Manandratra Firenena Iray ny Fahamarinana
AORIAN’NY firotsahan’ny orana andro maro, dia fahafinaretana toy inona moa ny mifoha ka mahita ny masoandro mamirapiratra eo amin’ny lanitra tsy misy rahona! Manjary velombelona ny tany, ary izao dia afaka mirobona tsara ny zavamaniry. Nampiasa sary toy izany i Jehovah Andriamanitra indray mandeha mba hanazavana ireo fitahiana entin’ny fanapahana marina iray. Hoy izy tamin’i Davida Mpanjaka: “Indro ny Mpanapaka ny olona; marina Izy sady manapaka amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra; ary izany dia toy ny fahazavan’ny maraina, raha m[ipos]aka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; ary ny ahitra manorobona amin’ny tany noho ny hain’andro manarakaraka ny ranonorana.” — 2 Samoela 23:3, 4.
Voaporofo fa marina ny tenin’Andriamanitra nandritra ny fanapahana marin’i Solomona Mpanjaka, zanak’i Davida. Hoy ny fitantaran’ny Baiboly: “Ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin’ny andron’i Solomona rehetra, samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.” — 1 Mpanjaka 5:5.
Firenena voafidin’Andriamanitra ny Isiraely fahiny. Nanome azy ireo ny lalàny Andriamanitra ka nilaza taminy fa raha nankato ny teniny izy ireo, dia hametraka azy ireo “ho ambonin’ny firenena rehetra amin’ny tany” izy. (Deoteronomia 28:1). Tsy ny fahamarinan’ny Isiraely akory, fa ny fahamarinan’i Jehovah kosa no nanandratra azy ireo. Ambony lavitra noho ny lalàn’ireo firenena nanodidina azy ireo ny didy nomen’Andriamanitra azy. Tamin’ny naha-vahoaka azy, dia tsy tanteraka izy ireo, tsy nisy hafa tamin’ireo firenena rehetra ireo. Noho izany, dia noho ny Lalàna ambony nomen’i Jehovah sy ny fifikiran’izy ireo mafy tamin’izy io no nahatonga azy ireo hasandratra ho ambonin’ireo firenena. Rehefa nankato ny lalàn’i Jehovah izy ireo, dia nahazo sitraka taminy sy nahazo ny fitahiany. Nahita izany i Solomona Mpanjaka nandritra ny fanapahany. Afaka nilaza izy hoe: “Ny fahamarinana manandratra ny firenena; fa ny ota kosa”, hoy ny fampitandremany, “dia fahafaham-baraka amin’ny olona.” — Ohabolana 14:34.
Mampalahelo fa noho ny tsy fankatoavana matetika, dia nampietrena ny firenen’ny Isiraely. Niaritra fahafaham-baraka ny firenen’izy ireo. Nitarika ho amin’ny fandavana azy ireo naharitra izany tamin’ny farany ka firenena ara-panahy vaovao iray no nofidina. — Matio 21:43.
Isiraely ara-panahy
Tamin’ny fivoriana iray nataon’ny fitambara-mpitantana kristiana tany Jerosalema, dia nilaza teo ambany tsindrimandry i Jakoba, teraka Jiosy, fa Andriamanitra dia ‘nitsinjo ny jentilisa hanalany olona aminy hankalazana ny anarany’. (Asan’ny Apostoly 15:14). Niantso an’io firenena kristiana vaovao io hoe “Isiraelin’Andriamanitra” ny apostoly Paoly. (Galatiana 6:16). Mikasika ny zava-kendrena amin’ny fiantsoana azy ireo, dia izao no nosoratan’i Petera: “Hianareo kosa dia taranaka voafidy, ‘fanjakà-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga”. (1 Petera 2:9). Tamin’ny naha-vahoaka voafidin’Andriamanitra azy ireo, dia tokony ho namirapiratra tamin’ny naha-mpanazava teo amin’izao tontolo izao izy ireo. Hanandratra azy ireo ny fahamarinan’i Jehovah. — Filipiana 2:15, NW.
Azo ampitahaina amin’ny fitrandrahana diamondra ny fifantenana an’ireo Isiraelita ara-panahy ireo. Rehefa avoaka etỳ ivelany ny mineraly misy diamondra, dia mety tsy hanome afa-tsy 1 carat (200 miligrama) monja isaky ny tany 3 taonina izy io. Ny fomba iray nampiasaina taloha mba hanavahana an’ireo diamondra dia ny fampifangaroana an’ilay mineraly tamin’ny rano sy ny fandrarahana an’ilay fangaro teo ambonin’ny latabatra feno graisse (karazana menaka marihitra). Tsy mandray rano ny diamondra, ary niraikitra tamin’ny graisse izy ireo raha mbola nindaosin’ny rano ireo zavatra tsy nilaina. Eo amin’io ambaratonga io dia maraorao ny diamondra. Kanefa, rehefa voapaika sy voalambolambo izy ireo, dia nandefa hazavana hatraiza hatraiza.
Tahaka ny diamondra tsy mandray rano izay tsy naman’ireo zavatra manodidina azy, dia navahana tamin’izao tontolo izao ny vahoakan’i Jehovah. (Jaona 17:16). Rehefa notarihina voalohany ho amin’ny fahazavana izy ireo, dia mety ho tsy ampy famirapiratana. Mamorona toetra vaovao ao anatin’izy ireo anefa ny Tenin’i Jehovah sy ny fanahiny, ka mamirapiratra amin’ny maha-mpanazava eo amin’itỳ tontolo itỳ izy ireo. Noho ny fahamarinan’i Jehovah no anandratana azy ireo sy andefasany taratry ny fahazavana be voninahitry ny fahamarinana momba ilay Fanjakana hatraiza hatraiza, fa tsy noho ny fahamarinan’ny tenany manokana akory.
Kanefa, nanomboka tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany am.f.i., dia nisoko niditra tao amin’ireo kongregasiona ny fivadiham-pinoana ka nisy fiantraikany teo amin’ny maro. Nanjary tafakambana tamin’ireo firenena teo amin’izao tontolo izao ireo olona nolazaina fa Kristiana, ka tsy hay navahana tamin’izao tontolo izao nanodidina azy ireo.
Amin’izao andro izao ny sisa mahatoky amin’ny Isiraelita ara-panahy dia nahazo indray ny fankasitrahan’i Jehovah. Nampisaraka ny tenany tamin’izao tontolo izao izy ireo ary nanadio ny tenany “ho afaka tamin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy”. (2 Korintiana 7:1). Noho izy ireo madio sy mahitsy eo anatrehan’i Jehovah, dia manandratra ny fahamarinany izy ireo. Nanandratra azy ireo ho eo amin’ny toeram-pankasitrahana ambony noho ireo firenena eo amin’izao tontolo izao izany. Amin’ny alalan’ny fitoriany amin-jotom-po ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, dia misy olona betsaka iraisam-pirenena voatarika ho amin’i Jehovah ka tonga anisan’ny vahoakany. — Apokalypsy 7:9, 10.
Afaka mahita ny fahasamihafana izao tontolo izao
Indraindray ireo manam-pahefana eo amin’izao tontolo izao dia midera ny fitondran-tenan’ny mpanompon’Andriamanitra. Fotoana elaela lasa izay, ny lehiben’ny mpitandro filaminana ao amin’ny Pretoria Show Grounds (Foara Fampirantiana any Pretoria), Afrika Atsimo, dia nanao fanamarihana momba ny fitondran-tenan’ny Vavolombelon’i Jehovah, avy amin’ny firazanana rehetra, izay mampiasa ireo trano ireo amin’ireo fivoriambe fanaony isan-taona. Anisan’ny zavatra hafa, dia izao no nosoratany: “Nahalala fomba sy mahalala fomba ny rehetra, mifampiresaka amin’ny fomba mahafinaritra ny olona, ny fihetsika naseho nandritra ireo andro vitsy lasa — izany rehetra izany dia manaporofo ny fahambonian-toetran’ireo mpikambana ao amin’ny fikambananareo, ary ny rehetra dia miara-miaina tahaka ny fianakaviana sambatra iray.”
Afaka mandray anjara amin’ny fisian’ny fahamarinan’ny firenen’i Jehovah ny vahoakany, tsy amin’ny fivoriambe lehibe toy izany fotsiny, fa eo amin’ny fiainany manokana koa. Ohatra, nahazo taratasy avy tamin’ny vehivavy iray atsy Johannesburg izay nilaza toy izao, ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower atsy Afrika Atsimo: “Tamin’ny herinandro lasa dia nitondra fiara aho ka namela ny poketrako teo ambonin’ny fiarako. Latsaka tany Jan Smuts Avenue ilay izy ary noraisin’ny mpikambana iray ao amin’ny kongregasionanareo niaraka tamin’izay rehetra tao anatiny, dia Atoa R—, izay niantso an-telefaonina sy namerina azy io tamiko. (...) Ankasitrahako indrindra io fanaovana ny marina io, izay nanjary toetra tsy fahita firy amin’ny andro ankehitriny ary midera ny kongregasionanareo aho noho ny fanorenana fotopoto-pitsipika ifikiran’ny mpikambana ao aminareo.”
Eny, amin’ny fifikirany amin’ny fotopoto-pitsipika marin’i Jehovah, ny vahoakany dia avahana ho hafa noho izao tontolo izao. Noho izy ireo mampiseho ny fahamarinan’i Jehovah, dia voatarika ho amin’ny kongregasiona kristiana ireo olona tso-po. Ara-dalàna ny hahavoasintona ny tena ho amin’ny zavatra madio sy tsy misy loto. Ohatra, tonga tany amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah any Zurich, any Soisa, ny vahiny iray indray mandeha ary nilaza fa niriny ny ho tonga mpikambana ao amin’ilay kongregasiona. Nohazavainy fa noroahina noho ny faharatsiam-pitondran-tena ny anabaviny ary nanampy teny izy fa niriny ny hanatevin-daharana ny fandaminana iray izay “tsy mandefitra ny fitondran-tena ratsy”. Na dia ny New Catholic Encyclopedia aza dia miaiky fa fantatra ho “iray amin’ireo antokon’olona mitondra tena tsara indrindra eo amin’izao tontolo izao” ny Vavolombelon’i Jehovah.
Manandratra ny fahamarinana, fa afaka mitondra fahafaham-baraka eo amin’ny laza tsaran’ny olona iray kosa ny fahotana, indrindra raha manjary fantatra eo amin’ny fiaraha-monina ny fanaovan-dratsy lehibe. Indraindray ny kongregasiona kristiana dia voatery mitondra ny henatra mitontona aminy rehefa manao fahotana lehibe ny mpikambana iray. Takatra fa afaka miaro ny laza tsaran’ny kongregasiona ireo mpikambana mahatoky ao amin’ny kongregasiona amin’ny fampisehoana fa nofaizina tamin’ny fomba mampiseho famindram-po, izany hoe, nifanaraka tamin’ny fotopoto-pitsipiky ny Soratra Masina, ilay mpanao ratsy. Raha zatra manota ny olona iray ka tsy mibebaka, dia horoahina avy ao amin’ny kongregasiona izy. — 1 Korintiana 5:9-13.
Ny antony androahana ny sasany
Na dia olona an’arivony maro aza no voaroaka avy ao amin’ny kongregasiona kristiana isan-taona, dia ampahany kely isan-jato monja amin’ny Vavolombelona efa ho dimy tapitrisa maneran-tany izany. Nahoana no tokony horaisina ny fepetra hentitra toy izany amin’ny olona na iza na iza ao amin’ny kongregasiona kristiana? Iray amin’ny anton-javatra hanapahan-kevitra ny karazan’ilay fanaovan-dratsy. Ny anton-javatra mbola lehibe kokoa anefa dia ny hoe mibebaka marina amin’ilay zava-dratsy lehibe natao sa tsia ilay mpanao ratsy. Raha manenina marina tokoa izy, nitodika tamin’i Jehovah tao amin’ny vavaka amim-pahatsorana, nitalaho famelan-keloka noho ny fahotana natao taminy, sy nitady ny fanampian’ireo lehilahy manana andraikitra ao amin’ny kongregasiona, dia mety ho azo ampiana izy mba hahazo indray ny fankasitrahan’Andriamanitra ka hitoetra ho anisan’ny kongregasiona. — Ohabolana 28:13; Jakoba 5:14, 15.
Rehefa manao zavatra mampalahelo an-drainy ny zaza iray izay manana fifandraisana tsara sy matanjaka aminy, dia samy tokony ho mailaka ny hamerina amin’ny laoniny izany fifandraisana sarobidy izany izy mianaka. Toy izany koa, rehefa manolotra ny fiainantsika ho an’i Jehovah isika, dia miditra ao anatin’ny fifandraisana faran’izay sarobidy aminy. Noho izany, rehefa manao zavatra mampalahelo azy isika, dia tokony hanao zavatra haingana amin’ny fitadiavana ny hamerina amin’ny laoniny izany fifandraisana amin’ilay Raintsika any an-danitra izany.
Soa ihany fa nandray am-po an’ilay fanoharana ny amin’ilay zanaka mpandanilany foana ny sasany izay voaroaka. Ao i Jehovah dia ampitahaina amin’ny Ray be fitiavana iray izay vonona ny handray mpanota mibebaka raha toa ka miverina izy io ka mitady ny famelan’Andriamanitra heloka. (Lioka 15:11-24). Lalana iray hiverenana hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah sy hiverenana ho ao amin’ny kongregasiona kristiana ny fibebahana marina, amim-pahatsorana, sy ny fialana amin’izay zava-dratsy. Voatosika hibebaka sy hanao dingana hiverina ho ao amin’ny faritra feno fitiavan’ny kongregasiona kristiana ny mpanao ratsy sasany nibebaka izay nahatsiaro tena ho novesaran’ny enta-mavesatry ny fahatsiarovany tena ho meloka. Araka izany, dia nanjary nahatakatra ny tenin’i Jehovah ao amin’ny Isaia 57:15 izy ireo.
Mba hitanana ny olona tsy hiverina ho amin’ny fiahian’i Jehovah feno fitiavana, dia tian’i Satana ny hampino fa tsy misy ny famelan-keloka ho an’ny fahotana natao. Sahaza mba hanaronana ny fahotan’ny olona na iza na iza mibebaka anefa ny sorom-panavotan’i Kristy Jesosy — eny, na dia ny fahotana nolovan’“izao tontolo izao” aza. (1 Jaona 2:1, 2). Ny fahotana tokana tsy voasaron’ny avotra dia ny fahotana amin’ny fanahy masin’Andriamanitra, izay mifanitsy amin’ny fikomiana an-kitsirano amin’ny fiasan’ny fanahin’Andriamanitra, toy ny fahotana lehibe nataon’i Jodasy Iskariota sy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo maro. — Matio 12:24, 31, 32; 23:13, 33; Jaona 17:12.
Fanandratana ny fahamarinan’i Jehovah
Koa satria nahazo indray ny fankasitrahan’i Jehovah ny sisa amin’ny Isiraelita ara-panahy tamin’ny 1919, dia nanjary nisandratra avo kokoa hatrany noho ny tontolo manodidina azy izy ireo. Tsy noho ny hatsaram-po avy amin’izy ireo akory izany, fa noho ny fanekeny an-tsitrapo ny lalàn’i Jehovah sy ny fari-pitsipiny. Vokatr’izany, dia an-tapitrisany maro amin’ny ‘ondry hafan’i’ Kristy no voatarika ho tafiditra amin’ny fiarahana amin’ny Isiraely ara-panahy amin’ny maha-namana tsy mivadika. (Jaona 10:16). Mitondra voninahitra sy haja ho an’i Jehovah ireny olona ireny eo amin’ny tontolo iray izay lasa lavitra ny fari-pitsipika marin’Andriamanitra. Izany dia araka ny nanamarihan’ny gazety Personality atsy Afrika Atsimo azy toy izao indray mandeha: “Toa heniky ny toetra tsara ny Vavolombelon’i Jehovah ary toa efa ho afaka amin’ny [toetra] ratsy.”
Mba hihazonana io toerana ambony io eo amin’ny tontolo iray tsy tia an’Andriamanitra, dia mila manana fiainana madio, mahitsy, eo anatrehan’i Jehovah ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kongregasiona kristiana. Ao amin’ny Baiboly, dia lazalazaina amin’ny alalan’ny zavatra madio ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra. Izy io dia hita ho toy ny vehivavy tsara tarehy iray mitafy ny masoandro sady manana ny volana eo ambanin’ny tongony. (Apokalypsy 12:1). Lazalazaina ho toy ny tanàna masina, tsara tarehy eo amin’ny fisehoany ivelany, i Jerosalema Vaovao. (Apokalypsy 21:2). Omena “rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka” ireo mpikambana mahatoky amin’ny ampakarin’i Kristy. (Apokalypsy 19:8). Hita ‘miakanjo akanjo fotsy lava’ ireo anisan’ny olona betsaka. (Apokalypsy 7:9). Voatarika ho amin’ny fandaminana madio iray ny olona mirona ho amin’ny fahamarinana. Mifanohitra amin’izany, dia tsy madio ny fandaminan’i Satana. Lazalazaina ho toy ny vehivavy janga iray ny fandehan-javany ara-pivavahana, ary lazalazaina ho maloto, tsy madio, ireo izay any ivelan’ny tanàna masina. — Apokalypsy 17:1; 22:15.
Ampanantenaina ny olona marina ny fiainana mandrakizay. Manana fahatsinjovana ny ho tafita velona amin’ny faran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ ny vahoaka vorìna izay manandratra ny fahamarinan’i Jehovah. “Izay mihaino Ahy (...) hitoetra tsy manana ahiahy, eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy”, hoy ny fampanantenan’Andriamanitra ao amin’ny Ohabolana 1:33.
Hamelombelona toy inona moa rehefa hanapaka eo amin’izany tontolo vaovao izany amin’ny fahamarinana, amin’ny fahatahorana an’i Jehovah, ilay Solomona Lehibe, dia i Kristy Jesosy! (2 Petera 3:13). Izany dia ho toy ny fahazavan’ny maraina rehefa mamirapiratra ny masoandro, dia maraina iray tsy misy rahona. Honina amin’ny tsy fananana ahiahy ny mponina rehetra amin’ny tany, ka ny tsirairay dia hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny, raha azo atao ny milaza izany. Hanatsara endrika ny tany ny fitambaran’olona marina ka hipetraka eo amin’ny toerany ara-drariny eo amin’izao rehetra izao mba ho fiderana mandrakizay an’i Jehovah Andriamanitsika. — Mika 4:3, 4; jereo koa ny Isaia 65:17-19, 25.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
Garo Nalbandian