Hevitra mahaliana ao amin’ny Baiboly Ohabolana 1:1 ka hatramin’ny 31:31
Matahora an’i Jehovah dia ho sambatra ianao
“Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena.” (Ohabolana 9:10). Izany no asehon’ny Ohabolana amin’ny fomba miavaka. Io boky ao amin’ny Baiboly io, vita tany amin’ny 716 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia manampy antsika haneho fahendrena amin’ny fampiharana tsy misy diso ny fahalalana. Hevero izany fanambarana mampiseho fahendrena izany dia ho sambatra ianao.
Henoy ny fahendrena
Vakio ny Ohabolana 1:1 ka hatramin’ny 2:22. “Ny fahatahorana an’i Jehovah” no fepetra ilaina amin’ny fahalalana mihitsy. Raha ekentsika ny fifehezana, dia tsy hikambana amin’ireo asa ratsin’ny mpanota isika. Ireo matahotra azy dia omen’i Jehovah fahendrena izay miaro azy ireny amin’ny ratsy fanahy.
◆ 1:7 — Inona moa no atao hoe “fahatahorana an’i Jehovah”?
Izany dia tahotra mahasoa ny tsy hahazo sitraka aminy, voamariky ny fanajana lalina ateraky ny hatsaram-pony eo amintsika. Izay ‘matahotra an’i Jehovah’ dia miaiky fa izy no Mpitsara tampony sy Tsitoha, fa manana zo sy fahefana izy hanasazy sy hamono hahafaty an’ireo izay tsy mankatò azy. Afa-tsy izany koa, izay ‘matahotra an’i Jehovah’ dia manompo azy amim-pahatokiana, matoky azy tanteraka, ary mankahala izay ratsy eo imason’Andriamanitra. — Salamo 2:11; 115:11; Ohabolana 8:13.
◆ 2:7 — Inona moa no atao hoe tsy fivadihana?
Ireo teny hebreo mahakasika ny tsy fivadihana dia manondro indrindra izay “manontolo” na “feno”. Matetika izany no manondro izay tsara sy mahitsy ara-pitondrantena. Ireo “izay mandeha tsy mivadika” dia tsy azo hozongozonina amin’ny fifikirany amin’i Jehovah. Noho ireny olona “mahitsy” ireny maneho ny tena fahendrena sy manaraka ireo fotopoto-pitsipiny marina, dia “ampinga” fiarovana ho azy ireny izy.
Fianarana ho antsika: Raha matahotra an’i Jehovah isika, dia hanaiky ny fifehezana omeny amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany. Raha tsy izany no izy, dia halahatra ho anisan’ny “adala”, ny mpanota ratsy fanahy, isika. Noho izany, dia aoka hekentsika ny fifehezany feno fitiavana. — Ohabolana 1:7; Hebreo 12:6.
Tiavo ny fahendrena
Vakio Ohabolana 3:1 ka hatramin’ny 4:27. Raha tiantsika ny hanana fahiratan-tsaina, dia ‘aoka isika hatoky an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra’. Manana fahasambarana ireo izay mihevitra ny fahendrena ho sarobidy tokoa. Toy ny fahazavana mihamamirapiratra kokoa hatrany ny lalany, kanefa tokony hiaro ny fony izy ireny.
◆ 4:18 — Amin’ny heviny ahoana moa ny “làlan’ny marina” no manjary mazava kokoa?
Manomboka amin’ny vao mazava ratsy ka “mandra-pitataovovonan’ny andro”, dia mitombo hatrany ny fahazavan’ny masoandro. Toy izany koa, arakaraka ny androsoana amin’ny fotoana, dia manjary mihamazava ny fahazavana ara-panahy ho an’ny olon’i Jehovah. Arakaraka ny anatonantsika ny farany, no ahatakarantsika mazava kokoa ny fomba ahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah. Manjary mora azo kokoa ireo faminanian’Andriamanitra arakaraka ny andefasan’ny fanahy masin’Andriamanitra eo aminy ny fahazavany ka ahatanterahan’izany eo amin’ireo fisehoan-javatra maneran-tany na eo amin’ny fiainan’ireo mpanompon’i Jehovah izay “mihamazava” kokoa hatrany ny lalany.
Fianarana ho antsika: Raha maneho ny tena fahendrena isika ka manaraka ireo didin’Andriamanitra, dia ho voaro amin’ireo fanaovan-javatra amin-kadalana izay mety hitondra ho antsika fahafatesana alohan’ny fotoana. Ohatra, ireo izay tsy mihevitra ny didin’i Jehovah momba ny fahalotoam-pitondrantena dia mety ho voan’ny aretin-dratsy mety hifaoka azy ireny alohan’ny fotoana any am-pasana. Araka izany, dia aoka isika hanao zavatra mifanaraka amin’ireo fitsipik’Andriamanitra, dia ho “hazon’aina” ho antsika ny fahendrena. — Ohabolana 3:18.
Ny fomba hanehoana fahendrena
Vakio Ohabolana 5:1 ka hatramin’ny 9:18. Fisehoana ho hendry ny fanariana ny fahalotoam-pitondrantena sy ny ‘hifaliana amin’ny vadin’ny fahatanoran’ny tena’. Zavatra fito halan’i Jehovah no tanisaina; manaraka izany ny fampitandremana amin’ny fanangolen’ny vehivavy janga. Ny fahendrena oharina amin’ny olona dia “mpità-marika [mpiasa kinga, MN ]” ho an’Andriamanitra. Manaraka izany, “ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena”.
◆ 6:1-5 — Mifanohitra amin’ny fitiavana fahalalahan-tanana ve io torohevitra io?
Tsy misakana tsy halala-tanana akory ireo andinin-teny ireo, fa mampitandrina kosa amin’ny loza ateraky ny fitsabahana amin’ny raharaha ara-barotr’olon-kafa, indrindra fa ny vahiny. Tokony hanampy ireo rahalahiny ‘tonga mahantra’ ny Isiraelita. (Levitikosy 25:35-38, MN.) Ny sasany anefa niditra tamin’ny raharaha ara-barotra nisetran-javatra ary nahazo fanohanana ara-bola tamin’ny fitaomana olon-kafa ‘ho mpiantoka’ sy handoa ny volan’ny mpampisambo-bola raha ilaina izany. Izay, noho ny fireharehana angamba, dia tonga ao anatin’izany tarehin-javatra sarotra izany dia nahazo torohevitra feno fahendrena mba hanafa-tena tsy misy hataka andro amin’ny fanekena nataony. — Ohabolana 11:15.
◆ 8:22-31 — Moa ve izany filazalazana ny fahendrena fotsiny?
Tsia, satria ny fahendrena, amin’ny maha-toeran’ilay Andriamanitra mandrakizay azy, dia efa nisy foana (Joba 12:13). Lazaina anefa eo fa ‘noharìna’ ny fahendrena ary nandritra ny famoronana ny tany, dia tonga “mpità-marika [mpiasa kinga, MN ] teo anilany [Jehovah]” izy. Ny fahendrena oharina amin’ny olona dia fantatra ho ny Zanak’Andriamanitra, ka izany dia mifanaraka amin’ny hoe ao aminy no “iafenan’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra”. — Kolosiana 1:15, 16; 2:3.
Fianarana ho antsika: Ilay vehivavy ratsy fitondrantena voalaza ao amin’ny toko fahafito dia angamba nanisy fitenenana ny amin’ny “fanati-pihavanana” sy ny ‘voadiny’ mba hahatonga hihevitra fa tsy hoe tsy nanana fiainana ara-panahy izy akory. Ny natao fanati-pihavanana dia hena, koba, diloilo sy divay (Levitikosy 19:5, 6; 22:21; Nomery 15:8-10). Nasehon’io vehivavy io àry fa nisy sakafo sy fisotro betsaka tao an-tranony ka handany fotoana mahafinaritra ao ilay ‘zazalahy tsy ampy saina’. Io fisehoan-javatra io dia mampiseho ny fomba itarihana olona hetsehin’ny antony ratsy manosika iray hanao zavatra maloto. Zava-dehibe tokoa ny hiheverana ireo fampitandremana voalaza ao amin’io toko io sy ny handavana fanotana amin’Andriamanitra toy izany! — Genesisy 39:7-12.
Fifanoheran-javatra mampieritreritra
Vakio Ohabolana 10:1 ka hatramin’ny 15:33. Ireo ohabolana voalohany nataon’i Solomona dia miseho amin’ny endriky ny fifanoheran-javatra amin’ny ankapobeny. Asongadina “ny fahatahorana an’i Jehovah”. — 10:27; 14:26, 27; 15:16, 33.
◆ 10:25 — Nahoana no resahina ny amin’ny “tafio-drivotra”?
Noho izy ireo tsy manorina ny fiainany amin’ny fotopoto-pitsipika araka ny rariny, ny ratsy fanahy dia sahala amin’ny zavatra naorina mihilangilana arodan’ny tafiiodrivotra mafy. Raha ny amin’ny marina, izy ireny kosa dia tsy mihilangilana satria ny heviny miorina mafy amin’ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra. Sahala amin’ny rafi-bato tsara fototra, dia tsy mirodana eo anoloan’ny fitsapana izy ireny. — Matio 7:24-27.
◆ 11:22 — Amin’ny heviny ahoana moa ny vehivavy iray no mety ho toy ny kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoa?
Ny kavim-bolamena eo amin’ny orona na ao amin’ny efitr’orona dia nampiseho olona nampitombo fahalalana. Ankoatr’izany, ny Isiraelita dia nihevitra ny kisoa ho biby maloto sy maharikoriko. Araka izany, ny vehivavy tsara tarehy iray kanefa tsy ampy saina dia sahala amin’ny kavim-bolamena tsy mety raha atao eo amin’ny oron-kisoa.
◆ 14:14 — Ahoana no mety hahatonga ny olona mihemotra am-po ho voky?
Ny “mihemotra am-po” dia vokin’ny fiainana feno fitiavana ny zavatra ara-nofo ananany (Salamo 144:11-15a). Tsy zava-dehibe aminy ny hanao izay mahitsy eo imason’Andriamanitra, ary tsy mieritreritra izy fa mbola hampamoahiny indray andro any (I Petera 4:3-5). “Ny tsara fanahy” kosa dia manary ny fanaon’izay miseho ho tsy manana hitsim-po ary voky ny “azy ihany [ny vokatry ny fomba fanaovany zavatra, MN ]”. Omeny ny toerana voalohany foana ny zavatra ara-panahy, mifikitra hatrany amin’ny didin’Andriamanitra izy, faly aoka izany manompo azy, ary voky ny fitahian’Andriamanitra. — Salamo 144:15b.
◆ 15:23 — Ahoana no mety ‘hahafaly antsika raha mahavaly tsara ny vavantsika’?
Mety hitranga izany raha toa ny torohevitra omentsika ka arahina ary miteraka vokatra tsara. Mba hanampiana olona anefa, dia tokony hihaino azy amim-pitandremana isika, hanombana ny zavatra fantatra amin’ilay zava-manahirana ary hanorina ny torohevitsika amin’ny Baiboly. “Endrey ny hatsaran’ny teny atao amin’izay andro mahamety azy!”
Fianarana ho antsika: “Ny adala” mamaly haingana, “miaraka amin’izay”, sy amim-pahatezerana ny fanevatevana na “fanalam-baraka”. Ny “hendry” kosa anefa, izay malina, dia mivavaka mba handraisana ny fanahin’Andriamanitra izay hahatonga azy ho afaka haneho fifehezan-tena sy hanao zavatra mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra (Ohabolana 12:16). Raha manao toy izany isika dia hanalavitra ny firehetan’ny fifandirana izay hanimba antsika mbamin’ny hafa koa, na eo amin’ny lafiny ara-toe-tsaina na eo amin’ny ara-batana.
Ohabolana mifanitsy
Vakio Ohabolana 16:1 ka hatramin’ny 24:34. Ny fitarihana atolotr’ireny fanambarana amim-pahendrena nataon’i Solomona ireny ho antsika dia miseho amin’ny endriky ny hevitra mifanitsy indrindra. Asongadina indray “ny fahatahorana an’i Jehovah”. — 16:6; 19:23; 22:4; 23:17; 24:21.
◆ 17:19 — Inona no maha-ratsy ny fananana vavahady avo?
Raha tsy antonony ny haavon’ny varavarambe sy ny vavahady, dia hamela malalaka ny fidiran’ny jiolahy mitaingin-tsoavaly izay hanaram-po amin’ny fandrobana. Io Ohabolana io dia mety hanisy fitenenana koa ny amin’ny vava, oharina amin’ny vavahady avo noho ireo teny feno fiavonavonana sy fireharehana mivoaka avy aminy. Ny teny toy izany dia miteraka ady ary amin’ny farany dia mitarika ho amin’ny loza.
◆ 19:17 — Nahoana moa izay manampy ny madinika no mampisambotra an’i Jehovah?
An’i Jehovah ireo madinika, ka izay ataontsika ho azy ireo, dia toy ny ataontsika amin’Andriamanitra (Ohabolana 14:31). Raha toa ny fitiavana sy ny fahalalahan-tanana ka manosika antsika hanohana ny madinika na hanome ho an’ny mahantra, tsy manantena valiny mihitsy avy amin’izy ireny, ireo fanomezana ataontsika dia heverin’i Jehovah ho zavatra ampisamborintsika azy ka averiny amintsika amin’ny alalan’ny fankasitrahany sy ny fitahiany. — Lioka 14:12-14.
◆ 20:1 — Amin’ny heviny ahoana moa ny divay no “mpaniratsira”?
Ny divay dia mety hitarika izay manaram-po amin’izany hanao zavatra amin’ny fomba mahatsikaiky sy mitabataba. Koa satria misy vokany ratsy ny divay be loatra, dia hifady ny fisotroana tafahoatra ny kristiana. — I Timoty 3:2, 3, 8; I Korintiana 6:9, 10; Ohabolana 23:20, 21.
◆ 23:27 — Amin’ny heviny ahoana moa ny vehivavy janga iray no “hady” sy “lavaka”?
Sahala amin’ny biby latsaka ao amin’ny “hady lalina” lavahin’ny mpihaza, dia toy izany koa fa voafandriky ny fahalotoam-pitondrantena ireo mpankao amin’ny vehivavy janga. Azo inoana fa satria teo amin’ny Isiraely, ny ankamaroan’ny vehivavy janga dia hafa firenena na vahiny, ny teny hoe “vahiny” dia manondro vehivavy janga. Sarotra ny maka rano avy amin’ny “lavaka [fantsakana, MN ] èty”, satria mora vaky ny siny tany mikasoka ny rindriny. Toy izany koa, ireo izay mifampiraharaha amin’ny vehivavy janga iray dia mitolo-batana ho amin’ny loza eo amin’ny lafiny ara-toe-tsaina sy ara-batana. — Ohabolana 7:21-27.
Fianarana ho antsika: Ny “vavolombelona mandainga” dia tsy ampy fanajana an’Andriamanitra, ary, teo ambanin’ny Lalàna, dia nety ho novonoina ho faty izy. Araka izany dia mety ho ‘ringana’ avy amin’ny tanan’olona na ny an’i Jehovah izy (Ohabolana 21:28; Deoteronomia 5:17; 19:16-21; jereo Asan’ny apostoly 5:1-11). Ny olona “izay mihaino” amim-pitandremana kosa dia tsy niteny raha tsy efa azony antoka izay reny. Haharitra “mandrakariva” ny fanambarana ataony: tsy lavina izany atỳ aoriana satria hoe lainga. Afa-tsy izany koa, tsy novonoina ho faty satria hoe vavolombelona mandainga izany olona izany. Ireo izay mitsangana ho vavolombelona amin’ny raharaha ara-pitsarana iray eo anivon’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia tokony ho efa nihaino tamim-pitandremana mba ho marina ny filazana ataon’izy ireny eo anatrehan’ny mpitsara. Ny fanambarana tsy marina na diso tokoa dia mety hanimba eo amin’ny lafiny ara-panahy.
Fampitahana mahasoa
Vakio Ohabolana 25:1 ka hatramin’ny 29:27. Ireo ohabolan’i Solomona nosoratana tamin’ny alalan’ireo mpanompon’i Hezekia mpanjaka dia mampianatra zavatra be dia be amin’ny alalan’ny fampitahana. Ankoatra ny zavatra hafa, izany dia mamporisika antsika mba hiankina amin’i Jehovah.
◆ 26:6 — Inona no ampitahaina amin’izay “manapaka ny tongony”?
Izay manapaka ny tongony dia hanaisotra tapany amin’ny vatany, toy izany koa, fa ny olona mampiasa “adala” dia manimba mafy ny tombontsoan’ny tenany. Tsy mahomby ny raharaha iray rehefa ankinina amin’ny olona adala. Araka izany, dia fahendrena tokoa ny “hizahan-toetra” lehilahy iray alohan’ny hanolorana azy hanao raharaha misy andraikitra ao anatin’ny kongregasiona! — I Timoty 3:10.
◆ 27:17 — Ahoana no mety ‘haharanitra’ ny tarehy iray?
Toy ny zavatra vita amin’ny vy azo ampiasaina mba handranitana lelan-javatra vy tahaka azy, dia toy izany koa fa ny olona iray dia mety ho afaka handranitra ireo toetra ara-tsaina sy ara-panahin’ny hafa. Raha ketraka isika satria mahatsiaro fahadisoam-panantenana na tsy mifanaraka tsara amin’ny olona sasany manodidina antsika, ny fijery mangoraka asehon’ny anankiray amin’ireo namantsika ao amin’ny finoana sy ny fampaherezana tsoahiny avy ao amin’ny Soratra Masina dia mety hampandroso antsika tokoa. Misava amin’izay ny alahelo hita soritra eo amin’ny endritsika, ary, noho ny fanantenantsika velona indray, dia vonona ny hiainga indray isika. — Ohabolana 13:12.
◆ 28:5 — Inona no dikan’ny hoe “zavatra rehetra” ao amin’io andininy io?
Ireo izay manao ratsy dia jamba ara-panahy (Ohabolana 4:14-17; II Korintiana 4:4). “Tsy mahalala rariny”, izany hoe izay marina araka ny fiheveran’Andriamanitra, izy ireny. Noho izany, dia tsy afaka mitsara marina ny zavatra ka manao fanapahan-kevitra tsara, izy ireny. Nefa kosa, ireo izay “mitady an’i Jehovah” amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fianarana ny Teniny dia “mahalala ny zavatra rehetra” tokony ho fantany mba hanompoana ny Andriamaniny amin’ny fomba azo ekena. — Efesiana 5:15-17.
◆ 29:8 — Amin’ny heviny ahoana moa ny mpaniratsira no “mampihotakotaka ny tanàna”?
Ny mpaniratsira izay tsy manaja ny fahefana, dia miteny tsy misy henatra. Amin’izany izy dia mamelona ny afon’ny fifandirana, hany ka mirehitra amin’izany daholo ny mponina ao amin’ilay tanàna. Ny olona hendry kosa “mampionona fahatezerana”, satria izy ireny miresaka amim-pahalemem-panahy sy fahendrena, ka mamono ny lelafon’ny fahatezerana amin’ny fanaovana izay hisian’ny fihavanana. — Ohabolana 15:1.
Fianarana ho antsika: Raha miavonavona isika, dia hietry (Ohabolana 29:23). Ny olona mianjonanjona iray dia azo inoana fa mieboebo, ka izany dia mety hitondra ho azy fahafaham-baraka, fahalavoana na firodanana mihitsy aza (Ohabolana 11:2; 16:18; 18:12). Mety hataon’Andriamanitra izay hahatonga ny olona miavonavona iray hietry, raha lazaina amin’ny teny hafa dia toy ny hoe hampidinina, ary indraindray izany dia hatrany amin’ny fahafatesana. Ny olona toy izany dia maniry voninahitra fatratra, kanefa maharikoriko ny olona ny lalany. “Hahazo voninahitra kosa [amin’ny farany] ny manetry tena”.
‘Teny mavesa-danja’
Vakio Ohabolana 30:1 ka hatramin’ny 31:31. Ao amin’ny “teny mavesa-danja” nataony, dia niaiky Agora fa “ny tenin’Andriamanitra dia voadio avokoa”. Mampahafantatra antsika zavatra mahagaga loatra koa izy mba hahazoantsika izany, ary hafa koa (30:1-33). “Ny teny mavesa-danja” azon’i Lemoela avy amin-dreniny dia mirakitra fampitandremana amin’ny fisotro mahamamo izay mety hanimba ny fitsarana, fananarana hitsara araka ny rariny sy filazalazana ny amin’ny vehivavy sarobidy. — 31:1-31.
◆ 30:15, 16 — Inona no asehon’ireo ohatra ireo?
Soritany fa tsy mety afa-po ny faniriana mihoa-pampana. Miboboka ra ny dinta, toy ny itakian’ny olona manana faniriana mihoa-pampana fahefana na vola betsaka kokoa hatrany. Toy izany koa, tsy mety voky mihitsy ny Sheola ary mivoha foana mba handray maty hafa. ‘Miantsoantso’ mba hanana zanaka ny kibo momba (Genesisy 30:1). Mifoka ranonorana ny tany karankaina, nefa tsy ela dia maina indray. Ny afo nandany izay nomena azy dia mandefa ny lelafony hahazo izay tratrany. Toy izany ny amin’ny olona manana faniriana mihoa-pampana. Izay tarihin’ny fahendren’Andriamanitra kosa anefa dia tsy atosiky ny fitiavan-tena foana.
◆ 31:6, 7 — Nahoana no homena divay ireo azon’ny “fangidiam-panahy”?
Mampitony fanaintainana ny fisotro mahamamo sy ny divay, noho izany no nanomezana tamin’izany “izay efa ho faty” na izay “azon’ny fangidiam-panahy”, mba tsy hahatsapany loatra ny fanaintainany sy ny fisedrana azy. Ny fanao taloha nanomezana ho an’ireo mpanao heloka bevava divay nampiana zavatra mampatory mba hampihenana ny fanaintainana amin’ny famonoana ho faty no azo anazavana ny antony nanoloran’ny miaramila romana an’i Jesosy Kristy tamin’izany, tamin’ny fotoana nanomboana azy tamin’ny hazo. Tsy nety nisotro izy satria tiany ny hanana tanteraka ny fahaizany misaina teo anoloan’izany fitsapana izany ka amin’izay dia tsy hivadika hatrany eo anatrehan’Andriamanitra. — Marka 15:22-24.
◆ 31:15 — Iza moa ireo ‘ankizivavy’ ireo?
Izany dia mpanompovavy tao an-tokantrano. Tsy nanana antony tokony hitarainana izy ireny noho ny tsy fahampian-tsakafo na asa. Ny vehivavy mazoto dia nanome sakafo ho an’ny ankohonany ary niahy ny amin’ny hananan’ny ankizivavy hohanina sy asa hotanterahina.
Fianarana ho antsika: Noho isika tsy tanteraka, indraindray isika dia mety hanao fiezahana tsy voahevitra mba ‘hanandratan-tena’. Raha izany no izy na raha miteny amim-pisafoahana isika, dia tokony ‘hanampin-tanana ny vavantsika’, ka hifady ny filazana zavatra mihoatra mba tsy hampahasosotra bebe kokoa ihany ilay olona tafintohina noho ny nataontsika. Toy ny tsy maintsy ikapohana ny ronono mba hahazoana dibera ary toy ny ran’orona mandrakariva ateraky ny fanerena an’io faritra io, dia mitranga ny fifandirana rehefa tsy fehezina ny fahatezerana (Ohabolana 30:32, 33). Fahendrena tokoa ao anatin’ny toe-javatra toy izany, ny hahaizana mangina ka hanalavirana amin’izany ny fiharatsian-javatra!
Soa toy inona moa no azontsika tsoahina avy amin’ny bokin’ny Ohabolana! Aoka halatsatsika ao am-po ireny fanambarana feno fahendrena ireny izay manosika antsika haneho tahotra amim-panajana an’i Jehovah. Aoka tsy hampisalasala antsika fa raha ampiharintsika izany, dia ho sambatra isika.