Ny Fiheveran’ny Baiboly
Moa ve ny Fahantrana Manamarina ny Fangalarana?
“Ny fahantrana dia fahavalo iray lehibe ho an’ny fahasambaran’ny olombelona; tena manimba ny fahafahana hifaly izy io, ka mahatonga ireo toetra tsara tsy hitranga mihitsy na ho sarotra aseho.” — Samuel Johnson, mpanoratra tamin’ny taonjato faha-18.
NILAZA toy izao ilay mpitondra fanjakana romana atao hoe Magnus Aurelius Cassiodorus: “Ny fahantrana no loharanon’ny heloka bevava.” Ireo fomba fijery ireo dia toa milaza fa ny heloka bevava sasany dia vokatra ara-dalàna ateraky ny fahantrana. Maro amin’izao andro izao no hita fa miray hevitra amin’izany, indrindra raha fangalarana ilay heloka bevava natao.
Fahita matetika tokoa ny finoana fa ny fanaovana tsindry hazo lena dia manamarina ny fangalarana. Hevero ireo hira anglisy nalaza tamin’ny taonjato faha-14, nilazalaza an’i Robin des Bois ho malaza ho tsy mpanara-dalàna, nangalatra tamin’ireo mpanan-karena ka nizara izay azony tamin’ny mahantra. Nandritra ny taonjato maro, dia noheverina ho toy ny olona mahery fo izy.
Ekena fa maro amin’izao andro izao no mandalo fahasahiranana lehibe ara-bola. Vao haingana, dia nanao tatitra ny Banky Iraisam-pirenena fa misy olona 1 300 tapitrisa tsy mahazo afa-tsy latsaka ny iray dolara (tokony ho 5 000 FMG amin’izao fotoana izao) isan’andro. Tamin’ny fanadihadiana iray natao, dia 70 isan-jaton’ireo mponina any Philippines no nilaza ho mihevitra ny tenany ho mahantra. Any Brezila, ireo olona manankarena indrindra, 20 isan-jaton’ny mponina, dia mahazo vola avo 32 heny noho ireo mponina 20 isan-jato mahantra indrindra. Afaka manakivy ny olona izany tarehin-javatra izany, hany ka mampiasa ny fomba rehetra azony ampiasaina izy ireo, hatramin’ny fangalarana aza, mba hanomezana fahafaham-po fotsiny ny fivelomany isan’andro.
Ny Baiboly dia manameloka mazava ny fangalarana. Ny fahavalo amin’ny Didy Folo, dia milaza hoe: “Aza mangalatra.” (Eksodosy 20:15). Maro amin’ireo mino ny Baiboly anefa no mirona hanamarina ny fangalarana rehefa ny toe-javatra ara-toe-karena mampahonena no nanosika ilay mpangalatra.
Izany dia mampipoitra fanontaniana lehibe toy ny hoe: Tena manamarina ny fangalarana ve ny fahantrana? Inona no tokony hataon’ny olona iray raha miaina ao anatin’ny fahasahiranana lehibe ara-bola ny tenany? Ahoana raha manan-janaka marary na noana mila ny hokarakaraina izy? Moa ve i Jehovah Andriamanitra hanome lalana hangalatra amin’ny tarehin-javatra toy izany, indrindra fa raha toa ilay zavatra angalarina ka avy amin’ny olona iray tsy hahatsapa akory ny tsy maha-eo azy io?
Inona no lazain’Andriamanitra?
Koa satria i Jesosy nanome taratry ny toetran’ny Rainy, ny ohatra navelany dia manampy antsika hahatakatra ny fomba fijerin’Andriamanitra. (Jaona 12:49). Fony izy teto an-tany, i Jesosy dia tena feno fangoraham-po tamin’ny fifampiraharahany tamin’ireo nahantra. Milaza ny Baiboly fa “nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo”. (Matio 9:36). Na izany aza, dia tsy nanala tsiny na oviana na oviana ny fangalarana izy, na tamin’ny tarehin-javatra inona izany na tamin’ny tarehin-javatra inona. Mitovy amin’izany koa, na dia maneho fiheverana ireo mahantra aza Andriamanitra, dia tsy mihevitra ny fahantrana ho fanamarinana ny fangalarana izy. Ao amin’ny Isaia 61:8, dia milaza amintsika ny Baiboly fa ‘mankahala ny fandrombahana amin’ny faharatsiana’ Andriamanitra. Ary nilaza mazava ny apostoly Paoly fa ny mpangalatra dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra. Noho izany, dia tsy navela ho ao anatin’ny fisalasalana isika raha ny amin’ny fomba fijerin’Andriamanitra. — 1 Korintiana 6:10.
Kanefa, ny Ohabolana 6:30 (Fandikan-teny Katolika) dia milaza fa “tsy misy manafoka ny mpangalatra mandroba hialany hanoanana, raha tsy manan-kohanina izy”. Moa ve izany filazana izany manala tsiny ny fangalarana? Tsy izany mihitsy. Ny teny manodidina dia mampiseho fa Andriamanitra dia mbola mihazona ilay mpangalatra ho mendrika hahazo sazy noho ny fahadisoany. Milaza toy izao ny andininy manaraka: “Raha azo, dia hanonitra avo fito heny izy, ka hanome ny fananany rehetra ao an-tranony.” — Ohabolana 6:31, Kat.
Na dia mety tsy homena tsiny mitovy amin’ireo mpangalatra noho ny fierenana na ny fikasana hampitondra faisana an’ilay olona nangalarany aza ireo mangalatra noho ny hanoanana, ireo izay maniry ny fankasitrahan’Andriamanitra, dia tsy tokony ho meloka noho ny fangalarana na karazany inona izany na karazany inona. Na dia ao anatin’ny fahantrana tena lehibe aza, ny fangalarana dia manala baraka an’Andriamanitra. Milaza izany toy izao ny Ohabolana 30:8, 9: ‘Fahano aho amin’izay anjara-hanina sahaza ho ahy; andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra ka hanamavo ny anaran’Andriamanitro.’ Eny, manala baraka ny anaran’Andriamanitra ny mpangalatra. Koa satria fanaovan-javatra tsy maneho fitiavana ny fangalarana, dia fahotana izy io, na natao tamin’ny mpanan-karena izany na natao tamin’ny mahantra. Ho an’ireo izay tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy, ny fangalarana dia tsy azo hamarinina na oviana na oviana. — Matio 22:39; Romana 13:9, 10.
Tsy araka ny fandrindran-kevitra ilay fiheverana hoe ny olona iray tsy nambinina dia manana zo hangalatra. Ny fitenenana an’izany dia mitovy be dia be amin’ny filazana fa ny atleta iray tsy dia matanjaka ara-batana loatra dia manana zo hampiasa zava-mahadomelina voarara mba hahafahany handresy. Na dia mandresy aza izy, dia nampiasa fomba tsy marina. Hihevitra araka ny tokony ho izy ny hafa fa naka ny fandresen’izy ireo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna izy. Mitovy amin’izany koa amin’ny mpangalatra. Maka izay an’ny hafa amin’ny fomba tsy marina izy. Tsy manamarina ny fomba ampiasainy ny toe-javatra misy azy.
Ny mpangalatra rehetra maniry ny fankasitrahan’Andriamanitra, dia tsy maintsy mibebaka noho ny fitondran-tenany teo aloha. Mananatra toy izao ny Baiboly: “Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tànany”. (Efesiana 4:28). Ny mpangalatra taloha izay nibebaka marina dia afaka mahazo antoka fa hamela ny helok’izy ireo i Jehovah. — Ezekiela 33:14-16.
Inona no azon’ireo mahantra atao?
Mampanantena toy izao ny Baiboly: “Tsy avelan’i Jehovah ho mosarena ny fanahin’ny marina; fa foanany ny fanirian’ny ratsy fanahy.” (Ohabolana 10:3). Andriamanitra dia tsy hanampy ireo izay mandika an-tsitrapo ny lalàny mba hanomezana fahafaham-po ny faniriany. Kanefa mamindra fo amin’ireo izay miezaka marina ny hankatò azy izy, ka hitahy ny ezaka ataon’izy ireo mba hahazoana izay ilaina. — Salamo 37:25.
Olona an-tapitrisany maro no efa nahita fa rehefa manaraka ny foto-pitsipik’Andriamanitra izy ireo, dia mihatsara ny tarehin-javatra misy azy ireo. Ohatra, ny fampiharana ny torohevitry ny Baiboly mba hazoto hiasa sy hanalavitra ny faharatsiam-pitondran-tena, sahala amin’ny filokana, ny fimamoana sy ny fifohana sigara ary ny fidorohana zava-mahadomelina, dia nanampy azy ireo hahazo mihoatra noho izay tena ilainy. (Galatiana 5:19-21). Mitaky ny hanehoan’izy ireo finoana izany, ary ireo izay nanao izany dia nianatra fa “tsara Jehovah” ary manampy tokoa izay mitoky aminy izy. — Salamo 34:8.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]
Robin des Bois: General Research Division/The New York Public Library/Astor, Lenox and Tilden Foundations