Manontany ny Tanora Hoe...
Nahoana Aho no Tsy mba Afaka Mahazo Izay Zavatra Iriko?
“Misy zavatra tena tsara mihitsy, ary ho tiako ny hahazo azy ireny; nefa tsy mba afaka mividy azy ireny ny ray aman-dreniko.” — Mike.
MISY zavatra tena irinao, nefa tsy mety ho azonao ve? Angamba ianao maniry mafy hahazo io fandefasam-peo stéréo io, iretsy kiraro fanaon’ny ankizy hafa rehetra iretsy, na pataloa jinina vaovao fotsiny aza, izay misy anaran’ny mpamoron-damaody malaza. Manana ireo zavatra ireo ny sasany amin’ireo namanao, ary kevoka erỳ mampideradera izany. Koa mety ho diso fanantenana ianao raha ilazana fa tsy afaka mividy azy ireny ny ray aman-dreninao.
Na dia ara-dalàna aza anefa ny haniriana hahazo zavatra ara-nofo sasany, dia manjary tafahoatra ny fanirian’ny tanora maro hahazo azy ireny. Ny ankamaroan’izany dia hita fa vokatry ny fampielezan-kevitry ny fampitam-baovao. Hafatra manodòka toy izao no ampitain’ny tele sy ny gazetiboky ary ny dokam-barotry ny radio: Raha tsy manao fitafiana toy izao na izao ianao, na mampiasa entam-barotra misy marika malaza toy izao na izao, dia tena tsinontsinona ianao. Misy zatovo mandany vola 100 000 tapitrisa dolara mahery, isan-taona, any Etazonia fotsiny!
Avy eo, dia eo koa ny faneren’ny namana. Hoy ny lahatsoratra iray ao amin’ilay gazetiboky hoe Marketing Tools: “Amin’ny zatovo tena mbola tsotra fisainana, ny fiheverana azy hoe tsy maharaka, fiheverana avy amin’ireo namana ilany sitraka, dia tsy raharaha mahakasika ny hoe tsy maharaka ny namana fotsiny, na hoe holavina akory aza: izany kosa dia marika mampiavaka Ilay Tsy Mahavita Azy.” Inona no fanalahidin’ny fahatongavana ho “maharaka”? Eo anivon’ny antokon’olona maro, izany dia ny fananana ny zavatra ara-nofo tsara indrindra sy nivoaka farany indrindra. Ary ahoana raha tsy mba afaka mividy izany ianao? “Tena sarotra, faran’izay sarotra zakaina izany”, hoy ny fieken’ny tanora kristianina iray. “Raha tsy mba manan-javatra misy marika malaza ianao rehefa mandeha mianatra, dia hananihany anao ny rehetra.” Miaiky toy izao ny tanora hafa iray: “Indraindray dia tsapako hoe ihatakatahana aho.”
Mety hahatsapa fanerena mitovy amin’izany ny tanora mipetraka any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, izay misy olona misasatra mafy mba hahazoana ny zavatra tena ilainy eo amin’ny fiainana fotsiny. Raha izany no izy ny amin’ny fianakavianao, dia ara-dalàna ny mety hanirianao fomba fiaina tsara kokoa. Rehefa avy nahita, tao amin’ny tele, fampisehoana sy sarimihetsika avy tany amin’ny tany manankarena ianao, dia mety koa hanomboka haniry mafy fitafiana, trano, ary fiarakodia lafo vidy, izay naseho tao. Mety ho sosotra na ho ketraka mihitsy aza ianao, satria mety ho toa tsy azo antenaina ny hahazoanao ny zavatra toy izany.
Na mipetraka any amin’ny tany mahantra ianao, na any amin’ny tany manankarena, dia tsy hanao afa-tsy ny hanimba anao ny fahasosorana na ny fahakiviana noho ny tsy fahafahanao mahazo zavatra sasany. Mety hitarika ho amin’ny fifandirana lava amin’ny ray aman-dreninao koa izany. Ny fanontaniana mipetraka dia izao: Ahoana no azonao iatrehana izany?
Fomba fijery voalanjalanja momba ny zavatra ara-nofo
Voalohany aloha, dia fantaro fa tsy irin’i Jehovah Andriamanitra ny hiainan’ny vahoakany ao anatin’ny fahantrana, na ny tsy hananany izay zavatra tena ilainy. Rehefa dinihina tokoa, dia napetrak’Andriamanitra tao amin’ny zaridaina iray tsara tarehy feno hazo mahafinaritra ny maso i Adama sy i Eva, fa tsy tao amin’ny toerana iray fanariam-pako. (Genesisy 2:9). Tatỳ aoriana, dia nisy mpanompon’Andriamanitra, toa an’i Abrahama sy i Joba ary i Solomona, nanan-javatra ara-nofo be dia be. (Genesisy 13:2; Joba 1:3). Nanana volamena betsaka aoka izany i Solomona, hany ka noheverina ho “tsinontsinona” ny volafotsy, nandritra ny fanjakany! — 1 Mpanjaka 10:21, 23.
Amin’ny ankapobeny anefa, dia tsy manam-pananana firy ny ankamaroan’ny vahoakan’Andriamanitra. Na i Jesosy Kristy aza dia nahantra; tsy mba nanana na dia izay ‘toerana nipetrahan’ny lohany’ aza izy. (Matio 8:20). Na izany aza, dia mbola tsy namaky mihitsy ianao hoe nitaraina i Jesosy, satria tsy mba afaka nividy izay zavatra niriny. Nampianatra toy izao kosa aza izy: “Aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? (...) Fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” — Matio 6:31-33.
Tsy midika akory izany hoe tsy maintsy hanome fahafaham-po ny faniriana hahazo fitafiana misy anaran’ny mpamoron-damaody malaza, na fitaovana kely elektrônika maoderina, Andriamanitra. Manome izay ilaintsika Andriamanitra, fa tsy voatery hanome izay irintsika. Izany no antony ampirisihan’ny Baiboly antsika mba hianina amin’ny ‘hanina sy ny fitafiana’ fotsiny. (1 Timoty 6:8). Aoka anefa hekentsika fa tsy mora ny mitoetra ho mahay mianina. “Miady tsy an-kijanona amin’ny zavatra irinao sy ny zavatra ilainao ianao”, hoy ny fieken’ny tanora iray antsoina hoe Mike. Ankoatra ny fironantsika feno fitiavan-tena, dia tsy maintsy miady amin’ny fitaoman’i Satana Devoly, ilay fahavalon’Andriamanitra lehibe indrindra, koa isika. (1 Jaona 5:19). Ary anisan’ny fitaka tranainy indrindra fampiasany ny fanaovana izay hiheveran’ny olona fa mamoy zavatra izy. Toy izany no nahasodoka an’i Eva, ka niheverany fa nisy zavatra tsy nomena azy, na dia tao amin’ny paradisa lavorary aza izy no nipetraka! — Genesisy 3:2-6.
Ahoana no ataonao mba tsy hahatafalatsaka anao ao amin’ny tsy fahaiza-mianina? Mety ho toa fitenenana fandre ny hoe ‘Hevero ireo fitahiana azonao’, kanefa dia misy antony maro tokony hiheverana azy ireny. Aza milentika ao anatin’ny fotaky ny eritreritra manimba momba izay zavatra tsy anananao. Jereo ny lafy tsaran-javatra, ka tadidio izay zavatra efa anananao. (Ampitahao amin’ny Filipiana 4:8.) Toy izao no nilazan’i Mike azy: “Betsaka ny zavatra tena iriko ho azo, nefa tsy mampifantoka ny saiko amin’izy ireny foana aho.”
Manampy koa ny tsy inoana befahatany ireo dokam-barotra feno hafetsena izay mikendry fotsiny ny hanaitra ny fihetseham-ponao.a (Ohabolana 14:15). Alohan’ny hanatsoahana hevitra maimaika hoe “ho faty” ianao raha tsy manana io kiraro tenisy vaovao io, na io fitaovana fandefasana disque compact io, dia miezaha hamakafaka amim-pilaminana tsara. Manontania tena hoe: ‘Tena ilaiko ve izy io? Misy ilako sy ampiasako azy io ve? Ampy ve izay efa ananako?’ Aza minomino izay lazain’ny dokam-barotra, indrindra fa ireo izay manindrahindra ny fananan-javatra. Mampisaintsaina ny tenin’ny apostoly Jaona ao amin’ny 1 Jaona 2:16, manao hoe: “Ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany.”
Rehefa misy zavatra tena ilainao
Ahoana raha misy zavatra tena ilainao ara-dalàna? Alohan’ny hiresahanao amin’ny ray aman-dreninao momba azy io, dia manaova fandinihana kely mialoha. Miomàna hanazava tsara ny antony ilanao io zavatra io, ny fomba kasainao hampiasana azy, ary ny antony iheveranao fa hahasoa anao izy io. Angamba hahita fomba hanisihana azy io ao anatin’ny tetibolam-pianakaviana ny ray aman-dreninao. Ahoana anefa raha tsy afaka manao izany aloha izy ireo ankehitriny? Mety tsy ho afa-manoatra firy ianao, fa voatery hamboly faharetana. (Mpitoriteny 7:8). ‘Fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ izao iainantsika izao, ary ray aman-dreny maro no tsy afaka mividy tsotra izao izay rehetra mety hangatahin’ny zanany. (2 Timoty 3:1, NW ). Raha manalavitra ny fitakiana zavatra tsy azon’ny saina ekena amin’ny ray aman-dreninao ianao, dia afaka ny hanamora kokoa ny asany, raha ny marina.
Kanefa, mety ho afaka hanombo-javatra ianao. Ohatra, mahazo vola fanampiana ve ianao? Raha izany no izy, dia miezaha hianatra ny fomba fitantanana amim-pitandremana ny volanao, mba hahafahanao hitahiry ampahany amin’izy io, isam-bolana. Mety ho azonao atao mihitsy aza ny hanokatra kaonty ao amin’ny banky eo akaikinao. (Ampitahao amin’ny Lioka 19:23.) Izany no nataon’ny ankizivavy iray antsoina hoe Abigail. Hoy izy: “Nozaraiko roa ny volako: ny iray ho an’ny kaontiko any amin’ny banky, ary ny iray hafa nolaniko.” Raha ampy taona ianao, dia mety ho afaka hanao asa an-tselika mihitsy aza, na asa tapa-potoana.b Na ahoana na ahoana, raha hitan’ny ray aman-dreninao fa tena te hividy zavatra iray ianao, ary tsy manao tsirambina ny fitahirizam-bolanao ianao, dia mety ho voatosika handray anjara amin’ny lany izy ireo, raha mbola azony atao koa.
Mety hahitanao tombony koa ny fanovana ny fomba fividiananao zavatra. Ohatra, raha lafo loatra ny vidin’ny zavatra iray, dia mety ho azo atao ny miady varotra. Raha tsy mahomby izany, dia miandrasa, ka jereo raha misy fihenam-bidy ilay izy. Mijere any amin’ny toeram-pivarotana hafa raha mety hahita io zavatra io amin’ny vidiny mirary kokoa ianao. Mianara mandinika tsara ny toetoetry ny zavatra iray; misy zavatra tsy mitondra ny anaran’ny mpanamboatra, nefa entam-barotra tsara dia tsara, indraindray.c
Mianara mianina
Mampitandrina toy izao ny Ohabolana 27:20: “Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana tsy mety voky, dia toy izany no tsy ahamamoan’ny mason’ny olona.” Eny, tsy misy hafa amin’ny fasana, izay tsy mety voky, ny olona sasany dia maniry hahazo zavatra betsaka kokoa hatrany, na manao ahoana na manao ahoana habetsahan’ny efa ananany. Halaviro izany fomba fisaina feno fitiavan-tena izany. Rehefa mandeha ny fotoana, dia tsy hitondra afa-tsy fahakiviana sy tsy fahasambarana ny faniriana mihoa-pampana. Izao no fanamarihana nataon’ny tanora iray antsoina hoe Jonathan: “Raha mbola amin’ny fananan-javatra koa no iorenan’ny fahasambaranao, dia tsy ho sambatra mihitsy ianao. Hisy zava-baovao irinao foana mantsy. Mila mianatra ny hifaly amin’izay anananao ianao.”
Raha mahay mianina ianao, dia afaka miatrika ny faneren’ny namanao. Hoy ilay tanora antsoina hoe Vincent: “Tsy hoe mahita ny hafa manao kiraro tenisy misy marika malaza aho, dia handeha koa hividy kiraro tenisy ho ahy.” Mazava ho azy fa indraindray dia mety mbola hanelingelina anao ny tsy fanananao izay zavatra irinao. Aza hadinoina na oviana na oviana anefa fa fantatr’i Jehovah izay zavatra ilainao. (Matio 6:32). Ary kely sisa dia ‘[hahafa-po ny fanirian’ny, NW ] zava-miaina rehetra’ izy. — Salamo 145:16.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “La publicité: quelle influence a-t-elle sur vous?”, izay nivoaka tao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Aogositra 1998.
b Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Mety Hahazoako Vola?”, ao amin’ny gazetintsika tamin’ny 8 Septambra 1998.
c Raha mila fanoloran-kevitra fanampiny mahasoa ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Les jeunes s’interrogent... Comment améliorer ma garde-robe?”, ao amin’ny gazetintsika amin’ny teny frantsay, tamin’ny 22 Janoary 1995.
[Teny notsongaina, pejy 13]
“Raha tsy mba manan-javatra misy marika malaza ianao rehefa mandeha mianatra, dia hananihany anao ny rehetra”
[Sary, pejy 14]
Afaka ny ho sambatra ianao, na dia tsy manana ny zava-drehetra irinao aza