-
“Sambatra Izay Olona Mahita Fahendrena”Ny Tilikambo Fiambenana—2001 | 15 Martsa
-
-
Tsy mitsahatra ‘miantso mafy’ izy
Manomboka amin’izao fanontaniana fampieritreretana izao ny Ohabolana toko faha-8: “Tsy miantso va ny fahendrena, ary tsy manandra-peo va ny fahalalana?” Tsy mitsahatra miantso tokoa ny fahendrena sy ny fahalalana, nefa tena tsy mitovy amin’ilay vehivavy ratsy fitondran-tena izay mamitsaka eny amin’ny toerana maizina sy mibitsibitsika teny mandrobo ao an-tsofin’ny tanora tsy mana-namana sy mora fitahina. (Ohabolana 7:12). “Eo an-tampon’ny fitoerana avo amoron-dàlana sy eo an-tsampanan-dàlana no ijoroany. Eo anilan’ny vavahady, amin’ny fidirana ho ao an-tanàna, sy eo anaty vavahady no iantsoany mafy”. (Ohabolana 8:1-3). Re tsara sy mazava eny amin’ny toerana faleham-bahoaka—dia eny am-bavahady sy eny amin’ny sampanan-dalana ary eny amin’ny fidirana ao an-tanàna—ny feo mafy sy feno fahasahian’ny fahendrena. Mora amin’ny olona ny mandre io feo io sy manaraka azy io.
Tsy marina ve fa saika ny olona rehetra maniry hahazo ny fahendren’Andriamanitra voarakitra ao amin’ny Baiboly, Teniny ara-tsindrimandry, no afaka mahazo azy io? “Ny Baiboly no boky be mpamaky indrindra teo amin’ny tantara”, hoy Ny Boky Rakipahalalana Momba Izao Tontolo Izao (anglisy). Izao koa no lazainy: “Ny Baiboly no boky voazara betsaka kokoa noho ny boky hafa rehetra. Nadika imbetsaka kokoa sy tamin’ny fiteny maro kokoa noho ny boky hafa rehetra koa ny Baiboly.” Maherin’ny 90 isan-jaton’ny fianakavian’olombelona no afaka mahazo, fara faharatsiny, ampahany amin’ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fiteniny, satria misy amin’ny fiteny sy fitenim-paritra 2 100 ny Baiboly manontolo na ny tapany aminy.
Mitory ny hafatry ny Baiboly amin’ny besinimaro hatraiza hatraiza ny Vavolombelon’i Jehovah. Mazoto mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy mampianatra ny olona ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, any amin’ny tany 235. Avoaka amin’ny fiteny 140 Ny Tilikambo Fiambenana, ary amin’ny fiteny 83 ny Mifohaza! Miorina amin’ny Baiboly ireo gazety ireo, ary maherin’ny 20 tapitrisa avy no indray mivoaka aminy. Tena tsy mitsahatra miantso mafy eny amin’ny toerana faleham-bahoaka tokoa ny fahendrena!
-
-
“Sambatra Izay Olona Mahita Fahendrena”Ny Tilikambo Fiambenana—2001 | 15 Martsa
-
-
Tena mila fahendrena ireo manana fahefana
-