Fikatsahana Harena Miafina
TAMIN’NY 1848, dia hita voalohany tao amin’ny toerana fandrafetan’i Sutter, tany Kalifornia, any Etazonia, ny volamena. Tamin’ny 1849, dia olona an’arivony maro no nankany amin’ilay faritra, nanantena ny ho tonga mpanan-karena haingana, ary nitranga ny firohotana lehibe indrindra hitrandrahana volamena teo amin’ny tantaran’i Etazonia. Tao anatin’ny herintaona, dia lasa tanàn-dehibe nisy mponina 25 000 ny tanàna kelin’i San Francisco, ny seranan-tsambo akaiky indrindra. Hita ho fitaomana mahery ny fanantenana ny hahazo harena tampoka.
Fantatr’i Solomona Mpanjaka teo amin’ny Isiraely fahiny hoe, hatraiza ny favitrihana asehon’ny olona rehefa mitrandraka harena miafina, ary niresaka momba izany izy rehefa nanoratra toy izao: “Raha miantso ny fahalalana hianao ary manandratra ny feonao hahazo saina [“fahaiza-manavaka”, NW ], raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.” — Ohabolana 2:3-5.
Afaka manao zavatra maro be amin’ny volafotsy sy ny volamena ianao, nefa afaka manao zavatra bebe kokoa ianao amin’ny fahalalana sy ny fahaiza-manavaka. Hanampy anao, hanao fanapahan-kevitra mety, handamina ireo zava-manahirana sy hahita fahombiazana amin’ny fanambadiana ary hahita fahasambarana, izy ireo. (Ohabolana 2:11, 12). Tahaka izany koa, ny fahalalana marina sy ny fahendrena dia hanampy anao hahafantatra ilay Mpamorona anao, hahatakatra ny fikasany, ary hankato sy hampifaly azy. Tsy afaka manome anao na dia iray monja amin’ireo zavatra ireo aza ny volamena.
Marina ny teny ao amin’ny Baiboly toy izao: “Fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena.” (Mpitoriteny 7:12). Na dia manonofy harena azo tampoka aza ny olona maro, dia fahendrena kokoa ny fanokafana ny Baiboly ka mitady ny fahaiza-manavaka, ny fahatakarana sy ny fahalalana ary ny fahendrena, izay tena harena tokoa.