-
Mitondra Fahafaham-baraka ny Fahasahisahian-dratsyNy Tilikambo Fiambenana—2000 | 1 Aogositra
-
-
Mitondra Fahafaham-baraka ny Fahasahisahian-dratsy
“Raha tonga ny [fahasahisahian-dratsy, “NW”], dia tonga koa ny fahafaham-baraka, fa ao amin’ny [olona mihevi-tena araka ny antonony, “NW” ] no misy fahendrena.”—OHABOLANA 11:2.
1, 2. Inona moa no atao hoe fahasahisahian-dratsy, ary tamin’ny fomba ahoana avy izy io no nitondra loza?
NITARIKA vahoaka iray hikomy tamin’ireo nomen’i Jehovah fahefana ny Levita iray feno fitsiriritana. Nikotrika teti-dratsy handrombahana ny seza fiandrianan-drainy ny printsy iray fatra-paniry laza. Tsy niraharaha ireo toromarika mazava tsara nomen’ny mpaminanin’Andriamanitra ny mpanjaka iray tsy nanam-paharetana. Nanana toetra iray niombonany ireo Isiraelita telo lahy ireo: ny fahasahisahian-dratsy.
2 Ny fahasahisahian-dratsy dia toe-po mety hahazo sy hanimba ny rehetra. (Salamo 19:13). Sahy manao zavatra tsy nahazoany lalana ny olona sahisahy ratsy. Matetika izany no mitondra loza. Raha ny marina, dia nitondra loza ho an’ny mpanjaka ary nandrava empira ny fahasahisahian-dratsy. (Jeremia 50:29, 31, 32; Daniela 5:20). Namandrika ny mpanompon’i Jehovah sasany mihitsy aza izy io, ka nitondra loza ho azy ireo.
3. Ahoana no ahafahantsika mahafantatra momba ireo loza entin’ny fahasahisahian-dratsy?
3 Noho ny antony marim-pototra àry no ilazan’ny Baiboly hoe: “Raha tonga ny [fahasahisahian-dratsy, NW ], dia tonga koa ny fahafaham-baraka, fa ao amin’ny [olona mihevi-tena araka ny antonony, NW ] no misy fahendrena.” (Ohabolana 11:2). Misy ohatra manamafy ny fahamarinan’io ohabolana io ao amin’ny Baiboly. Ny fandinihana ny sasany amin’ireny ohatra ireny dia hanampy antsika hahita ny loza miandry ny olona mihoa-pefy. Nahatonga azy telo mirahalahy voalaza terỳ am-piandohana hanao zavatra tamim-pahasahisahian-dratsy ny fitsiriritana sy ny fanirian-daza fatratra ary ny tsy fananam-paharetana, ka nitondra fahafaham-baraka ho azy ireo. Andeha àry hodinihintsika ny fomba nitrangan’izany.
Kora—Mpikomy feno fitsiriritana
4. a) Iza moa i Kora, ary tsy isalasalana fa nandray anjara tamin’ny zava-nitranga ara-tantara inona avy izy? b) Nitarika fanaovan-dratsy inona i Kora, rehefa zokinjokiny?
4 Levita taranak’i Kehata i Kora, ary zanak’olo-mpiray tam-po tamin’i Mosesy sy i Arona. Toa tsy nivadika teo anatrehan’i Jehovah nandritra ny am-polony taona maro izy. Nanana tombontsoa anisan’ireo nafahana tamin’ny fomba mahagaga avy teo amin’ny Ranomasina Mena i Kora, ary azo inoana fa anisan’ny nampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ireo Isiraelita nivavaka tamin’ilay ombilahy kely volamena, teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. (Eksodosy 32:26). Tatỳ aoriana anefa, dia nitarika fikomiana tamin’i Mosesy sy i Arona, i Kora. Anisan’ireo mpikomy i Datana sy i Abirama ary i Ona, izay samy taranak’i Robena, mbamin’ny filoha isiraelita 250.a “Aoka izay hianareo!”, hoy izy ireo tamin’i Mosesy sy i Arona, “fa masina avokoa ny fiangonana rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no dia manandra-tena ho ambonin’ny fiangonan’i Jehovah hianareo?”—Nomery 16:1-3.
5, 6. a) Nahoana i Kora no nikomy tamin’i Mosesy sy i Arona? b) Nahoana no azo inoana fa nanambany ny toerany tao anatin’ny fandaharan’Andriamanitra i Kora?
5 Nahoana àry i Kora no nikomy, rehefa avy nahatoky nandritra ny taona maro? Azo antoka fa tsy nampahory ny Isiraely ny fitondran’i Mosesy, satria izy dia “lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany”. (Nomery 12:3). Toa nitsiriritra sy sosotra noho ny toerana niavaka notanan’i Mosesy sy i Arona anefa i Kora, ka nanjary nanao filazana tsy marina akory, hoe i Mosesy sy i Arona fotsiny no ta hanandra-tena tamim-pitiavan-tena ho ambonin’ny kongregasiona.—Salamo 106:16.
6 Tena azo inoana fa anisan’ny olana teo amin’i Kora ny hoe tsy nankamamy ny tombontsoa nananany tao anatin’ny fandaharan’Andriamanitra izy. Marina aloha fa tsy mpisorona ny Levita taranak’i Kehata, kanefa mpampianatra ny Lalàn’Andriamanitra izy ireo. Nitondra ireo fanaka sy fitaovan’ny tabernakely koa izy ireo, rehefa tsy maintsy notaterina ireny. Tsy maivan-danja izany asa izany, satria ny olona nadio ara-pivavahana sy ara-pitondran-tena ihany no nahazo nitondra ireny fitaovana masina ireny. (Isaia 52:11). Noho izany, rehefa nifanatrika tamin’i Kora i Mosesy, dia nanontany azy toy izao, raha ny marina: Heverinao ho tsinontsinona ve ny asa nanendrena anao, ka mitady ny ho mpisorona koa ianao? (Nomery 16:9, 10). Tsy takatr’i Kora fa ny voninahitra lehibe indrindra, dia ny manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana, araka ny fandaharany—fa tsy ny mahazo toerana manokana.—Salamo 84:10.
7. a) Inona no nasain’i Mosesy nataon’i Kora sy ireo niaraka taminy? b) Niafara tamin’ny loza inona ny fikomian’i Kora?
7 Nasain’i Mosesy hivory tao amin’ny trano lay fihaonana i Kora sy ireo niaraka taminy ny ampitso maraina, hitondra fitondrana afo sy ditin-kazo manitra. Tsy nahazo lalana hanolotra ditin-kazo manitra i Kora sy ireo niaraka taminy, satria tsy mpisorona. Raha tonga nitondra fitondrana afo sy ditin-kazo manitra izy ireo, dia ho nampiseho mazava izany fa mbola nihevi-tena ho nanan-jo hanao ny asan’ny mpisorona ihany izy ireo, na dia efa nanana ny alina manontolo aza mba handinihana indray ilay raharaha. Rehefa niseho izy ireo ny ampitso maraina, dia ara-drariny raha naneho ny fahatezerany i Jehovah. “Nisokatra ny tany ka nitelina” an’ireo anisan’ny taranak’i Robena. Levon’ny afo avy tamin’Andriamanitra kosa ny sisa, anisan’izany i Kora. (Deoteronomia 11:6; Nomery 16:16-35; 26:10). Nitondra fahafaham-baraka lehibe indrindra ny fahasahisahian-dratsin’i Kora, dia ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra!
Tohero ny “fironana hitsiriritra”
8. Ahoana no mety hisehoan’ny “fironana hitsiriritra”, eo anivon’ny samy Kristianina?
8 Fampitandremana ho antsika ny fitantarana momba an’i Kora. Koa satria ao amin’ny olombelona tsy lavorary ny “fironana hitsiriritra”, dia mety hiseho ao anatin’ny kongregasiona kristianina mihitsy aza izy io. (Jakoba 4:5, NW ). Ohatra, mety hihevitra isika fa zava-dehibe ny toeram-piandraiketana. Sahala amin’i Kora, dia mety hitsiriritra an’ireo manana tombontsoa irintsika ho azo isika. Na, mety ho tonga sahala amin’ilay Kristianina tamin’ny taonjato voalohany nantsoina hoe Diotrefa isika. Nanakiana mafy ny fahefan’ny apostoly izy, ka niharihary fa noho izy te hitondra. Nanoratra tokoa i Jaona fa “te-ho lohany” i Diotrefa.—3 Jaona 9.
9. a) Inona no toe-tsaina ilaintsika hohalavirina, manoloana ireo andraikitra ao amin’ny kongregasiona? b) Ahoana no tokony hiheverantsika ny toerantsika ao anatin’ny fandaharan’Andriamanitra?
9 Mazava ho azy fa tsy ratsy raha miezaka handroso ny lehilahy kristianina iray mba hiantsorohana andraikitra ao amin’ny kongregasiona. Nampirisihan’i Paoly mihitsy aza ny hanaovana izany. (1 Timoty 3:1). Tsy tokony hoheverintsika na oviana na oviana ho toy ny mari-pankasitrahana anefa ny tombontsoam-panompoana, ka toy ny hoe tafakatra ambonimbony kokoa eo amin’izay lazaina ho ambaratongam-pisondrotana isika, raha mahazo izany. Tadidio izao tenin’i Jesosy izao: “Izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.” (Matio 20:26, 27). Mazava àry fa tsy mety ny hitsiriritana an’ireo manana andraikitra lehibe kokoa, toy ny hoe miankina amin’ny “laharantsika” ao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra ny hasarobidintsika eo imasony. Hoy i Jesosy: “Hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.” (Matio 23:8). Eny, na mpitory na mpisava lalana, na vao vita batisa na mpihazona tsy fivadihana efa hatramin’ny ela—izay rehetra manompo an’i Jehovah amin’ny fanahiny rehetra, dia manana toerana sarobidy ao anatin’ny fandaharany. (Lioka 10:27; 12:6, 7; Galatiana 3:28; Hebreo 6:10). Tena fitahiana tokoa ny manao soroka miara-milanja amin’ireo olona an-tapitrisany maro, izay miezaka mafy hampihatra izao torohevitry ny Baiboly izao: “Samia misikina fanetren-tena hianareo ka mifanompoa”.—1 Petera 5:5.
Absaloma—Mpanararaotra fatra-paniry laza
10. Iza moa i Absaloma, ary ahoana no niezahany hahazo ny fanohanan’ireo nitondra ny adiny hotsarain’ny mpanjaka?
10 Ahitantsika izany atao hoe fanirian-daza fatratra izany, ny fandinihana ny tantaram-piainan’i Absaloma, zanakalahy fahatelon’i Davida Mpanjaka. Nanao izay hahazoana ny fanohanan’ireo tonga nitondra ny adiny hotsarain’ny mpanjaka, io mpanararaotra nikotrika teti-dratsy io. Voalohany aloha, dia nilaza an-kolaka izy hoe tsy niraika teo anoloan’ny zavatra nilain’izy ireo i Davida. Avy eo dia tsy niolakolaka intsony izy fa avy hatrany dia novantaniny izay nokendreny ho azo. “Enga anie ka izaho no voatendry ho mpitsara amin’ny tany, ary ho avy atỳ amiko ny olona rehetra izay manana ady sy teny hotsaraina, dia homeko rariny izy!”, hoy ny noventiventesiny. Tsy nisy fetrany ny fanaovan’i Absaloma politika tamin-kafetsen-dratsy. “Isaky ny nisy olona nanatona hiankohoka teo anoloany”, hoy ny Baiboly, “dia narosony ny tànany ka noraisiny sy norohany izany olona izany. Ary toy izany no nataon’i Absaloma tamin’ny Isiraely rehetra izay nankao amin’ny mpanjaka hotsaraina”. Inona no vokany? “Voafetsin’i Absaloma ho azy ny fon’ny lehilahy amin’ny Isiraely.”—2 Samoela 15:1-6.
11. Ahoana no niezahan’i Absaloma handrombaka ny seza fiandrianan’i Davida?
11 Tapa-kevitra ny handrombaka ny fanjakan-drainy i Absaloma. Dimy taona talohan’izay, dia nataony izay hamonoana an’i Amnona, lahimatoan’i Davida, ka toa valy faty noho ny nametavetana an’i Tamara, anabavin’i Absaloma, izany. (2 Samoela 13:28, 29). Na dia tamin’izay fotoana izay aza anefa, dia nety ho efa nikendry ny hahazo ny seza fiandrianana i Absaloma, ka nihevitra fa fomba nety tsara hanilihana rafy iray ny namonoana an’i Amnona.b Na ahoana na ahoana, dia nihetsika i Absaloma, rehefa tonga ny fotoana. Nataony izay hanambarana nanerana ilay tany fa izy no mpanjaka.—2 Samoela 15:10.
12. Hazavao ny fomba nitondran’ny fahasahisahian-dratsy fahafaham-baraka ho an’i Absaloma.
12 Nahomby i Absaloma, nandritra ny fotoana kelikely, satria “nihamasaka ny tetika fikomiana, ka dia nihamaro mandrakariva ny olona nomba an’i Absaloma”. Rehefa nandeha ny fotoana, dia voatery nandositra i Davida Mpanjaka, mba hanavotana ny ainy. (2 Samoela 15:12-17). Tsy ela anefa dia nifarana sahady ny fanjakan’i Absaloma, rehefa novonoin’i Joaba izy, natsipy tao anaty lavaka, ary nosaronana vato. Alao sary an-tsaina ange izany e! Tsy nahazo fandevenana tsara akory io lehilahy naniry fatratra ny ho mpanjaka io, rehefa maty!c Tena nitondra fahafaham-baraka ho an’i Absaloma ny fahasahisahian-dratsy.—2 Samoela 18:9-17.
Halaviro ny fanirian-daza fatratra amim-pitiavan-tena
13. Ahoana no mety hahatonga ny toe-tsaina fatra-paniry laza hamaka ao am-pon’ny Kristianina iray?
13 Andraisantsika fianarana ny nisandratan’i Absaloma teo amin’ny fahefana, ary avy eo ny nahalavoany. Eo amin’ity tontolo maty eritreritra ankehitriny ity, dia fahita ny olona mandokadoka ny lehibeny, ka mitady sitraka aminy mba hanairana ny sainy fotsiny na angamba mba hahazoana karazana tombontsoa na fisondrotana. Etsy an-danin’izany, dia mety hidera tena amin’ny olona eo ambany fahefany izy ireo, ka manantena ny hahazo sitraka sy fanohanana avy amin’izy ireny. Raha tsy mitandrina isika, dia mety hamaka ao am-pontsika ny toe-tsaina fatra-paniry laza toy izany. Toa nitranga teo amin’ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany izany, ka voatery nampitandrina mafy ny amin’izy ireny ireo apostoly.—Galatiana 4:17; 3 Jaona 9, 10.
14. Nahoana isika no tokony hanalavitra ny toe-tsaina fatra-paniry laza, tia manandra-tena?
14 Tsy manan-toerana ao anatin’ny fandaminan’i Jehovah ny olona mandoka tena, izay mikotrika teti-dratsy ka miezaka ‘hitady ny voninahiny’. (Ohabolana 25:27). Mampitandrina toy izao tokoa ny Baiboly: ‘Holevonin’i Jehovah ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona.’ (Salamo 12:3). Nanana molotra nandrobo i Absaloma. Nandokadoka an’ireo nilany sitraka izy, mba hahazoana fotsiny toeram-pahefana notsiriritiny fatratra. Mifanohitra amin’izany fa sambatra tokoa isika eo anivon’ny fianakavian’ny mpirahalahy, izay manaraka izao torohevitr’i Paoly izao: “[Aza] manao na inona na inona [noho ny fitiavana fifandirana na noho ny fizahozahoana, NW ]; fa amin’ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.”—Filipiana 2:3.
Saoly—Mpanjaka tsy nanam-paharetana
15. Ahoana no nampisehoan’i Saoly fa nihevi-tena araka ny antonony izy teo aloha?
15 Teo aloha dia nihevi-tena araka ny antonony i Saoly, izay tonga mpanjakan’ny Isiraely tatỳ aoriana. Diniho, ohatra, izay nitranga, fony izy tanora kokoa. Rehefa nanao filazana tsara momba azy i Samoela, mpaminanin’Andriamanitra, dia namaly tamim-panetren-tena toy izao i Saoly: “Tsy Benjamita va aho, avy amin’ilay kely indrindra amin’ny firenen’Isiraely? ary tsy kely indrindra va ny mpianakaviko eo amin’ny mpianakavin’ny firenen’i Benjamina rehetra? ka nahoana no miteny amiko toy izany hianao?”—1 Samoela 9:21.
16. Ahoana no nampisehoan’i Saoly fa tsy nanam-paharetana izy?
16 Tsy nihevi-tena araka ny antonony intsony anefa i Saoly, tatỳ aoriana. Fony niady tamin’ny Filistina ny Isiraely, dia nisintaka nankao Gilgala izy, ka tokony hiandry an’i Samoela tao, satria ho avy ao i Samoela hanao fitalahoana tamin’Andriamanitra sy hanao fanatitra. Rehefa tsy tonga tamin’ilay fotoana voatondro i Samoela, dia sahisahy ratsy nanolotra ny fanatitra dorana i Saoly. Raha vantany vao vita ilay izy, dia tonga i Samoela. “Inona no nataonao?”, hoy ny fanontanian’i Samoela. Namaly i Saoly hoe: “Raha hitako fa niely nandao ahy ny olona, sady tsy tonga tamin’ny fotoana hianao, (...) dia sahy ihany aho ka nanatitra ny fanatitra odorana.”—1 Samoela 13:8-12.
17. a) Raha vao jerena ny nataon’i Saoly, nahoana izany no toa azo nohamarinina? b) Nahoana i Jehovah no nanameloka an’i Saoly, noho ny tsy nananany faharetana?
17 Raha vao jerena ny nataon’i Saoly, dia toa azo nohamarinina. Rehefa heverina tokoa, dia “poritra” ny vahoakan’Andriamanitra, “ory indrindra”, ary tora-kovitra noho ilay toe-javatra nampamoy fo nisy azy. (1 Samoela 13:6, 7). Azo antoka fa tsy ratsy ny fahasahiana hanombo-javatra, rehefa mitaky izany ny tarehin-javatra.d Tadidio anefa fa afaka mamantatra ny ao am-po i Jehovah, ka mahita ny antony manosika antsika lalina indrindra. (1 Samoela 16:7). Koa tsy maintsy ho nahita lafin-toetra sasany tao amin’i Saoly, izay tsy voalaza mivantana ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly, izy. Ohatra, nety ho hitan’i Jehovah fa ny avonavona no nahatonga an’i Saoly tsy hanam-paharetana. Angamba sosotra mafy i Saoly fa ny tenany, izay mpanjakan’ny Isiraely manontolo, dia voatery niandry olona iray izay noheveriny ho mpaminany efa antitra sady mpangataka andro lava! Na ahoana na ahoana, dia nihevitra i Saoly fa nanome azy ny zo handray an-tanana ny raharaha sady tsy hiraharaha ny toromarika mazava tsara nomena azy, ny fahataran’i Samoela. Inona no vokany? Tsy nidera ny fahasahian’i Saoly hanombo-javatra i Samoela. Mifanohitra amin’izany aza fa nandevilevy an’i Saoly toy izao izy: “Tsy haharitra ny fanjakanao (...), satria tsy nitandrina izay nandidian’i Jehovah anao hianao.” (1 Samoela 13:13, 14). Teo indray koa, dia nitondra fahafaham-baraka ny fahasahisahian-dratsy.
Mitandrema amin’ny tsy fananam-paharetana
18, 19. a) Lazalazao hoe ahoana no mahatonga ny mpanompon’Andriamanitra iray tsy manam-paharetana ankehitriny, hanao zavatra amim-pahasahisahian-dratsy. b) Inona no tokony hotadidintsika momba ny fiasan’ny kongregasiona kristianina?
18 Noraketina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fitantarana momba ny fahasahisahian-dratsin’i Saoly, mba handraisantsika fianarana. (1 Korintiana 10:11). Mora dia mora ho antsika ny ho sorena noho ny tsy fahalavorarian’ny rahalahintsika. Sahala amin’i Saoly, dia mety hanjary tsy hanam-paharetana isika, ka hihevitra fa raha misy raharaha tiantsika hokarakaraina araka ny tokony izy, dia isika no tsy maintsy mandray azy an-tanana. Ohatra, aoka hatao hoe tena mahay mandamin-javatra tsara ny rahalahy iray. Marim-potoana izy, maharaka ny fomba fiasa ao amin’ny kongregasiona, ary mahay mandaha-teny sy mampianatra. Etsy an-danin’izany, dia tsapany fa tsy mahatandrina tsara ny tsipirian-javatra toa azy ny hafa, ary tsy dia mahay miasa amin’ny fomba mahomby, araka izay tiany. Moa ve izany mamela azy tsy hanam-paharetana? Tokony hanakiana ireo rahalahiny ve izy, ka angamba hilaza an-kolaka fa tsy hisy zava-bita mihitsy ary hihaosa ny kongregasiona, raha tsy eo ny ezaka ataony? Ho fihamboana amim-pahasahisahian-dratsy izany!
19 Inona tokoa moa no mampitambatra ny kongregasionan’ny Kristianina? Ny fahaiza-mitantan-draharaha ve? Ny fahaiza-miasa mahomby ve? Ny fahalalana lalina ve? Marina aloha fa mampisosa tsara ny fiasan’ny kongregasiona ireo zavatra ireo. (1 Korintiana 14:40; Filipiana 3:16; 2 Petera 3:18). Nilaza anefa i Jesosy fa ho fantatra voalohany indrindra noho ny fifankatiavany, ny mpanara-dia azy. (Jaona 13:35). Izany no mahatonga ireo loholona be fiahiana, nefa tia filaminana koa, hahatakatra fa tsy orinasa mitaky fitantanana henjana ny kongregasiona. Andian’ondry mila fikarakarana amim-pitiavana kosa izy io. (Isaia 32:1, 2; 40:11). Matetika no miteraka fifandirana ny tsy firaharahana amim-pahasahisahian-dratsy an’ireo foto-pitsipika ireo. Mifanohitra amin’izany fa mitondra fiadanana ny filaminana araka an’Andriamanitra.—1 Korintiana 14:33; Galatiana 6:16.
20. Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
20 Mampiseho mazava ny fitantaran’ny Baiboly momba an’i Kora sy i Absaloma ary i Saoly, fa mitondra fahafaham-baraka ny fahasahisahian-dratsy, araka ny voalaza ao amin’ny Ohabolana 11:2. Hoy koa anefa io andinin-teny ao amin’ny Baiboly io: “Ao amin’ny [olona mihevi-tena araka ny antonony, NW] no misy fahendrena.” Inona moa no atao hoe fiheveran-tena araka ny antonony? Inona avy no ohatra ao amin’ny Baiboly manome fanazavana momba io toetra io, ary ahoana no ahafahantsika maneho azy io ankehitriny? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Koa satria i Robena no lahimatoan’i Jakoba, ireo anisan’ny taranany voataonan’i Kora hikomy dia nety ho sosotra fa hoe i Mosesy, izay taranak’i Levy, no nahazo fahefana hitantan-draharaha teo amin’izy ireo.
b Tsy voaresaka i Kileaba, zanakalahy faharoan’i Davida, taorian’ny nahaterahany. Angamba maty talohan’ny nikomian’i Absaloma izy.
c Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia tena zava-dehibe ny fandevenana ny fatin’ny olona nodimandry iray. Koa zava-doza àry izany hoe tsy nalevina izany, ary matetika no nampiseho fa tsy nahazo sitraka tamin’Andriamanitra ilay olona maty.—Jeremia 25:32, 33.
d Ohatra, nanao zavatra haingana i Finehasa, mba hampitsaharana ilay areti-mandringana izay nahafaty Isiraelita an’aliny maro; ary i Davida dia nampirisika an’ireo miaramilany noana mafy mba hiara-mihinana aminy ny mofo aseho tao amin’ny “tranon’Andriamanitra”. Samy tsy nisy nomelohin’Andriamanitra ho fahasahisahian-dratsy ireo fanaovan-javatra ireo.—Matio 12:2-4; Nomery 25:7-9; 1 Samoela 21:2-7.
-
-
‘Ao Amin’ny Olona Mihevi-tena Araka ny Antonony no Misy Fahendrena’Ny Tilikambo Fiambenana—2000 | 1 Aogositra
-
-
‘Ao Amin’ny Olona Mihevi-tena Araka ny Antonony no Misy Fahendrena’
“Inona no angatahin’i Jehovah aminao ho setriny afa-tsy ny (...) hihevi-tena araka ny antonony eo am-piaraha-mandeha amin’Andriamanitrao?”—MIKA 6:8, NW.
1, 2. Inona moa no atao hoe fiheveran-tena araka ny antonony, ary inona no maha samy hafa azy io amin’ny fahasahisahian-dratsy?
TSY nety nisarika ny saina ho amin’ny tenany ny apostoly iray nitana toerana miavaka. Nilaza ny tenany ho ny kely indrindra tao amin’ny ankohonan-drainy ny mpitsara isiraelita iray be herim-po. Niaiky ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany fa tsy manana ny fahefana tampony ny tenany. Samy nihevi-tena araka ny antonony ireo lehilahy ireo.
2 Ny fiheveran-tena araka ny antonony dia mifanohitra amin’ny fahasahisahian-dratsy. Ny olona mihevi-tena araka ny antonony dia tsy manana fiheverana tafahoatra ny amin’ny fahaizany sy ny hasarobidiny, ary tsy mihevi-tena ho zavatra na mieboebo. Tsy miavonavona na mirehareha na fatra-paniry laza izy, fa mahatsapa foana kosa hoe voafetra ny mety ho vitany. Koa manaja sy manisy fiheverana araka ny tokony ho izy ny fihetseham-po sy ny fomba fihevitry ny hafa àry izy.
3. Nahoana no ‘ao amin’ny olona mihevi-tena araka ny antonony’ ny fahendrena?
3 Noho ny antony marim-pototra àry no ilazan’ny Baiboly hoe: “Ao amin’ny [olona mihevi-tena araka ny antonony, NW ] no misy fahendrena.” (Ohabolana 11:2). Hendry ny olona mihevi-tena araka ny antonony, satria manao izay ankasitrahan’Andriamanitra izy, ary manalavitra toe-tsaina feno fahasahisahian-dratsy izay mitondra fahafaham-baraka. (Ohabolana 8:13; 1 Petera 5:5). Manamafy ny maha fahendrena ny fiheveran-tena araka ny antonony, ny fiainan’ny mpanompon’Andriamanitra maromaro. Andeha isika handinika ireo ohatra telo voatonona teo amin’ny fehintsoratra voalohany.
Paoly—‘Mpanompo’ sady ‘mpitandrin-draharaha’
4. Inona avy ireo tombontsoa tsy manam-paharoa nananan’i Paoly?
4 Nitana toerana miavaka teo anivon’ny Kristianina tany am-boalohany i Paoly, ary tsy mahagaga izany. Nandritra ny fanompoany, dia nanao dia an-dranomasina sy an-tanety an’arivony kilaometatra maro izy, ka nanorina kongregasiona maro be. Tsy vitan’izany fa notahin’i Jehovah i Paoly, ka nomeny fahitana, ary koa fahaizana miteny vahiny. (1 Korintiana 14:18; 2 Korintiana 12:1-5). Nomen’i Jehovah tsindrimandry koa i Paoly hanoratra taratasy 14, izay anisan’ny Soratra Grika Kristianina ankehitriny. Mazava àry fa azo lazaina ho niasa fatratra noho ny apostoly hafa rehetra i Paoly.—1 Korintiana 15:10.
5. Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa nihevi-tena araka ny antonony izy?
5 Koa satria loha laharana teo amin’ny asa kristianina i Paoly, dia nety ho nisy nihevitra azy ho tia ny nisongadina, eny, ho nirehareha noho ny fahefany mihitsy aza. Tsy toy izany anefa i Paoly, fa nihevi-tena araka ny antonony kosa. Nilaza ny tenany ho ny “ambany indrindra amin’ny Apostoly” izy, ary nanampy teny hoe: “Tsy mendrika hatao hoe Apostoly [aho], satria efa nanenjika ny fiangonan’Andriamanitra”. (1 Korintiana 15:9). Nanenjika ny Kristianina tokoa i Paoly teo aloha, ka tsy nohadinoiny na oviana na oviana fa noho ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory ihany no nahafahany nanana fifandraisana taminy, indrindra fa ny nahazoany tombontsoam-panompoana manokana. (Jaona 6:44; Efesiana 2:8). Koa tsy nihevitra àry i Paoly hoe nahatonga azy ho ambony noho ny hafa, ny zava-bitany niavaka teo amin’ny fanompoana.—1 Korintiana 9:16.
6. Ahoana no nanehoan’i Paoly fiheveran-tena araka ny antonony, teo amin’ny fifandraisany tamin’ny Korintianina?
6 Niharihary indrindra teo amin’ny fifandraisan’i Paoly tamin’ny Korintianina ny fiheverany tena araka ny antonony. Ny sasany tamin’izy ireo dia toa tia manokana an’ireo noheveriny ho mpiandraikitra nitana toerana niavaka, anisan’izany i Apolosy sy i Kefasy ary ny tenan’i Paoly koa. (1 Korintiana 1:11-15). Tsy nila dera tamin’ny Korintianina na nanararaotra ny fideran’izy ireo anefa i Paoly. Rehefa nitsidika azy ireo izy, dia tsy tonga “tamin’ny teny sy fahendrena marevaka”. Hoy kosa izy, mahakasika ny tenany sy ireo namany: “Aoka hataon’ny olona ho mpanompon’i Kristy sy mpitandrina ny zava-miafina izay an’Andriamanitra izahay.”a—1 Korintiana 2:1-5; 4:1.
7. Ahoana no nanehoan’i Paoly fiheveran-tena araka ny antonony, na dia rehefa nanome torohevitra aza izy?
7 Naneho fiheveran-tena araka ny antonony i Paoly, na dia rehefa tsy maintsy nanome torohevitra sy toromarika mahery aza. Niangavy an’ireo Kristianina hafa izy, “noho ny famindrampon’Andriamanitra” sy “noho ny fitiavana”, fa tsy noho ny fahefany tamin’ny naha apostoly azy. (Romana 12:1, 2; Filemona 8, 9). Nahoana i Paoly no nanao toy izany? Satria tena nihevi-tena ho “mpiara-miasa” tamin’ireo rahalahiny izy, fa tsy ho ‘tompon’ny finoan’izy ireo’. (2 Korintiana 1:24). Tsy isalasalana fa ny niheveran’i Paoly tena araka ny antonony no nahatonga azy ho tena mamin’ny fon’ireo kongregasiona kristianina tamin’ny taonjato voalohany.—Asan’ny Apostoly 20:36-38.
Fiheverana araka ny antonony ny tombontsoantsika
8, 9. a) Nahoana isika no tokony hihevi-tena araka ny antonony? b) Ahoana no ahafahan’ireo olona manana andraikitra mihevi-tena araka ny antonony?
8 Namela ohatra tsara dia tsara ho an’ny Kristianina ankehitriny i Paoly. Na inona na inona andraikitra nankinina tamintsika, dia tsy misy amintsika tokony hihevi-tena ho ambony noho ny hafa. Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.” (Galatiana 6:3). Nahoana? Satria “samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. (Romana 3:23, izahay no manao sora-mandry; 5:12). Eny, tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana fa nandova ota sy fahafatesana avy tamin’i Adama isika rehetra. Tsy manandratra antsika ho afaka amin’ny toerantsika ambany, dia amin’ny maha mpanota antsika, ny fahazoana tombontsoa manokana. (Mpitoriteny 9:2). Toy ny tamin’i Paoly, dia noho ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory ihany no ahafahan’ny olombelona manana fifandraisana aminy, indrindra fa ny anompoany azy eo amin’ny tombontsoam-panompoana manokana.—Romana 3:12, 24.
9 Mahatakatra izany ny olona iray mihevi-tena araka ny antonony, ka tsy midera tena noho ny nahazoany tombontsoa na mirehareha noho ny zava-bitany. (1 Korintiana 4:7). Rehefa manome torohevitra na toromarika izy, dia mitondra tena toy ny mpiara-miasa, fa tsy toy ny tompo. Azo antoka fa tsy tsara raha toa ny olona iray mahay kokoa amin’ny fanaovana asa iray, ka mila dera avy amin’ny mpiray finoana aminy, na manararaotra ny fideran’izy ireo. (Ohabolana 25:27; Matio 6:2-4). Ny hany teny fiderana misy vidiny dia izay ataon’ny hafa, ary tsy tokony hangatahina izany. Raha mahazo teny fiderana isika, dia tsy tokony havelantsika hahatonga antsika hihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina, izany.—Ohabolana 27:2; Romana 12:3.
10. Hazavao hoe ahoana no mety hahatonga ny olona iray toa tsotsotra, ho mety ho tena “mpanan-karena amin’ny finoana”.
10 Rehefa anankinana andraikitra isika, ny fiheveran-tena araka ny antonony dia hanampy antsika tsy hanantitrantitra be loatra ny amin’ny tenantsika, ka hanao izay hiheveran’ny hafa fa noho ny ezaka ataontsika sy ny fahaizantsika ihany no mampiroborobo ny kongregasiona. Ohatra, mety hanan-talenta manokana amin’ny fampianarana isika. (Efesiana 4:11, 12). Raha mihevi-tena araka ny antonony anefa isika, dia tsy maintsy manaiky fa tsy avy eny amin’ny lampihazo no andraisantsika ny sasany amin’ny fianarana lehibe indrindra any amin’ny fivorian’ny kongregasiona. Tsy mampahery anao ve, ohatra, ny mahita ray na reny mitaiza irery ny zanany, izay tonga tsy tapaka ao amin’ny Efitrano Fanjakana miaraka amin’ireo zanany manaraka azy akaiky? Na mahita olona ketraka tsy mahafoy ireo fivoriana, na dia tsy afaka ao aminy aza ny fiheveran-tena ho tsy misy vidiny? Na mahita tanora manao fandrosoana ara-panahy tsy an-kijanona, na dia eo aza ny fitaoman-dratsy any an-tsekoly sy any an-toeran-kafa? (Salamo 84:10). Mety ho tsy misongadina ireny olona ireny. Tsy voamariky ny hafa ny fisedrana ny tsy fivadihany, amin’ny ankapobeny. Na izany aza, dia mety ho “mpanan-karena amin’ny finoana” toy ireo manana toerana miavaka kokoa, izy ireny. (Jakoba 2:5). Rehefa heverina tokoa, dia ny fahatokiana eo anatrehan’i Jehovah no hahazoana sitraka aminy, amin’ny farany.—Matio 10:22; 1 Korintiana 4:2.
Gideona—“Ny kely indrindra” tao amin’ny ankohonan-drainy
11. Ahoana no nanehoan’i Gideona fiheveran-tena araka ny antonony, rehefa niresaka tamin’ny anjelin’Andriamanitra izy?
11 Velona nandritra ny fotoana iray feno hotakotaka teo amin’ny tantaran’ny Isiraely i Gideona, tovolahy tomady avy tamin’ny fokon’i Manase. Nijaly noho ny fampahorian’ny Midianita ny vahoakan’Andriamanitra, nandritra ny fito taona. Tonga anefa izao ny fotoana hanafahan’i Jehovah ny vahoakany. Koa niseho tamin’i Gideona àry ny anjely iray, ka nanao hoe: “Jehovah no momba anao, ry lehilahy mahery.” Nihevi-tena araka ny antonony i Gideona, ka tsy finaritra be tamin’ny voninahitra azony avy tamin’io teny fiderana tsy nampoiziny io. Nilaza toy izao tamim-panajana tamin’ilay anjely kosa izy: “Indrisy, Tompoko, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin’izao rehetra izao izahay?” Nanazava ny toe-draharaha ilay anjely, ka nilaza tamin’i Gideona hoe: ‘Hamonjy ny Isiraely amin’ny tanan’ny Midiana ianao.’ Ahoana no navalin’i Gideona? Tsy may ny hanararaotra ilay fanendrena azy izy mba hahatongavana ho mahery fo teo amin’ilay firenena, fa namaly kosa hoe: “Indrisy, Tompo ô, hataoko ahoana no famonjy ny Isiraely? He! ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin’ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin’ny ankohonan’ny raiko.” Nihevi-tena araka ny antonony tokoa izy!—Mpitsara 6:11-15.
12. Ahoana no nampisehoan’i Gideona fa tsy tia sehoseho izy teo am-panatontosana ilay asa nanendrena azy?
12 Notsapain’i Jehovah i Gideona, talohan’ny nandefasany azy hiady. Tamin’ny fomba ahoana? Nilazany izy mba handrava ny alitaran-drainy ho an’i Bala sy hanjera ilay tsato-kazo masina nijoro teo anilan’izy io. Nitaky herim-po ny fanaovana izany, kanefa nihevi-tena araka ny antonony sy tsy tia sehoseho koa i Gideona, teo am-panatontosana ilay izy. Tsy nanao izany ampahibemaso izy, fa tamin’ny alina, rehefa tena azo inoana fa tsy hisy hahita azy. Ankoatra izany, dia malina araka ny tokony ho izy i Gideona rehefa nanao ilay asa nanendrena azy. Nitondra mpanompo folo izy, mba hahafahan’ny sasany hiambina angamba, raha mbola nanampy azy handrava ilay alitara sy ilay tsato-kazo masina ny sisa.b Na ahoana na ahoana, noho ny fitahian’i Jehovah, dia nahatontosa ilay asa nanendrena azy i Gideona, ary nampiasain’Andriamanitra mba hanafahana ny Isiraely teo an-tanan’ny Midianita, taoriana kelin’izay.—Mpitsara 6:25-27.
Mihevi-tena araka ny antonony sy tsy tia sehoseho
13, 14. a) Ahoana no ahafahantsika maneho fiheveran-tena araka ny antonony, rehefa omena tombontsoam-panompoana isika? b) Ahoana no namelan’ny Rahalahy A. H. Macmillan ohatra tsara dia tsara, raha ny amin’ny fiheveran-tena araka ny antonony?
13 Be dia be ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny fiheveran’i Gideona tena araka ny antonony. Ohatra, manao ahoana ny fihetsitsika, rehefa omena tombontsoam-panompoana isika? Moa ve tonga ao an-tsaintsika avy hatrany ny toerana miavaka na ny laza ho azontsika avy amin’izany? Sa kosa isika mihevi-tena araka ny antonony, ka mandinika amim-pahatsorana raha ho vitantsika ilay asa anendrena na tsia? Namela ohatra tsara dia tsara amin’io lafiny io ny Rahalahy A. H. Macmillan, izay nahavita ny fihazakazahany teto an-tany tamin’ny 1966. Nanontany azy indray mandeha i C. T. Russell, prezidà voalohan’ny Fikambanana Watch Tower, hoe iza no noheveriny ho afaka hiandraikitra ny asa, rehefa tsy ho eo izy. Tsy mba nanolotra ny tenany, na dia indray mandeha aza, ny Rahalahy Macmillan, tamin’ny tohin’ilay resaka, na dia tena nety aza ny nanaovany izany. Tamin’ny farany, dia nasain’ny Rahalahy Russell izy handinika ny amin’ny fanekena hanao ilay asa. Hoy ny nosoratan’ny Rahalahy Macmillan, taona maro tatỳ aoriana: “Nivanàka teo aho. Tena nieritreritra ilay izy tamim-pitandremana tsara aho, ary nivavaka momba ilay izy nandritra ny fotoana elaela aloha, vao nilaza taminy, tamin’ny farany, fa ho faly aho hanao izay rehetra azoko atao, mba hanampiana azy.”
14 Tsy ela taorian’izay, dia nodimandry ny Rahalahy Russell, ka tsy nisy nitana ny toeran’ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower. Koa satria ny Rahalahy Macmillan no niandraikitra ny asa, nandritra ny dia fitoriana farany nataon’ny Rahalahy Russell, dia nilaza taminy toy izao ny rahalahy iray: “Ianao, ry Mac, no tena mety hahazo ilay toerana. Ianao no solontena manokan’ny Rahalahy Russell, fony izy tsy teo, ary nilazany izahay rehetra mba hanaraka izay lazainao. Koa lasa izy ka tsy niverina intsony. Toa ianao no handimby azy.” Hoy ny navalin’ny Rahalahy Macmillan: “Tsy toy izany, ry rahalahy, no fomba fijery ity raharaha ity. Asan’ny Tompo izy ity, ary ny hany toerana azonao ao anatin’ny fandaminan’ny Tompo dia izay hitany fa azo omena anao; ary azoko antoka fa tsy ny tenako no tokony ho eo amin’ilay toerana.” Avy eo dia nanolotra olon-kafa ho eo amin’ilay toerana ny Rahalahy Macmillan. Sahala amin’i Gideona, dia nihevi-tena araka ny antonony izy, ka fahendrena ny hanahafantsika azy.
15. Inona avy no fomba tsara sasany azontsika anehoana fahaiza-manavaka, rehefa mitory amin’ny hafa isika?
15 Tokony hihevi-tena araka antonony koa isika, eo amin’ny fomba fanatontosantsika ny asa anendrena antsika. Tsy tia sehoseho i Gideona, ary niezaka ny tsy hampahatezitra tsy amin’antony ireo mpanohitra azy. Torak’izany koa fa, eo amin’ny asa fitoriantsika, dia tokony hihevi-tena araka ny antonony sy tsy ho tia sehoseho isika, eo amin’ny fomba firesatsika amin’ny hafa. Marina aloha fa mandray anjara amin’ny ady ara-panahy natao handravana “zavatra miorim-paka mafy” sy “fisainana”, isika. (2 Korintiana 10:4, 5, NW ). Tsy tokony hanambany ny hafa anefa isika rehefa miresaka aminy, na hahatonga azy ho sosotra ara-drariny amin’ny hafatra entintsika. Tokony hanaja ny fomba fiheviny kosa isika, ka hanantitrantitra izay mety ho marimaritra iraisana, ary avy eo dia hifantoka amin’ny lafiny mampahery amin’ny hafatra entintsika.—Asan’ny Apostoly 22:1-3; 1 Korintiana 9:22; Apokalypsy 21:4.
Jesosy—Ilay ohatra fara tampony ny amin’ny fiheveran-tena araka ny antonony
16. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nihevi-tena araka ny antonony izy?
16 I Jesosy Kristy no ohatra tsara indrindra ny amin’ny fiheveran-tena araka ny antonony.c Na dia nanana fifandraisana akaiky tamin’ny Rainy aza i Jesosy, dia tsy nisalasala izy niaiky fa tsy nananany fahefana ny zavatra sasany. (Jaona 1:14). Ohatra, rehefa nangatahan’ny renin’i Jakoba sy i Jaona izy, mba hipetrahan’ireo zanany mirahalahy ireo eo anilany ao amin’ny fanjakany, dia hoy i Jesosy: “Ny hipetraka eo an-tànako ankavanana sy eo an-tànako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany”. (Matio 20:20-23). Niaiky tsy tamim-pisalasalana toy izao i Jesosy, tamin’ny fotoana hafa: “Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; (...) tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.”—Jaona 5:30; 14:28; Filipiana 2:5, 6.
17. Ahoana no nanehoan’i Jesosy fiheveran-tena araka ny antonony, teo amin’ny fifandraisany tamin’ny hafa?
17 Ambony noho ny olombelona tsy lavorary i Jesosy, tamin’ny lafiny rehetra, ary nanana fahefana tsy nisy toa azy, izay nomen’i Jehovah Rainy azy. Na izany aza, dia nihevi-tena araka ny antonony i Jesosy, teo amin’ny fifandraisany tamin’ny mpanara-dia azy. Tsy nanototra azy ireo tamin’ny fahalalana be dia be izy, na nampideradera izany mba hampiaiky volana azy ireo. Sady nahatakatra ny fihetseham-pon’izy ireo izy no nangoraka azy, ka nihevitra ny zavatra nilainy, tamin’ny naha olombelona azy ireo. (Matio 15:32; 26:40, 41; Marka 6:31). Koa na dia lavorary aza i Jesosy, dia tsy nitaky fahalavorariana. Tsy nitaky mihoatra noho izay nety ho vitan’ireo mpianany mihitsy izy, ary tsy nanankina taminy mihitsy mihoatra noho izay nety ho zakany. (Jaona 16:12). Tsy mahagaga raha olona maro tokoa no nahita azy ho namelombelona!—Matio 11:29.
Tahafo ny ohatr’i Jesosy ny amin’ny fiheveran-tena araka ny antonony
18, 19. Ahoana no ahafahantsika manahaka ny fiheveran’i Jesosy tena araka ny antonony a) eo amin’ny fomba fihevitsika ny tenantsika, ary b) eo amin’ny fomba fitondrantsika ny hafa?
18 Raha naneho fiheveran-tena araka ny antonony ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany, dia vao mainka tokony hanao toy izany koa isika. Matetika ny olona tsy lavorary no tsy vonona ny hiaiky fa tsy ananany tsotra izao ny fahefana feno. Miezaka mafy ny hihevi-tena araka ny antonony anefa ny Kristianina, ho fanahafana an’i Jesosy. Tsy hoe miavona loatra izy ireo ka tsy hanankina andraikitra amin’ireo mahafeno fepetra handray izany; tsy hoe manambony tena koa izy ireo ka tsy hanaiky ny toromarika omen’ireo nahazo lalana hanome izany. Maneho toe-tsaina tia miara-miasa izy ireo, ka mamela ny zava-drehetra ao amin’ny kongregasiona hitranga ‘amim-pahamendrehana sy amim-pilaminana’.—1 Korintiana 14:40.
19 Hanosika antsika tsy hanantena zavatra be loatra avy amin’ny hafa, ary koa hanisy fiheverana ny zavatra ilainy, ny fiheveran-tena araka ny antonony. (Filipiana 4:5). Mety hanana fahaizana sy tanjaka sasany mety tsy hananan’ny hafa isika. Raha mihevi-tena araka ny antonony anefa isika, dia tsy hanantena foana ny hanaovan’ny hafa zavatra araka izay tiantsika. Fantatsika fa voafetra ny mety ho vitan’ny olona tsirairay, ka hahalala ny antonony isika rehefa mihevitra ny fahalemen’ny hafa. Nanoratra toy izao i Petera: “Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa ‘ny fitiavana manarona fahotana maro’.”—1 Petera 4:8.
20. Inona no azontsika atao mba handresena fironana tsy hihevi-tena araka ny antonony?
20 Araka ny hitantsika, dia tena ao amin’ny olona mihevi-tena araka ny antonony no misy fahendrena. Ahoana anefa raha tsikaritrao fa mirona tsy hihevi-tena araka ny antonony na ho sahisahy ratsy ianao? Aza kivy. Araho kosa ny ohatr’i Davida, izay nivavaka toy izao: “Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany”. (Salamo 19:13). Amin’ny fanahafantsika ny finoan’ny olona toa an’i Paoly, i Gideona, ary ambonin’ny olona hafa rehetra, dia i Jesosy Kristy, dia ny tenantsika mihitsy no hahita ny fahamarinan’ireto teny ireto: “Ao amin’ny [olona mihevi-tena araka ny antonony, NW ] no misy fahendrena”.—Ohabolana 11:2.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ilay teny grika nadika hoe “mpanompo”, dia mety hanondro andevo iray nivoy teo amin’ny toeram-pivoizana ambany tao amin’ny sambo lehibe iray. Mifanohitra amin’izany fa nety ho nanankinana andraikitra bebe kokoa ny ‘mpitandrin-draharaha’, ka angamba nikarakara trano sy tany. Teo imason’ny ankamaroan’ny mpampiasa anefa, dia mpanompo toa an’ilay andevo mpivoy sambo ihany ny mpitandrin-draharaha.
b Tsy tokony hoheverina ho kanosa i Gideona, raha tsy tia sehoseho sy malina. Mifanohitra amin’izany fa manamafy ny fananan’i Gideona herim-po ny Hebreo 11:32-38, izay milaza azy ho anisan’ireo “nampahatanjahina” sy “tonga nahery tamin’ny ady”.
c Koa satria mahatsapa ny olona mihevi-tena araka ny antonony fa voafetra ny mety ho vitany, dia tsy azo lazaina hoe mihevi-tena araka ny antonony i Jehovah. Manetry tena kosa anefa izy.—Salamo 18:35.
-