza, raha mifanaraka amin’ny fahalalana marina. Tsy izany anefa no atao hoe tena fitiavana an’Andriamanitra. Nahoana? Mariho ny famaritan’ny Tenin’Andriamanitra an’io fitiavana io: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny.” (1 Jaona 5:3) Ny tena fitiavana an’Andriamanitra àry dia aseho amin’ny fankatoavana azy.
13. Hazavao fa hanampy antsika hampiseho ny fitiavantsika an’i Jehovah ny fahatahorana azy.
13 Hanampy antsika hankatò an’i Jehovah ny fahatahorana azy. Hatahotra sy hanaja fatratra an’i Jehovah isika, raha mianatra momba azy sy ny toetrany tsy manam-paharoa toy ny fahamasinany, voninahiny, heriny, fitiavany ny rariny, fahendreny, ary ny fitiavany. Tsy maintsy manana io tahotra io isika mba hanatonana azy, araka izao voalazan’ny Salamo 25:14 izao: “Ny fisainan’i Jehovah [na fisakaizany] asehony amin’izay matahotra Azy.” Afaka hanatona an’ilay Ray malalantsika àry isika, raha matahotra sao tsy hampifaly azy. Hanampy antsika hanaraka ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Ohabolana 3:6 koa izany. Izao no voalaza ao: “Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” Inona no dikan’izany?
14, 15. a) Milazà fanapahan-kevitra sasany tsy maintsy raisintsika isan’andro. b) Ahoana no hampisehoantsika amin’ny fanapahan-kevitsika fa matahotra an’Andriamanitra isika?
14 Tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra ianao isan’andro, na lehibe izany na madinika. Karazana resaka manao ahoana, ohatra, no hataonao amin’ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra na mpiray tanàna aminao? (Lioka 6:45) Hiasa mafy ve ianao hamitana izay nasaina nataonao, sa hataonao zara fa vita fotsiny ilay asa? (Kolosiana 3:23) Hifandray akaiky amin’ny olona tsy dia tia an’i Jehovah na tsy tia azy mihitsy ve ianao, sa hanamafy ny fifandraisanao amin’ny olona araka ny fanahy? (Ohabolana 13:20) Inona no hataonao mba hanohanana ny Fanjakan’Andriamanitra, na dia amin’ny zavatra kely ihany aza? (Matio 6:33) Tena manaiky an’i Jehovah “amin’ny alehanao rehetra” ianao, raha manaraka ireo toro lalana ara-baiboly ireo rehefa manapa-kevitra isan’andro.
15 Isaky ny hanapa-kevitra isika, dia tokony hieritreritra hoe: ‘Inona no ho tian’i Jehovah hataoko? Inona no hampifaly azy indrindra?’ (Ohabolana 27:11) Matahotra an’Andriamanitra isika raha manao izany sady manaporofo tsara ny fitiavantsika azy. Hanosika antsika hiezaka mba hadio hatrany eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-pitondran-tena ary ara-batana koa ny tahotra an’Andriamanitra. Tadidio fa rehefa nampirisika ny Kristianina mba ‘hanatona an’Andriamanitra’ i Jakoba, dia nilaza koa hoe: “Diovy ny tànanareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.”—Jakoba 4:8.
16. Inona no tsy ho vitan’ny fanomezana ataontsika ho an’i Jehovah mihitsy, nefa inona no asehontsika isaky ny manao fanomezana isika?
16 Mazava ho azy fa tsy ampy ny manalavitra ny ratsy raha te hampiseho ny fitiavantsika an’i Jehovah isika. Manosika antsika hanao ny tsara koa ny fitiavana. Inona, ohatra, no ataontsika ho setrin’ny fahalalahan-tanana lehibe asehon’i Jehovah? Hoy i Jakoba: “Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin’ny Rain’ny fanazavana.” (Jakoba 1:17) Marina fa tsy mampitombo ny fananan’i Jehovah isika rehefa manao fanomezana ho azy. Efa azy daholo mantsy ny zava-drehetra. (Salamo 50:12) Afaka manokana fotoana sy hery ho an’i Jehovah isika, nefa tsy mila an’izany izy mba hanatanterahana ny sitrapony. Raha toa ka tsy mety mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra aza isika, dia azony atao ny mampiantsoantso ny vato! Nahoana àry isika no mbola hanome ny fananantsika sy fotoanantsika ary herintsika ho an’i Jehovah? Ny antony lehibe indrindra dia mba hampisehoana ny fitiavantsika azy amin’ny fontsika, fanahintsika, saintsika ary herintsika manontolo.—Marka 12:29, 30.
17. Inona no afaka manosika antsika hanome ho an’i Jehovah amim-pifaliana?
17 Tokony hataontsika amim-pifaliana ny fanomezana ho an’i Jehovah, satria “ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra.” (2 Korintiana 9:7) Afaka hanao izany isika raha manaraka ny toro lalana ao amin’ny Deoteronomia 16:17, manao hoe: “Aoka samy hanatitra izay zakany avy, araka ny fitahian’i Jehovah Andriamanitrao, izay omeny anao.” Rehefa misaintsaina ny zavatra maro nomen’i Jehovah antsika isika, dia voatosika halala-tanana sy hanome azy amim-pifaliana. Mahafaly ny fony izany, toy ny fanomezana kely avy amin’ny zanaka malala ka mampifaly ny rainy na reniny. Hanampy antsika hanatona an’i Jehovah ny fampisehoantsika fitiavana amin’io fomba io.
Mifandraisa akaiky amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka
18. Nahoana isika no tokony handinika izay fomba hanatsarana ny vavaka ataontsika?
18 Sarobidy ny fotoana hanaovantsika vavaka mitokana, satria ahafahantsika mamboraka izay ao am-pontsika lalina amin’ilay Raintsika any an-danitra. (Filipiana 4:6) Tokony handinika ny hatsaran’ny vavaka ataontsika àry isika, satria tena ilaina izy io mba hanatonana an’Andriamanitra. Tsy voatery hiavaka be na ho feno teny sarotra ny vavaka ataontsika, fa tokony haneho izay tena ao am-pontsika. Ahoana no hanatsarantsika ny vavaka ataontsika?
19, 20. Nahoana no tsara ny misaintsaina, alohan’ny hivavahana, ary inona no zavatra sasany azontsika saintsainina?
19 Azontsika atao, ohatra, ny misaintsaina, alohan’ny hivavahana. Ho voafaritra tsara sady hisy heviny ny vavaka ataontsika amin’izay, ka tsy ho zatra manao tsianjery sy hamoaka izay tonga ao an-tsaintsika fotsiny isika. (Ohabolana 15:28, 29) Mety hahita hevitra tsara isika raha mieritreritra izay noresahin’i Jesosy tao amin’ilay vavaka modely, sady misaintsaina ny fifandraisan’izany amin’ny toe-javatra misy antsika manokana. (Matio 6:9-13) Afaka manontany tena, ohatra, isika hoe inona no anjara kely tiantsika horaisina amin’ny fanatontosana ny sitrapon’i Jehovah eto an-tany. Nahoana raha milaza amin’i Jehovah fa tena maniry hampiasainy isika, sady mangataka aminy mba hanampy antsika hanatontosa izay asa nanendrena antsika? Manahy mafy ny amin’ny fivelomana ve isika? Inona no fahotana ilantsika famelan-keloka, ary amin’iza isika no mila mamela heloka bebe kokoa? Inona no fakam-panahy mampahory antsika, ary mahatsapa ve isika fa mila fiarovana maika avy amin’i Jehovah amin’io lafiny io?
20 Azontsika atao koa ny mieritreritra ireo olona fantatsika fa tena mila ny fanampian’i Jehovah. (2 Korintiana 1:11) Tsy tokony hohadinoina anefa ny manolotra fisaorana. Raha mieritreritra tsara tokoa isika, dia azo antoka fa maro be ireo antony tokony hisaorantsika sy hiderantsika an’i Jehovah isan’andro, noho ny hatsaram-pony lehibe. (Deoteronomia 8:10; Lioka 10:21) Mandray soa hafa koa isika rehefa manao izany, satria manjary mifantoka kokoa amin-javatra tsara sy mahay mankasitraka ny fiainana.
21. Inona no ohatra ao amin’ny Baiboly afaka manampy antsika rehefa hivavaka amin’i Jehovah isika?
21 Afaka manampy antsika hanatsara ny vavaka ataontsika koa ny fianarana. Ahitana vavaka miavaka nataon’ny lehilahy sy vehivavy nahatoky, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Aoka hatao hoe misy zava-manahirana lehibe mananontanona, ka mampitebiteby na mahatonga antsika hatahotra ny amin’izay hanjo antsika sy ny hava-malalantsika. Amin’izay dia azontsika vakina ilay vavaka nataon’i Jakoba rehefa handeha hihaona tamin’i Esao rahalahiny izay nitady hamaly faty izy. (Genesisy 32:10-13) Azontsika dinihina koa ilay vavaka nataon’i Asa Mpanjaka rehefa nisy miaramila etiopianina iray tapitrisa teo ho eo nandrahona ny vahoakan’Andriamanitra. (2 Tantara 14:10, 11) Raha mety hanala baraka ny anaran’i Jehovah indray ny olana mahazo antsika, dia tsara raha dinihintsika ny vavaka nataon’i Elia nanoloana ny mpivavaka tamin’i Bala, teo amin’ny Tendrombohitra Karmela. Eo koa ny vavaka nataon’i Nehemia momba ny toe-javatra nampalahelo nisy an’i Jerosalema. (1 Mpanjaka 18:36, 37; Nehemia 1:4-11) Hanatanjaka ny finoantsika isika rehefa mamaky sy misaintsaina ireo vavaka ireo. Hahita hevitra tena tsara koa isika mba hanatonana an’i Jehovah sy hamborahana aminy izay manavesatra ny fontsika.
22. Inona no andinin-teny ho an’ny taona 2003, ary inona no tokony hodinihintsika matetika mandritra ny taona?
22 Mazava àry fa tsy misy voninahitra lehibe kokoa, na tanjona tsara kokoa, noho ny ‘manatona an’Andriamanitra’, araka ny torohevitr’i Jakoba. (Jakoba 4:8) Enga anie àry isika ka hampitombo ny fahalalantsika an’Andriamanitra sy hampiseho bebe kokoa ny fitiavantsika azy ary hiezaka hifandray akaiky kokoa aminy amin’ny alalan’ny vavaka. Mandritra ny taona 2003, dia aoka isika hitadidy ny Jakoba 4:8 izay andinin-teny ho an’ny taona. Tokony handini-tena hatrany koa isika mba hahitana raha manatona an’i Jehovah tokoa. Ahoana kosa ny amin’ilay tapany farany ao amin’io andinin-teny io? Nahoana no lazaina fa “hanatona anareo” i Jehovah, ary inona no fitahiana hoentin’izany? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.
Tadidinao Ve?
• Nahoana no zava-dehibe ny manatona an’i Jehovah?
• Inona no tanjona sasany azontsika tratrarina mba hahafantarana an’i Jehovah?
• Ahoana no ampisehoantsika fa tena tia an’i Jehovah isika?
• Ahoana no hifandraisantsika akaiky kokoa amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka?
[Teny notsongaina, pejy 12]
Izao no andinin-teny ho an’ny taona 2003: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.”—Jakoba 4:8.
[Sary, pejy 8, 9]
Nanjary nifandray akaiky tamin’i Jehovah i Samoela rehefa nihalehibe
[Sary, pejy 12]
Ohatra tsara ho antsika ilay vavaka nataon’i Elia teo amin’ny Tendrombohitra Karmela