-
LemoelaFandalinana ny Soratra Masina
-
-
LEMOELA
(Lemoèla) [An’Andriamanitra].
Mpanjaka fahiny tsy fantatra hoe iza, nanoratra ny Ohabolana toko faha-31. Mbola iadian-kevitra hoe iza marina izy io. Misy mpivaofy teny milaza fa i Solomona izy io, ny hafa indray milaza hoe Hezekia. “Ny hafatra mafonja nolazain-dreniny taminy mba hanitsiana azy” no nosoratan’i Lemoela Mpanjaka. (Oh 31:1) Tsy fantatra anefa hoe oviana na tamin’ny fomba ahoana no nampitan-dreniny an’ilay izy. Anisan’ilay “hafatra mafonja” ny hoe ilaina ny mitsara ara-drariny, ny mitandrina amin’ny vehivavy ratsy fitondran-tena, ary ny tsy manao mamo satria tsy misaina tsara ny mamo. Resahina ao koa ny atao hoe vady tsara ho an’ny lehilahy.
-
-
MasaFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Hita ao amin’ny Ohabolana 30:1 (misy mpanoritra voafaritra ha) sy ny Ohabolana 31:1 (tsy misy mpanoritra) amin’ny teny hebreo koa ny hoe massaʼ. Izany àry no nahatonga ny Baiboly sasany hanao hoe: ‘Agora, zanak’i Jake, avy any Masa’ sy “Lemoela, mpanjakan’i Masà.” (Ampitahao amin’ny DIEM sy Prot., f.a.p.) Azo inoana anefa fa Israelita i Agora sy Lemoela, ka mety kokoa ny nandikana ny hoe massaʼ amin’ny hoe “teny mavesa-danja” (Prot.), “oha-teny” (Kat.), “faminaniana” (JM) ary “hafatra mafonja” (TV; ampitahao Oh 30:5, 9; 31:30 sy Sl 12:6; Ro 3:1, 2).
-