-
Mahasoa Foana ny Tahotra An’AndriamanitraNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2023 | Jona
-
-
6. Inona no oharina amin’ireo vehivavy roa horesahintsika?
6 Andao isika handinika ny Ohabolana toko faha-9. Oharina amin’ny vehivavy roa ny fahendrena sy ny hadalana ao.c Rehefa mandinika an’izany isika, dia tadidio hoe adalam-piraisana ny tontolon’i Satana sady adalana sary sy boky ary video vetaveta. (Efes. 4:19) Tena ilaintsika àry ny miezaka matahotra an’Andriamanitra foana sady miala amin’ny ratsy. (Ohab. 16:6) Midika izany fa mahasoa antsika rehetra io toko io, na lahy isika na vavy. Resahina ao hoe manasa an’izay tsy dia nahita fiainana na “tsy ampy saina” ireo vehivavy roa ireo. Hoatran’ny samy milaza ry zareo hoe: ‘Mandroso an-trano, dia andao hisakafo!’ (Ohab. 9:1, 5, 6, 13, 16, 17) Mifanipaka hoatran’ny atsimo sy avaratra anefa ny manjo an’izay manaiky ny fanasan-dry zareo.
-
-
Mahasoa Foana ny Tahotra An’AndriamanitraNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2023 | Jona
-
-
7. Mitondra mankaiza ny iray amin’ilay fanasana, araka ny Ohabolana 9:13-18? (Jereo koa ny sary.)
7 Andao hodinihintsika ny fanasan’ilay “vehivavy tsisy saina.” (Vakio ny Ohabolana 9:13-18.) Tsy menatra mihitsy izy miantsoantso an’ireo tsy ampy saina hoe “tongava atỳ” dia andao hihinana sakafo matsiro. Inona anefa no vokatr’izany? Izay ‘maty tsy mahavita na inona na inona no any.’ Tadidinao angamba hoe nampiasa sarin-teny mitovitovy amin’izany ny bokin’ny Ohabolana talohan’io. Mampitandrina antsika amin’ny “vehivavy maditra” sy “ratsy fitondran-tena” izy io any. “Milentika ho any amin’ny fahafatesana ny tranony.” (Ohab. 2:11-19) Milaza koa ny Ohabolana 5:3-10 fa tokony hitandrina amin’ny “vehivavy maditra” hafa isika. “Midina mankany amin’ny fahafatesana ny tongony.”
-
-
Mahasoa Foana ny Tahotra An’AndriamanitraNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2023 | Jona
-
-
9-10. Inona no antony sasany mahatonga antsika hitandrina mba tsy haloto fitondran-tena?
9 Misy antony tsara maromaro mahatonga antsika hanalavitra ny fitondran-tena ratsy. Milaza ilay “vehivavy tsisy saina” hoe “mamy ny rano nangalarina.” Inona izany? Oharin’ny Baiboly amin’ny rano mamelombelona ny firaisana ataon’ny mpivady. (Ohab. 5:15-18) Afaka mahazo fahafinaretana amin’izany ry zareo, raha mpivady ara-dalàna. Hafa kosa ny “rano nangalarina.” Firaisana tsy ara-dalàna angamba no tiana horesahina amin’izany. Matetika no afenimpenina izy ireny, hoatran’ny ataon’ny mpangalatra. Toa mamy ilay “rano nangalarina”, indrindra raha mieritreritra ilay nanota hoe ho afa-maina. Diso be anefa izany! Mahita ny zava-drehetra mantsy i Jehovah. Tsy misy mangidy noho ny hoe tsy ankasitrahany intsony, ka inona moa no ‘mahamamy’ an’izany? (1 Kor. 6:9, 10) Tsy izay ihany anefa.
10 Misy vokany hafa koa raha maloto fitondran-tena ny olona iray. Mety ho afa-baraka izy, hahatsiaro tena ho tsy misy vidiny, hitondra vohoka tsy nirina, ary ho rava ny tokantranony. Mazava àry fa hendry isika, raha manalavitra ny ‘tranon’ilay’ vehivavy tsisy saina sy ny sakafo arosony. Tsy vitan’ny hoe maty ara-panahy mantsy ny olona ratsy fitondran-tena, fa betsaka koa no lasa mahazo aretina ka maty aloha loatra. (Ohab. 7:23, 26) Izao no mamarana ny andininy faha-18 amin’ilay toko faha-9: “Any amin’ny Fasana ny olona nasain’ilay vehivavy.” Nahoana àry no betsaka no manaiky ny fanasany, nefa loza no vokany?—Ohab. 9:13-18.
-
-
Mahasoa Foana ny Tahotra An’AndriamanitraNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2023 | Jona
-
-
17-18. Inona no fitahiana ho azon’izay manaiky ny fanasan’ny “tena fahendrena”, ary inona no azon-dry zareo andrandraina? (Jereo koa ny sary.)
17 Mampiasa an’ilay sarin-teny momba ny vehivavy anankiroa i Jehovah, mba hampisehoana amintsika hoe ahoana no hatao mba hananana hoavy sambatra. Te ‘hankamamy’ an’ilay rano nangalarina, izany hoe te hahazo fahafinaretana avy amin’ny fitondran-tena maloto, izay manaiky ny fanasan’ilay vehivavy petsam-bava sy “tsisy saina.” Hita mihitsy hoe ny androany ihany no eritreretin-dry zareo, fa tsy miraharaha ny hoavy mihitsy izy. “Any amin’ny Fasana” no hiafarany.—Ohab. 9:13, 17, 18.
-