-
MasaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Hita ao amin’ny Ohabolana 30:1 (misy mpanoritra voafaritra ha) sy ny Ohabolana 31:1 (tsy misy mpanoritra) amin’ny teny hebreo koa ny hoe massaʼ. Izany àry no nahatonga ny Baiboly sasany hanao hoe: ‘Agora, zanak’i Jake, avy any Masa’ sy “Lemoela, mpanjakan’i Masà.” (Ampitahao amin’ny DIEM sy Prot., f.a.p.) Azo inoana anefa fa Israelita i Agora sy Lemoela, ka mety kokoa ny nandikana ny hoe massaʼ amin’ny hoe “teny mavesa-danja” (Prot.), “oha-teny” (Kat.), “faminaniana” (JM) ary “hafatra mafonja” (TV; ampitahao Oh 30:5, 9; 31:30 sy Sl 12:6; Ro 3:1, 2).
-
-
OkalaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
OKALA
(Okàla).
Anisan’ny nilazan’i Agora ny teny ao amin’ny Ohabolana toko faha-30. Mety ho zanakalahin’i Agora na mpianany izy. Tsy tena fantatra anefa ny momba azy.—Oh 30:1.
-