FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mampahery ny Miresaka Zavatra Ara-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana—2003 | 15 Septambra
    • 20. Inona no azontsika atao raha sendra olona saro-kenatra isika?

      20 Ahoana anefa raha toa tsy miraika ny olona sasany, rehefa iresahana zavatra ara-panahy? Aza kivy. Hahita fotoana mety kokoa amin’izany angamba ianao any aoriana. Hoy i Solomona: “Ny teny atao amin’ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.” (Ohabolana 25:11) Aza manakiana na mitsara ny olona saro-kenatra. “Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona; fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany.”a (Ohabolana 20:5) Ambonin’izany rehetra izany, dia aza avela hisakana anao tsy hiresaka momba izay manohina ny fonao ny fihetsiky ny hafa.

  • Mampahery ny Miresaka Zavatra Ara-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana—2003 | 15 Septambra
    • a Lalina be ny fantsakana sasany tany Israely. Nahita fitahirizan-drano tany amin’ny 25 metatra ny mpanao fikarohana ambanin’ny tany, tany Gibeona. Misy tohatra ao anatiny, natao hidinan’ny olona mantsaka rano.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2027)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara