-
Ny fomba hiatrehana ny fihaikana mahakasika ny fitsipi-pitondrantena ateraky nyNy Tilikambo Fiambenana—1991 | 15 Febroary
-
-
Amin’izao andro izao, ny ankamaroan’ireo mahantra eo amin’izao tontolo izao, dia iharan’ny toe-javatra tsy azony ihoarana — angamba izany tsy fahampian’ny fianarana, tsy fahombiazan’ny toe-karena eo an-toerana, na fiovana lehibe ara-politika. Maro be no miasa mafy vao maraina be ka hatramin’ny alina be ary zara raha mahavita mivelona. Ireo fahafahana hahazo vola amin’ny alalan’ny fanao tsy marina amin’izay dia mety ho toa manintona, ary tsy maintsy atao mihitsy aza. Mety hanjohy hevitra ny sasany fa manamarina ny fiverenana ilalana indraindray ho amin’ny fitondrantena ratsy ny Baiboly! Rehefa dinihina tokoa, dia miteny toy izao izy io: “Tsy manamavo ny mpangalatra ny olona satria mangalatra hahavoky ny fanahiny izy rehefa noana.” Ary nivavaka toy izao ny lehilahy hendry iray: ‘Fandrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra.’ — Ohabolana 6:30, MN; 30:8, 9.
-
-
Ny fomba hiatrehana ny fihaikana mahakasika ny fitsipi-pitondrantena ateraky nyNy Tilikambo Fiambenana—1991 | 15 Febroary
-
-
Nefa ahoana ny amin’ny vavak’ilay lehilahy hendry? Nangataka izy mba tsy ho tonga mahantra sy ‘hangalatra ka hanamavo ny anaran’Andriamanitra [Andriamaniny]’. (Ohabolana 30:9). Eny, ny tsy fanaovana ny marina ataon’ny olona iray milaza fa manompo an’i Jehovah dia afaka mitondra fahafaham-baraka ho an’ny anaran’Andriamanitra sy ny kongregasionan’ny olony. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va hianao?” Raha toa ka nangalatra ny milaza ho kristiana sasany, dia mety hiteraka ‘fitenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra any amin’ny jentilisa’ izany. — Romana 2:21, 24.
-