-
AtyFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Toy izao no namaranan’i Solomona Mpanjaka ny tantaran’ny tovolahy iray mbola tanora fanahy, izay babon’ny vehivavy ratsy fitondran-tena: “Tampoka teo, dia lasa nanaraka azy ilay tovolahy, ... mandra-pitsatoky ny zana-tsipìka eo amin’ny atiny ... nefa tsy fantany fa haningotra ny ainy izany.” (Oh 7:21-23) Misy vokany eo amin’ny aty tokoa ny aretina azo avy amin’ny firaisana. Hitan’ny dokotera mantsy fa rakotry ny bakteria ny atin’ny olona voan’ny tety efa mihombo be. Mitranga koa izany amin’ny aretina maro. Aretina hafa azo avy amin’ny firaisana ny angatra ary mety hanimba be ny aty koa izy io. Mety hahafaty tokoa ny aretin’aty efa mihombo be. Taova iankinan’ny aina ny aty, ary ilazana alahelo be.—Ft 2:11.
-
-
Mpivaro-tenaFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Babo tanteraka àry ilay tovolahy ka tsy afa-niala intsony fa voatarika hanota niaraka tamin’ilay vehivavy. Tsy nisaina intsony ilay tovolahy ka lasa nanaraka azy “toy ny omby entina hovonoina”, ary toy ny lehilahy nasiana gadra vy ka tsy afa-mandositra ny famaizana miandry azy. Nilaza i Solomona fa tsy hijanona ilay tovolahy “mandra-pitsatoky ny zana-tsipìka eo amin’ny atiny”, izany hoe ho voa izy ka sady ho simba tanteraka ny fifandraisany amin’i Jehovah no ho faty izy. Tsy vitan’ny hoe mety ho voan’ny areti-mifindra mahafaty izay azo avy amin’ny firaisana izy (rakotry ny bakteria ny atin’ny olona voan’ny tety efa mihombo be), fa tsy fantany koa hoe “haningotra ny ainy izany.” Simba tanteraka mantsy ny maha izy azy sy ny fiainany, sady nanao fahotana lehibe teo anatrehan’Andriamanitra izy. Nofaranan’i Solomona toy izao ilay fitantarana: “Lalana mankany amin’ny Fasana ny tranony [tranon-dravehivavy], ary midina any amin’izay misy ny maty izy ireo.”—Oh 7:22, 23, 27; ampit. Oh 2:16-19; 5:3-14.
-