FIALONANA
Hasosorana rehefa misy olona manan-javatra na toerana ambony na laza tsara na mahita fahombiazana. Te hahazo izay ananan’ny hafa ny olona mialona, ary mety hihevitra hoe tsy manan-jo hanana azy io ny hafa. Mety hidika hoe hafanam-po, fahatezerana, mitaky ny hanompoana azy irery ihany, saro-piaro, ary fialonana ny teny hebreo hoe kinʼah, arakaraka ny zavatra resahina. (2Mp 19:31; Sl 79:5; No 25:11; 5:14; Jb 5:2) Ratsy foana kosa ny hevitry ny teny grika hoe ftônôs, izay midika hoe fialonana na fitsiriritana.—Ro 1:29.
Mora mialona na mitsiriritra ny olona tsy lavorary. (Jk 4:5) Miteraka fankahalana ireo toetra ratsy ireo. Nanan-javatra maro, ohatra, i Isaka ka nialona azy ny Filistinina ary notampenan’izy ireo ny lavadrano niantoka ny rano ho an’ny andiam-bibin’i Isaka. Noroahin’ny mpanjakan’ny Filistinina mihitsy i Isaka tamin’ny farany. (Ge 26:14-16, 27) Nialona ny voninahitra sy ny andraikitr’i Mosesy sy Arona koa i Kora sy Datana ary Abirama, ka nanohitra sy nanakiana mafy azy roa lahy. (No 16:1-3; Sl 106:16-18) Nialona an’i Jesosy ireo lehiben’ny mpisorona sy anti-panahin’ny Jiosy, satria nanaiky ny fitoriany ny olona. Tafahoatra loatra ny fialonan’izy ireo ka natolony an’i Pilato mihitsy ilay Zanak’Andriamanitra mba hovonoina ho faty.—Mt 27:1, 2, 18; Mr 15:10.
Misy mampianatra zavatra tsy mifanaraka amin’izay nampianarin’i Jesosy Kristy, ka mahatonga fialonana. Tsy ny voninahitr’Andriamanitra no tadiavin’ny olona toy izany, fa ny hanarahan’ny hafa ny fampianarany. Miteraka fialonana izany ka mety hanoso-potaka sy hanaratsy an’ireo tena Kristianina ilay olona ary hanakantsakana ny asa mafy ataon’izy ireo sy ny fanampiany ny hafa. (1Ti 6:3, 4) Nitory an’i Kristy noho ny fialonana ny olona sasany, ary voatery nifanandrina tamin’ireny ny apostoly Paoly. Nialona ny laza sy ny fahefan’i Paoly izy ireny, ka ny hanala baraka sy ny hitarika ny hafa tsy hanaja ny fahefan’i Paoly no tanjony. Nanakivy an’i Paoly izy ireny, tamin’i Paoly tany am-ponja. Niezaka nanaratsy an’i Paoly izy ireny mba hanandratany ny tenany. Amin’izay dia ho tratrany ny tanjony.—Fi 1:15-17.
Ratsy ny vokany. Mety hiadana sy tsy hanana ahiahy ary ho salama, mandritra ny fotoana kelikely, ny olona mivelona amin’ny fitaka sy ny herisetra. Tsy mijalijaly be koa ny ratsy fanahy sasany rehefa ho faty. Osaosa ara-pivelomana kosa angamba ny mpanompon’Andriamanitra sasany, ka mety hialona na hitsiriritra ny fiainan’ny ratsy fanahy ary lasa tsy sarobidy aminy intsony ny manao ny sitrapon’Andriamanitra. Efa tratran’izany i Asafa mpanao salamo. (Sl 73:2-14) Izany no mahatonga ny Baiboly hanazava imbetsaka hoe nahoana isika no tsy tokony hialona na hanahaka ny fanaon’ireny ratsy fanahy ireny. Mihelina toy ny ahitra mora mainan’ny hainandro mantsy ny olona manao ny tsy marina. (Sl 37:1, 2) Maharikoriko an’i Jehovah ny olona mivelona amin’ny herisetra, na dia manam-be aza. Ny ozon’i Jehovah no eo aminy. (Oh 3:31-33) Tsy manana hoavy tsara izy ireny.—Oh 23:17, 18; 24:1, 19, 20.
Ahoana no iafaran’ny olona be fialonana na mitsiriritra? Hoy ny ohabolana: “Miezaka mafy mba hanan-karena ny olona manana maso feno fitsiriritana, nefa tsy fantany fa hahantra izy.” (Oh 28:22) Tsy maintsy hahantra ny olona manana maso feno fitsiriritana. Miezaka mafy izy hisondrotra mba hitovy amin’ireo olona tsiriritiny. Mampietry ny tenany anefa izy raha ny marina, satria vonona handika fitsipika marina mba hanaovana izany. Marina fa mety hanjary hanan-karena izy, nefa mihelina izany ary tsy maintsy hafoiny rehefa maty izy, ka very maina ny ‘ezaka mafy’ nataony. Anisan’ny zava-dratsy avy ao anatin’ny olona sy mandoto azy ny “maso feno fitsiriritana”, hoy i Jesosy.—Mr 7:22, 23.
Anisan’ny asan’ny nofo maharikoriko ny fitsiriritana na ny fialonana, ary misakana ny olona tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra. (Ga 5:19-21) “Mendrika ny ho faty” izay olona be fialonana tsy mety miova. (Ro 1:29, 32) Azo resena anefa ny fialonana, noho ny fanampian’ny fanahy masin’Andriamanitra.—Ga 5:16-18, 25, 26; Tit 3:3-5; 1Pe 2:1.