FANTATRAO VE?
Avy tamin’ny inona ireo aloesy nampiasaina tamin’ny andron’ny Baiboly?
Milaza ny Baiboly fa nampiasaina hahamanitra ny akanjo sy ny fandriana ny aloesy. (Salamo 45:8; Ohabolana 7:17; Tononkiran’i Solomona 4:14) Toa avy amin’ilay hazo antsoina hoe hazon’ny voromahery (karazana hazo atao hoe Aquilaria) ilay aloesy resahin’ny Baiboly. Mamoaka dity sy menaka manitra izy io rehefa lo. Nototoina ilay hazo ary namidy ny vovony.
Ampitahain’ny Baiboly amin’ny “aloesy nambolen’i Jehovah” ireo tranolain’ny Israely. (Nomery 24:5, 6) Ny haben’ilay hazo angamba no tiana holazaina amin’izany, satria misandrahaka be izy io ary mety hahatratra 30 metatra eo ho eo ny haavony. Tsy misy an’io hazo io intsony izao any Israely. Milaza anefa ny Diksionera Momba ny Baiboly (anglisy) fa “tsy misy antony tsy hinoana hoe nambolena tany amin’ny Lohasahan’i Jordana, izay toerana nanan-karena sy be mponina, io hazo io sy ny hazo hafa, na dia tsy hita [any] intsony aza.”
Inona no fanatitra azo nekena tao amin’ny tempolin’i Jerosalema?
Nilaza ny Lalàn’Andriamanitra fa tsy maintsy ny tsara indrindra no natao fanatitra tao amin’ny tempoly. Tsy neken’Andriamanitra raha nisy kilema izy ireny. (Eksodosy 23:19; Levitikosy 22:21-24) Nilaza i Philon, mpanoratra jiosy tamin’ny taonjato voalohany, fa nojeren’ny mpisorona tsara “hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia” ny biby rehetra, mba ho azo antoka hoe “tsy nisy tsiny tamin’ny lafiny rehetra.”
Milaza ny manam-pahaizana atao hoe E. Sanders fa azo inoana hoe “ireo biby sy vorona efa avy nodinihin’ny mpisorona ihany no navelan’ireo [tompon’andraikitry ny tempoly] hamidin’ireo mpivarotra azo atokisana. Nanome fanamarinana kely an’ilay mpividy ny mpivarotra, mba hanaporofoana fa tsy nisy kilema ilay biby.”
Nahita fanamarinana toy izany tany akaikin’ny tempoly ireo mpikaroka ny any ambanin’ny tany, tamin’ny 2011. Tombo-kase tanimanga izy io, ary toy ny vola madinika ny habeny. Teo anelanelan’ny taona 100 Talohan’i Kristy (T.K.) sy ny taona 70 Aorian’i Kristy (A.K.) no nampiasana azy io. Nisy teny aramianina midika hoe “Madio Tanteraka ho An’Andriamanitra” teo amin’ilay izy. Misy mihevitra hoe nampiarahin’ny tompon’andraikitry ny tempoly tamin’ilay zavatra na biby hatao fanatitra ireny fanamarinana ireny.