Fanontanian’ny Mpamaky
Moa ve ny mpanoratra ny Ohabolana 30:19 nihevitra tokoa fa ny fomba amitahan’ny lehilahy iray amim-pahakingana ny tovovavy iray dia “mahagaga”?
Izany dia hevitra iray azo aroso ho an’ny Ohabolana 30:19, izay ekena fa andinin-teny iray tsy mora azo.
Eo am-pitadiavana ny hevitr’io andinin-teny io dia tokony hasiantsika fiheverana ny teny manodidina. Eo alohan’io teny io indrindra ilay mpanoratra nahazo tsindrimandry dia nitanisa zavatra efatra izay amin’ny lafiny sasany, dia tsy mety afa-po. (Ohabolana 30:15, 16). Avy eo izy dia nilaza izao filaharan-javatra izao: “Misy zavatra telo mahagaga ka tsy takatro, eny, efatra aza no tsy fantatro: ny nalehan’ny voromahery teny amin’ny habakabaka, ny nalehan’ny bibilava teny amin’ny vatolampy, ny nalehan’ny sambo teny amin’ny ranomasina, ary ny nalehan’ny lehilahy tamin’ny tovovavy.” — Ohabolana 30:18, 19.
Inona no mety ‘hahagaga’ amin’ireo zavatra efatra ireo?
Angamba noho ny fiheverana fa ny hoe “mahagaga” dia tsy maintsy milaza tsy mivantana zavatra manorina na tsara, no anazavan’ny manam-pahaizana sasany fa ny tsirairay amin’ireo zavatra efatra ireo dia mampiseho ny fahendrena eo amin’ny zavatra noforonin’Andriamanitra: ny fomba mahatalanjona ahafahan’ny vorona lehibe iray manidina, ny fomba ahafahan’ny bibilava iray tsy manan-tongotra mandeha eny amin’ny vatolampy, ny fomba ahafahan’ny sambo mavesatra iray mitsinkafona amin’ny ranomasina misamboaravoara, ary ny fomba hetezan’ny lehilahy tanora mirijarija iray ho resim-pitiavana tanteraka ka hanambady tovovavy mahafatifaty iray, ary atỳ aoriana dia hiteraka zanaka mahafinaritra izy ireo. Ny profesora iray dia nahita fitoviana hafa eo amin’ireo zavatra efatra ireo: izy efatra dia samy mandeha amin’ny lalana iray izay vaovao mandrakariva — ny falehan’ny voromahery, ny bibilava, sy ny sambo izay tsy ahitana sori-dalana ary ny maha-vaovao ny fitiavana mitombo eo amin’ny olon-droa.
Ireo zavatra efatra ireo anefa dia tsy voatery ho “mahagaga” amin’ny heviny tsara, toy ny hoe izay zavatra iombonany dia manorina. Ny Ohabolana 6:16-19 dia mitanisa zavatra “halan’i Jehovah”. Ary araka ny voamarika, eo alohan’ireo andinin-teny resahina ireo indrindra, ny Ohabolana 30:15, 16 dia mitanisa zavatra (ny fiainan-tsi-hita, ny kibo momba, ny tany tsy vonton-drano, ary ny afo) izay tsy miteny mihitsy hoe “Aoka izay”. Azo antoka fa izy ireo dia tsy tsara amin’ny fomba mahagaga.
Ny teny hebreo nadika hoe “mahagaga” ao amin’ny Ohabolana 30:18 dia midika hoe “manasaraka, manavaka; mampiavaka, tsy fahita, mahagaga”. Ny zavatra iray dia mety hiavaka, ho tsy fahita na hahagaga nefa tsy ho tsara. Ny Daniela 8:23, 24 dia nanambara mialoha ny amin’ny mpanjaka lozabe iray izay hahatonga fanimbana amin’ny fomba “mahagaga” ary “hanimba ny mahery”, anisan’izany ny olona masina. — Ampitahao amin’ny Deoteronomia 17:8; 28:59; Zakaria 8:6.
Ilay andininy manaraka ny Ohabolana 30:18, 19 dia manome fanazavana tena ilaina ny amin’izay hitan’ilay mpanoratra fa saro-pantarina. Ny andininy faha-20 dia manisy fitenenana ny amin’ny vehivavy mpijangajanga iray izay ‘homana, dia namafa ny vavany, ka nanao hoe: Tsy nanao ratsy aho’. Angamba nanota tao amin’ny miafina sy tamin-kafetsena izy, kanefa noho ny heloka nataony tsy hita soritra, dia afaka nihambo ho tsy nanan-tsiny izy.
Izany dia zavatra mitovy amin’ilay filaharan-javatra teo aloha. Misidina eny amin’ny lanitra ny voromahery, mandeha eny amin’ny vatolampy ny bibilava, ary mamakivaky ny onja ny sambo — tsy misy amin’izy ireo mamela soritra, ary ho sarotra ny hamaritra ny lalan’izy telo. Raha izany no zavatra itovian’izy telo, ahoana kosa ny amin’ilay fahefatra, dia “ny nalehan’ny lehilahy tamin’ny tovovavy”?
Mety tsy hahitana soritra koa izy io. Ny lehilahy tanora iray dia mety hampiasa hafetsena, fandambolamboana, ary fomba feno hafetsen-dratsy mba hitsofohana moramora ao anatin’ny fon’ny virjiny iray tsy manampo na inona na inona. Noho izy tsy ampy fanandraman-javatra, dia mety tsy ho tsikariny ny hafetsen-dratsiny. Ary na dia rehefa voafitaka aza izy, dia mety tsy ho hainy akory ny manazava ny fomba nandresen’io azy; ireo mpandinika koa dia mety hahita fa sarotra ny manazava izany. Vehivavy tanora maro anefa no namoy ny naha-virjiny azy tamina mpamitaka fetsy ratsy. Sarotra ny mamaritra ny lalan’ny lehilahy fangoloka toy izany na dia manana tanjona toy ny voromahery manidina sy ny bibilava mitsoriaka, ary ny sambo eny an-dranomasina aza izy. Ho an’ireo lehilahy fangoloka, ny zava-kendrena dia ny fanararaotana eo amin’ny lahy sy ny vavy.
Raha dinihina araka io lafiny io ny hevitry ny Ohabolana 30:18, 19, dia tsy mahakasika ny zavatra ara-tsiansa na zavatra mandeha ho azy eo amin’ny famoronana. Ireo andinin-teny ireo kosa dia manolotra fampitandremana ara-pitondrantena ho antsika, toy ny ampitandreman’ny Ohabolana 7:1-27 mba hisorohana ny loza entin’ny vehivavy janga manao teny mandrobo. Ny fomba iray ahafahan’ireo anabavy kristiana mandray am-po ilay fananarana ao amin’ny Ohabolana 30:18, 19, dia eo amin’ireo lehilahy izay milaza fa liana amin’ny fianarana ny Baiboly. Raha toa mampiseho fahalianana toy izany ny lehilahy iray feno fisakaizana, na dia mpiara-miasa amin’ny tena aza, ny anabavy dia tokony hitondra azy any amin’ny rahalahy ao amin’ny kongregasiona. Ny rahalahy dia afaka manome fahafaham-po amin’izay mety ho tena fahalianana, tsy misy atahorana ny amin’ireo loza entin’ny ‘lehilahy amin’ny tovovavy’.