Aoka isika hanome voninahitra an’ilay Andriamanitry ny fanantenana
“Koa izany no anaovan’i Jehovah (...) hoe: (...) ‘Izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka’ ” — 1 SAMOELA 2:30.
1. Antony inona no aniriantsika hanome voninahitra an’i Jehovah (1 Timoty 1:17; Apokalypsy 4:11)?
NOHO ireo fahatsinjovan-javatra atolotry ny Baiboly ho antsika, dia mety sady ara-drariny indrindra raha manome voninahitra an’ilay “Andriamanitry ny fanantenana” isika, ilay “Andriamanitra manome fanantenana”. (Romana 15:13, Baibolin’i Jerosalema; Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao.) Noho ny antony inona? Ahoana no ahafahantsika manome voninahitra an’ilay Mpamorona lehibe izao rehetra izao, dia isika izay olombelona tsy lavorary sady bitika eo anatrehany? Ary farany, moa ve ny tenany koa hanome voninahitra antsika ho valiny?
2. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Jesosy raha ny amin’ny voninahitra tokony ho an’Andriamanitra?
2 Azontsika atao ny mandray fianarana avy amin’ny ohatr’i Jesosy. Tsy misy olona afaka mandà fa maniry hanome voninahitra sy hankalaza ny Rainy foana Jesosy (Jaona 5:23; 12:28; 15:8). Nomelohina tokoa ny Fariseo sy ny mpanora-dalana, izay ‘nanaja an’Andriamanitra tamin’ny molony, fa ny fony kosa lavitra azy’. Azo marihina eto fa matoa tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra ireny olona ireny, dia satria ny asany sy ny antony manosika azy dia ratsy (Matio 15:7-9). Fa raha ny amin’i Kristy kosa, moa ve azo lazaina fa nifandray tamin’ny fanantenana novelominy ny haja natolony an’Andriamanitra? Ankoatr’izany, ahoana no nandraisan’i Jehovah ireny mari-panajana ireny?
3. Ahoana no ahalalantsika fa nanantena an’i Jehovah i Jesosy?
3 Jesosy dia nandray am-po ny tenin’i Davida voasoratra ao amin’ny Salamo 16:10 manao hoe: “Fa tsy ho foinao ho any amin’ny fiainan-tsi-hita ny aiko. Tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin’ny lavaka Hianao.” Satria namelona ny fanantenana ny hatsangana amin’ny maty Jesosy Kristy, dia nanao ireto teny manaraka ireto, teny nanaitra tokoa, tamin’ny olon-dratsy iray nahantona teo amin’ny hazo fijaliana, teo anilany: “Lazaiko aminao marina tokoa anio: Hihaona amiko any amin’ny Paradisa ianao.” (Lioka 23:39-43, MN ). Maty ilay olon-dratsy fotoana fohy avy eo ka tsy afaka noho izany, telo andro tatỳ aoriana, nahita ny fanamafisana ny fanantenana nananan’i Jesosy, dia ny hitsangana amin’ny maty. Kanefa nanambara toy izao ny vavolombelona nanatri-maso iray: “Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra, ary vavolombelon’izany izahay rehetra.” (Asan’ny apostoly 2:31, 32). Eny, tena zava-misy tokoa ny fitsanganan’i Jesosy.
4. Voninahitra inona no mendrika an’i Jesosy ka azony (Apokalypsy 5:12)?
4 Olona betsaka tamin’ny vahoaka, izay nanaovan’i Jesosy fanambarana no nahafantatra fa mendrika ny homena voninahitra sy hankalazaina izy (Lioka 4:15; 19:36-38; 2 Petera 1:17, 18). Avy eo dia novonoina toy ny mpanao heloka bevava iray izy. Moa ve nanova ny toerana tanan’i Jesosy izany fahafatesana izany? Tsia, satria nanana ny fankasitrahan’ilay Andriamanitra izay nantenainy foana izy, ka namerina azy ho amin’ny fiainana Jehovah. Matoa ilay “Andriamanitry ny fanantenana” nanangana ny zanany ka nanome azy ny tsy fahafatesana any amin’ny faritra any an-danitra, dia satria Izy nanome voninahitra azy foana. Nanoratra toy izao i Paoly: “(...) Hitantsika (...) Jesosy (...) voasatroka voninahitra aman-daza (...), mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan’Andriamanitra.” — Hebreo 2:7, 9; Filipiana 2:9-11.
5. Tamin’ny fomba manokana inona no nanomezana voninahitra an’i Jesosy, ary amin’ny ahoana izany no nanandratra ny voninahitr’Andriamanitra?
5 Jesosy, izay nanome voninahitra an’i Jehovah, dia nilaza ny amin’ny fomba manokana nanomezan’ny Ray azy voninahitra. Raha niseho tamin’ny mpianany izy, taorian’ny nitsanganany, dia nilaza taminy izao: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina (...). Ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 28:18-20). Nanome voninahitra ny Zanany tamin’ny fomba hafa àry ny Ray: nomeny fahefana tsy misy toa azy izy. Io fahefana io dia tokony hampiasaina ho an’ny olombelona izay hanome voninahitra an’i Jehovah, tahaka izay niezahan’i Jesosy natao; ary ireny olombelona ireny dia hankalaza ny Mpamorona azy, amin’ny fanatanterahana asa iray. Moa ve azo tsoahina avy amin’izany àry, fa ny olombelona tsy tanteraka tahaka antsika, dia afaka amin’ny fomba sasany hanome voninahitra ny Ray, ka ho valiny dia homeny voninahitra koa?
Olombelona nanome voninahitra an’Andriamanitra
6. Ara-dalàna ve ny haniriana hahazo haja, nefa loza inona no asehon’izany (Lioka 14:10)?
6 Ny ankamaroan’ny olombelona dia tsy miraharaha ny hanome voninahitra an’Andriamanitra; mihevitra bebe kokoa ny amin’ny lazany manokana izy. Ny sasany aza dia tonga hatramin’ny filazana fa ara-dalàna ny faniriana hankalazaina. Tsy diso tanteraka akory izany, satria voajanahary ny faniriana hahazo laza tsara sy ny haja avy amin’izany (1 Timoty 3:2, 13; 5:17; Asan’ny apostoly 28:10). Kanefa dia mety hiseho mora foana ho tafahoatra ny faniriana hahazo voninahitra avy amin’ny olona. Hita miharihary izany fahalemena izany eo amin’ny olona maro izay mitady laza na inona na inona vidiny na izay hanao zavatra na inona na inona izany, mba tsy hahafa-baraka.
7. Nahoana ny haja mety ho azo avy amin’ny olona no manana vidiny tena voafetra?
7 Rehefa eritreretina, na dia ireo haja lehibe indrindra izay mety ho azo avy amin’ny olona aza dia tsy maharitra, satria vetivety foana dia manjavona izy rehetra. Marina fa mety hohajaina mandritra ny fotoana sasany ny fahatsiarovana ny olo-malaza vitsy dia vitsy sasantsasany, nefa tokony hekena fa eo amin’ny fahafatesany ny ankamaroan’ny olombelona dia latsaka ao amin’ny fanadinoana. Firy moa ny olona mahafantatra ny anaran’ny ray aman-drenin’ireo raibeny sy raibeny na mahalala hoe iza no nitondra ny fireneny zato taona lasa izay? Raha ny marina, na misy ny olona toy izany na tsia dia tsy manova na inona na inona amin’ny fandehan’izao tontolo izao: ho vovoka madinika amin’ny mizanan’ny fotoana fotsiny izy, rano indray mitete ao amin’ny ranomasim-ben’ny fiainana. Ary na hatao aza hoe nomena voninahitra ihany ny olona toy izany aorian’ny fahafatesany, dia tsy hahalala na inona na inona ny amin’izany izy (Joba 14:21; 2 Tantara 32:33; Mpitoriteny 9:5; Salamo 49:12, 20). Ny hany zavatra tena lehibe, dia ny fananana ny fanantenana omen’Andriamanitra sy ny fanomezam-boninahitra ny Mpamorona ary ny fahazoana voninahitra avy aminy ho valiny. Porofon’izany, izay nitranga tamin’olona roa niara-belona teo amin’ny Isiraely fahiny.
8. Fahadisoana inona no nataon’i Ely raha ny amin’ny fanomezam-boninahitra tokony ho an’i Jehovah?
8 Ny anankiray amin’ireo olona ireo dia Ely. Nandritra ny efapolo taona izy dia nanao ny asa ambony tamin’ny naha-mpisoronabe ary nanana tombontsoa nitsara ny Isiraely (1 Samoela 1:3, 9; 4:18). Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia niseho ho malemy loatra tamin’i Hofinia sy Finehasa zanany izy. Izy ireo dia nanararaotra ny toerany tamin’ny naha-mpisorona mba hangalarana tapany tamin’ireo fanatitra sy hanaovana asa maloto ara-pitondrantena. Zara raha nananatra azy ireo Ely, ka nitarika an’Andriamanitra hilaza taminy izany, fa ‘ny zanany no omeny voninahitra mihoatra noho Izy’. Jehovah dia nampanantena fa hiaro ny fisoronana avy amin’i Arona, nefa ho avy ny fotoana izay hanilihana ny taranak’i Ely amin’ny asan’ny mpisoronabe. Nahoana? Manazava izany Jehovah: “Izay manome voninahitra Ahy, no omeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.” — 1 Samoela 2:12-17, 29-36; 3:12-14.
9. Fahafahana inona no nananan’i Samoela mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah?
9 Ny olona faharoa, Samoela, dia ny mifanohitra tanteraka amin’i Ely. Fantatrao angamba fa hatramin’ny fahazazany no nitondran’ny ray aman-dreniny azy tao amin’ny tabernakely tao Silo. Indray alina Jehovah dia niresaka tamin’ilay zaza. Ho tianao angamba ny hamaky ny fitantarana mahaliana ny amin’izay niseho; hita ao amin’ny 1 Samoela 3:1-14 izany. Eo am-pamakiana, dia alao sary an-tsaina hoe nofohazina ilay zazalahy, tsy tamin’ny fikotrokotroky ny varatra akory, fa tamin’ny feo malefaka izay nataony ho ny an’i Ely efa antitra. Hevero avy eo ny fahasahiranan’i Samoela tanora rehefa tsy maintsy hanambara amin’ity lehilahy be taona ity izy fa nanapa-kevitra ny hanasazy ny ankohonany Andriamanitra. Kanefa, dia izany no hataon’i Samoela, ka nanome voninahitra an’Andriamanitra tamin’ny fankatoavany izy. — 1 Samoela 3:18, 19.
10. Ahoana no nanomezan’Andriamanitra voninahitra an’i Samoela ho valiny?
10 Nandritra ny taona maro, dia nanome voninahitra an’Andriamanitra Samoela tamin’ny naha-mpaminany azy, ary, araka ny asehon’ny 1 Samoela 7:7-13, Andriamanitra dia nanome voninahitra an’i Samoela. Jehovah tokoa dia namaly teo no ho eo ny vavak’i Samoela, izay nangataka tamin’izany ny fanampiany hanoherana ny Filistina. Moa ve tsy hahatsiaro hohajaina ianao raha mahazo mari-piheverana toy izany avy amin’Andriamanitra? Na dia tsy nanaraka ny diany aza ny zanany, dia tsy nolavin’Andriamanitra toa an’i Ely Samoela. Azo heverina fa izany dia satria nanao izay rehetra azony natao izy mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra; hita izany, ohatra, rehefa tsy nankasitraka ny vahoaka izy, tamin’ny nangatahany mpanjaka olombelona iray (1 Samoela 8:6, 7). Andriamanitra dia nampiasa an’i Samoela mba hanosotra an’i Saoly, dia Davida avy eo. Rehefa maty Samoela, dia nisaona ho fanomezam-boninahitra azy ny Isiraely. Andriamanitra dia nanome voninahitra azy tamin’ny fomba mbola lehibe kokoa rehefa nomeny toerana ao amin’ny Baiboly izy, ho anisan’ireo olona nanam-pinoana izay hahazo ny fitsanganana sy ny zava-tsoa natokany ho azy ireny (Salamo 99:6; Jeremia 15:1; Hebreo 11:6, 16, 32, 39, 40). Moa ve izay vao avy nolazaintsika tsy manaporofo fa izay manome voninahitra ilay “Andriamanitry ny fanantenana” dia mandray soa lehibe?
Hanome voninahitra ilay “Andriamanitry ny fanantenana” ve ianao?
11, 12. Fiheverana nanao ahoana no azo atao raha ny amin’ny voninahitra tokony homena an’Andriamanitra, ary ahoana no azo anomezam-boninahitra ny Mpamorona?
11 Ny ohatr’i Jesosy sy Samoela, raha ireo olona roa ao amin’ny Baiboly ireo ihany aza no tononina, dia manaporofo fa azon’ny olombelona atao ny mametra ho zava-kendrena voalohany ny fanomezana voninahitra an’ilay “Andriamanitry ny fanantenana”. Mampiseho koa izany, fa raha manao toy izany isika, dia mety ny hanantenantsika ny hanomezan’Andriamanitra voninahitra antsika. Kanefa, inona no tokony hataontsika mba hahazoana antoka faran’izay betsaka fa hankasitrahan’Andriamanitra sy homeny voninahitra ary handray soa avy amin’ny fanantenana omen’ny Baiboly isika?
12 Azontsika atao ohatra ny maneho tahotra marina sy feno fanajana sao tsy ankasitrahan’Andriamanitra (Malakia 1:6). Angamba manaiky an-tsitrapo an’izany fotopoto-pitsipika izany isika, nefa aoka hotadidiantsika ny zanak’i Ely. Raha nametrahana izao fanontaniana izao izy ireo: ‘Maniry hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fanolorana tahotra feno fanajana ho azy ve ianareo?’ dia azo inoana tokoa fa ho namaly hoe “eny” izy ireo. Ny zava-manahirana àry dia ny fanehoana amin’ny asa atao isan’andro ny faniriantsika hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fahatahorana azy.
13. Hazavao amin’ny ohatra ny hevitra hoe ny faniriantsika hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fahatahorana azy dia afaka manampy antsika.
13 Raha alaim-panahy hangalatra na hanao asa maloto ara-pitondrantena isika, sady mahalala fa tsy ho tratra izany, moa ve ny faniriantsika hanome voninahitra an’Andriamanitra hanakana antsika tsy hanao izany? Isika dia tokony hamboly ny toe-tsaina izay manao hoe: ‘Na dia mitoetra ho miafina aza izao asa izao, amin’ny fanaovana izany dia manota aho sady manala baraka ilay “Andriamanitry ny fanantenana” izay entiko ny anarany’. Ary na ahoana na ahoana izany asa ratsy izany dia tsy hiafina foana, tahaka ireo asa ratsy nataon’ny zanak’i Ely; izany dia hamafisin’ny teny nataon’ny apostoly Paoly momba “ny fitsarana marin’Andriamanitra”: “Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy: ho an’izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay; fa ho an’izay mitady ny ho an’ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia ny fahavinirana sy fahatezerana.” — Romana 2:5-8.
14. Fomba hafa inona no azontsika anomezam-boninahitra an’Andriamanitra, ary fanontaniana inona no azontsika apetraka amin’ny tenantsika?
14 Mifanohitra amin’izany, Paoly dia mamporisika antsika handray anjara ‘amin’ny fanaovana soa’, dia asa manome voninahitra an’Andriamanitra ka ahazoana avy aminy “voninahitra sy laza”. Ny asa lehibe indrindra izay azo tanterahina ankehitriny dia izay nolazain’i Jesosy ao amin’ny Matio 28:19, 20 manao hoe: ‘Mandehana hianareo dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo’. Maneran-tany, dia marisika ao amin’izany asa fitoriana sy fampianarana izany ny Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro, amin’ny asa manome voninahitra an’Andriamanitra. Maro aminy aza no mandany hery ao amin’ny fanompoana manontolo andro ka tonga mpitory maharitra mandritra ny taona, na mandritra ireo fialan-tsasatra amin’ny asa na ny fianarana. Raha izany no izy, ny tsirairay avy amintsika dia afaka manontany tena amin’ny fomba mahasoa hoe aiza ho aiza no misy azy ao amin’izany asa izany. Ohatra, ho azontsika atao ny mametraka izao fanontaniana izao: ‘Moa ve aho manome voninahitra ilay “Andriamanitry ny fanantenana” amin’ny fandraisana anjara amin’ny fomba feno amin’ny fitoriana?’
15. Inona no nitranga tamin’ny kristiana sasany tamin’ny lafin’ny haja natolony ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fanompoana ampahibemaso?
15 Ny kristiana sasany, mpitory marisika nandritra ny taona maro, dia nampihena tsikelikely ny fiezahany, hany ka ankehitriny izy ireny dia tsy mandray anjara firy intsony amin’ny asa lehibe fanaovana mpianatra. Tsy ireo olona azon’aretina sasany ara-batana sy ireo voatery mampihena ny asany noho ny taona akory no tianay horesahina, fa ireo Vavolombelona samy hafa taona kosa. Paoly koa dia tsy nanisy firesahana ny amin’ny taona iray manokana, rehefa namporisika ny kristiana mba tsy ho ‘ketraka’. Tsy miankina amin’ny taona tokoa ny fototry ny zava-manahirana fa amin’ny hoe mitaky fiezahana ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana. Tahaka ny azo inoana fa nisehoan’izany, tamin’ny andron’i Paoly, ny sasany dia miteny anakampo hoe: ‘Nanao ny anjarako aho nandritra ireo taona rehetra ireo, anjaran’ireo vaovao izao ny mba mikely aina.’ — Galatiana 6:9; Hebreo 12:3.
16. Raha mandini-tena isika ny amin’ny fanompoantsika, soa inona no ho azontsika tsoahina avy amin’izany?
16 Vitsy dia vitsy no tonga tamin’izany fetra izany, nefa ho azonao atao angamba ny hanontany tena hoe: ‘Amin’ny saina tsy miangatra, moa ve aho manana izany fironana izany? Moa ve tahaka ny taloha ny fandraisako anjara amin’ny fitoriana?’ Na mampihena isika na tsia ny asantsika, dia tsy tokony hanadino fa ilay “Andriamanitry ny fanantenana” dia mampanantena ny hanome “voninahitra sy laza ary fiadanana (...) ho an’izay manao ny tsara”. (Romana 2:10.) Ny matoateny grika ampiasain’i Paoly eto dia midika hoe “miasa manao zavatra, mamokatra, manatanteraka”. Zava-dehibe ny handosirantsika izay miandry ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna, izay nianina tamin’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tamin’ny molony fotsiny (Marka 6:7; Apokalypsy 2:10). Raha toa kosa ny fontsika manosika antsika handray anjara amin’ny fanompoana ampahibemaso, dia manamafy eo imasontsika isika sy eo anoloan’ny hafa fa manana fanantenana marina tokoa isika. Manome voninahitra ny Mpamorona antsika isika, dia Ilay nanome antsika ny fiainana sy ny fahafahana hahazo voninahitra avy aminy, ankehitriny sy ho mandrakizay. — Lioka 10:1, 2, 17-20.
Amin’ny zava-tsarobidy ananantsika
17, 18. Amin’ny fomba hafa inona no azontsika anomezana voninahitra an’Andriamanitra, ary nahoana no tsy tokony hisalasala isika hanao izany?
17 Ohabolana 3:9 (MN ) dia manondro ny fomba hafa azontsika anomezam-boninahitra ilay “Andriamanitry ny fanantenana”: “Manomeza voninahitra an’i Jehovah amin’ny zava-tsarobidy anananao sy amin’ny voaloham-bokatrao rehetra.” Spurrell dia mandika toy izao an’io andininy io: “Mankalazà an’i Jehovah amin’ny harenanao sy amin’ny tsara indrindra amin’izay azonao rehetra.” — Fandikan-tenin’ny Testamenta Taloha araka ny fiteny hebreo tany am-boalohany (anglisy).
18 Koa satria, eo amin’izao tontolo izao dia fantatra amin’ny fitiavan-karenany sy ny fiainana manefohefo ananany ny mpitondra fivavahana sasany, dia misalasala ny hanao fanomezana ho an’ny Fiangonana ny olona maro. Ny zava-tokana kendren’ny fandaminana ara-pivavahana sasany tokoa dia toa ny fanangonana harena (Apokalypsy 18:4-8). Kanefa ny fanararaotan’ireny mpitondra fivavahana ireny dia tsy mahakasika na amin’inona na amin’inona ny fahamarinan’ny Ohabolana 3:9. Koa ahoana no azontsika anarahana an’io torohevitra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra io, ary ampiasana ny ‘zava-tsarobidy’ ananantsika mba ‘hankalazana an’i Jehovah’, ilay “Andriamanitry ny fanantenana”?
19. Asehoy hoe tamin’ny fomba ahoana no nampiharan’ny sasany ny Ohabolana 3:9.
19 Mihevitra ny Vavolombelon’i Jehovah fa noho ny fitomboan’ny isan’ireo olona manaiky ny hafatra momba ny Fanjakana, dia ilaina ny manitatra ireo efitrano fivoriany na manorina vaovao. Izany àry dia fomba iray nofidin’ireo tanora na ireo lehibe kokoa mba ‘hiderana an’i Jehovah amin’ny harenany’. Nanapa-kevitra an-tsitrapo tokoa ny handray anjara amin’izay lany amin’ny fanorenana izy; ary mba hisehoana ho mahatoky amin’ny fanapahan-kevitra toy izany, dia ilaina indraindray ny maneho fifehezan-tena ka manaiky hanao sorona sasantsasany mihitsy aza, indrindra raha maharitra ela ny fanorenana (2 Korintiana 9:6, 7). Kanefa dia fanomezam-boninahitra an’i Jehovah marina tokoa ny fampiasana ny fananan’ny tena amin’izany fomba izany, satria ny Efitrano Fanjakana dia toerana anompoan’ny kristiana azy anovozany fahalalana an’Andriamanitra. Ny teny nataon’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Matio 6:3, 4 dia manome antoka antsika fa hanome voninahitra izay mankalaza azy toy izany Andriamanitra.
20. a) Nahoana no tsara raha mandini-tena isika raha maniry hampihatra ny Ohabolana 3:9? b) Fanontaniana inona avy no ho azontsika apetraka amin’ny tenantsika?
20 Tandremo anefa! Jesosy dia nilaza fa ny zavatra nitana ny sain’ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna indrindra akory tsy ny hoe hanome voninahitra an’Andriamanitra: nataony izay hahazoana soa voalohany tamin’ny harenan’ny tenany ihany. Noho izany, ny torohevitra ao amin’ny Matio 15:4-8 dia mamporisika antsika hanao fandinihan-tena manokana mba hahitana hoe amin’ny fomba ahoana no ‘anomezantsika voninahitra an’i Jehovah amin’ny zava-tsarobidy ananantsika’. (Jeremia 17:9, 10.) Ohatra, raha mitondra fiadanana sasany ho azy ny raharahan’ny kristiana iray, dia mety hihevitra izy fa afaka miasa manontolo andro mba hahazoana mihoatra. Mety hilaza anakampo izy hoe: “Ny hafa manao ny asan’ny mpitory maharitra na mifindra toerana any amin’izay ilàna indrindra mpitory betsaka mba hanompoana an’i Jehovah, izaho kosa ny fomba hanompoako an’Andriamanitra dia ny fahazoana vola betsaka ka izany dia ahafahako manao fanomezana be dia be.’ Mety ho tena sarobidy angamba ny fanomezana ataon’io kristiana io, nefa ho tsara raha manontany tena izy hoe: ‘Moa ve ny fomba fiainako mampiseho fa matoa aho maniry hahazo mihoatra foana, alohan’ny zavatra rehetra dia mba hampiasana ny volako ho fankalazana an’Andriamanitra.’ (Lioka 12:16-19; jereo Marka 12:41-44). Na koa: ‘Moa ve afaka manamboatra ny raharahako aho mba hampitomboana ny fandraisako anjara amin’ny asa lehibe indrindra tanterahina amin’izao androntsika izao: ny fitoriana ny vaovao tsara?’ Raha ny marina, na manao ahoana na manao ahoana tarehin-javatra misy antsika, dia azontsika dinihina ny asantsika sy ny antony manosika antsika sady manontany tena hoe: ‘Ahoana no azo anomezam-boninahitra amin’ny fomba feno kokoa Ilay nanome ahy ny fiainana, ilay “Andriamanitry ny fanantenana”?’
21. Fifaliana inona no atokana ho antsika, raha manome voninahitra an’i Jehovah isika dieny izao?
21 Jehovah dia tsy handiso fanantenana antsika. Fifaliana toy inona moa raha, dieny izao sy amin’ny ho avy, ka afaka hilaza ny amintsika izay nolazainy tamin’ny Isiraely nahatoky toy izao izy: “Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra hianao sady tiako”! (Isaia 43:4.) Jehovah dia mampanantena ‘fiainana mandrakizay ho an’izay mitady voninahitra sy laza’, “ho an’izay maharitra manao soa mandrakariva”. Eny, “Andriamanitry ny fanantenana” tokoa izy!
Ahoana no havalinao?
◻ Raha ny amin’ny voninahitra tokony hatolotry ny olombelona an’i Jehovah, inona no azontsika ianarana ny amin’ny ohatr’i Jesosy?
◻ Inona no fahasamihafana hita amin’io lafiny io eo amin’ny fitondrantenan’i Ely sy ny an’i Samoela?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy no azonao ampisehoana voninahitra bebe kokoa ho an’Andriamanitra ary inona no mety ho azonao ho valiny?
◻ Ho avy manao ahoana no miandry ny olona izay ny zavatra imasoany indrindra dia ny fanomezam-boninahitra ilay “Andriamanitry ny fanantenana”?
[Efajoro, pejy 20]
TARATASY NIARAKA TAMIN’IREO FANOMEZANA
Indro tapany amin’ireo taratasy sasany voarain’ny biraon’ny Fikambanana Watch Tower any Brooklyn (Etazonia):
“Abijah no anarako ary sivy taona aho. Indro 4 dôlara [1 040 ariary] ho an’ireo ranadahy miasa amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Afaka mividy hazo fisaka na vatomamy izy amin’iny, araka izay tiany.”
‘Mandefa aminareo ity seky ity aho. 96 taona mahery aho sady tsy dia mandre tsara intsony, nefa tena faly aho nitsitsy vola ho an’ilay Fanjakana. Marina fa tsy mampiasa fiara vaovao aho ary tsy mandany ny ririnina any Florida na any Kalifornia. Kanefa, izay ataoko amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana isam-baravarana dia kely tokoa, ka tamin’ny fitsitsiam-bola sy amin’ny fandefasana aminareo ny tapany amin’izany, dia mahatsapa aho fa toy ny mandray anjara amin’io asa io foana.’
‘Misaotra noho izay rehetra nataonareo ho an’ny Efitrano Fanjakana. Ity vola ity [5 dôlara, 1 300 ariary] dia hampiasainareo ho an’ny boky sy ireo Ny Tilikambo Fiambenana izay vakinay. Avy tao amin’ny fitehirizam-bolako izy io. Misaotra amin’ilay bokikely momba ny sekoly sy izay lazainy aminay ny amin’ny zavatra mahadomelina.’
“Amin’ity seky izay alefako any aminareo ity, dia aza fady arotsahy ny roanjato dôlara [72 000 ariary] ao amin’ny tahiry ho an’ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Ny ambiny dia ho azonareo ampiasaina amin’ny fomba izay hitanareo fa mahasoa hampandrosoana ny asa fitoriana.”