Fianarana 15
Ny Fomba Hanohinana ny Fon’ireo Mpihaino Anao
1-4. Nahoana moa ny fo no zava-dehibe amintsika mpitory?
1 Tsy nitsahatra nivavaka tamin’i Jehovah ho an’ireo izay nitoriany ny vaovao tsara ny apostoly Paoly mba ‘hampahiratina ny mason’ny fony’. (Efes. 1:16-18). Mariho fa teto izy dia tsy niresaka ny amin’ny saina fa ny fo, izay hampahiratina. Inona no tiany holazaina? Tokony ho azontsika ny hevitr’izany raha maniry ho tonga mpandahateny sy mpampianatra mahita vokatra isika.
2 Tamin’ny alalan’i Paoly, ny fanahin’i Jehovah dia nanambara izay efa nampahafantariny tamin’ny alalan’ireo mpanompo mahatoky hafan’Ilay mandanja ny fo. (Ohab. 21:2). Ohatra, raha niteny tamin’ny mpandova ny fanjakany i Davida mpanjaka efa zokiolona dia nanome ity torohevitra tsara dia tsara ity: “Ry (...) zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy hianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa hianao, dia hariany mandrakizay.” (1 Tant. 28:9). Fanompoam-pivavahana amim-pahatsorana avy amin’ny fo, izany no mahafaly ny Mpamorona.
3 I Jesosy Kristy, ilay Davida Lehibe, dia nanolotra torohevitra feno fahendrena mitovy amin’izany rehefa nanome ity toromarika ity: “Koa tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.” (Marka 12:28-30). Raha ny amin’ny fahazoana sitraka amin’Andriamanitra, dia izay raketin’ny fon’ny zavaboariny no zava-dehibe indrindra aminy. Raha takatsika izany, dia ho tsapantsika tsara kokoa ny maha zava-dehibe ny teny voalaza ao amin’ny Ohabolana 4:23 izay amakiantsika hoe: “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.”
4 Izay rehetra mitory sy mampianatra ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra dia tokony hiahy ny hanohina ny fon’ny tsirairay amin’ny mpihaino azy. Izany no tokony hahin’ny ray aman-dreny kristianina rehefa mampianatra ny zanany izy ireo na ny mpitory tsirairay avy mitarika fampianarana Baiboly miaraka amin’ireo olona maniry hahafantatra ny vaovao tsara. Mendrika ny hoheverin’ireo rahalahy mampianatra eny amin’ny lampihazo indrindra koa io raharaha io. Amin’ireo toe-javatra rehetra ireo dia miezaka mampita ilay hafatra fahamarinana sarobidy ao an-tsain’ny mpiara-belona amintsika isika. Kanefa, dia tokony hitady hanao bebe kokoa isika. Irintsika ny hanatratra ny fony. Tiantsika ny hampirisika azy ireny ‘hanolotra ny fony ho an’ilay Ray any an-danitra’. — Ohab. 23:26.
5, 6. Nahoana isika no tsy tokony hianina amin’ny fandentehana ny fahalalana ao an-tsain’ny olona?
5 Hafa noho ny saina ny fo. Ny mpampianatra ny vaovao tsara mahay iray dia afaka mampiditra ny fahalalana ao an-tsain’ny mpihaino azy. Tsy ela io mpianatra io dia afaka mamerina sy manazava ny fampianarana azo. Takany ny hevitr’izany ary manjary miraikitra tsara ao an-tsainy ilay izy. Nefa mipetraka izao ireto fanontaniana roa ireto: Hataony inona izany? Moa ve izy miahy fotsiny ny hahazoana fahalalana sa kosa ny fahalalana hanosika azy hanao zavatra?
6 Eo no mandray anjara ny fo satria ampiarahina amin’ny antony manosika izy io ao amin’ny Baiboly. Ny tena mpivavaka amin’Andriamanitra dia afaka miara-miteny amin’ilay mpanoratra ny Baiboly nahazo tsindrimandry hoe: “Ato am-poko no iraketako ny teninao, mba tsy hanotako aminao.” (Sal. 119:11). Na dia afaka mandentika ao an-tsainy fahalalana tsara ny fikasan’Andriamanitra aza ny olona iray ary mahatakatra foto-pitsipika tsara dia tsara maro ao amin’ny Baiboly dia mety tsy ho vonona ao am-pony ny hampihatra eo amin’ny fiainany ireo foto-pitsipika ireo sy izany fahalalana izany. Olona maro no nihaino ireo fahamarinana mamelombelon’ny Tenin’Andriamanitra nefa rehefa tsy maintsy nampiharina teo amin’ny fiainany izany na nampitaina tamin’ny mpiara-belona aminy, ny fony dia tsy nanosika azy handray anjara amin’io asa famonjena io.
7, 8. Hazavao ny fahasamihafan’ny saina sy ny fo.
7 Ny saina no tsy maintsy mandray sy mahazo tanteraka ny hevitr’ireo fanazavana. Izy io no fototry ny fisainana sy foibe fikarakarana ny fahalalana. Manangona fanazavana izy, ary amin’ny alalan’ny fiasan’ny saina sy ny lôjika, dia manao fanatsoahan-kevitra sasany izy io. Ary lazain’ny Soratra Masina fa, amin’ny fomba mahatalanjona, ny saina dia mifandray mivantana amin’ny fo. Manana anjara asa lehibe ny fo satria mifandray akaiky amin’ny toetra ara-pihetseham-po sy ny antony manosika. Ny fitarihan’ny fo ny fiainan’ny tena manontolo dia manjary miharihary amin’ireo mpitazana. Hitan’izy ireo amin’ny farany izay tena maha izy ny olona iray ao anatiny. Mifanohitra amin’izany kosa, i Jehovah dia mahafantatra amin’ny fotoana rehetra “ny toetra miafina ao am-po”. — 1 Pet. 3:3, 4.
8 Indraindray ny fo dia mety handresy ny fanatsoahan-kevitry ny saina, ka hanome antony manosika izay hanohana ny fihetseham-po na ny faniriana, sy hanandratra azy ireo ho ambony kokoa noho ny fisainana araka ny lôjika. Tsy hoe tokony hahalala amin’ny sainy izay marina eo imason’Andriamanitra fotsiny ny olona iray, fa tokony haniry hanaraka io lalana io koa ny fony. Ny fahaizan’ny fo misafidy amin’ny lalana mety ho maromaro sy hampifantoka ny faniriany amin’ny iray amin’izy ireo dia manazava ny antony ilazan’ny Baiboly fa ao am-pon’ny olombelona dia “maro ny hevitra” ary “ny fon’ny olona mihevitra tsara ny halehany”. (Ohab. 19:21; 16:9). Raha tsy hoe manery azy hanao zavatra amin’ny fomba hafa angaha ny tarehin-javatra, ny olona dia hanaraka ny lalana mahafinaritra ny fony. Marina indrindra izany eo amin’ny raharaha ara-pitondran-tena sy ara-panahy. — Matio 5:28.
9, 10. Inona no hanampy antsika hanohina ny fon’ny olona iray?
9 Ny fomba hanohinana ny fo. Ahoana no hanohinan’ny mpampianatra kristianina iray ny fon’ny olona? Fomba anankiray ny mampirisika azy hieritreritra amim-pankasitrahana ireo zavatra nianarana. Tadidio ny fitantarana milaza amintsika ny amin’i Maria, renin’i Jesosy ara-nofo izay “nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony”. (Lioka 2:51). Tsy voalaza hoe “tao amin’ny fitadidiany”, na dia voakasika koa aza izy io. Nitahiry ireo zavatra ireo tao am-pony, foiben’ny fihetseham-pony sy ny antony manosika azy izy, hany ka tonga Kristianina nahatoky izy tatỳ aoriana. Mba hanampiana ny olona ankehitriny handatsaka ny fahamarinana ao am-pony dia makà fotoana hamelabelarana tsara ireo hevitra fototra. Aza mitady ny handinika hevitra be loatra.
10 Tena ilaina ny fanontaniana mba hamantarana raha toa ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly mamaka marina ao am-pon’ny olona. Rehefa avy nandinika hevitra vaovao, dia angamba ho tianao ny hametraka ireto fanontaniana ireto: “Ahoana ny hevitrao ny amin’izany izao? Inoanao marina ve izany?” Mizara manao toy izany rehefa manao lahatenin’ny mpianatra ianao. Amin’ny famantarana izay ao am-pon’ny olona ihany no hahafahantsika hanampy azy handroso eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah.
11. Ahoana no azontsika ampisehoana amin’ny mpianatra iray ny maha zava-dehibe ny fifandraisany amin’i Jehovah?
11 Mba hilatsahan’ny Tenin’Andriamanitra ao am-pon’ireo olona ampianarinao dia tokony hampianao izy ireny hieritreritra ny fifandraisany amin’i Jehovah. Mba hanazaran-tena amin’ny fampiasana io fomba io dia tsy misy fahafahana tsara kokoa noho ny fampisehoana lahateny amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika. Ampirisiho ireo ampianarinao hitoky amin’ny fony rehetra amin’i Jehovah, noho ny fitiavana azy ary satria tia antsika izy. Amin’ny fanontaniana vitsivitsy apetraka amin’ny fotoana mety dia tariho ny sainy ho amin’ny hoe izay ianarany ao amin’ny Baiboly dia avy amin’i Jehovah, ilay Mpamorona antsika be fitiavana, izay “miantra indrindra (...) sady be famindrampo”. (Jak. 5:11). Rehefa mianatra dia antitrantero isan-kerinandro ny amin’ny fitiavana sy ny fahendren’i Jehovah, miharihary eo amin’ny fahamarinana kanto iarahanareo mandinika. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny fiainan’izy ireo manokana no voakasika ary mbola ho toy izany ihany izany amin’ny hoavy. Asio famerenana matetika ireo foto-pitsipika ao amin’ny Baiboly mba hifankazarany tsara amin’izany. Ampio izy ireo hamboly fahazarana hamantatra marina foana izay sitrapon’ilay Ray any an-danitra, alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra amin’ny lafiny rehetra. Amin’izay ianao dia hanampy azy hahatakatra tsikelikely fa ny fiainantsika sy izay rehetra ananantsika dia an’Andriamanitra satria izy “manome izao rehetra izao aina sy fofonaina ary ny zavatra rehetra” ka ny fanompoam-pivavahana aminy sy ny fanompoana azy no tokony hitana toerana voalohany ao am-po sy ao an-tsaintsika. — Asa. 17:25.
12-14. Inona no tokony hianaran’ny mpianatra momba ny antony manosika, ary ahoana no ahafahan’ny olona iray mamakafaka ny antony manosika azy?
12 Indraindray dia sariho ny sain’ny olona ny amin’ny hoe eo imason’Andriamanitra dia tsy izay ataontsika fotsiny no zava-dehibe fa ny antony manosika antsika koa. Iriny ny hahitantsika fahafinaretana amin’ny fanaovana ny sitrapony. Tahaka ilay ray izay resahina ao amin’ny bokin’ny Ohabolana, ny Raintsika any an-danitra dia manasa antsika amin’izao teny izao: “Anaka, tandremo ny teniko; atongilano ny sofinao hihaino ny filazako. Aza avela hiala eo imasonao izy, fa raketo ao am-ponao. Fa aina ho an’ny mahazo azy izy ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra.” — Ohab. 4:20-22.
13 Amin’izany fomba izany, ireo olona ampianarinao dia ho voataona hamakafaka ny antony manosika azy hanao zavatra sy hametraka amin’ny tenany fanontaniana toy ireto: Nahoana aho no manam-paniriana hanao zavatra toy itsy na iroa? Inona no manosika ahy hifidy lalana toy irỳ? Fantatro izay ao an-tsaiko, nefa inona no tena ao am-poko? Moa ve aho mitady ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra sa ny hanome fahafaham-po ny faniriako? Moa ve tena feno fahatsorana tokoa ny fanjohian-kevitro sa aho mitady hamita-tena amin’ny fanjohian-kevitra diso?
14 Azo atao koa ny mampitandrina ny mpianatra ny amin’ireo loza sy fitaka mahatandindomin-doza ny olona tsy mailo. Ohatra, ny olona iray dia mety hampifantoka ny fony amin’ny tanjona sasany, izay angamba ara-dalàna tanteraka, nefa somary manelingelina ihany ny fanompoam-pivavahana na ny fanompoana an’i Jehovah. Ny bokin’ny Ohabolana azo tamin’ny tsindrimandry dia milaza tsotra hoe: “Izay matoky ny fony dia adala; fa izay mandeha amin’ny fahendrena no ho afa-miala.” — Ohab. 28:26.
15-17. Amin’ny ahoana ny ohatr’i Jesosy sy ny resaka momba ny vavaka no mety hahasoa ny fo?
15 Farany dia tsara ny mametraka eo anoloan’ireo mpianatra ny ohatra tanteraka navelan’i Jesosy Tompo. Tsy nivadika tamin’ilay Rainy any an-danitra izy. Noho izy ‘tia ny fahamarinana sy nankahala ny heloka no nanosoran’Andriamanitra azy diloilo fifaliana, nihoatra noho ny namany’. (Sal. 45:7). Ahoana no nihazonany izany toe-pony tsara izany? Nianatra izy, tsy hoe mba hahalalana an’Andriamanitra fotsiny, fa mba hahazoana sitraka aminy koa. Notadidiny tao an-tsaina lalandava ny sitrapon’ny Rainy ary nanatona azy tsy tapaka tamin’ny vavaka izy. Tao amin’ny fangatahany, dia niangavy an’Andriamanitra izy mba ‘handinika, hamantatra azy, hizaha toetra ny vony sy ny fony’. (Sal. 26:2). Tsy naniry hanaiky hotarihin’ny fanjohian-keviny manokana na ny fitaoman’ny fony fotsiny izy. Fotoana fohy nialoha ny hahafatesany ho sorona, izay efa voambara, dia nilaza ny fanapahan-keviny tao amin’ity vavaka ity izy: “Raiko ô, (...) aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” — Marka 14:36.
16 Moa ve izany tsy ohatra tsara dia tsara hapetraka eo anoloan’ireo mpianatra? Azo ampiana koa izy ireny hitady ny fitarihan’Andriamanitra eo amin’ny fiainany amin’ny fampiasana ny vavaka amim-pahatsorana avy ao amin’ny fo, mba hangatahana ny fahendrena ilaina hanarahana ny lalana ankasitrahan’Andriamanitra. Vakio amin’izy ireo ny sasantsasany amin’ny vavaka nataon’i Jesosy. Rehefa tonga tetỳ an-tany izy, dia tamin’ny naha Zanak’Andriamanitra azy no niresahany taminy. Raha nampiseho tamin’ireo mpianany ny fomba fivavaka i Jesosy dia nanomboka ny tonom-bavaka modely tamin’ireto teny ireto: “Rainay izay any an-danitra”. (Matio 6:9). Izay mivavaka amin’Andriamanitra àry dia tokony hanaraka ny fihetsiky ny zanaka manatona ny rainy. Ny vavaka ataontsika dia mampiharihary, angamba mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra, ny karazana fifandraisana tanantsika amin’i Jehovah. Moa ve izany mafana, feno fitokisana sy akaiky toy ny an’ny zanaka lahy na vavy amin’ny rainy izay hajainy sy tiany amin’ny fony rehetra? Sa kosa izany fifandraisana tsotra, mitovy amin’izay misy amin’ny mpifanila trano na namana iray? Miezaha manohina ny fon’ireo olona iresahanao sy miara-mianatra aminao amin’ny firesahana aminy ny amin’ny vavaka, ny amin’ny heviny mahakasika izany sy ireo zavatra izay angatahiny amin’ny vavaka. — Ohab. 15:8, 29.
17 Koa satria Andriamanitra maneho fiheverana lehibe ny fo, isika koa dia tokony hihevitra azy io amim-pitandremana rehefa mampianatra ny Tenin’Andriamanitra. Na manao lahateny ampahibemaso ianao na manao lahatenin’ny mpianatra, na mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano, ny zava-kendrenao lehibe indrindra dia tsy ny hivaofy hevitra be dia be. Makà ny fotoana ilaina mba hanampiana ireo mpihaino anao hanatona an’i Jehovah sy handatsaka lalina ao am-pony ny Teniny.