Fambolena Tahotra Araka An’Andriamanitra
“Matahora an’i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.” — OHABOLANA 3:7.
1. Ho an’iza no nanoratana ny Ohabolana?
MIRAKITRA torohevitra ara-panahy tondraka ny Ohabolana, ilay boky ao amin’ny Baiboly. Tany am-boalohany i Jehovah dia nanome io boky fitarihana io mba hampianarana ny Isiraely, ilay fireneny tandindona. Amin’izao andro izao, io boky io dia manome teny feno fahendrena ho an’ny fireneny masina kristiana, “izay niharan’ny faran’izao tontolo izao”. — 1 Korintiana 10:11; Ohabolana 1:1-5; 1 Petera 2:9.
2. Nahoana no amin’ny ilana azy indrindra ny fampitandreman’ny Ohabolana 3:7 amin’izao andro izao?
2 Raha mitodika any amin’ny Ohabolana 3:7 isika, dia izao no vakintsika: “Aza manao anao ho hendry; matahora an’i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.” Hatramin’ny andron’ireo ray aman-drenintsika voalohany, fony namitaka an’i Eva ny Menarana tamin’ny fampanantenana azy ‘fahalalana ny tsara sy ny ratsy’, dia tsy nanome izay ilain’ny taranak’olombelona ny fahendren’olombelona fotsiny. (Genesisy 3:4, 5; 1 Korintiana 3:19, 20). Mbola tsy nisy vanim-potoana teo amin’ny tantara nihariharian’izany bebe kokoa toy ny amin’izao taonjato faha-20 izao — dia izao “andro farany” ijinjan’ny taranak’olombelona ny vokatry ny fisainana tsy mino an’Andriamanitra sy mino ny fivoarana miandalana izao ka amelezan’ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny herisetra ary ny fahalotoam-pitondran-tena isan-karazany azy. (2 Timoty 3:1-5, 13, NW; 2 Petera 3:3, 4). Izany dia ‘fikorontanan-javatra vaovao ho an’izao tontolo izao’ izay tsy voalamin’ny ONU na ireo fivavahana misaratsaraka eo amin’izao tontolo izao.
3. Fisehoan-javatra inona avy no nambaran’ny faminaniana ho amin’izao androntsika izao?
3 Milaza amintsika ny Teny ara-paminanian’Andriamanitra fa misy hery araka ny demonia mankany amin’ny “mpanjaka amin’izao tontolo izao, mba hanangona azy ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha (...) ho any amin’ny tany atao amin’ny teny Hebreo hoe Hara-magedona”. (Apokalypsy 16:14, 16). Tsy ho ela dia hahazo an’ireo mpanjaka na mpanapaka ireo ny horohoro avy amin’i Jehovah. Izany dia ho sahala amin’ilay tahotra nilatsaka teo amin’ireo Kananita rehefa tonga hampihatra didim-pitsarana teo amin’izy ireo i Josoa sy ny Isiraelita. (Josoa 2:9-11). Amin’izao andro izao anefa, dia ilay nasehon’i Josoa ho tandindona, i Kristy Jesosy — ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” — no ‘hamely ny firenena sy hanapaka azy amin’ny tehim-by’ ho fampisehoana ny “fahatezeran’Andriamanitra Tsitoha”. — Apokalypsy 19:15, 16.
4, 5. Iza no hahazo famonjena, ary nahoana?
4 Iza no hahazo famonjena amin’izany fotoana izany? Ireo voavonjy dia izay rehetra ho namboly tahotra feno fanajana an’i Jehovah, fa tsy ireo izay ho resin’ny tahotra. Tsy hendry eo imason’ny tenany izy ireo fa ‘mifady ny ratsy’. Amim-panetren-tena, dia mameno ny sainy amin’izay tsara izy ireo mba hanosehana ny ratsy tsy ho ao amin’ny eritreriny. Izy ireo dia manolokolo fanajana mahasoa an’i Jehovah Mpanjaka Tompo, ilay “Mpitsara ny tany rehetra” izay madiva handringana izay rehetra mifikitra amin’ny faharatsiana, toy ny nanafoanany ireo Sodomita ratsy fitondran-tena. (Genesisy 18:25). Marina tokoa fa ho an’ny vahoakan’Andriamanitra manokana, dia “ny fahatahorana an’i Jehovah no loharanon’aina, hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana”. — Ohabolana 14:27.
5 Amin’izao andron’ny fitsaran’Andriamanitra izao, izay rehetra manokan-tena manontolo ho an’i Jehovah noho ny tahotra sao tsy mahazo sitraka aminy, dia hanjary hahatakatra ilay fahamarinana voalaza ara-panoharana ao amin’ny Ohabolana 3:8 hoe: “Dia ho famelombelomana ny nofonao izany [ny tahotra an’i Jehovah] sy ho fanamandoana ny taolanao.”
Fanomezam-boninahitra an’i Jehovah
6. Inona no tokony hanosika antsika hanaraka ny Ohabolana 3:9?
6 Ny tahotra mampiseho fankasitrahana an’i Jehovah, miaraka amin’ny fitiavana azy lalina, dia tokony hanosika antsika hanaraka ny Ohabolana 3:9 manao hoe: “Mankalazà [“manomeza voninahitra”, NW ] an’i Jehovah amin’ny fanananao sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra”. Tsy terena hanome voninahitra an’i Jehovah amin’ny fanomezantsika akory isika. Tokony ho an-tsitrapo izany araka ny aseho in-12 eo ho eo manomboka ao amin’ny Eksodosy 35:29 ka hatramin’ny Deoteronomia 23:24, mikasika ireo sorona teo amin’ny Isiraely fahiny. Ireo voaloham-bokatra ho an’i Jehovah dia tokony ho ny fanomezana tena tsara indrindra azontsika atolotra, ho valin’ny hatsaram-po sy ny hatsaram-panahy miharo fitiavana izay azontsika avy aminy. (Salamo 23:6, NW ). Izy ireny dia tokony hampiseho ny fahatapahan-kevitsika ‘tsy hitsahatra (...) hikatsaka voalohany indrindra ilay fanjakana sy ny fahamarinany’. (Matio 6:33, NW ). Ary inona no vokatry ny fanomezam-boninahitra an’i Jehovah amin’ireo fananantsika? “Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin’ny vata fanantazanao.” — Ohabolana 3:10.
7. Voaloham-bokatra inona avy no tokony hatolotsika an’i Jehovah, ary inona no ho vokatr’izany?
7 Ny fomba voalohany itahian’i Jehovah antsika dia ara-panahy. (Malakia 3:10). Noho izany, ny voaloham-bokatra izay atolotsika azy dia tokony ho ara-panahy voalohany indrindra. Tokony hampiasa ny fotoanantsika sy ny herintsika ary ny herim-piainantsika amin’ny fanaovana ny sitrapony isika. Izany kosa dia hamelona antsika, toy ny nahatongavan’ny fanaovan-javatra toy izany ho ‘hanina’ nanatanjaka an’i Jesosy. (Jaona 4:34). Ho feno ny tahirin-tsakafontsika ara-panahy, ary hihoatra ny fifaliantsika, izay asehon’ny ranom-boaloboka. Ary fanampin’izany, eo am-pivavahantsika amim-patokiana mba hahazo sakafo ara-nofo ampy ho an’ny andro tsirairay, dia afaka manome amim-pahalalahan-tanana avy amin’ny fananantsika isika mifanaraka amin’izany, ho fanohanana ny asan’ilay Fanjakana maneran-tany. (Matio 6:11). Ny zavatra rehetra ananantsika, anisan’izany ireo fananana ara-nofo, dia azontsika avy amin’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra. Handrotsaka fitahiana fanampiny izy, arakaraka ny ampiasantsika ireny fananana ireny ho fiderana azy. — Ohabolana 11:4; 1 Korintiana 4:7.
Fananarana amim-pitiavana
8, 9. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fananarana sy ny fifehezana?
8 Eo amin’ny Oh 3:11, 12 andininy faha-11 sy ny faha-12, ny Ohabolana toko faha-3 dia miresaka indray ny amin’ilay fifandraisana mahafinaritra eo amin’ny ray sy ny zanaka izay misy eo amin’ireo fianakaviana tia an’Andriamanitra, ary koa eo amin’i Jehovah sy ireo zanany malala ara-panahy eto an-tany. Izao no vakintsika: “Anaka, aza manamavo ny famaizan’i Jehovah, ary aza tofoka amin’ny fananarany; fa izay tian’i Jehovah no anariny, dia tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.” Mankahala fananarana ny olona eo amin’izao tontolo izao. Tokony handray tsara izany ny vahoakan’Andriamanitra. Nanonona ireo teny avy ao amin’ny Ohabolana ireo ny apostoly Paoly, tamin’ny filazana hoe: “Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana [“fifehezana”, NW ] ataon’i Jehovah, ary aza reraka, raha resi-lahatry ny anatra ataony hianao; fa izay tian’i Jehovah no faizany [“feheziny”, NW ] (...) Fa ny famaizana [“fifehezana”, NW ] rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy.” — Hebreo 12:5, 6, 11.
9 Eny, ny fananarana sy ny fifehezana dia tapany ilaina amin’ny fampiofanana ny tsirairay amintsika, na raisintsika avy amin’ny ray aman-dreny izany, na amin’ny alalan’ny kongregasiona kristiana, na rehefa misaintsaina ny Soratra Masina mandritra ny fianarantsika manokana isika. Raharaha iankinan’ny aina ho antsika ny fanisiana fiheverana ny fifehezana, araka ny ilazan’ny Ohabolana 4:1, 13 azy toy izao koa: “Ry zanaka, henoy ny anatry [“fifehezan’ny”, NW ] ny ray, ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara. Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; hazony izy, fa ainao.”
Ny fahasambarana lehibe indrindra
10, 11. Inona avy no lafiny sasany amin’ireo teny mahafinaritra ao amin’ny Ohabolana 3:13-18?
10 Fitenenana kanto toy inona moa no manaraka izany izao, ‘tenin’ny fahamarinana mahafinaritra sy mahitsy’ tokoa! (Mpitoriteny 12:10). Ireo teny ara-tsindrimandry nataon’i Solomona ireo dia milazalaza ny amin’ny tena fahasambarana. Teny tokony hosoratantsika ao am-pontsika izy ireo. Izao no vakintsika:
11 “Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana. Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara. Saro-bidy noho ny voahangy izy; ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy. Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia. Làlana mahafinaritra ny làlany, ary fiadanana ny alehany rehetra. Hazon’aina ho an’izay rehetra mifikitra aminy izy; ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.” — Ohabolana 3:13-18.
12. Ahoana no itondran’ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka soa ho antsika?
12 Fahendrena — matetika izy io no voatonona ao amin’ny bokin’ny Ohabolana, in-46 amin’ny fitambarany! “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena”. Izany dia ilay fahendrena araka an’Andriamanitra sy azo ampiharina, miorina amin’ny fahalalana ny Tenin’Andriamanitra izay mahatonga ny vahoakany hahita lalana voaro amin’ny loza ao anatin’ny tafio-drivotra mampidi-doza misafotofoto mafy eo amin’ny tontolon’i Satana. (Ohabolana 9:10). Ny fahaiza-manavaka izay asiana fitenenana in-19 ao amin’ny Ohabolana (NW ), no ilay mpanampy ny fahendrena, manampy antsika hiady amin’ireo hafetsen’i Satana. Raha ny amin’ny fanatanterahana ireo asa feno hafetsen-dratsiny, ilay Fahavalo lehibe dia manana fanandraman-javatra an’arivony taona maro. Manan-java-tsarobidy lavitra noho ny fananana ny fanandraman-javatra ho mpampianatra anefa isika — dia ny fahaiza-manavaka araka an’Andriamanitra, ilay fahaizana manavaka ny mety amin’ny tsy mety sy mifidy ny lalana tsara haleha. Izany no ampianarin’i Jehovah antsika amin’ny alalan’ny Teniny. — Ohabolana 2:10-13, NW; Efesiana 6:11.
13. Inona no afaka miaro antsika mandritra ny fotoan-tsarotra ara-toe-karena, ary amin’ny fomba ahoana?
13 Ny fikorontanana tanteraka ara-toe-karena eo amin’izao tontolo izao ankehitriny dia mpialoha lalana ny fahatanterahan’ilay faminaniana ao amin’ny Ezekiela 7:19 manao hoe: “Ny volafotsiny dia hariany eny an-dàlambe, ary ny volamenany hataony ho maharikoriko — Ny volafotsiny sy ny volamenany tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah”. Ireo harena ara-nofo rehetra eto an-tany dia tsy azo ampitahaina akory amin’ny hery mamonjy ananan’ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka. Tamin’ny fotoana hafa iray dia nilaza toy izao i Solomona Mpanjaka hendry: “Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena.” (Mpitoriteny 7:12). Sambatra marina tokoa izay rehetra mandeha amin’ny lalana mahafinaritr’i Jehovah, ka mifidy amim-pahendrena ny “andro maro”, dia ny fiainana mandrakizay izay fanomezana atolotr’Andriamanitra an’izay rehetra maneho finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy! — Ohabolana 3:16; Jaona 3:16; 17:3.
Fambolena ny tena fahendrena
14. Tamin’ny fomba ahoana avy no nampisehoan’i Jehovah fahendrena fakan-tahaka?
14 Mety raha miezaka mamboly fahendrena sy fahaiza-manavaka isika olombelona izay noharìna araka ny endrik’Andriamanitra. Izany toetra izany dia nasehon’ny tenan’i Jehovah tamin’ny fanaovany ireo asa famoronana mahatalanjona. “Fahendrena no nanorenan’i Jehovah ny tany, ary fahalalana [“fahaiza-manavaka”, NW ] no nampitoerany ny lanitra.” (Ohabolana 3:19, 20). Nanao ireo zavaboary velona izy, tsy tamin’ny fomba fiasan’ny fivoarana miandalana izay mifono zava-miafina sy tsy azo hazavaina akory, fa tamin’ny asa famoronana mivantana, ny tsirairay “samy araka ny karazany avy” sady ho amin’ny fikasana feno fahendrena iray. (Genesisy 1:25). Rehefa vita tamin’ny farany ny olombelona nanana fahakingan-tsaina sy fahaizana ambony lavitra noho ny an’ny biby, dia tsy maintsy nanako sy nanakoako nanerana ny lanitra ny fihobiana nataon’ireo anjely zanak’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Joba 38:1, 4, 7.) Ny fahatsinjovan’i Jehovah mialoha amim-pahaiza-manavaka sy ny fahendreny ary ny fitiavany dia hita miharihary amin’ireo zava-bitany rehetra eto an-tany. — Salamo 104:24.
15. a) Nahoana no tsy ampy fotsiny ny mamboly fahendrena? b) Fatokiana inona no tokony hotairin’ny Ohabolana 3:25, 26 ao amintsika?
15 Tsy vitan’ny hoe mila mamboly ireo toetran’i Jehovah toy ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka fotsiny isika, fa mila mifikitra mafy amin’izany koa, tsy mampihena ny fianarantsika ny Teniny. Mananatra antsika toy izao izy: “Anaka, aoka tsy hiala amin’ny masonao izany; raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava, ka dia ho ain’ny fanahinao izany ary ho firavaky ny vozonao”. (Ohabolana 3:21, 22). Noho izany dia afaka mandeha tsy amin’ahiahy sy amim-piadanan-tsaina isika, na dia mandritra ny fanatonan’ilay andron’ny ‘fandringanana tampoka’ toy ny ataon’ny mpangalatra aza, dia fandringanana izay ho tonga amin’ny tontolon’i Satana. (1 Tesaloniana 5:2, 3). Mandritra ny fahoriana lehibe mihitsy aza, dia ‘tsy hanahy ny tahotra avy tampoka ianao, na ny rivo-doza hamely ny ratsy fanahy, raha avy izany; fa Jehovah no ho tokinao ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika’. — Ohabolana 3:23-26.
Fitiavana hanao ny tsara
16. Fanaovan-javatra inona no takina amin’ny Kristiana ho fanampin’ny zotom-po eo amin’ny fanompoana?
16 Izao no andro tokony hanehoana zotom-po eo amin’ny fitoriana itỳ vaovao tsaran’ny Fanjakana itỳ ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra. Io asa fanambarana io anefa dia tsy maintsy tohanan’ny asa kristiana hafa, araka ny voalazalaza ao amin’ny Ohabolana 3:27, 28 manao hoe: “Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy, raha azon’ny tananao atao ihany; aza manao amin’ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko: kanefa manana ihany hianao.” (Ampitahao amin’ny Jakoba 2:14-17.) Noho ny ankamaroan’ny olona eo amin’izao tontolo izao ao anatin’ny fangejan’ny fahantrana sy ny mosary, dia nisy fangatahana maika natao tamintsika mba hanampy ny mpiara-belona amintsika, indrindra fa ireo rahalahintsika ara-panahy. Nanao ahoana ny fihetsiky ny Vavolombelon’i Jehovah?
17-19. a) Zavatra nilaina maika inona no hita tamin’ny 1993, ary inona no fihetsika ho setrin’izany? b) Inona no mampiharihary fa ireo rahalahintsika tra-pahasahiranana ireo dia “mpandresy tanteraka”?
17 Aoka isika haka ohatra iray: Nandritra ny taon-dasa, dia nisy fangatahana fanampiana maika avy tany Iogoslavia teo aloha. Namaly izany tamin’ny fomba nahatalanjona ireo rahalahy tany amin’ireo tany manodidina. Nandritra ireo volana namanalan’ny ririnina farany teo, dia afaka nitsofoka tany amin’ny faritra nisy ady ny andian-kamiao mpitondra fanampiana maromaro nitondra zavatra vita an-tsoratra farany, fitafiana mafana sy sakafo ary fanafody ho an’ireo Vavolombelona sahirana. Tamin’ny toe-javatra iray, dia nangataka fahazoan-dalana ireo rahalahy mba haka 15 taonina tamin’ireo vatsy fanampiana. Rehefa nahazo ilay fanomezan-dalana anefa izy ireo, dia ho an’ny 30 taonina ilay izy! Nandefa haingana kamiao telo fanampiny ireo Vavolombelon’i Jehovah tany Aotrisy. Tamin’ny fitambarany, dia tody tany amin’izay nokasaina halehany ny 25 taonina. Toy inona moa ny haravoan’ireo rahalahintsika naharay ireny vatsy ara-panahy sy ara-nofo ireny!
18 Nanao ahoana ny fihetsik’ireny mpandray ireny? Teo am-piandohan’itỳ taona itỳ, dia nanoratra toy izao ny loholona iray: “Ireo rahalahy sy anabavy eto Sarajevo dia mbola velona sy salama, ary ny zava-dehibe indrindra, dia mbola matanjaka ara-panahy izahay mba hiaretana itỳ ady mampiseho hadalana itỳ. Sarotra be ny tarehin-javatra nahakasika ny sakafo. Enga anie i Jehovah hitahy sy hamaly soa anareo noho ny fiezahana nataonareo ho anay. Ireo manam-pahefana dia manana fanajana manokana an’ireo Vavolombelon’i Jehovah noho ny fomba fiainany fakan-tahaka sy noho ny fanajany ny manam-pahefana. Velom-pisaorana koa izahay noho ireo sakafo ara-panahy nomenareo anay.” — Ampitahao amin’ny Salamo 145:18.
19 Nampiseho fankasitrahana koa ireo rahalahy notandindomin-doza ireo, tamin’ny asa fanompoany feno zotom-po. Mpiara-monina maro no tonga any amin’izy ireo mangataka fampianarana ny Baiboly any an-tokantrano. Tao amin’ny tanànan’i Tuzla izay nomena fanampiana ara-tsakafo dimy taonina, dia samy nandany 25 ora avy teo amin’ny fanompoana ireo mpitory 40 namerina filazana asa tamin’ny antsalany nandritra ny volana, ho fanohanana tsara dia tsara an’ireo mpisava lalana sivy tao amin’ilay kongregasiona. Nisy mpanatrika niavaka 243 teo amin’izy ireo tamin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Tsy azo lavina fa ireo rahalahy malala ireo dia ‘mpandresy tanteraka amin’ny alalan’Ilay efa tia antsika’. — Romana 8:37, DIEM.
20. “Fitoviana” inona no nitranga tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha?
20 Ny fahalalahan-tanana naseho tamin’ny alalan’ireo andian-kamiao maro be mpitondra fanampiana ara-tsakafo sy fitafiana mafana nalefa tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha koa dia nifandanja tamin’ny zotom-pon’ireo rahalahy tany. Tany Moscou, ohatra, ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’itỳ taona itỳ dia 7 549, kanefa 3 500 tamin’ny taon-dasa. Nandritra izay vanim-potoana izay ihany, ny kongregasiona 12 tao amin’io tanàna lehibe io dia nitombo ho 16. Tao amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha manontolo (tsy anisany ireo Fanjakana Baltika), dia 14 isan-jato ny fitomboana teo amin’ny isan’ny kongregasiona, 25 isan-jato ny teo amin’ny mpitory ilay Fanjakana, ary 74 isan-jato ny teo amin’ny mpisava lalana. Toe-tsaina feno zotom-po sy fahafoizan-tena re izany! Izany dia mampahatsiaro antsika ny taonjato voalohany rehefa nisy ny “fitoviana”. Ireo Kristiana nanam-pananana ara-panahy sy ara-nofo dia nanao fanomezana tamim-pahalalahan-tanana ho an’ireo izay tany amin’ny toerana tsy nambinina kokoa. Tetsy an-danin’izany, ny zotom-pon’ireny azom-pahoriana ireny dia nitondra fifaliana sy fampaherezana ho an’ireo mpanome. — 2 Korintiana 8:14.
Ankahalao ny ratsy!
21. Ahoana no nampifanoherana ny hendry sy ny adala ao amin’ireo teny famaranana ny Ohabolana toko faha-3?
21 Manaraka izany, ny toko fahatelo amin’ny Ohabolana dia mampiseho fifanoheran-javatra mitohitohy, izay mifarana amin’izao fananarana izao: “Aza mialona ny olon-dozabe, na mifidy izay làlany akory, satria fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny maniasia, fa ao amin’ny marina kosa ny fisakaizany. Ny ozon’i Jehovah dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy; fa ny fonenan’ny marina dia tahiny kosa. Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra. Ny hendry handova voninahitra; fa henatra kosa no ho anjaran’ny adala.” — Ohabolana 3:29-35.
22. a) Ahoana no mety hanalavirantsika ny ho anisan’ireo adala? b) Inona no ankahalain’ireo hendry, ary inona no ambolen’izy ireo, miaraka amin’ny valisoa inona?
22 Ahoana no mety hanalavirantsika ny ho anisan’ireo adala? Tsy maintsy mianatra mankahala ny ratsy isika, eny, mampiseho rikoriko amin’izay maharikoriko an’i Jehovah — ireo faniasiavana rehetra eo amin’itỳ tontolo mahery setra sy meloka noho ny trosan-dra itỳ. (Jereo koa ny Ohabolana 6:16-19.) Mifanohitra amin’izany, isika dia tsy maintsy mamboly izay tsara — fahitsiana sy fahamarinana ary fandeferana — mba hahafahantsika hahazo “harena sy voninahitra ary fiainana”, amim-panetren-tena sy tahotra an’i Jehovah. (Ohabolana 22:4). Izany no ho valisoantsika rehetra izay mampihatra amim-pahatokiana ilay fananarana hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra”.
Inona no Fanazavanao?
◻ Ahoana no iharan’ilay andinin-teny loha hevitra amin’itỳ fianarana itỳ amin’izao andro izao?
◻ Ahoana no mety hanomezantsika voninahitra an’i Jehovah?
◻ Nahoana isika no tsy tokony hanamaivana fifehezana?
◻ Aiza no tokony hahitana ny fahasambarana lehibe indrindra?
◻ Ahoana no mety hitiavantsika ny tsara sy hankahalantsika ny ratsy?
[Sary, pejy 18]
Izay manolotra ny fanatitra tsara indrindra ananany ho an’i Jehovah dia hahazo fitahiana tondraka