-
AbadonaFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Midika hoe “fandringanana” ny teny hebreo hoe ʼavaddôhn, nefa mety hidika koa hoe “toerana mahalò ny nofo.” Miseho indimy ao amin’ny soratra hebreo tany am-boalohany izy io, ka inefatra no miaraka amin’ny hoe ‘Fasana’ na ‘fahafatesana.’ (Sl 88:11; Jb 26:6; 28:22; Oh 15:11) Mihalò ny olona rehefa maty, ary ʼavaddôhn no ilazana izany ao amin’ireo andininy ireo. Aseho eo fa lo na levona izay ao amin’ny Fasana misy ny maty rehetra. Nampiasain’i Joba koa ny hoe ʼavaddôhn mba hilazana ny voka-dratsin’ny fanitsakitsaham-bady. Hoy izy: “Afo mandoro izany [ny fanitsakitsaham-bady] ka manapotika tanteraka [ʽad-ʼavaddôhn], ary mandevona ny voliko rehetra hatrany amin’ny fakany.”—Jb 31:12; ampit. Oh 6:26-28, 32; 7:26, 27.
-
-
FandringananaFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Tsy hitsangana intsony ve ny olona rehetra naringan’Andriamanitra taloha?
Tsy voatery ho mandrakizay ny fandringanana rehetra. Indroa mantsy ny teny hebreo hoe ʼavaddôhn (fandringanana na toerana mahalò ny nofo) no nampifanitsiana tamin’ny hoe “Sheôl.” (Jb 26:6, f.a.p.; Oh 15:11, f.a.p.) Nilaza i Zefania fa haringana i Asyria, fa i Ezekiela kosa nilaza fa hidina any amin’ny Sheôl ny Asyrianina. (Ze 2:13, Prot.; Ezk 32:21, 22, f.a.p.) Nidina “velona tany amin’ny Sheôl” i Datana sy Abirama mpikomy rehefa naringana. (No 16:31, 33, f.a.p.) Ny fasana misy ny maty rehetra mbola hitsangana anefa ilay hoe Sheôl ao amin’ny Baiboly. Mety mbola hisy hitsangana àry ny olona naringana, na dia ireo naringan’Andriamanitra aza.
-