-
Fantaro ny Anton’ny FananaranaNy Tilikambo Fiambenana—2003 | 1 Oktobra
-
-
Hafa kosa ny amaritan’ny Baiboly ny famaizana. Hoy i Solomona mpanjaka hendry: “Anaka, aza manamavo ny famaizan’i Jehovah.” (Ohabolana 3:11) Tsy ny famaizana amin’ny ankapobeny no resahina eo, fa ny “famaizan’i Jehovah”, na ny fananarany, izay miorina amin’ny toro lalany lavorary. Io fananarana io ihany no mitondra soa sy tena ilaina eo amin’ny lafiny ara-panahy, sady tena faniry. Tsy misy antra sady mampahory kosa matetika ny famaizana avy amin’ny fisainan’olombelona izay mifanohitra amin’ny toro lalan’i Jehovah. Izany no mahatonga ny olona hieritreritra hoe ratsy ny famaizana.
Nahoana isika no asaina manaiky ny fananaran’i Jehovah? Lazaina ao amin’ny Soratra Masina fa tian’i Jehovah ny olona matoa anariny. Hoy àry i Solomona: “Izay tian’i Jehovah no anariny, dia tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.”—Ohabolana 3:12.
Samy hafa ve ny fananarana sy ny fanasaziana?
Misy lafiny maro ny fananarana resahina ao amin’ny Baiboly. Mety ho tari-dalana izany, toromarika, fampiofanana, fifehezana, fanitsiana, ary mety ho fanasaziana koa aza. Ny fitiavana foana anefa no mahatonga an’i Jehovah hanome ilay fananarana, ary natao mba hahasoa an’ilay olona omena azy izany. Tsy natao hanasaziana fotsiny akory ny fananaran’i Jehovah.
-
-
Fantaro ny Anton’ny FananaranaNy Tilikambo Fiambenana—2003 | 1 Oktobra
-
-
Nahoana ireny sazy ireny no “ohatra fampitandremana momba ny hoavy”? Nolazain’i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Tesalonianina, fa ny androntsika no “fotoana [hamalian’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Zanany] an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara.” Hoy koa izy: “Hiharan’ny sazy vokatry ny didim-pitsarana ireo, dia fandringanana mandrakizay.” (2 Tesalonianina 1:8, 9) Miharihary fa tsy natao hampianarana na hanitsiana an’ireo nomena azy, ny sazy toy izany. Tsy ny fanasaziana ny mpanota tsy mibebaka anefa no nolazain’i Jehovah, rehefa nasainy hanaiky ny fananarany ny mpivavaka aminy.
Tsara homarihina fa tsy mpanasazy akory no iantsoan’ny Baiboly an’i Jehovah. Matetika kosa izy io no milaza an’i Jehovah ho mpampianatra be fitiavana sy manam-paharetana. (Joba 36:22; Salamo 71:17; Isaia 54:13) Arahin’ny fitiavana sy faharetana foana tokoa ny fananaran’Andriamanitra. Mora manaiky fananarana, sady tsara toerana mba hanome azy io ny Kristianina, raha mahatakatra ny anton’ny fananarana.
-