Ny anjara toeran’ny tanora ao anatin’ny fianakaviana sambatra sy miray saina anankiray
“Fa zanak’ikaky aho, sady tiana no hany malala teo imason’ineny.” — OHABOLANA 4:3.
1, 2. Fahasahiranana inona no mamely tokantrano kristiana sasany?
MAMPAHERY tokoa ny fahafahana mamboraka ny fanahiantsika amin’olona izay miahy antsika, izay manandrana mahatakatra ny fihetseham-pontsika, sy izay manome torohevitra mampiseho fa hainy ny mipetraka amin’ny toerantsika! Rehefa ny raintsika na ny renintsika izany, dia tena voatahy isika. Ny amin’izany, mahatsiaro ho akaiky an’ireo ray aman-dreninao ve ianao?
2 Izao no nosoratan’ny zatovo roa manana ray aman-dreny kristiana: “Mahita fahasahiranana indrindra izahay eo amin’ny fifampiresahana. Tsotra fotsiny, toa tsy afaka miresaka amin’ireo ray aman-dreninay izahay. Samy tia aoka izany an’ireo ray aman-dreninay tokoa izahay mirahalahy, kanefa toa tsy afaka nifampiresaka izahay. Nivavaka foana ny amin’io foto-kevitra io aho, kanefa tsy nahita fanafodiny.” Fa nahoana no na dia ao amin’ny tokantrano kristiana aza, indraindray dia tsy misy ny tena fifampiresahana? Misy fomba handresena izany tarehin-javatra sarotra izany ve?
Fifampiresahana: ny hantsana
3, 4. Tonòny ny antony sasany mahatonga tsy fifampiresahana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka.
3 Ireo tanora noraisinay teny ireo dia tsy nifanaraka tamin’ny ray aman-dreniny momba ny fifidianana ny fialam-boliny sy ny namany. Rehefa manampy izany tsy fifanarahana izany ny fahatsapana fa tsy raharahaina ny fiheverantsika, izany dia mety ho vato misakana izay rehetra mety ho fifampiresahana. Fa nahoana no mitranga izany tsy fifanarahana izany? Manolotra antsika antony iray ny Ohabolana 20:29. Izao no vakina ao: “Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany, ary ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy.” Koa satria ny ‘fahatanjahan’ny’ fahatanorana tsy mihena noho ny zavatra tena nisy mafy niainana araka ny fandehan’ireo taona, dia mety tsy hihevitra ny loza sasany ianareo, ry tanora, amin’ny fieritreretana fa tsy mety hisy na inona na inona hitranga aminareo. Ireo ray aman-dreninareo kosa anefa dia mahalala fa hafa noho izany no izy, satria izy ireo manana fahendrena azo, na noho ny taona, na noho ny fijaliana manokana. Na dia takatr’izy ireo aza izay tsapanao, dia mety ho fantany ny loza tsy ahinao. — Ohabolana 29:15.
4 Indraindray, ny tsy fisian’ny fifampiresahana dia angamba avy amin’ny fahasahiranana hamboraka alahelo sasany. Mety halahelo ny fonao noho ny fifanolanana mampifanohitra anao amin’olon-kafa, na noho ny kileman-toetranao ihany; na mety hanao tahaka an’i Joba koa ianao rehefa nieritreritra izy fa na dia ireo rahalahiny, namany akaiky, eny, ny ankohonany aza, dia niodina taminy (Joba 19:13-19). Amin’ny toe-javatra sasany, dia miforona ny hatsana satria ‘manampin-tsofina’ ny ray na ny reny rehefa manandrana mampahafantatra azy fihetseham-po manahirana iray ilay tanora (Ohabolana 21:13). Nitaraina toy izao ny zatovovavy iray: “Nijaly mafy aho. Tsy nitsahatra ny nitomany aho, ary hoy i Dada tamiko: ‘Tsy mitondra na inona na inona ny fitomaniana.’ Notanako ho ahy àry ny fihetseham-poko. Tsy nanatona mba hitomany teo am-pofoany intsony aho, ary tsy nisy fifampiresahana intsony mihitsy.”
5. Inona no zavatra voalohany tokony hatao mba hanatsarana sy hampitomboana ny fifampiresahana?
5 Kanefa, na manao ahoana na manao ahoana fihetsik’ireo ray aman-dreninao, dia afaka manao zavatra betsaka ny tenanao mba hanatsarana ny fifampiresahana. Manomboha mieritreritra araka ny marina ny fifandraisana tananao amin’ireo ray aman-dreninao. Ohatra, ny firenen’Isiraely dia nihambo ho akaiky ny Rainy any an-danitra ka nilaza hoe: “Ry Raiko ô, Hianao no nahazatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora!” Raha ny marina, ny fitondrantenany nikomy dia nanimba ny fifandraisany tamin’i Jehovah (Jeremia 3:4, 5). Tena ‘sakaizanao akaiky’ tokoa ve ireo ray aman-dreninao? Mety manana fihetsika manimba ny fifampiresahana ve ianao, na dia tsy nahy aza? Afaka milaza toy izao tahaka an’i Solomona ve ianao: “Tena zanak’ikaky [sy ineny] aho”? (Ohabolana 4:3, MN.) Inona no azonao atao mba hanatonana azy ireo?
‘Hatsaram-po sy fahamarinana’
6. a) Araka ny Ohabolana 3:3, toetra inona avy no hanampy ny tanora ‘hahazo fitia eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona’? b) Ahoana no azon’ny tanora ‘amehezana izany zavatra izany eo am-bozony’?
6 Solomona mpanjaka hendry dia nisaintsaina ny amin’izay nilain’ny zazalahy iray mba ‘hahazoana fitia sy fahalalana tsara eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona [anisan’izany ireo ray aman-dreniny]’. Ny valiny ve? “Anaka, (...) aoka tsy handao anao ny famindrampo [hatsaram-po, MN ] sy fahamarinana; afehezo eo am-bozonao izany, ary soraty ao amin’ny fonao tahaka ny amin’ny vato fisaka.” (Ohabolana 3:1-4). Ny hatsaram-po sy ny fahamarinana dia hampifanatona anao amin’ireo ray aman-dreninao, raha toa izany ka anisan’ny maha-ianao anao, ‘mifatotra eo am-bozonao sy voasoratra ao amin’ny fonao’. Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia matetika ny fanombohan-kase no niambozonana (Genesisy 38:18). Sarobidy tokoa izy io, satria raha tsy nisy azy, dia tsy nisy mihitsy tahirin-kevitra azo nohamarinina. Nahatsapa foana ny naha-tao azy sy ny hasarobidiny ilay nitondra azy. Koa tokony hotadidiantsika ao an-tsaina foana ny hatsaram-po sy ny fahamarinana ka tsy hohadinointsika na oviana na oviana ny vidiny. Ahoana anefa no azo anehoana tsara ireo toetra ireo?
7. Ahoana no mety hanampian’ny hatsaram-po anao hanatsara ny fifampiresahana?
7 Ny hevitry ny teny hebreo nadika hoe “hatsaram-po” voalohany dia hoe “fitiavana tsy mivadika”, ary mahafaoka fanekena manokana. Koa tsy mivadika amin’ny ray aman-dreninao ve ianao, ary miezaka manokana ve ianao mba hiaro ireo fatorana ara-piraiketam-po mampiray anao amin’izy ireo? Ao amin’ny Zakaria 7:9, 10 (MN ), ny hatsaram-po dia ampiarahina amin’ny famindrampo sy ny fangoraham-po. Moa ve ianao maneho fangoraham-po amin’ireo ray aman-dreninao izay tsy maintsy misetra izao karazam-pahasahiranana rehetra izao? Ny hatsaram-pon’ny sasany dia “toy ny rahona maraina (...) sy tahaka ny ando izay levona, raha vao maraina ny andro”. (Hosea 6:4.) Moa ve ny hatsaram-ponao manjavona ao anaty afon’ny fifandirana na rehefa tsy mandeha araka ny anirianao azy ny zavatra? Rehefa sosotra ianao, moa ve ‘ny lalàn’ny hatsaram-po eo amin’ny lelanao’ ihany? Tena ilaina ny fahatokiana sy ny fangoraham-po mba hisian’ny fifampiresahana. — Ohabolana 31:26, MN.
8. Ahoana no mety hihariharian’ny fahamarinana eo amin’ny tanora?
8 Mamorona fifankazarana ny “fahamarinana”, satria tena ilaina amin’ny fifandraisana akaiky rehetra ny fitokisana. Aoka ianao tsy ho tahaka ireo “olon-dratsy” izay nanafina ny tena naha-izy azy (Salamo 26:4). Mety ho voan’ny fakam-panahy ianao toy ny hoe hanana fiainana roa: ny anankiray, kristiana, miaraka amin’ireo ray aman-dreninao; ny faharoa, rehefa tsy mahita anao izy ireo. Mety hampidi-doza tokoa ny fitondrantena toy izany, indrindra fa raha tojo fahasahiranana lehibe ianao ka tsy afaka misetra izany irery. Eritrereto koa hoe hanjary hanao ahoana ny fitokisan’ireo ray aman-dreninao rehefa ho fantany fa nandainga taminy ianao. “Mahalala zavatra betsaka lavitra noho izay eritreretinay ny ray aman-dreninay, hoy ny nambaran’ny tanora kristiana iray; raha manandrana manafin-javatra amin’izy ireo aho, dia mamita-tena fotsiny amin’ny fieritreretana ny hamitaka an’i Jehovah.” Eny, manàna fahavononana ny hamboly ao anaty ny fahamarinana. Nefa moa ve ny fahamarinana tsy miseho afa-tsy amin’ny tsy fisian’ny teny sy ny fanaovan-javatra ‘feno lainga’? — Ohabolana 4:20, 24; 10:9.
Mitenena ‘amin-kitsim-po’
9. Fahasahiranana inona no nosetrain’ny zatovo roa, ary inona no vokany?
9 Ny tanora sasany dia tsy maneho amim-pahamarinana ny fihetseham-pony ny amin’ireo ray aman-dreniny. Ohatra, ny anankiray tamin’ireo zatovo resahina ao amin’ny fehintsoratra faharoa dia niaiky toy izao: “Mba hahitana filaminana, dia nolazainay tamin’izy ireo izay tiany ho re, ary notananay ho anay ny tena fihetseham-ponay.” Na dia izany aza dia nitady fanampiana izy ireo. Tamin’izay ny loholona iray dia namporisika azy ireo hanatona ireo ray aman-dreniny amin’ny fanahafana an’i Eliho tanora, izay nilaza hoe: “Ny hitsim-poko no hiseho amin’ny teniko.” (Joba 33:3). Rehefa avy nivavaka tamin-kafanam-po izy ireo, tamin’ny farany dia nanokatra ny fony tamin’ireo ray aman-dreniny ka nampahafantatra azy ireo ny alahelony (jereo Ohabolana 12:18). Na dia ankona aza ilay ray nahafantatra ny fihetseham-pon’ireo zanany, dia niaiky izy fa nasiaka loatra. Faly anefa izy noho ireo namboraka ny tao am-pony taminy. Nilaza toy izao ilay zanakavavy ho famaranana: “Mihatsara moramora, nefa amin’ny fomba azo antoka, ny tarehin-javatra ao anatin’ny fianakavianay. Nanomboka tamin’ny fotoana niresahanay malalaka kokoa, dia afaka nahatakatra ny antony nameran’ireo ray aman-dreninay fitsipika izahay. Nitsahatra tsy niteny taminay toy ny amin’ny zazakely izy ireo, ary nanomboka nifankahazo hevitra tsara lavitra izahay.”
10, 11. a) Araka ny Ohabolana 27:19, inona no mety hanampy hisian’ny hafanana ara-pianakaviana ao anatin’ny tokantrano kristiana iray? b) Ahoana no azon’ny tanora ampiharana an’io andininy io?
10 Raha mamboraka ny ao am-ponao amin’ny ray aman-dreninao ianao, dia hamela ny fiforonan’ny fifampiresahana avy amin’ny fo. Rehefa miresaka amim-pahatoniana sy amim-panajana ianao, dia afaka mahita izay ao am-ponao ny ray aman-dreninao (Ohabolana 29:11). Fantaro koa ny toetry ny fon’izy ireo. Izany fifanakalozan-kevitra voamariky ny fahatsorana sy ny fahatakarana ny fihevitry ny hafa izany dia hanampy anao hahalala kokoa ny fon’ny tenanao. Manambara toy izao ny Ohabolana 27:19: “Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin’ny tarehy, dia toy izany no ifanahafan’ny fon’ny olona amin’ny an’olonaa.” Toy ny ahitanao ny sarinao ao anatin’ny rano milamina iray, dia toy izany koa fa raha avy amin’ny fo ny fifandraisana tananao amin’ireo ray aman-dreninao, dia ho azonao atao ny hahita fa tsy misy fahasamihafana firy amin’ny anao ny fihetseham-pon’izy ireo sy ny antony manosika azy hanao zavatra. Izany fifanakalozan-kevitra izany dia manamora ny fipetrahana eo amin’ny toeran’ny hafa sy ny fifampiheverana izay tena ilaina mba hisian’ny hafanana ao anatin’ny fianakaviana.
11 Noho izany, dia manàna fahavononana hiara-midinika amin’ireo ray aman-dreninao, na dia ny amin’ny foto-dresaka sarotra aza. Ambarao ny tahotrao sy ny tsy fahombiazanao, mbamin’ny fifalianao sy ny fahombiazanao. Resaho ny amin’ny zava-kendrenao eo amin’ny fiainana sy ny vavaka ataonao. Tohero ny faniriana ‘hitokana’. (Ohabolana 18:1.) Manandrama mandany tsy tapaka, fotoana iarahana irery amin’ny rainao na ny reninao, mba hahafahana mifanakalo hevitra vitsivitsy amim-pifankazarana. Ny tanora sasany dia afaka niditra tamin’ny fifanakalozan-kevitra toy izany teo anelanelan’ny trano roa rehefa niara-nitory tamin’ny ray aman-dreniny izy ireny, na rehefa nitsangatsangana naharitra niaraka tamin’izy ireny, na nandritra ny fotoam-pialan-tsasatra tao amin’ny fianakaviana.
12. Zavatra tena misy inona no tsy maintsy setrain’ny tanora?
12 Na dia misy vokany aza amin’ny ankapobeny ny fiezahanao mba hisian’ny tena fifampiresahana, dia tsy tanteraka akory na ny tenanao na ny ray aman-dreninao. Mety ho manao zavatra tsy ara-drariny indraindray ireo ray aman-dreninao, tsy mahatakatra ny fihetseham-ponao, na tsy manome ohatra tsara. Mety ho tsy mpino aza izy ireo ka tsy mifanaraka foana amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ny ataony aminao. Ny sasany aminareo angamba tsy manana ny rainy na ny reniny ao an-trano, ka ilay vady mbola ao aza dia nanambady fanindroany; manana ny anjara fahasahiranany ny tarehin-javatra tsirairay avy. Na dia akaikin’ny ray aman-dreninao tokoa aza ianao, indraindray ianao dia hahatsiaro ho irery eo amin’ny lafiny ara-piraiketam-po. Ahoana no azonao iaretana amim-pahatokiana fitsapana toy izany?
Mianara ‘mitondra zioga mandritra ny fahatanoranao’
13. Amin’ny ahoana ny fanambarana nataon’i Jeremia ao amin’ny Fitomaniana 3:27 no toa hafahafa?
13 Rehefa nirahin’i Jehovah ny mpaminany Jeremia dia nihiaka hoe: “Tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.” Nanome toky azy sy nanatanjaka azy anefa Jehovah. Nahatonga azy haniry hiala indraindray ny fanaintainana sy ny tahotra ary ny fahakiviana. Tonga hatramin’ny fanambarana toy izao izy: “Ho voaozona anie ny andro izay nahaterahako!” (Jeremia 1:6, 19; 20:7-9, 11, 14). Taty aoriana izy dia nanoratra toy izao: “Tsara amin’ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.” (Fitomaniana 3:27). Fa ahoana no hiheverana ho mahasoa ny ziogan’ny fahoriana? Manazava tsara izany ny ohatra ny amin’i Josefa.
14, 15. a) Inona no nitranga tamin’i Josefa tao anatin’ny fahatanorany? b) Ahoana no ‘nanadiovana tamin’ny tenin’i Jehovah’ an’i Josefa?
14 Teo amin’ny fahafito ambin’ny folo taonany, Josefa dia nahazo tamin’ny nofy ny fampanantenan’Andriamanitra fa hitana toerana ambony izy. Indrisy! ireo rahalahiny nialona dia nivarotra azy ho andevo. Nirahina ho any Egypta izy, ary taty aoriana, nampangaina lainga ho nanandrana nisavika, natsipy tao am-ponja sy nogadraina (Genesisy 37:2, 4-11, 28; 39:20). Io zazalahy faka tahaka io, mpandova fampanantenana be voninahitra, dia nohidiana tao anaty rindrina efatra amin’ny tranomaizina maloto iray. Vahiny tao amin’io tany io izy, tsy nanana sakaiza afaka ny hahatakatra ny nahazo azy ka hifona ho azy.
15 “Nampijaliny tamin’ny fatorana ny tongony [ny an’i Josefa]; nogadrany vy izy, mandra-pahatongan’ny fotoana hahatanterahan’ny teniny; nizaha toetra azy ny tenin’i Jehovah.” (Salamo 105:17-19). Nandritra ny telo ambin’ny folo taona, dia nijaly i Josefa tamin’ny naha-andevo sady mpigadra azy, mandra-pahatanteraky ny fampanantenan’i Jehovah. Nozahan-toetra tamin’izany fitsapana izany izy. Na dia tsy nahatonga izany aza Jehovah, dia nanana antony tsara namelana izany hitranga. Moa ve i Josefa hitana ny fanantenany ny “tenin’i Jehovah” na dia tao aza ny famelezan’ny fahoriana nahatsiravina? Hitondra ireo toetrany tsara ho amin’ny fahamasahana ve izy, ka hamboly faharetana, fanetren-tena, hery ara-panahy sy fahavononana izay hahatonga azy ho afaka hiantsoroka asa sarotra? Azo atao ny milaza fa tafavoaka avy tamin’izany fitsapana izany i Josefa, toy ny volamena avy tao anaty afon’ny mpanadio metaly, madio kokoa sy mbola sarobidy kokoa ihany eo imason’Andriamanitra izay nampiasa azy tamin’ny fomba mahatalanjona taty aoriana. — Genesisy 41:14, 38-41, 46; 42:6, 9.
16. Ahoana no tokony hiheveran’ny tanora ny fahoriana?
16 Samy nijaly Josefa sy Jeremia, nefa tsy nanao fahadisoana manokana. Efa namboly ireo toetra mampiavaka ny fitiavam-pivavahana izy ireo. Mbola nanadio azy kokoa anefa ny fahoriany. Vao mainka ilaina kokoa ny fanadiovana toy izany amin’ireo tanora nanota! Ny fifehezana izay mety ho sarotra ekena, dia hiteraka ao aminao ny fahamarinana raha mamolavola anao izany (Hebreo 12:5-7, 11). Izany fampiofanana izany dia mety hiteraka ao aminao hery anaty sahala amin’ny tsỳ (acier) voatsoboka. “Jehovah nomba an’i Josefa sy namindra fo taminy.” Toy izany koa fa homeny hery mihoatra ny hery fahita ianao ary hovaliany soa be dia be ny fiaretanao. — Genesisy 39:21; II Korintiana 4:7.
17. Inona no vokatry ny fahoriana teo amin’ny zazavavikely iray? Fianarana inona no tsoahinao avy amin’izany?
17 Aoka horaisintsika ho ohatra ny amin’ny zazavavy kely iray izay ny raikeliny dia toa nandidindidy aoka izany sy tsy nihontsina tamin’ny alahelo tsapany tamin’ny fahafatesan’ny ray malalany. Nanan-kevitra ny handositra izy, kanefa noho ny fahatsapany fa vao mainka hanaratsy ny tarehin-javatra izany, dia nijanona izy... ary niaritra. Telo ambin’ny folo taona teo ho eo taty aoriana, dia izao no fianarana notsoahiny avy tamin’izany: “Nanatsara ahy ny fifehezan’ny raikeliko. Fony aho niaina irery niaraka tamin-dreniko, dia zaza nihanta sy nikomy aho. Izay tiako natao ihany no nataoko. Nianatra nihevitra ny hafa aho. Afa-tsy izany koa, dia novalian’i Jehovah ireo vavaka maro nangatahako taminy hery mba ho tafarina rehefa avy namoy ny raiko ka hanakaiky ny raikeliko.” Eny, amin’ny fianarana hiaina miaraka amin’ireo fisedrana anao, dia hanakaiky an’i Jehovah ianao. Amin’izany, dia mety ho tonga Sakaizanao izy, ‘ho tokinao hatry ny fony ianao mbola tanora’. — Salamo 71:5.
18. a) Inona no mametra izay ho fiainan’ny tanora iray? b) Nahoana moa ny tanora no tokony ho tia fatratra ireo ray aman-dreniny?
18 Aza hadinoina fa tsy ny toeranao ara-pianakaviana ihany akory no mametra ny vidinao manokana na ny ho fiainanao. Hita kosa fa “na dia ny zaza aza dia mampiseho amin’ny fanaony na madio sy mahitsy ny fitondrantenany”. (Ohabolana 20:11.) Raha mahitsy ny ataonao, izany dia hahatonga anao ho sarobidy eo imason’Andriamanitra, ka hanome heviny sy vidiny ho an’ny fiainanao. Tsy misy fianakaviana tanteraka mihitsy; izay manorina amin’ny anao àry jerena. Eritrereto ny sorona tsy maintsy neken’ireo ray aman-dreninao hatao mba hanomezana anao sakafo, fitafiana, fialofana, fitsaboana sy zavatra maro hafa koa. Tsy tokony ho tsy fankasitrahana no hamalianao izany fa ‘hajao ny rainao sy ny reninao’. Tiavo fatratra sy anehoy fiheverana lehibe izy ireo. — Efesiana 6:1-3; Ohabolana 16:20; 17:13.
19. Ahoana no amalian-tsoa ny fankatoavana amim-pahatsorana ny ray aman-dreny?
19 Raha tena mifampiresaka tokoa amin’ny ray aman-dreninao ianao, dia hihalalina kokoa ny fitiavanao azy ireo. Amin’ny fonao rehetra amin’izay no hankatoavanao azy. “Anaka, aza manadino ny lalàko; fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko.” Izany no fananaran’ny ray hendry izay tsy mamela tsy hahalala ny valisoa mifamatotra amin’izany fitondrantena izany: “Fa andro maro sy taona ela iainana ary fiadanana no hanampiny ho anao.” — Ohabolana 3:1, 2.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny Baiboly Crampon (1902) dia manome izao fanazavana manaraka izao momba an’io andininy io: “[Ny olona] dia mahita ao am-pon’ny olon-kafa, sarin’ny fon’ny tenany; hitany ao ny toetra sy ny fihetseham-po tsapan’ny tenany. (...) Mahita akony ao amin’ny fon’ny olona rehetra ny fontsika.” Nilaza toy izao koa i Cohen tao amin’ny famoaboasany ny Ohabolana (anglisy): “Ny fisakaizana voamariky ny fahatsorana sy ny fahatakarana ny fihevitry ny hafa dia mahatonga antsika tokoa hahalala ny tenantsika sy hahatsapa izay ao amintsika.”
Tadidinao ve?
◻ Inona no mety hisakana ny fifampiresahana?
◻ Ahoana no mety hisehoan’ny hatsaram-po eo amin’ny tanora?
◻ Ahoana no hanatsaran’ny fahamarinana ny fifampiresahana eo anivon’ny fianakaviana?
◻ Soa inona no horaisin’ny tanora izay mitondra ny ziogan’ny fahoriana?
[Sary, pejy 18]
Nanadio ny toetran’i Josefa ny ziogan’ny fahoriana, toy izany koa fa ireo tanora izay miaritra fitsapana dia hanadio ny toetrany.