Manontany ny Tanora Hoe...
Ahoana no Hataoko mba Tsy Hahavoateny Foana Ahy Intsony?
“Voateny foana aho amin’ny zava-drehetra. Raha tsy voahidy ny trano na navela nirehitra teo ny fatana na nisy zavatra tsy teo amin’ny toerany na tsy vita, dia fahadisoan’i Ramon izany!” — Ramon.
RAHA mbola zatovo ianao, indraindray dia mety ho toa voateny noho ny saika ny zava-drehetra tsy mandeha tsara. Tao amin’ny lahatsoratra iray teo aloha, dia niaiky izahay fa indraindray ny ray aman-dreny dia maika loatra hanome tsiny ny zanany.a Ny anton’izany dia mety ho ny fiahiana ara-dalàna asehon’ny ray aman-dreny, ka hatramin’ny fahoriam-po lalina. Na inona na inona antony, dia mety hankarary sy hampietry ny hoe raisina ho tompon’andraikitra noho ny zavatra tsy naha-diso ny tena.
Mazava ho azy fa hanao fahadisoana ianao indraindray, satria olombelona tsy lavorary. (Romana 3:23). Fanampin’izany, noho ianao tanora, dia somary tsy ampy fanandraman-javatra ihany ianao. (Ohabolana 1:4). Azo antoka fa hanao fahadisoana eo amin’ny fitsaran-javatra ianao indraindray. Koa rehefa manao fahadisoana ianao, dia mety sy ara-drariny tsotra izao raha hazonina ho tompon’andraikitra ianao. — Mpitoriteny 11:9.
Ahoana àry no tokony ho fihetsikao rehefa omen-tsiny noho ny zavatra tena naha-diso anao tokoa ianao? Ny tanora sasany dia miezaka hanao zavatra toy ny hoe niharan’ny tsy rariny tanteraka izy ireo. Mitabataba izy ireo hoe manome tsiny azy noho ny zava-drehetra ny ray aman-dreniny. Ny vokany? Mampiasa fepetra mafy kokoa ireo ray aman-dreny kivy, mba hahatakaran’ireo zanaka ny fananaran’izy ireo. Manome izao torohevitra izao ny Baiboly: “Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Anaka, mihainoa ny ana-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao”. (Ohabolana 1:7, 8). Rehefa miaiky ny fahadisoanao ianao sy manao ireo fiovana ilaina, dia afaka miana-javatra avy amin’ireo fahadisoanao ianao. — Hebreo 12:11.
“Resaka tsiambaratelo” amin’ny ray aman-dreny
Zavatra iray hafa tanteraka anefa, rehefa omen-tsiny noho ny zavatra tsy naha-diso anao akory ianao, na rehefa tsy mety lefy ny fanomezan-tsiny. Mora takatra ny mety hahatezitra anao. Mety halaim-panahy mihitsy aza ianao tsy hitondra tena amin’ny fomba tsara, ka hanatsoaka hevitra hoe efa tsy maintsy ho voateny ihany tsinona. (Mpitoriteny 7:7). Kanefa, mandratra ny rehetra ny fanaovan-javatra amin-kasosorana. (Ampitahao amin’ny Joba 36:18.) Manondro fomba iray tsara kokoa handaminana ny raharaha ny Ohabolana 15:22, amin’ny filazana hoe: “Ho foana ny fikasana, raha tsy misy [resaka tsiambaratelo, NW ]”. Eny, fomba iray hanovana ny fomba itondran’ny ray aman-dreninao anao ny famelana azy ireo hahalala izay tsapanao.
Voalohany aloha, dia mitadiava izay antsoin’ny Baiboly hoe “andro mahamety”. (Ohabolana 15:23). Manolo-kevitra toy izao ilay mpanoratra atao hoe Clayton Barbeau: “Mifidiana fotoana sy toerana maha-tony anareo rehetra sy ahatsapanareo ho metimety tsara.” Fanampin’izany, dia mampitandrina toy izao ny Baiboly: “Ny teny maharary mahatonga fahasosorana.” (Ohabolana 15:1). Koa miezaha hampiseho hatsaram-panahy sy fanajana eo amin’ny fampidiran-dresakao, fa tsy ho mpila ady. Halaviro ny ho tezitra. (Ohabolana 29:11). Aza mamelively ny ray aman-dreninao (‘Ianareo manome tsiny ahy foana noho ny zava-drehetra!’), fa miezaha kosa hanazava hoe inona no tsapanao noho ny fanomezan-tsiny tsy an-kijanona ataon’izy ireo. (‘Mahatsapa fahasosorana momba ny tenako aho rehefa voateny noho ny zavatra tsy naha-diso ahy akory.’) — Ampitahao amin’ny Genesisy 30:1, 2.
Azo lazaina koa ny toy izany rehefa tezitra ireo ray aman-dreninao, noho ny tsy fahazoan-kevitra. Nanjary sorena ny ray aman-drenin’i Jesosy tanora indray mandeha, rehefa tsy fantatra izay nalehan’izy io. Tsy nimonomonona na nitaraina anefa i Jesosy. Nanazava ilay tarehin-javatra tamim-pahatoniana izy. (Lioka 2:49). Nahoana raha miezaka hifampiraharaha amin’ny ray aman-dreninao araka ny fomban’olon-dehibe, rehefa misy zavatra manorisory anao? Aoka ho takatrao fa fiahiany anao matoa sorena izy ireo! Mihainoa amim-panajana. (Ohabolana 4:1). Andraso ho tonitony ny toe-javatra vao manazava ny fomba fijerin’ny tenanao ilay raharaha.
‘Fizahan-toetra ny asan’ny tenanao’
Nahoana anefa ny ray aman-dreny sasany no mirona voalohany indrindra ho maika hanao fanatsoahan-kevitra diso momba ireo zanany? Raha tsorina ny marina, dia ny tanora indraindray no manao izay hampiahiahy ny ray aman-dreniny. Hoy ny Ohabolana 20:11: “Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin’ny fanaony na madio sy mahitsy ny fitondrantenany.” Laza inona no naorinao eo anatrehan’ireo ray aman-dreninao? Nampiseho anao ho “mahitsy” sy manao zavatra amim-pitandremana ve ny ‘fanaonao’? Sa nampiseho anao ho olona tsy miraharaha sy tsy mahatsapa andraikitra? Raha ireo farany ireo no izy, dia aza gaga raha matetika ny ray aman-dreninao no maika hanao fanatsoahan-kevitra diso momba anao. “Hilaza ny marina aho”, hoy ny fieken’i Ramon, ilay zatovolahy voalaza tetsy ambony, momba ny fanakianan’ny ray aman-dreniny. “Indraindray dia nisy fahamarinana kely ihany tao amin’ny fiahiahian’izy ireo.”
Raha izany no izy ny aminao, ny hany zavatra azonao atao dia ny miezaka hampanadino ny zavatra nataonao tamin’ny lasa. Amin’ny fananana fitondran-tena mendri-pitokiana sy mampiseho fahaiza-mandray andraikitra, dia mety hampiaiky tsikelikely ny ray aman-dreninao ianao fa nanao fiovana, ary azo itokiana.
Manazava io hevitra io ny ohatra ny amin’i Ramon. Nanome azy tamim-pitiavana anaram-bosotra hoe ilay profesora lasam-borona ny namany sy ny fianakaviany, noho izy nirona hanadinodino zavatra. Nametaka anarana mahasosotra, toy ny hoe “tsy matotra” na “tsy mahatsapa andraikitra” taminao ve ny ray aman-dreninao? Araka ny fanamarihan’ilay mpanoratra hoe Kathleen McCoy, dia mety hihevitra ny ray aman-dreny fa ny anarana toy izany dia ampiasaina mba “hanasongadinana izay tsy mety, mba hahafahan’ny zatovo iray hahita azy io sy hanova azy”. Raha ny tena izy anefa, dia matetika ny anarana apetaka toy izany no miteraka fahatezerana lalina. Na dia izany aza, dia nanjary takatr’i Ramon fa marim-pototra ilay anaram-bosotra. “Nifantoka tamin-javatra tokana foana ny saiko, hany ka nanarinary zavatra toy ny lakile na ny entimodiko, sy nanadino ny raharaha tao an-trano aho”, hoy ny fiekeny.
Koa nanomboka nanao fiovana i Ramon. “Nanomboka nianatra ny atao hoe andraikitra sy zavatra omena loha laharana aho”, hoy ny tsaroany. “Nanao fandaharam-potoana aho ary nanomboka nihevitra ny fianarana manokana ny Baiboly ho zava-dehibe kokoa. Nianarako fa mihevitra ny zavatra madinika, ary koa ny zavatra lehibe, ho zava-dehibe, i Jehovah.” (Lioka 16:10). Tamin’ny fampiharana ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly no nanafoanan’i Ramon tamin’ny farany ny lazany ho mpanadinodino. Nahoana raha miezaka hanao toy izany koa? Ary raha tena manelingelina anao ny anarana apetaka na ny anaram-bosotra iray, dia resaho amin’ny ray aman-dreninao izany. Angamba hahita ny zavatra araka ny fomba ahitanao azy izy ireo.
Rehefa toa misy fiangarana
Indraindray dia toa misy fiangarana ao ambadik’ilay fanomezan-tsiny. Hoy ny tsaroan’i Ramon: “Mody alina ireo zokiko lahy na vavy, ary tsy mba bedy. Raha izaho no mody alina, dia mahita raharaha.” Tsaroan’i Albert, lehilahy iray avy any Guyane, fa nanana fihetseham-po nitovy tamin’izany koa izy rehefa nihalehibe. Ny fahitany azy dia toa hoe tamin’ny fomba henjana kokoa no nanafaizan’ny reniny azy, noho ny nataony tamin’ny rahalahiny.
Kanefa tsy araka ny fahitana azy foana ny zavatra. Matetika ny ray aman-dreny no manome fahalalahana bebe kokoa ho an’ny zokiny kokoa, tsy noho ny fiangarana, fa satria fotsiny ireo ray aman-dreny mahatsapa fa hanao zavatra amim-pahatsapana andraikitra izy ireo. Na mety hisy tarehin-javatra manokana tafiditra. Miaiky i Albert fa tsy nampiharana famaizana ara-batana ny rahalahiny satria izy io “kely sy farofy”. Fiangarana avy amin’ny ray aman-dreny ve ny fanekeny fa mety hanana zavatra ilaina na fetra manokana ny zanaka iray?
Mazava ho azy, fa indraindray dia tena misy zanaka tian’ny ray aman-dreny kokoa. (Ampitahao amin’ny Genesisy 37:3.) Hoy i Albert momba ilay rahalahiny farofy: “Nanana firaiketam-po manokana taminy i Neny.” Soa ihany fa afaka miitatra ny fitiavana kristiana. (2 Korintiana 6:11-13). Koa na dia manana “firaiketam-po manokana” amin’ny iray amin’ireo mpiray tam-po aminao aza ny ray aman-dreninao, dia tsy midika akory izany fa tsy misy fitiavana tavela ho anao intsony. Ny tena fanontaniana hodinihina dia izao: Mitondra anao tsy ara-drariny ve izy ireo, ka manome tsiny anao, noho ny firaiketam-po an-jambany amin’ny iray tam-po aminao iray? Raha toa izany no izy, dia ampahafantaro azy ireo tokoa izay tsapanao. Amin’ny fomba tony sy araka ny antonona, dia manomeza ohatra voafaritra tsara ny amin’izay nahatsapanao fa nampisehoan’izy ireo fiangarana. Angamba hihaino izy ireo.
Fianakaviana manan-java-manahirana
Ekena fa tsy ny tarehin-javatra rehetra no mora ovana. Ho an’ny ray aman-dreny sasany, dia fahazarana efa latsa-paka ny fanaovana izay hahasanganehana sy ny fanomezan-tsiny. Mety ho izany indrindra no izy eo amin’ireo ray aman-dreny manan-java-manahirana ara-pihetseham-po na miady amin’ny fahazarana manandevo. Ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany, dia tsy misy soa firy azo avy amin’ny fanandramana hifanazava ny amin’ilay raharaha. Raha toa izany no izy ny aminao, dia aoka ho takatrao fa tsy azonao fehezina ireo zava-manahirana ny ray aman-dreninao, ary azo inoana fa mety ho tsy azo alamina raha tsy misy fanampiana avy any ivelan’ny fianakaviana. Ny tsara indrindra mety ho azonao atao dia ny manome voninahitra sy haja sahaza azy ireo, ary ny miezaka hanalavitra fifandonana tsy ilaina. (Efesiana 6:1, 2). Hoy ny Ohabolana 22:3 hoe: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery”.b
Etsy an-danin’izany, dia mitadiava fanohanana avy any ivelan’ny fianakaviana. Miresaha amin’olon-dehibe matotra, angamba loholona kristiana iray. Ny fiheverana feno fitiavana avy amin’ny olona toy izany dia mety ho afaka handray anjara betsaka mba hanafoanana ilay fihetseham-po hoe ianao foana no diso. Etsy an-danin’izany, dia “manatòna an’Andriamanitra”. (Jakoba 4:8). Na dia mety hanome tsiny anao tsy ara-drariny aza ny hafa, ‘[Andriamanitra] dia tsy mandaha-teny mandrakariva, na mitahiry fahatezerana mandrakizay. Fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika’. (Salamo 103:9, 14). Afaka manampy anao hiaritra fanomezan-tsiny tsy ara-drariny ny fahalalana fa sarobidy eo imason’Andriamanitra ianao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana no Izaho Foana no Diso?”, niseho tao amin’ny nomeraonay tamin’ny 8 Aogositra 1997.
b Jereo ny lahatsoratra hoe “Les jeunes s’interrogent... Comment supporter les propos outrageants”, ao amin’ny nomerao tamin’ny 8 Jona 1989, amin’ny teny frantsay. Jereo koa ny fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Teny Mandratra Ovana ho Teny Manasitrana”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Novambra 1996.
[Sary, pejy 21]
Ny fiekena ny fahadisoantsika dia manampy antsika hiana-javatra avy amin’ireo fahadisoantsika