RANTSANTANANA
Tsy hahavita asa na hanao zavatra misy tsipiriany madinika kely ny tanana sy ny sandry raha tsy eo ny rantsantanana. Anisan’ny tanana ihany izy io ka ampiasain’ny Baiboly indraindray mba hilazana ny tanana. Samy tononina na ny “rantsantanana” na ny “tanana”, ao amin’ny andinin-teny miresaka momba ny fanamboarana sampy.—Is 2:8.
Lazaina an’ohatra hoe mampiasa ny ‘rantsantanany’ Andriamanitra rehefa misy zavatra ataony, ohatra hoe nanoratra ny Didy Folo teo amin’ny takela-bato (Ek 31:18; De 9:10), nanao fahagagana (Ek 8:18, 19) na koa namorona ny lanitra (Sl 8:3). Porofoin’ny fitantaran’ny Genesisy momba ny famoronana fa ny fanahy masina no lazaina hoe rantsantanan’Andriamanitra. Voalaza ao mantsy fa nivezivezy teny ambonin’ny rano ny hery ampiasain’Andriamanitra (roah na fanahy). (Ge 1:2, f.a.p.) Mbola mazava kokoa aza ny Soratra Grika Kristianina satria milaza i Matio ao fa ‘tamin’ny alalan’ny fanahin’Andriamanitra’ no namoahan’i Jesosy demonia, ary i Lioka kosa milaza hoe “ny rantsantanan’Andriamanitra” no nanaovan’i Jesosy izany.—Mt 12:28; Lk 11:20.
Mampiasa fihetsika ny Tatsinanana mba hampitana hevitra, ary matetika no misy heviny lehibe na dia fihetsika kely aza. Miresaka momba ny olona tsy manjary “manao fihetsika amin’ny rantsantanany”, ohatra, ny Baiboly. (Oh 6:12, 13) Nilazana ny Israelita mba ‘tsy hanondrotondro intsony amin’ny rantsantanany’ (angamba ho fanesoana na ho fanendrikendrehana), ary mba tsy hilaza zava-dratsy. (Is 58:9-11) Hahazo sitraka amin’Andriamanitra izy ireo amin’izay. Mora hitan’ny maso ny rantsantanana, sady tena ilaina mba hamitana izay kasaina hatao. Nasaina namatotra ny didin’Andriamanitra ‘teo amin’ny rantsantanany’ àry ny vahoakan’Andriamanitra, ho fampahatsiahivana azy ireo sy hitarika azy amin’izay rehetra ataony.—Oh 7:2, 3; ampit. Sl 144:1.
Hoy ny Israelita sasany tamin’i Rehoboama Mpanjaka: ‘Mba hamaivano ny fanompoana mafy nampanaovin-drainao anay.’ Nanaraka ny torohevitr’ireo tanora namany anefa i Rehoboama. Ny rantsantanany no nataony ohatra, ka hoy izy: “Ho lehibe noho ny andilan’ny raiko ny ankikeliko.” Te hilaza izy fa hataony mafy kokoa ny fanompoana hampanaoviny azy ireo. (1Mp 12:4, 10, 11) Avy amin’ny fototeny midika hoe “kely, madinika, faran’izay kely” ny teny hebreo nadika eo hoe ‘ankikely.’
Hoy i Jesosy Kristy momba ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo nasiaka sy nirehareha ary nampijaly vahoaka: “Enta-mavesatra no feheziny ka apetrany eo an-tsoroky ny olona, nefa na ny tenany aza tsy te hanetsika izany amin’ny rantsantanany.” (Mt 23:2-4) Efa nizaka ny tsy eran’ny aina mantsy ny vahoaka, nefa tsy te hanampy azy ireo mihitsy ireo mpitondra fivavahana ireo. Nampiasa teny an’ohatra hafa koa i Jesosy ka niresaka momba ny “lehilahy manankarena” iray. Nasain’ilay mpanankarena nanao zavatra faran’izay madinika i Lazarosy (hitondra rano ho azy amin’ny “tendron’ny rantsantanany”) mba hampiala an’i Lazarosy eo amin’ny toerana tsara nisy azy, izany hoe eo an-tratran’i Abrahama.—Lk 16:22-24.
Goavam-be ny lehilahy iray niady tamin’ny Israely. Avy tamin’ny fokon’i Refaima izy io ary sampona satria enina avy ny rantsantanany sy ny rantsantongony, ka 24 ny fitambarany.—2Sa 21:20; 1Ta 20:6; jereo koa ANKIBEN-TANANA.