“Tandremo ny Didiko, dia ho Velona Hianao”
TANORA izy, mahira-tsaina, “bikana sady tsara tarehy”. Tia fahafinaretan’ny nofo sy sahisahy ratsy ilay ramatoa vadin’ny tompony. Nanintona fatratra an’io vehivavy io ilay tovolahy, hany ka nanandrana nanangoly azy isan’andro izy. “Tamin’ny indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin’izay. Dia nisambotra azy tamin’ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe: Avia handry amiko”. Navelan’i Josefa, zanak’i Jakoba patriarika, teo kosa ny akanjony, ary nandositra ny vadin’i Potifara izy.—Genesisy 39:1-12.
Mazava ho azy fa tsy ny rehetra no mandositra toe-javatra maka fanahy. Diniho, ohatra, ny amin’ny tovolahy iray. Nahita azy teny an-dalana tamin’ny alina, i Solomona, Mpanjaka teo amin’ny Isiraely fahiny. Rehefa sodokan’ny vehivavy iray notarihin’ny filan-dratsiny fotsiny ilay tovolahy, dia “rafitra nanaraka azy miaraka amin’izay (...), tahaka ny omby entina hovonoina”.—Ohabolana 7:21, 22, Fandikan-teny Katolika.
Ampirisihina ‘handositra ny fijangajangana’ ny Kristianina. (1 Korintiana 6:18). Nanoratra toy izao ho an’i Timoty, mpianatra kristianina tanora, i Paoly: “Mandosira ny filan’ny tanora fanahy”. (2 Timoty 2:22). Rehefa tojo toe-javatra izay mahatonga antsika halaim-panahy hijangajanga, na hanitsakitsa-bady, na hanao fitondran-tena tsy mety hafa, isika, dia tsy maintsy mandositra amim-pahatapahan-kevitra koa, toa an’i Josefa tamin’ny vadin’i Potifara. Inona no hanampy antsika ho tapa-kevitra hanao izany? Manome torohevitra sarobidy ho antsika i Solomona, ao amin’ny toko faha-7 amin’ny Ohabolana, boky ao amin’ny Baiboly. Tsy vitan’ny hoe miresaka ny amin’ireo fampianarana izay miaro antsika amin’ny fitaky ny olona maloto fitondran-tena fotsiny izy, fa mampiharihary amintsika koa ny fomba fiasan’ny olona toy izany, amin’ny filazalazana mazava tsara ny tarehin-javatra nahatonga ny tovolahy iray ho sodokan’ny vehivavy iray ratsy fitondran-tena.
‘Fehezo eo amin’ny rantsan-tananao ny didiko’
Nanomboka tamin’ny torohevitry ny ray toy izao ilay mpanjaka: “Anaka, tandremo ny teniko, ary raketo ao aminao ny didiko. Tandremo ny didiko, dia ho velona hianao; ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko.”—Ohabolana 7:1, 2.
Ny ray aman-dreny, indrindra fa ny ray, dia nomen’Andriamanitra andraikitra hampianatra ny zanany ny amin’ireo fari-pitsipik’Andriamanitra momba izay atao hoe tsara sy ratsy. Nampirisika toy izao an’ireo raim-pianakaviana i Mosesy: “Aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”. (Deoteronomia 6:6, 7). Ary nanoratra toy izao koa ny apostoly Paoly: “Hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy.” (Efesiana 6:4). Noho izany, ny fampianarana omen’ny ray na ny reny, izay tokony hoheverina ho sarobidy, dia azo antoka fa mahafaoka ireo fampahatsiahivana sy didy ary lalàna hita ao amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra.
Mety hahafaoka fitsipika hafa koa ny fampianaran’ny ray aman-dreny, dia ny fitsipiky ny fianakaviana. Natao hahasoa ny mpianakavy izy ireny. Marina fa mety hiovaova arakaraka ny fianakaviana ireo fitsipika, arakaraka ny zavatra ilaina. Anjaran’ny ray aman-dreny anefa ny manapa-kevitra ny amin’izay tsara indrindra ho an’ny fianakaviany manokana. Ary ny fitsipika omen’izy ireo dia mazàna no fisehoan’ny tena fitiavana sy fiahian’izy ireo. Ny torohevitra ho an’ireo tanora, dia ny hanarahany ireny fitsipika ireny sy ireo fampianarana araka ny Soratra Masina azony avy amin’ireo ray aman-dreniny. Eny, ilaina ny mihevitra ireny fampianarana ireny ho toy ny “anakandriamasonao”, izany hoe ny miaro azy ireny amim-pitandremana araka izay azo atao. Izany no fomba hanalavirana ny vokatra mahafaty entin’ny tsy firaharahana ny fari-pitsipik’i Jehovah, ka hahafahana “ho velona” hatrany.
“Afehezo eo amin’ny rantsan-tànanao izy [ny didiko]”, hoy i Solomona nanohy ny teniny, ary “soraty ao amin’ny fonao tahaka ny amin’ny vato fisaka.” (Ohabolana 7:3). Miharihary avy hatrany eo anoloan’ny masontsika ny rantsantanana, ary zava-dehibe eo amin’ny fanatanterahana ny zavatra kasaintsika hatao izy ireo. Toy izany koa fa tokony ho fampahatsiahivana tsy tapaka sy mpitari-dalana antsika amin’ny zava-drehetra ataontsika ny fianarana azo avy amin’ny fitaizana araka ny Soratra Masina sy ny fahazoana fahalalana momba ny Baiboly. Tokony hosoratantsika eo amin’ny vato fisaky ny fontsika izy ireny, ka hataontsika ho anisan’ny maha isika antsika.
Tsy nanadino ny maha zava-dehibe ny fahendrena sy ny fahafantarana, na fahazoana hevi-javatra, ilay mpanjaka, ka nampirisika hoe: “Ny fahendrena dia ilazao hoe: Anabaviko hianao; ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza mahazatra hianao”. (Ohabolana 7:4). Ny fahendrena dia ny fahaiza-mampiasa amin’ny fomba tsara ny fahalalana nomen’Andriamanitra. Tokony hiraiki-po amin’ny fahendrena toy ny amin’ny anabavy iray tena tiantsika isika. Inona kosa no atao hoe fahazoana hevi-javatra? Izy io dia ny fahaiza-mandinika ny votoatin’ny raharaha iray sy mahazo ny hevitr’izy io, amin’ny fahatakarana ireo fifandraisana misy eo amin’ilay raharaha manontolo sy ireo tapany aminy. Ny fahazoana hevi-javatra dia tokony ho akaiky antsika toy ny namana akaiky iray.
Nahoana isika no tokony hanaraka ny fampiofanan’ny Soratra Masina sy hamboly fifandraisana akaiky amin’ny fahendrena sy ny fahazoana hevi-javatra? “Mba hiarovana [ny tenantsika] amin’ny vehivavy jejo, dia amin’ny vahiny janga izay manao teny mandrobo.” (Ohabolana 7:5). Eny, ny fanaovana izany dia hiaro antsika amin’ireo fomba mandrobo sy mandresy lahatry ny vahiny, na olona maloto fitondran-tena.a
Tojo ‘vehivavy fetsy’ ilay tovolahy
Avy eo ilay mpanjakan’ny Isiraely dia milazalaza fisehoan-javatra iray hitan’ny masony: “Teo amin’ny varavarankelin’ny tranoko, dia teo amin’ny makarakara, no nitsirihako, ka nahita anankiray tamin’ny kely saina aho, eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray [tsy ampy fo, “NW” ], izay nandeha tamin’ny làlana akaikin’ny zoron-tranon’ny vehivavy janga sy nizotra nankany an-tranony, nony takariva ilay somambisamby iny sy tamin’ny alina efa maizina dia maizina.”—Ohabolana 7:6-9.
Ilay varavarankely nitsirihan’i Solomona dia nisy makarakara, angamba hazo madinika maro narafitra ho makarakara sy nasiana sary sokitra niangaliana fatratra. Rehefa nihamatroka ilay takariva somambisamby teo iny, dia rakotry ny haizin’ny alina ny lalana. Nahita tovolahy iray izay tena mora rebirebena izy. Tsy ampy fahaiza-manavaka, na fahaiza-mitsara zavatra izy io, ka tsy ampy fo. Azo inoana fa fantany ilay karazan-toerana nidirany sy izay mety hitranga aminy ao. Nanatona ny ‘zoron-tranon’ilay vehivavy’, izay eo amin’ny lalana ho any an-tranon’izy io, ilay tovolahy. Iza moa io vehivavy io, ary hanao inona?
Manohy ny teniny toy izao ilay mpanjaka nandini-javatra: “Indro, nisy vehivavy nitsena azy sady manao fitafin’ny janga no mifetsy am-po, sady vavana no maditra, tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony; fa vetivety mby eny an-dàlambe izy, ary vetivety mby eny an-tsena, ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy.”—Ohabolana 7:10-12.
Ny fomba fitafin’io vehivavy io dia milaza zavatra betsaka momba azy. (Genesisy 38:14, 15). Nanao akanjo tsy maotina toy ny mpivaro-tena izy. Ankoatra izany, dia fetsy am-po izy, eny, ny “hamadika” no ao an-tsainy, ary feno “hafetsen-dratsy” ny zava-kendreny. (An American Translation; New International Version). Vavàna sy maditra izy, ary be resaka sy mafy loha, mampanjaka ny heviny sy be di-doha, sahisahy ratsy sy tia manohitra. Tsy mipetraka ao an-trano izy fa aleony mandeha matetika eny amin’ny toerana be olona, mamitsaka eny an-joron-dalana mba hiremby ny hazany. Miandry olona toa an’ilay tovolahy izy.
‘Teny maro mampiseho fahaiza-mandresy lahatra’
Tojo vehivavy iray ratsy fitondran-tena, izay nanana tetika feno hafetsen-dratsy àry ny tovolahy iray. Tena tsy maintsy ho nisarika ny sain’i Solomona izany! Mitantara toy izao izy: “Nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe: efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho; ary andro-any no nanefako ny voadiko. Koa dia nivoaka hitsena anao aho, mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao tokoa.”—Ohabolana 7:13-15.
Mahay mandambolambo ny molotr’io vehivavy io. Mody miseho ho sahisahy izy, ka miteny amim-pahatokiana. Izay zavatra rehetra nolazainy dia efa nataony maty paika tamim-pitandremana mba hahasodoka an’ilay tovolahy. Niseho azy ho marina ilay vehivavy rehefa nilaza fa nanao fanati-pihavanana izy tamin’iny andro iny, ary nanefa ny voadiny. Te hilaza izy, araka izany, fa tsy hoe tsy ampy akory ny fifikirany tamin’ny zavatra ara-panahy. Ny fanati-pihavanana natao tao amin’ny tempoly tany Jerosalema dia hena sy koba sy menaka ary divay. (Levitikosy 19:5, 6; 22:21; Nomery 15:8-10). Afaka naka ny sasany tamin’ilay fanati-pihavanana mba ho an’ny tenany sy ho an’ny fianakaviany ilay mpanolotra fanatitra, ka ny tian’ilay vehivavy holazaina àry dia hoe misy zavatra be dia be azo hanina sy sotroina ao an-tranony. Mazava ny tiany holazaina: Ho finaritra ilay tovolahy raha tonga any aminy. Nivoaka ny tranony mba hitady azy manokana ilay vehivavy. Mampalahelo tokoa raha misy olona hino zavatra toy izany. “Marina fa nivoaka mba hitady olona iray izy”, hoy ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly, “kanefa ingahy io mihitsy ve no tena notadiaviny? Ny vendrana ihany—angamba io iray io—no hino azy”.
Rehefa avy nataon’ilay vehivavy izay hahatonga ny tenany hahasarika tamin’ny alalan’ny fahitana azy ho mihaingo be, sy tamin’ny feon’ny teny mandrobo nataony, sy tamin’ny fahatsapana ny oroka nataony, ary tamin’ny tsiron’ny molony, dia nampiasainy indray ny fandrenesana fofon-javatra. Hoy izy: “Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara, dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta. Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, dia miora sy hazomanitra ary havozo manitra.” (Ohabolana 7:16, 17). Nomaniny tamin’ny fomba kanto ny fandrianany, ka nasiany lamba landy maro loko avy any Ejipta sy zavamanitra ambony karazana, dia ny hanitry ny miora sy hazomanitra ary havozo.
“Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain’ny andro”, hoy izy nanohy ny teniny, “aoka ho feno fahafinaretana amin’ny fitiavana isika.” Mihoatra lavitra noho ny fiaraha-misakafo mahafinaritra ataon’olon-droa ilay fanasana eto. Ny fampanantenany dia ny hanaovana firaisan’ny lahy sy ny vavy. Tamin’ilay tovolahy dia zavatra tsara handramana sy mampientam-po ilay fanasana. Mba hisarihana bebe kokoa, dia nanampy teny toy izao ilay vehivavy: “Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, fa lasa nivahiny lavitra izy; ny kitapom-bola dia nentiny any an-tànany, ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon’ny volana.” (Ohabolana 7:18-20). Tsy misy na inona na inona tokony hampanahy azy ireo, hoy ilay vehivavy nanome toky azy, satria tsy ao ny vadiny fa lasa nanao dia lavitra noho ny asany ary tsy antenainy ho tonga raha tsy afaka elaela. Tena mahay mamitaka tanora tokoa izany raha vehivavy! “Tamin’ny teny maro [mampiseho fahaiza-mandresy lahatra, NW] no nampanekeny azy, tamin’ny fandroboan’ny molony no nitaomany azy”. (Ohabolana 7:21). Olona toa an’i Josefa vao afaka hanohitra fanasana maka fanahy toy izany. (Genesisy 39:9, 12). Mahavita izany ve io tovolahy io?
“Tahaka ny omby entina hovonoina”
“Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin’izay ilay zatovo”, hoy i Solomona, “tahaka ny omby entina hovonoina, ary tahaka ny adala hogadraina, ambara-piboroaky ny lefompohy amin’ny atiny, ary tahaka ny vorona [miantoraka amin’ny, “Kat.”] fandrika, fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.”—Ohabolana 7:22, 23.
Ho an’ilay tovolahy dia hita ho tsy hay toherina ilay fanasana. Tsy noraharahainy daholo izay mety ho fanehoana fahaiza-mitsara zavatra, ka lasa izy nanaraka an’ilay vehivavy, “tahaka ny omby entina hovonoina”. Sahala amin’ny olona iray nasiana gadra vy ka tsy afa-mandositra ny sazy, dia voasarika ho amin’ny fahotana ilay tovolahy. Tsy hitany mihitsy ho mampidi-doza izany, “ambara-piboroaky ny lefompohy amin’ny atiny”, izany hoe mandra-pahazony ratra izay mety hahafaty azy. Mety ho fahafatesana ara-bakiteny no ho hitany, satria mamela ny tenany ho voan’ny aretina mahafaty azo avy amin’ny firaisana izy.b Mety hahafaty ara-panahy koa anefa ilay ratra, eny, “hahafaty ny ainy izany”. Misy fiantraikany lalina eo amin’ny maha izy azy manontolo sy ny fiainany izany, ary nanao fahotana lehibe tamin’Andriamanitra izy. Noho izany, dia miantoraka ho ao ambany vahohon’ny fahafatesana izy, toy ny vorona mankao amin’ny fandrika iray!
“Aza mania ho amin’ny alehany”
Naka fianarana avy tamin’ny zavatra hitany ilay mpanjaka hendry, ka nampirisika hoe: “Koa mihainoa ahy hianareo, anaka, ary tandremo ny teny aloaky ny vavako. Aoka tsy hivily ho any amin’ny làlany ny fonareo, ary aza mania ho amin’ny alehany. Fa betsaka no naripany ka maty: ary maro be no efa matiny. Ny tranony dia làlana mankany amin’ny fiainan-tsi-hita, eny, midina ho any amin’ny efitranon’ny fahafatesana.”—Ohabolana 7:24-27.
Mazava fa ny torohevitr’i Solomona dia ny hiviliana hiala amin’ireo fomba mahafaty ampiasain’ny olona maloto fitondran-tena, ka “ho velona” hatrany. (Ohabolana 7:2). Tena ara-potoana ho an’ny androntsika tokoa io torohevitra io! Tsy isalasalana fa ilaina ny manalavitra ireo toerana falehan’ireo izay mifitsaka mba hiremby ny hazany. Nahoana ianao no hamela ny tenanao ho azon’ny tetik’izy ireo, amin’ny fandehanana amin’ny toerana toy izany? Nahoana tokoa moa ianao no ‘tsy ho ampy fo’ ka hania eny amin’ny lalan’ny “vahiny”?
Ilay “vehivavy vahiny” hitan’i Solomona dia nitaona ilay tovolahy tamin’ny fanasana azy “ho feno fahafinaretana amin’ny fitiavana”. Tsy nohararaotina tamin’izany fomba izany koa ve ny tanora maro, indrindra fa ny ankizivavy? Hevero anefa izao: Raha miezaka hisarika anao hanao fitondran-tena maloto ny olona iray, tena fitiavana ve izany sa filan-dratsin’ny nofo feno fitiavan-tena? Nahoana ny lehilahy iray tena tia ny vehivavy iray no hanery azy io handika ny fampiofanana kristianina azony sy ny feon’ny fieritreretany? ‘Aoka tsy hivily ho any amin’ny lalana’ toy izany ny fonareo, hoy ny fampitandreman’i Solomona.
Matetika no malefaka sy efa natao maty paika tsara ny tenin’ny mpanangoly. Ny fihazonana ny fahendrena sy ny fahazoana hevi-javatra dia hanampy antsika hahita ny ao ambadik’ireny teny ireny. Hiaro antsika ny tsy fanadinoantsika na oviana na oviana izay nandidian’i Jehovah. Enga anie àry isika hilofo mandrakariva ‘hitandrina ny didin’Andriamanitra, ka ho velona’ mandrakizay mihitsy.—1 Jaona 2:17.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny teny hoe “vahiny” dia nampiharina tamin’ireo izay nihataka tamin’i Jehovah, noho ny tsy fanarahana ny Lalàna. Noho izany, dia resahina ho “vehivavy jejo”, na “vehivavy vahiny” (NW), ny vehivavy maloto fitondran-tena, toy ny mpivaro-tena.
b Manimba ny aty ny sasany amin’ireo aretina azo avy amin’ny firaisana. Rehefa tena mihombo, ohatra, ny tety, dia misy bakteria mandrakotra ny aty. Ary ny zavamiaina bitika mahatonga ny aretina angatra dia afaka miteraka firehetana eo amin’ny aty.
[Sary, pejy 29]
Ahoana no fijerinao ny fitsipika omen’ny ray aman-dreny?
[Sary, pejy 31]
Midika ho fiainana ny fanarahana ny didin’Andriamanitra