Fandaharana Feno Fitiavana Nataon’i Jehovah ny Fianakaviana
“Ary noho izany no andohalehako amin’ny Ray, Izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana”. — EFESIANA 3:14, 15.
1, 2. a) Noho ny fikasana inona no namoronan’i Jehovah ny fianakaviana? b) Anjara toerana inona no tokony hotanan’ny fianakaviana ao amin’ny fandaharan’Andriamanitra amin’izao andro izao?
NAMORONA ny fianakaviana i Jehovah. Tamin’ny alalan’izy io, dia nanao zavatra bebe kokoa noho ny fanomezana fahafaham-po ny filan’olombelona namana, fanohanana na fifankahazoana am-po izy. (Genesisy 2:18). Ny fianakaviana no fitaovana hanatanterahana ilay fikasan’Andriamanitra be voninahitra hamenoana ny tany. Hoy izy tamin’ilay mpivady voalohany: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy”. (Genesisy 1:28). Ny rivo-piainam-pianakaviana mafana sy misy fanolokoloana dia hahasoa ireo zanaka maro be izay haterak’i Adama sy i Eva mbamin’ny taranany.
2 Io mpivady voalohany io anefa dia nifidy ny lalan’ny tsy fankatoavana — izay nanana vokany nanimba ny tenany sy ny taranany. (Romana 5:12). Araka izany, ny fiainam-pianakaviana amin’izao andro izao dia fanimbana endrika ny toe-piainana izay nanirian’Andriamanitra azy. Kanefa dia mbola manana toerana lehibe hatrany eo amin’ny fandaharan’i Jehovah ny fianakaviana, satria mbola fototry ny fitambaran’olona kristiana ihany. Izany akory tsy natao hilazana fa tsy ankasitrahana ny asa tsara dia tsara tontosain’ny Kristiana tsy manambady maro eo anivontsika. Ekentsika kosa ny anjara lehibe raisin’ny fianakaviana koa ho an’ny fahasalamana ara-panahin’ny fandaminana kristiana amin’ny fitambarany. Ny fianakaviana matanjaka dia manome kongregasiona matanjaka. Ahoana anefa no ahafahan’ny fianakavianao hiroborobo na dia eo aza ireo fanerena amin’izao andro izao? Ho valin’izany, dia aoka isika handinika izay ambaran’ny Baiboly ny amin’ny fandaharana momba ny fianakaviana.
Ny fianakaviana tamin’ny andron’ny Baiboly
3. Inona no anjara asan’ireo lehilahy sy vehivavy nanambady tao amin’ny fianakavian’ireo patriarka?
3 I Adama sy i Eva dia samy nanda tamim-panamavoana ny fandaharana nataon’Andriamanitra ny amin’izay ho lohany. Ny lehilahy nanam-pinoana toa an-dry Noa, Abrahama, Isaka, Jakoba, ary i Joba anefa dia naka ny toerany ara-dalàna, tamin’ny naha-loham-pianakaviana azy. (Hebreo 7:4, NW ). Ny fianakavian’ireo patriarka dia toy ny fitondram-panjakana kely iray, ka ny raim-pianakaviana dia niasa tamin’ny naha-filoham-pivavahana, mpampianatra, ary mpitsara. (Genesisy 8:20; 18:19). Nanana anjara asa lehibe koa ny vehivavy nanambady, tsy toy ny andevo, fa toy ny mpitantana mpanampy teo amin’ny ankohonana.
4. Ahoana no niovan’ny fiainam-pianakaviana teo ambanin’ny Làlan’i Mosesy, kanefa inona no mbola anjara asan’ny ray aman-dreny hatrany?
4 Rehefa nanjary firenena ny Isiraely tamin’ny 1513 al.f.i., ny lalàm-pianakaviana dia nanjary teo ambany fahefan’ny Lalàm-pirenena izay nomena tamin’ny alalan’i Mosesy. (Eksodosy 24:3-8). Ny fahefana hanao fanapahan-kevitra izao, tafiditra amin’izany ny amin’ireo raharaha nahakasika ny aina, dia nomena an’ireo mpitsara voatendry. (Eksodosy 18:13-26). Ny fisoronan’ireo Levita dia naka ny toeran’ny fanaovana sorona teo amin’ny fanompoam-pivavahana. (Levitikosy 1:2-5). Na dia izany aza, ny raim-pianakaviana dia mbola nanana anjara asa lehibe hatrany. Nampirisika ny raim-pianakaviana toy izao i Mosesy: “Aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”. (Deoteronomia 6:6, 7). Nanana hery fitaomana tena lehibe ny reny. Nandidy ny tanora toy izao ny Ohabolana 1:8: “Anaka, mihainoa ny ana-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao”. Eny, tao anatin’ilay fandaharana momba ny fahefan’ny vadiny, ny vehivavy hebreo dia afaka namoaka — sy nanao izay hanarahana — ny lalàm-pianakaviana. Tsy maintsy nohajain’ireo zanany izy na dia rehefa antitra aza. — Ohabolana 23:22.
5. Ahoana no namaritan’ny Làlan’i Mosesy ny toeran’ny zanaka tao amin’ny fianakaviana?
5 Nofaritan’ny Lalàn’Andriamanitra mazava tsara koa ny toeran’ny zanaka. Hoy ny Deoteronomia 5:16: “Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian’i Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho maro andro hianao, ary mba hahita soa any amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho anao.” Fahotana faran’izay lehibe teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy ny tsy fanajana ny ray aman-drenin’ny tena. (Eksodosy 21:15, 17). “Fa na iza na iza manozona ny rainy na ny reniny”, hoy ny Lalàna, “dia hatao maty tokoa”. (Levitikosy 20:9). Ny fikomiana tamin’ny ray aman-drenin’ny tena dia nitovy tamin’ny fikomiana tamin’Andriamanitra mihitsy.
Ny anjara asan’ny lehilahy kristiana manambady
6, 7. Nahoana ny tenin’i Paoly ao amin’ny Efesiana 5:23-29 no toa fiovana lehibe ho an’ireo mpamaky ny taratasiny tamin’ny taonjato voalohany?
6 Ny Kristianisma dia nanome fanazavana bebe kokoa ny amin’ny fandaharana momba ny fianakaviana, indrindra fa mikasika ny anjara asan’ny lehilahy manambady. Tany ivelan’ny kongregasiona kristiana, dia fahita teo amin’ireo lehilahy nanambady tamin’ny taonjato voalohany ny fitondrana ny vadiny tamin’ny fomba henjana sy nampahory. Nolavina tamin’ny vehivavy ireo zo fototra sy ny hajany. Hoy ny The Expositor’s Bible: “Ireo Grika nahita fianarana dia naka vady mba hamokaran-janaka. Ny zony dia tsy nanisy fameperana teo amin’ny filan’ny vadiny. Tsy tafiditra tao amin’ny fanekem-panambadiana ny fitiavana. (...) Tsy nanan-jo ny vehivavy noraisina ho toy ny andevo. Ny vatany dia azon’ny tompony nanaovana izay tiany.”
7 Tao anatin’ny fiaraha-monina toy izany, dia nanoratra ireo teny ao amin’ny Efesiana 5:23-29 i Paoly: “Ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena. (...) Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, (...) ny lehilahy [dia] tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy”. Ho an’ireo mpamaky tamin’ny taonjato voalohany, ireo teny ireo dia fiovana lehibe. Hoy ny The Expositor’s Bible: “Tsy nisy na inona na inona tao amin’ny Kristianisma hita ho toa vaovao kokoa sy hentitra kokoa noho ny fiheverana ny amin’ny fanambadiana, raha oharina amin’ny fanaranam-po tamin’ny fitondrantena ratsy tamin’izany fotoana izany. (...) [Izy io] dia nanokatra vanim-potoana vaovao ho an’ny taranak’olombelona.”
8, 9. Fihetsika ratsy atao amin’ny vehivavy inona avy no fahita eo amin’ireo lehilahy, ary nahoana no zava-dehibe ny anarian’ireo lehilahy kristiana ny fomba fijery toy izany?
8 Fiovana lehibe tsy latsaka noho izany, amin’izao andro izao, ny torohevitry ny Baiboly ho an’ny lehilahy manambady. Na dia eo aza ireo resaka rehetra momba ny fanafahana ny vehivavy, dia mbola heverin’ny lehilahy maro ihany ho fitaovana fahitana fahafinaretana eo amin’ny firaisana fotsiny ny vehivavy. Noho izy ireo mino ilay fiheveran-diso hoe mahafaly ny vehivavy tokoa ny anjakazakana, fehezina na ampijalina, dia misy lehilahy maro mampihatra fitondrana ratsy amin’ny vadiny, ara-batana sy ara-pihetseham-po! Fahafam-baraka toy inona ho an’ny lehilahy kristiana iray moa ny ho voataonan’ny fomba fihevitr’izao tontolo izao ka hitondra ny vadiny amin’ny fomba ratsy! “Mpikarakara momba ny asa sady nanao lahateny ampahibemaso ny vadiko”, hoy ny vehivavy kristiana iray. Izao anefa no ampahafantariny: “Vehivavy vonoam-bady aho.” Miharihary fa ny fanaovan-javatra toy izany dia tsy nifanaraka tamin’ny fandaharan’Andriamanitra. Faran’izay naningana izany lehilahy izany; nila nitady fanampiana izy mba hanaovan-javatra momba ny fipoahan’ny fahatezerany raha nanantena ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra izy. — Galatiana 5:19-21.
9 Ny lehilahy manambady dia didian’Andriamanitra mba ho tia ny vadiny toy ny tenany. Ny tsy fetezana hanao izany dia fikomiana amin’ilay fandaharan’Andriamanitra mihitsy ary mety hanimba ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Mazava ny tenin’ny apostoly Petera: “Hianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy [ny vadinareo] araka ny marina [“fahalalana”, NW ], manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa (...) mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.” (1 Petera 3:7). Ny fitondrana ny vadin’ny tena amin’ny fomba henjana dia mety hisy vokany manimba eo amin’ny fiainany ara-panahy sy eo amin’ny fiainana ara-panahin’ny zanaky ny tena.
10. Inona avy no fomba sasany ahafahan’ny lehilahy manambady mampihatra ny maha-lohany azy amin’ny fomba toy ny an’i Kristy?
10 Ry lehilahy manambady, hiroborobo ny fianakavianareo eo ambany fitarihanareo raha mampihatra izany amin’ny fomba mitovy amin’ny an’i Kristy ianareo. Tsy henjana na nampihatra fitondrana ratsy mihitsy i Kristy. Mifanohitra amin’izany, fa afaka nilaza izy hoe: “Mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.” (Matio 11:29). Afaka milaza izany ny aminao ve ny fianakavianao? Nitondra ireo mpianany toy ny sakaizany i Kristy, ary natoky azy ireo. (Jaona 15:15). Moa ve ianao manisy hajany toy izany ny vadinao? Nilaza toy izao ny amin’ilay “vehivavy tsara” ny Baiboly: “Matoky azy ny fon’ny lahy”. (Ohabolana 31:10, 11). Izany dia midika ho famelana azy hanana fahafahana sy safidy amin’ny antonony, fa tsy fitanana azy ao anatin’ny fameperana tafahoatra. Ankoatra izany, i Jesosy dia nampirisika ny mpianany hilaza ny fihetseham-pony sy ny heviny. (Matio 9:28; 16:13-15). Manao toy izany amin’ny vadinao ve ianao? Sa kosa ianao mihevitra fa fihantsiana ny fahefanao ny tsy firaisan-kevitra amim-pahatsorana iray? Amin’ny fanisiana fiheverana ny fihetseham-pon’ny vadinao fa tsy amin’ny tsy firaharahana izany, dia hampitombo tokoa ny fanajany ny maha-lohany anao ianao.
11. a) Ahoana no ahafahan’ireo raim-pianakaviana mikarakara izay ilain’ny zanany? b) Nahoana ny loholona sy mpikarakara momba ny asa no tsy maintsy mamela ohatra tsara eo amin’ny fikarakarana ny fianakaviany?
11 Raha raim-pianakaviana ianao, dia takina koa ny handraisanao ny fitarihana eo amin’ny fikarakarana izay ilain’ny zanakao eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-pihetseham-po ary ara-batana. Izany dia mahafaoka fananana fahazarana ara-panahy tsara ho an’ny fianakavianao: fiarahana miasa amin’izy ireo eo amin’ny asa fanompoana, fitarihana fampianarana ny Baiboly ao an-tokantrano, fiaraha-mandinika ny teny natao hovakina isan’andro. Mahaliana ny mahamarika fa ny Baiboly dia mampiseho hoe tokony ‘hanapaka tsara ny ankohonany’ ny loholona na mpikarakara momba ny asa iray. Ireo lehilahy manompo eo amin’izany toerana izany àry dia tokony ho loham-pianakaviana fakan-tahaka. Na dia mety hitondra enta-mavesatra noho ireo andraikitra ao amin’ny kongregasiona aza izy ireo, dia tsy maintsy manome ny toerana voalohany ho an’ny fianakaviany manokana. Nampiseho ny anton’izany toy izao i Paoly: “Raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan’Andriamanitra?” — 1 Timoty 3:4, 5, 12.
Vehivavy kristiana manambady mahay manohana
12. Anjara toerana inona no tanan’ny vehivavy ao amin’ny fandaharana kristiana?
12 Vehivavy kristiana manambady ve ianao? Raha izany dia tsy maintsy manana anjara tena lehibe ao amin’ny fandaharana momba ny fianakaviana koa ianao. Ampirisihina ny vehivavy kristiana manambady mba “ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany, hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny”. (Titosy 2:4, 5). Araka izany, dia tokony hikely aina mba ho mpikarakara tokantrano fakan-tahaka ianao, mitana ny tokantrano ho madio sy mahafinaritra ho an’ny fianakavianao. Mety hanasatra sy hanorisory indraindray ny asa ao an-trano, kanefa tsy manambany na tsy misy vidiny akory izany. Amin’ny maha-vady anao, dia “mitondra ankohonana” iray ianao, ary mety hanana fahafahana lehibe eo amin’io lafiny io. (1 Timoty 5:14, NW ). Ilay “vehivavy mahay”, ohatra, dia nividy ireo vatsy ho an’ny ankohonana, nanao raharaha mba hahazoana tany, ary nampidi-bola mihitsy tamin’ny fitantanana varotra kely. Tsy mahagaga raha nahazo ny fideran’ny vadiny izy! (Ohabolana, toko faha-31, NW ). Mazava ho azy fa ny fakàny fanapahan-kevitra toy izany dia natao tao anatin’ny fitarihan’ny vadiny tamin’ny naha-lohany azy.
13. a) Nahoana no mety ho sarotra ny fanekena ho an’ny vehivavy sasany? b) Nahoana no mahasoa ho an’ny vehivavy kristiana ny manaiky ny vadiny?
13 Mety tsy ho mora foana anefa ny fanekena ny vadinao. Tsy ny lehilahy rehetra akory no mendri-panajana. Ary mety hahay tokoa ianao eo amin’ny fitantanam-bola, eo amin’ny fanaovana volavolan-kevitra, na eo amin’ny fandaminan-javatra. Mety hanana asa fivelomana ianao ary hampidi-bola be ao amin’ny fianakaviana. Na mety ho efa nisy fomba nijalianao noho ny fanjakazakan’ny lehilahy tamin’ny lasa, ary mety ho sarotra aminao ny hanaiky lehilahy iray. Na dia izany aza, ny fanehoanao “fanajana lalina”, na “tahotra”, ny vadinao dia mampiseho ny fanajanao ny maha-lohany an’Andriamanitra. (Efesiana 5:33, NW, Kingdom Interlinear; 1 Korintiana 11:3). Tena zava-dehibe koa ny fanekena mba hahombiazan’ny fianakavianao; izany dia manampy anao tsy hitondra fihenjanana sy zava-manahirana tsy ilaina ao amin’ny fanambadianao.
14. Inona no azon’ny vehivavy manambady atao rehefa tsy miray hevitra amin’ny fanapahan-kevitra ataon’ny vadiny izy?
14 Midika ve izany anefa fa tsy maintsy mangina ianao rehefa tsapanao fa mandray fanapahan-kevitra manohitra izay mahasoa ny fianakavianao ny vadinao? Tsy voatery ho izany. Tsy nangina i Saraha vadin’i Abrahama rehefa nahatsikaritra fandrahonana ny fiadanan’i Isaka zanany. (Genesisy 21:8-10). Toy izany koa, indraindray ianao dia mety hahatsiaro ho voatery hilaza ny fihetseham-ponao. Raha atao amim-panajana “amin’ny fotoana mety” izany, dia hihaino ny lehilahy kristiana iray tia an’Andriamanitra. (Ohabolana 25:11, NW ). Raha tsy arahina anefa ny fanipazan-kevitrao, ary tsy misy fandikana lehibe fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly tafiditra, moa ve tsy hitondra fatiantoka ho an’ny tenanao ihany ny fanoherana izay irin’ny vadinao? Tsarovy fa “ny vehivavy hendry dia (...) manao [“manangana”, NW ] ny tranony; fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin’ny tànany.” (Ohabolana 14:1). Fomba iray hananganana ny tranonao ny fahaizanao manohana ny maha-lohany ny vadinao, amin’ny fiderana ny zava-bitany, kanefa kosa amin’ny fandraisana ireo fahadisoany amim-pahatoniana.
15. Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahan’ny vehivavy mandray anjara amin’ny fifehezana sy ny fampiofanana ny zanany?
15 Ny fomba hafa iray hananganana ny tranonao dia ny fandraisana anjara koa amin’ny fifehezana sy ny fampiofanana ny zanakareo. Ohatra, afaka manao ny anjaranao ianao amin’ny fitanana ny fianaram-pianakaviana mifototra amin’ny Baiboly tsy ho tapatapaka sy hampandroso. “Aza atsahatra ny tànanao” raha ny amin’ny fizarana ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny zanakareo amin’ny toe-javatra rehetra — rehefa mandeha lavitra na rehefa miara-miantsena aminy fotsiny. (Mpitoriteny 11:6). Ampio izy ireo hanomana ny valin-teniny amin’ireo fivoriana sy ny anjarany amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Araho maso izay ifaneraserany. (1 Korintiana 15:33, NW ). Raha ny amin’ny raharaha mahakasika ireo fari-pitsipika sy ny fifehezana araka an’Andriamanitra, dia ataovy fantatry ny zanakao fa miray saina ianao sy ny vadinao. Aza avela hampifanohitra anareo mivady izy ireo mba hanaovany izay tiany.
16. a) Ohatra ao amin’ny Baiboly inona no natao mba hampaherezana ireo mitaiza irery ny zanany na ireo manambady tsy mpino? b) Ahoana no azon’ny hafa ao amin’ny kongregasiona itondrana fanampiana ho an’ny olona toy izany?
16 Raha mitaiza irery ny zanakao ianao na manambady tsy mpino, dia azonao atao tsara ny mandray ny fitarihana eo amin’ny lafiny ara-panahy. Mety ho sarotra izany, ary hahakivy mihitsy aza indraindray. Aza milavo lefona mihitsy anefa. I Eonika renin’i Timoty dia nahomby teo amin’ny fampianarana azy ny Soratra Masina “hatry ny fony vao zaza”, na dia nanambady tsy mpino aza izy. (2 Timoty 1:5; 3:15). Ary misy maro eo anivontsika mahita fahombiazana toy izany. Raha mila fanampiana amin’io lafiny io ianao, dia azonao ampahafantarina an’ireo loholona izay ilainao. Mety ho afaka hanao fandaharana izy ireo mba hanampian’ny olona iray anao ho tonga any amin’ny fivoriana sy hivoaka eny amin’ny asa fanompoana. Mety hampirisika ny hafa izy ireo mba hampiditra ny fianakavianao ao amin’ireo fitsangantsanganana na fiarahana natao hialana voly. Na mety hanao fandaharana izy ireo mba hisian’ny mpitory za-draharaha iray hanampy anao mba hanomboka fianaram-pianakaviana.
Ankizy mahay mankasitraka
17. a) Ahoana no ahafahan’ny tanora mandray anjara amin’ny fanasoavana ny fianakaviana? b) Ohatra inona no navelan’i Jesosy tamin’io lafiny io?
17 Afaka mandray anjara amin’ny fanasoavana ny fianakaviana ny tanora kristiana amin’ny fanarahana ilay torohevitra ao amin’ny Efesiana 6:1-3 manao hoe: “Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany. ‘Manajà ny ray sy ny reninao’ (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), ‘mba hahita soa hianao sy ho maro andro ambonin’ny tany’.” Amin’ny fiarahanao miasa amin’ireo ray aman-dreninao, dia mampiseho ny fanajanao an’i Jehovah ianao. I Jesosy Kristy dia tanteraka, ary mety ho nanjohy hevitra mora foana izy hoe tsy mendrika ny hajany ny fanekena ray aman-dreny tsy tanteraka. Kanefa dia “nanoa azy [izy]. (...) Ary Jesosy nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’Andriamanitra sy ny olona.” — Lioka 2:51, 52.
18, 19. a) Inona no dikan’ny hoe manaja ny ray aman-drenin’ny tena? b) Ahoana no ahafahan’ny tokantrano ho tonga toerana mamelombelona?
18 Moa ve ianao tsy tokony hanaja ny ray aman-dreninao toy izany koa? Ny hoe “manaja” eto, dia midika hoe manaiky fahefana miorina ara-dalàna. (Ampitahao amin’ny 1 Petera 2:17.) Amin’ny ankamaroan’ny tarehin-javatra, ny fanajana toy izany dia tokony homena na dia tsy mpino na tsy manome ohatra tsara aza ny ray aman-drenin’ny tena. Tokony hanaja bebe kokoa ireo ray aman-dreninao ianao raha Kristiana fakan-tahaka izy ireo. Tsarovy koa fa ny fifehezana sy ny fitarihana omen’ny ray aman-dreninao dia tsy natao hameperana anao amin’ny fomba tafahoatra akory. Natao hiaro anao kosa izy ireny mba hahafahanao “ho velona”. — Ohabolana 7:1, 2.
19 Koa fandaharana feno fitiavana toy inona moa ny fianakaviana! Rehefa samy manaraka ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fianakaviana ireo lehilahy sy vehivavy manambady ary ny zanaka, dia manjary toerana tsy ahitana ahiahy sy mamelombelona ny tokantrano. Na dia izany aza, dia mety hipoitra ny zava-manahirana momba ny fifampiresahana sy ny fampiofanana ny ankizy. Miresaka ny amin’ny fomba azo andaminana ny sasany amin’izany zava-manahirana izany ny lahatsoratra manaraka.
Tadidinao Ve?
◻ Modely inona no navelan’ireo lehilahy sy vehivavy nanambady ary ireo zanaka natahotra an’Andriamanitra tamin’ny andron’ny Baiboly?
◻ Fanazavana bebe kokoa inona avy no nomen’ny Kristianisma momba ny anjara asan’ny lehilahy manambady?
◻ Anjara toerana inona no tokony hotanan’ny vehivavy ao amin’ny fianakaviana kristiana?
◻ Ahoana no ahafahan’ny tanora kristiana mandray anjara amin’ny fanasoavana ny fianakaviana?
[Sary, pejy 9]
“Tsy nisy na inona na inona tao amin’ny Kristianisma hita ho toa vaovao kokoa sy hentitra kokoa noho ny fiheverana ny amin’ny fanambadiana, raha oharina amin’ny fanaranam-po tamin’ny fitondrantena ratsy tamin’izany fotoana izany. (...) [Izy io] dia nanokatra vanim-potoana vaovao ho an’ny taranak’olombelona”
[Sary, pejy 10]
Ireo lehilahy kristiana manambady dia mampirisika ny vadiny hilaza ny fihetseham-pony, ka manisy fiheverana an’ireny fihetseham-po ireny