Ny fomba hiatrehana ny fihaikana mahakasika ny fitsipi-pitondrantena ateraky ny fahantrana
“MAHANTRA ny olona satria kamo”, hoy ny nohantitranterin’ny dokotera afrikana iray. “Feno olona midonana-poana ny tanàna. Raha tena nila asa tokoa izy ireny dia ho afaka nahita. Tsy misy olona voatery ho ao anatin’ny fahantrana amin’izao andro izao.”
Tsy misy isalasalana mihitsy fa kamo ny olona sasany ary afaka mitarika ho amin’ny fahantrana ny hakamoana. Hoy ny Baiboly hoe: “Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, mbola hanohon-tànana kely hatory; dia ho tonga toy ny mimaona hamely ny alahelonao, ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.” (Ohabolana 24:33, 34). Kanefa, misy mahantra maro be tsy kamo velively. Hevero, ohatra, ny amin’ilay lehilahy nanoratra toy izao: “Mandraka ankehitriny izao dia noana sy mangetaheta sy tsy manan-kitafy sy asiana totohondry ary tsy manana antom-ponenana izahay.” (1 Korintiana 4:11). Mpidonana-poana tsy azo nositranina ve izy io? Tsy izany mihitsy. Ireo teny ireo dia nosoratan’ny apostoly Paoly. Nifidy ny hanana fiainana voafetra teo amin’ny ara-bola izy mba hahafahany hanohy tsara kokoa ny fanompoana kristiana. Ny sasany tamin’ireo fihafiany koa dia avy tamin’ireo toe-javatra tsy azony nihoarana, toy ny fanenjehana ara-pivavahana.
Amin’izao andro izao, ny ankamaroan’ireo mahantra eo amin’izao tontolo izao, dia iharan’ny toe-javatra tsy azony ihoarana — angamba izany tsy fahampian’ny fianarana, tsy fahombiazan’ny toe-karena eo an-toerana, na fiovana lehibe ara-politika. Maro be no miasa mafy vao maraina be ka hatramin’ny alina be ary zara raha mahavita mivelona. Ireo fahafahana hahazo vola amin’ny alalan’ny fanao tsy marina amin’izay dia mety ho toa manintona, ary tsy maintsy atao mihitsy aza. Mety hanjohy hevitra ny sasany fa manamarina ny fiverenana ilalana indraindray ho amin’ny fitondrantena ratsy ny Baiboly! Rehefa dinihina tokoa, dia miteny toy izao izy io: “Tsy manamavo ny mpangalatra ny olona satria mangalatra hahavoky ny fanahiny izy rehefa noana.” Ary nivavaka toy izao ny lehilahy hendry iray: ‘Fandrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra.’ — Ohabolana 6:30, MN; 30:8, 9.
Fanaovana ny marina — ny fiheveran’ny Baiboly
Moa ve ireo andinin-tenin’ny Baiboly ireo maneho fankasitrahana an-kolaka ny tsy fanaovana ny marina? Aoka ireo hodinihintsika ao amin’ny teny manodidina azy. Rehefa avy niaiky izy fa tsy manamavo mpangalatra iray mangalatra mba hahavoky ny kibo noana ny olona, dia manohy ny teniny toy izao ny Ohabolana 6:31: “Fa raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, rehefa tratra ilay mpangalatra, dia miatrika ny famaizana feno avy amin’ny lalàna. Mizaka ny vokatry ny heloka nataony izy! Tsy mampirisika ny fangalarana àry izany ireo teny ireo, fa mampitandrina ny olona mahantra kosa fa ny fangalarana dia mety hiteraka fahavoazana ara-bola amboniny, fahafaham-baraka ho an’ny tenany sy ny fianakaviany, ary fahaverezan’ny hajan’ny tenany.
Nefa ahoana ny amin’ny vavak’ilay lehilahy hendry? Nangataka izy mba tsy ho tonga mahantra sy ‘hangalatra ka hanamavo ny anaran’Andriamanitra [Andriamaniny]’. (Ohabolana 30:9). Eny, ny tsy fanaovana ny marina ataon’ny olona iray milaza fa manompo an’i Jehovah dia afaka mitondra fahafaham-baraka ho an’ny anaran’Andriamanitra sy ny kongregasionan’ny olony. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va hianao?” Raha toa ka nangalatra ny milaza ho kristiana sasany, dia mety hiteraka ‘fitenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra any amin’ny jentilisa’ izany. — Romana 2:21, 24.
Noho ny antony tsara àry no ilazan’ny Baiboly hoe: “Ny malahelo izay mandeha amin’ny fahitsiany dia tsara noho ny manan-karena izay mivadika ka mandeha amin’ny làlana miolikolika.” (Ohabolana 28:6). Na dia tsy ampy sakafo aza ny tenany indraindray, ny apostoly Paoly dia tsy nanala tsiny na nitodika ho amin’ny fanaovana ny tsy marina mihitsy. Mifanohitra amin’izany, fa nanoratra toy izao izy: “Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.” — Efesiana 4:28.
Ny vahaolana: fatokiana an’Andriamanitra
Ahoana ny amin’ireo izay miasa mafy nefa tsy afaka mahazo karama ampy mba hamelomana ny ankohonany? Moa ve azo hamarinina ny tsy fanaovana ny marina na ny halatra mihitsy aza, amin’ny toerana misy azy ireo, indrindra fa raha toa ny aretina ka mamely ny mpikambana iray ao amin’ny fianakaviana na misy fisehoan-javatra hafa mitranga? Misy olona mihevitra toy izany. Niteny toy izao ny olona iray monina ao amin’ny tany iray atsy Afrika: “Eto amin’ny taninay, raha manao ny marina ianao dia tsy ho velona. Raha te ho velona ianao dia tsy maintsy mivily lalana kely eo amin’ny fomba fiainanao.”
Kanefa, manerana an’i Afrika, dia fahitan’ny olona iray matetika ny teny hoe “Matokia an’Andriamanitra” voasoratra amin’ny loko eny amin’ny kamiao, aseho eny amin’ny petadrindrina, ary voasoratra amin’ny sary azo afindra sy ny taratasy kely fametaka amin’ny fiara. Ny Baiboly koa aza dia miteny hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra.” (Ohabolana 3:5). Tsy afaka ny hifanaraka na oviana na oviana amin’izany fampirisihan’ny Baiboly izany ny fanaovana ny tsy marina. Nefa moa ve ny fatokiana an’Andriamanitra tena valinteny azo ampiharina amin’ny zava-tsarotra tsy maintsy resena mahakasika ny fitsipi-pitondrantena ateraky ny fahantrana tokoa?
Tamin’ny naha-minisitr’Andriamanitra azy, ny apostoly Paoly dia niharan’ny zava-tsarotra toy ny ‘hanoanana sy hetaheta, fifadian-kanina, hatsiaka, ary fitanjahana.’ (2 Korintiana 11:27). Azo antoka fa tsy maintsy nanontany tena ny amin’ny fomba hahavelona azy i Paoly! Nefa rehefa avy nanaraka ny fomba fiaina kristiana nandritra ny 25 taona teo ho eo izy, dia afaka nanoratra toy izao: “Mahalala hietry [amin’ny tsy fahampian-tsakafo, MN] aho, ary mahalala hitombo [ny hanam-be, MN]; na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo. Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.” (Filipiana 4:12, 13). Eny, natoky an’Andriamanitra i Paoly.
Takatr’i Paoly fa tsy teny poaka aty sy feno nofinofy fotsiny akory ireo fotopoto-pitsipiky ny Soratra masina. Izy ireo dia toromarika avy amin’ny Andriamanitra velona iray maniry mafy ny hanampy sy hanohana ireo izay mikatsaka ny hampihatra azy. Hoy ny mpaminany fahiny iray: “Ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.” — 2 Tantara 16:9.
Notahina noho ny fatokiana an’Andriamanitra
Nahoana no sarotra aoka izany ho an’ny ankamaroan’ny olona ny matoky an’Andriamanitra? Tsy isalasalana fa satria tsy nanome azy ireny antony ampy hanaovana toy izany ny fivavahany. Ireo fiangonana dia nampiseho an’Andriamanitra ho tsy manana anarana, an’eritreritra ihany, tsy manana ny maha-izy azy, tsy takatry ny sain’olombelona. Nefa tamin’ny alalan’ny fianarana ny Baiboly, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tonga tamin’ny fahafantarana an’Andriamanitra, tsy amin’ny maha-hery an’eritreritra fotsiny azy, fa amin’ny maha-Persona manana anarana azy. (Salamo 83:18; Hebreo 9:24, MN). Nianaran’izy ireo fa manana toetra tsara mahatonga azy ho mendrika ny fatokiantsika izy. Ohatra, araka ny Eksodosy 34:6, Jehovah dia “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana.” Matoky an’Andriamanitra ny Vavolombelona sady mahafantatra fa ‘be fahamarinana’ izy. Araka izany, izy ireo dia manana fatokiana feno ny fampanantenany ny hampiditra tontolo vaovao iray tsy hahitana ny fahantrana mampahory izay mampijaly mafy ny taranak’olombelona ankehitriny. — 2 Petera 3:13.
Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro àry no nampiseho fa azo atao ny matoky an’Andriamanitra. Ohatra, i Rosaline, Vavolombelona iray any Sierra Leone, dia miasa mafy manomboka amin’ny dimy maraina ka hatramin’ny alina be mba hahazoana sakafo sy fitafiana ho azy sy ny zanany enina. Izao no lazainy: “Olona maro be no miteny fa tsy azo atao ny miaina amim-pahamarinana, nefa fantatro fa tsy marina izany. Manana olana aho indraindray ary tsy fantatro ny fomba hamahana azy. Nefa fantatro fa raha miaina amim-pahamarinana aho dia handeha tsara daholo ny zavatra rehetra ho ahy. Miezaka mafy àry aho mba tsy hampahatezitra an’i Jehovah.”
Hoy ny mpanoratra iray: “Ny olona mahantra iray tsy manan-kohanina dia mila kokoa ny homena fanantenana (...) fa tsy mofo.” Eny, ny tsy fisian’ny fanantenana, ny famoizampo, ary ny alahelo maharitra dia fahoriana mety hampanaintaina kokoa noho ny hanoanana. Nefa ny olona tonga amin’ny fahafantarana sy fatokiana an’Andriamanitra dia tsy voatery ho resin’ny famoizampo. “Miasa mafy aho ankehitriny”, hoy i Rosaline, manampy ny teniny, “nefa mahatsapa fifaliana aho satria fantatro fa ho avy ny andro izay tsy hahavoatery ahy hiasa mafy toy izao intsony. Ankehitriny aho dia miasa mba hahazoana sakafo ho ahy sy ny ankohonako, nefa ao amin’ny tontolo vaovaon’i Jehovah, dia ho tondraka ny sakafo. Ankehitriny àry aho dia manana fanantenana sy fifaliana izay tsy nananako mihitsy talohan’ny nahalalako an’i Jehovah.” — Ampitahao amin’ny Isaia 25:6; Apokalypsy 21:3, 4.
Marina fa mety mbola hiharan’ny fanerena ara-bola toy ny nanjo ny apostoly Paoly ireo izay matoky an’Andriamanitra. Nefa tsy voatery handika ny lalàn’Andriamanitra na oviana na oviana izy ireny mba hahavelomana ihany eo amin’ny ara-bola. Hoy i Davida mpanao salamo: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.” (Salamo 37:25). Eny, miahy sy mitahy ireo izay mametraka ny tombontsoany eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany Andriamanitra. — Matio 6:25-33.
Raha mahantra àry ianao, dia “aza ketraka amin’ny fanaovana izay tsara”. (2 Tesaloniana 3:13, MN). Aza mampandefitra ireo fitsipi-pitondrantena na oviana na oviana. Manorena fifandraisana amin’Andriamanitra ary miantehera aminy mba hanampiany anao handresy ireo olana sy zava-tsarotra eo amin’ny fiainana. Ireo izay manompo an’i Jehovah sady matoky azy tsy amim-pisalasalana kely akory dia ampirisihina toy izao: “Manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’andro; ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.” — 1 Petera 5:6, 7.
[Teny notsongaina, pejy 6]
“Ny olona mahantra iray tsy manan-kohanina dia mila kokoa ny homena fanantenana (...) fa tsy mofo”
[Sary, pejy 7]
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manampy ny olona hametraka ny fitokiany amin’Andriamanitra