Ny Fiainanao — Inona no Zava-kendreny?
“[Nitarika ny foko tamim-pahendrena aho, NW ] (...) mandra-pahitako izay tsara ho an’ny zanak’olombelona (...) amin’ny andro vitsy iainany.” — MPITORITENY 2:3.
1, 2. Nahoana no tsy ratsy ny liana amin’ny tena, araka ny antonona?
MAHALIANA anao ny tenanao, sa tsy izany? Ara-dalàna izany. Araka izany dia misakafo isika isan’andro, matory isika rehefa vizana, ary tiantsika ny miaraka amin’ireo namana sy olon-tiana. Indraindray dia milalao isika, milomano, na manao zavatra hafa izay ankafizintsika, ka amin’izany dia mampiseho fahalianana voalanjalanja amin’ny tenantsika.
2 Ny fahalianana amin’ny tena toy izany dia mifanaraka amin’izay nanosehan’Andriamanitra an’i Solomona hosoratana hoe: “Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin’ny fisasarany.” Nanampy teny toy izao i Solomona, niorina tamin’ny zavatra niainany: “Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin’ny tànan’Andriamanitra (fa iza no mahalany, ary iza no mahazo manaram-po mihoatra noho izaho?).” — Mpitoriteny 2:24, 25.
3. Fanontaniana sarotra inona avy no heverin’ny ankamaroan’olona fa tsy ahitam-baliny?
3 Fantatrao anefa fa tsy vitan’ny mihinana sy misotro sy matory ary manao zavatra tsara sasany fotsiny ny fiainana. Misy fanaintainana sy fahadisoam-panantenana ary tebiteby eo amintsika. Ary toa be atao loatra isika ka tsy afaka mieritreritra ny amin’ny hevitry ny fiainantsika. Tsy toy izany ve ny aminao? Rehefa avy nandinika ny fahalalana sy ny fahaizana miitatra ananantsika i Vermont Royster, mpampanonta ny The Wall Street Journal taloha, dia nanoratra toy izao: “Misy zavatra hafahafa itỳ. Raha ny amin’ny fandinihana ny olombelona mihitsy sy ireo zava-tsarotra hitany ary ny toerany eo amin’izao rehetra izao, dia tsy lasa lavitra kokoa noho ny tamin’ny nanombohan’ny fotoana isika. Mbola eo ihany ireo fanontaniana momba ny hoe iza isika sy hoe nahoana isika no misy ary hoe inona no miandry antsika amin’ny hoavy.”
4. Nahoana ny tsirairay amintsika no tokony haniry hahay hamaly fanontaniana izay mahakasika antsika?
4 Ahoana no havalinao ny fanontaniana hoe: Iza moa isika? Nahoana isika no eto? Ary inona no miandry antsika amin’ny hoavy? Tamin’ny Jolay lasa teo, dia nody mandry Atoa Royster. Heverinao ve fa tamin’izay izy dia nahita valin-teny mahafa-po? Raha ny marimarina kokoa dia hoe: Misy fomba ve ahafahanao manao izany? Ary amin’ny ahoana io fahitana valin-teny nahafa-po io no hanampy anao hanana fiainana sambatra kokoa sy misy heviny kokoa? Andeha hojerentsika izany.
Loharano ipoiran’ny fahatakarana hevi-dalina
5. Nahoana isika no tokony hitodika any amin’Andriamanitra rehefa mitady fahatakarana hevi-dalina momba ny hevitry ny fiainana?
5 Raha avela hitady samirery ny zava-kendren’ny fiainantsika isika, dia mety tsy hahomby firy na tsy hahomby mihitsy, toy izay nitranga tamin’ny ankamaroan’ny lehilahy sy vehivavy, na dia ireo nahita fianarana sy fanandraman-javatra be aza. Tsy navela hanao zavatra samirery anefa isika. Nanome fanampiana ny Mpamorona antsika. Rehefa eritreretinao tokoa, moa ve tsy izy no Loharano tampony iavian’ny fahatakarana hevi-dalina sy ny fahendrena, noho izy “hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay” sy noho izy manana fahalalana feno momba izao rehetra izao sy ny tantara? (Salamo 90:1, 2). Namorona ny olombelona izy, ary nandinika ny zavatra niainan’olombelona manontolo, koa izy no Ilay tokony hitodihantsika mba hahazoana fahatakarana hevi-dalina, fa tsy olombelona tsy lavorary miaraka amin’izato fahalalany sy fahaizany mahataka-javatra voafetra. — Salamo 14:1-3; Romana 3:10-12.
6. a) Ahoana no nanomezan’ny Mpamorona ilay fahatakarana hevi-dalina nilaina? b) Ahoana no nahatafiditra an’i Solomona?
6 Na dia tsy azontsika antenaina aza ny hibitsibitsihan’ny Mpamorona ao an-tsofintsika, fanambarana iray momba ny hevitry ny fiainana, dia nanome loharanom-pahatakarana hevi-dalina izy — ny Teniny ara-tsindrimandry. (Salamo 32:8, NW; 111:10, NW ). Mahasoa indrindra amin’io lafiny io ny bokin’ny Mpitoriteny. Nomen’Andriamanitra tsindrimandry ilay mpanoratra azy io, hany ka “ny fahendren’i Solomona [dia] nihoatra noho ny fahendren’ny zanaky ny atsinanana rehetra”. (1 Mpanjaka 3:6-12; 5:10-14). Nanaitra aoka izany ny sain’ny mpanjaka iray nitsidika “ny fahendren’i Solomona”, hany ka nilaza izy fa tsy voalaza ny antsasak’izany, ary ho sambatra tokoa ireo nihaino ny fahendreny.a (1 Mpanjaka 10:4-8). Isika koa dia afaka mahazo fahatakarana hevi-dalina sy fahasambarana avy amin’ilay fahendrena araka an’Andriamanitra nomen’ny Mpamorona antsika tamin’ny alalan’i Solomona.
7. a) Inona no fanatsoahan-kevitr’i Solomona momba ny ankamaroan’ireo asa atao atỳ ambanin’ny lanitra? b) Ohatra inona no manazava ilay fanombanan-javatra araka ny zava-misy nataon’i Solomona?
7 Manome taratry ny fahendrena nomen’Andriamanitra izay nisy heriny teo amin’ny fo sy ny sain’i Solomona ny bokin’ny Mpitoriteny. Noho izy nanana ny fotoana sy ny harena ary ny fahaiza-mahatakatra hevi-dalina mba hanaovana izany, dia nandinika “ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ny lanitra” i Solomona. Hitany fa ny ankamaroan’ireny dia “zava-poana sy misambo-drivotra foana”, ka izany dia fomba fanombanan-javatra ara-tsindrimandry izay tokony hotadidintsika rehefa mieritreritra ny amin’ny zava-kendrentsika eo amin’ny fiainana isika. (Mpitoriteny 1:13, 14, 16). Nitsotra sady nijery ny zava-misy i Solomona. Eritrereto, ohatra, ireo teniny hita ao amin’ny Mpitoriteny 1:15, 18. Fantatrao fa nandritra ireo taonjato ny olona dia nanandrana endri-pitondram-panjakana maro samihafa, izay indraindray dia nanandrana tamim-pahatsorana nandamina zava-manahirana sy nanatsara fari-piainan’olona. Nisy ve anefa tena nanitsy tokoa ireo “meloka” rehetra amin’itỳ fandehan-javatra tsy tonga lafatra itỳ? Ary mety ho efa hitanao fa arakaraka ny habetsahan’ny fahalalana ananan’ny olona iray, no maha-mailaka azy kokoa hahatakatra fa, ao anatin’ny androm-piainana fohy, dia tsy azo atao ny manitsy zavatra amin’ny fomba feno. Izany fahatakaran-javatra izany dia mitondra fahakiviana ho an’ny maro, kanefa tsy voatery ho toy izany ny amintsika.
8. Tsingerina inona avy no efa nisy hatramin’ny ela?
8 Hevitra hafa iray tokony hodinihina ireo tsingerina miverimberina izay misy akony eo amintsika, toy ny fiposahana sy ny filentehan’ny masoandro na ny fandehan’ny rivotra sy ny rano. Nisy izy ireny tamin’ny andron’i Mosesy, i Solomona sy i Napoléon ary tamin’ny andron’ny dadan’ny dadabentsika. Ary mitohy izy ireny. Toy izany koa fa “lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray”. (Mpitoriteny 1:4-7). Raha araka ny fijerin’olombelona, dia tsy nisy niova firy. Ny olona fahiny sy ankehitriny dia nanana asa sy fanantenana sy fanirian-daza ary zava-bita nitovy. Na dia nisy aza olona sasany teo amin’ny olombelona, nahazo laza niavaka na nisongadina teo amin’ny hatsaran-tarehy na teo amin’ny fahaizana, aiza izao izany olona izany? Efa maty, ary azo inoana fa hadino. Tsy fomba fijery manjombona akory izany. Ny ankamaroan’ny olona dia tsy afaka milaza akory ny anaran’ny ray aman-drenin’ny raibe sy renibeny na milaza ny toerana nahaterahan’ireo sy nandevenana azy ireo. Azonao ny antony nahatonga an’i Solomona hahita araka ny zava-misy fa zava-poana ny fanaovan-javatra sy ezaka ataon’olombelona. — Mpitoriteny 1:9-11.
9. Nahoana no mety hanampy antsika ny fahatakarana araka ny zava-misy ny toe-javatra misy ny olombelona?
9 Tsy mahakivy antsika akory io fahatakarana hevi-dalina araka an’Andriamanitra mahakasika ny toe-javatra fototra misy ny olombelona io. Afaka ny hisy heriny mahasoa kosa aza izy io, manosika antsika mba hanalavitra ny fanomezana vidiny sandoka an’ireo zava-kendrena na fikatsahan-javatra izay madiva ho lasa sy hohadinoina. Izy io dia tokony hanampy antsika hanombana izay azontsika avy amin’ny fiainana sy izay ezahintsika hotontosaina. Indro misy ohatra manazava izany: Isika dia tsy mampihafy tena be, fa afaka mahita fifaliana kosa amin’ny fihinanana sy fisotroana voalanjalanja. (Mpitoriteny 2:24). Ary, araka ny ho hitantsika, dia nanatsoaka hevitra tena manorina sy mijery lafy tsaran-javatra, i Solomona. Raha fintinina izy io dia hoe, tokony hankasitrahantsika lalina ny fifandraisantsika amin’ny Mpamorona antsika izay afaka manampy antsika hanana hoavy sambatra sy misy zava-kendrena mandrakizay. Nanamafy toy izao i Solomona: “Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” — Mpitoriteny 12:13.
Zava-kendrena, rehefa heverina amin’ireo tsingerina eo amin’ny fiainana
10. Tamin’ny fomba ahoana no nampitahan’i Solomona ny olona sy ny biby?
10 Ilay fahendrena araka an’Andriamanitra hita taratra ao amin’ny Mpitoriteny dia afaka manampy antsika bebe kokoa eo amin’ny fandinihana ny zava-kendrentsika eo amin’ny fiainana. Amin’ny fomba ahoana? Izany dia noho i Solomona nijery ny zava-misy rehefa nifantoka tamina fahamarinana hafa izay mety ho mahalana vao eritreretintsika. Ny iray amin’izany dia mahatafiditra fitoviana eo amin’ny olona sy ny biby. Nampitovy ireo mpanara-dia azy tamin’ny ondry i Jesosy, kanefa amin’ny ankapobeny ny olona dia tsy tia ny ampitahaina amin’ny biby. (Jaona 10:11-16). Na dia izany aza, dia nampipoitra zava-misy tsy azo lavina sasany i Solomona: “Mba hizahan’Andriamanitra toetra [ny zanak’olombelona], ka ho hitany fa raha ny tenany ihany, dia biby izy. Fa zavatra sendrasendra foana ny zanak’olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny biby, — mitovy ihany ny mihatra amin’izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa; (...) ary tsy misy ihoaran’ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra. (...) Avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray izy rehetra.” — Mpitoriteny 3:18-20.
11. a) Ahoana no azo ilazalazana ny tsingerim-piainana mahazatra eo amin’ny biby iray? b) Ahoana no hevitrao momba izany famakafakana izany?
11 Eritrereto ny amin’ny biby iray izay ankafizinao ny mijery azy, angamba hyraka na bitro iray. (Deoteronomia 14:7; Salamo 104:18; Ohabolana 30:26). Na afaka maka sary an-tsaina écureuil iray ianao; misy karazany 300 mahery maneran-tany. Inona no tsingerim-piainany? Aorian’ny ahaterahany, dia ampinonoin-dreniny mandritra ny herinandro vitsivitsy izy. Tsy ela dia misy volony izy ary afaka misetra loza any ivelany. Mety hahita azy mitsoriaka etsy sy eroa, mianatra mitady sakafo, ianao. Kanefa matetika dia toa filalaovana fotsiny ilay izy, fankafizana ny fahatanorany. Rehefa avy nitombo nandritra ny herintaona eo ho eo izy, dia mitady vady. Avy eo izy dia tsy maintsy manorina akany na lavaka ary mikarakara zanaka. Raha mahita voarohy sy noix ary voan-javamaniry ampy izy, dia mety hihamaro ilay fianakaviana écureuil ka hanam-potoana anitarana ny tranony. Kanefa, ao anatin’ny taona vitsivitsy monja, dia manjary antitra sy mora voan’ny loza sy ny aretina ilay biby. Tokony ho eo amin’ny fahafolo taonany, dia maty izy. Izany no tsingerim-piainan’ny écureuil, na dia misy tsy fitoviana kely aza eo amin’ireo karazany samihafa.
12. a) Raha jerena amin’ny zava-misy, nahoana ny tsingerim-piainan’ny olona maro no mitovy amin’ny an’ny biby antonontonony? b) Inona no azontsika eritreretina, amin’ny manaraka, rehefa mahita ilay biby izay tao an-tsaintsika isika?
12 Ny ankamaroan’ny olona dia tsy hanohitra io tsingerina io ho an’ny biby iray, ary tsy antenain’izy ireo velively ny hananan’ny écureuil iray zava-kendrena nosainina eo amin’ny fiainana. Tsy mifankaiza firy amin’izany anefa ny fiainan’ny olona maro, sa tsy izany? Teraka izy ireo, ary karakaraina raha mbola zazakely. Mihinana izy ireo, mitombo, ary milalao raha mbola tanora. Tsy ela dia olon-dehibe izy ireo, mahita vady, ary mitady toerana hipetrahana sy fomba hahazoan-tsakafo. Raha mahomby izy ireo, dia mety hihamaro ka hanitatra ny tranony (akaniny), mba hitaizana zanaka ao. Mandalo haingana anefa ireo taona am-polony maro, ary dia mihantitra izy ireo. Mety ho faty izy ireo rehefa afaka 70 na 80 taona, raha tsy alohan’izay aza, dia taona feno “fahasasarana sy zava-poana”. (Salamo 90:9, 10, 12). Azonao eritreretina ireo zava-misy mampisaintsaina ireo amin’ny manaraka, rehefa mahita écureuil (na biby hafa iray tao an-tsainao) ianao.
13. Fiafarana inona no hita fa marina ho an’ny biby sy ny olombelona?
13 Hitanao ny antony nampitahan’i Solomona ny fiainan’ny olona tamin’ny an’ny biby. Nanoratra toy izao izy: “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, (...) ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana”. Ho an’ny olona sy ny biby, dia mitovy io zavatra mety hitranga farany io, dia ny fahafatesana; “toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa”. Nanampy teny toy izao izy: “Avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray izy rehetra.” — Mpitoriteny 3:1, 2, 19, 20.
14. Ahoana no anandraman’ny olona sasany hanova ilay tsingerim-piainana mahazatra, kanefa inona no vokany?
14 Tsy voatery hihevitra io fanombanan-javatra araka ny zava-misy io ho mahakivy isika. Marina fa misy manandrana manova ny toe-javatra, amin’ny fanaovana asa fanampiny mba hanatsarana ny toe-piainany ara-nofo hihoatra ny an’ireo ray aman-dreniny. Mety hanohy fianarana an-taonany maro kokoa izy ireo mba hiantohana fari-piainana ambony kokoa, sady hiezaka hanitatra ny fahatakarany ny hevitry ny fiainana. Na mety hifantoka amin’ny fampiasan-tena na amin’ny fitandremana ara-tsakafo izy ireo mba hahazoana fahasalamana tsara kokoa sy fiainana somary lavalava kokoa. Ary mety hitondra soa sasany ireny ezaka ireny. Kanefa iza no afaka mahazo antoka fa hahomby ireny ezaka ireny? Na dia hahomby aza izy ireny, haharitra hafiriana?
15. Fanombanana feno fahatsorana inona no marim-pototra raha ny amin’ny fiainan’ny ankamaroan’olona?
15 Nanontany toy izao i Solomona: “Fa maro ny zavatra mahabe ny zava-poana, koa inona no soa azon’ny olona? Fa iza no mahalala izay mahasoa ny olona amin’izao fiainana izao, dia ny andro vitsy mandalo foana izay lanìny toy ny fihelin’ny aloka? Fa iza no hahalaza amin’ny olona izay zavatra ho avy any aoriany”? (Mpitoriteny 6:11, 12). Koa satria vetivety ihany dia faranan’ny fahafatesana ny ezaka ataon’ny olona iray, moa ve tena misy tombony be tokoa ny fikelezana aina mba hahazoana zavatra ara-nofo bebe kokoa, na ny fanohizana fianarana an-taonany maro mba hahazoana fananana maro kokoa indrindra indrindra? Ary satria fohy tokoa ny fiainana, miserana toy ny aloka, dia maro no mahatakatra fa, rehefa mahatsapa izy ireo hoe tsy nahomby, dia tsy misy fotoana tavela mba hiezahana hanatratrarana indray ny tanjon’olombelona hafa iray; ary tsy afaka mahazo antoka ny amin’izay hitranga amin’ireo zanany “any aoriany” koa ny olona iray.
Fotoana ahazoana laza tsara
16. a) Zavatra inona izay tsy hain’ny biby no tokony hataontsika? b) Fahamarinana hafa inona no tokony hisy heriny eo amin’ny fisainantsika?
16 Tsy sahala amin’ny biby isika olombelona fa manana fahaizana misaintsaina hoe: ‘Inona no dikan’ny fisiako? Tsingerina raikitra iray fotsiny ve izy io, misy fotoana ahaterahana sy fotoana ahafatesana?’ Amin’io lafiny io, dia tsarovy ilay fahamarinana ao amin’ny tenin’i Solomona momba ny olona sy ny biby: “Hiverina ho amin’ny vovoka indray izy rehetra.” Midika ve izany fa mamarana tanteraka ny fisian’ny tena ny fahafatesana? Asehon’ny Baiboly fa ny olombelona dia tsy manana fanahy (âme) izay tsy miara-maty amin’ny vatana. Ny olombelona dia fanahy (âme), ary ny fanahy izay manota dia maty. (Ezekiela 18:4, 20). Namelabelatra toy izao i Solomona: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy. Izay rehetra azon’ny tànanao atao dia ataovy amin’ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.” — Mpitoriteny 9:5, 10.
17. Tokony hahatonga antsika hisaintsaina ny amin’inona ny Mpitoriteny 7:1, 2?
17 Noho io zava-misy tsy azo ialana io, dia diniho itỳ filazana itỳ: “Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana. Tsara ny mankamin’ny trano misy fisaonana noho ny mankamin’ny trano misy fanasana; fa ho amin’iny no hiafaran’ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany.” (Mpitoriteny 7:1, 2). Tsy maintsy manaiky isika fa ny fahafatesana no “hiafaran’ny olombelona rehetra”. Tsy nisy olona afaka nisotro ody faty na inona na inona, na nihinana fitambarana vitamina na inona na inona, na nanaraka fitandreman-tsakafo na inona na inona, na nanao fampiasan-tena na inona na inona, izay nitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Ary mazàna dia “hadino ny fahatsiarovana azy”, tsy ela aorian’ny hahafatesany. Koa nahoana ny laza soa no ‘tsara noho ny menaka manitra, ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana’?
18. Nahoana isika no afaka matoky fa nino ny fitsanganan’ny maty i Solomona?
18 Araka ny nomarihina, dia nijery ny zava-misy i Solomona. Fantany ny amin’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba razambeny, izay azo antoka fa nanao izay hahazoana laza tsara teo anatrehan’ny Mpamorona antsika. Noho i Jehovah Andriamanitra nahafantatra tsara an’i Abrahama, dia nampanantena izy fa hitahy azy sy ny taranany. (Genesisy 18:18, 19; 22:17). Eny, nanana laza tsara teo anatrehan’Andriamanitra i Abrahama, ka tonga sakaizany. (2 Tantara 20:7; Isaia 41:8; Jakoba 2:23). Fantatr’i Abrahama fa ny fiainany sy ny fiainan-janany dia tsy anisan’ny tsingerina iray tsy mety tapitra izay misy fahaterahana sy fahafatesana fotsiny. Tsy isalasalana tanteraka fa misy zavatra lehibe kokoa noho izany. Izy ireo dia nanana ilay fanantenana azo antoka ny hiaina indray, tsy noho izy nanana fanahy tsy mety maty akory, fa noho izy ireo hatsangana amin’ny maty. Niaiky mafy i Abrahama fa “Andriamanitra dia mahay manangana [an’i Isaka amin’]ny maty aza”. — Hebreo 11:17-19.
19. Fahatakarana hevi-dalina inona no azontsika avy amin’i Joba, mahakasika ny dikan’ny Mpitoriteny 7:1?
19 Izany dia fanazavana iray mahatonga hahatakatra ny maha-“tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana”. Sahala amin’i Joba izay talohany, i Solomona dia niaiky mafy fa Ilay namorona ny ain’olombelona dia afaka mamerina azy io indray. Azony averina ho amin’ny fiainana indray ireo olona efa nody mandry. (Joba 14:7-14). Hoy i Joba nahatoky: “Hiantso hianao [Jehovah] amin’izay, ary izaho kosa hamaly anao; ary mba hanina ny asan’ny tànanao hianao.” (Joba 14:15, Kat.). Eritrereto ange izany e! ‘Manina’ an’ireo mpanompony mahatoky izay efa nody mandry ny Mpamorona antsika. (“Haniry hahita ny asan’ny tananao indray mandeha indray, ianao.” — The Jerusalem Bible.) Afaka manangana olona amin’ny maty ny Mpamorona amin’ny fampiharana ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. (Jaona 3:16; Asan’ny Apostoly 24:15). Mazava fa ny olombelona dia afaka ny tsy hitovy amin’ny biby tsotra fotsiny, izay maty.
20. a) Rahoviana ny andro ahafatesana no tsara kokoa noho ny andro ahaterahana? b) Tsy maintsy nisy akony nanao ahoana teo amin’ny maro ny fitsanganan’i Lazarosy tamin’ny maty?
20 Midika izany fa mety ho tsara kokoa noho ny andro nahaterahan’ny tena ny andro ahafatesana, raha toa ny tena amin’izay ka efa nahorina laza tsara eo anatrehan’i Jehovah izay afaka manangana ireo olo-mahatoky efa maty. Nanaporofo izany ilay Solomona Lehibe, i Jesosy Kristy. Ohatra, natsangany ho amin’ny fiainana indray i Lazarosy, lehilahy nahatoky. (Lioka 11:31; Jaona 11:1-44). Araka ny azonao alaina sary an-tsaina, dia nisy akony lehibe tamin’ny maro izay vavolombelon’ny fiverenan’i Lazarosy ho amin’ny fiainana indray izany ka nino ny Zanak’Andriamanitra izy ireo. (Jaona 11:45). Heverinao ve fa izy ireo dia nahatsiaro ny tenany ho tsy nanan-java-kendrena teo amin’ny fiainana, tsy nahafantatra na inona na inona momba ny hoe iza izy ireo ary inona no niandry azy amin’ny hoavy? Mifanohitra amin’izany, fa afaka nahita izy ireo hoe ny tenany dia tsy voatery ho biby tsotra fotsiny izay teraka sy miaina mandritra ny fotoana kelikely, ary avy eo dia maty. Ny zava-nokendren’izy ireo teo amin’ny fiainana dia nifamatotra mivantana sy akaiky tamin’ny fahafantarana ny Rain’i Jesosy sy ny fanaovana ny sitrapony. Ahoana ny aminao? Moa ve itỳ dinidinika itỳ nanampy anao hahita, na hahita mazava kokoa hoe amin’ny ahoana ny fiainanao no afaka ary tokony hanana tena zava-kendrena?
21. Lafiny inona eo amin’ny fahitana heviny amin’ny fiainantsika no mbola irintsika hodinihina?
21 Kanefa ny fananana zava-kendrena marina sy misy heviny eo amin’ny fiainana dia midika ho zavatra betsaka lavitra noho ny fieritreretana ny amin’ny fahafatesana sy ny fiainana indray aorian’izay. Tafiditra amin’izany izay ataontsika amin’ny fiainantsika isan’andro. Nataon’i Solomona mazava koa izany ao amin’ny bokin’ny Mpitoriteny, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Ilay fitantarana momba ny Mpanjakavavin’i Sheba dia manantitrantitra ny amin’ny fahendren’i Solomona, ary matetika ilay tantara no nantsoina hoe angano (1 Mpanj. 10:1-13). Asehon’ny teny manodidina anefa fa ilay fitsidihany an’i Solomona dia tena nifandray tamin’ny varotra, ka noho izany dia mora takatry ny saina; tsy ilaina hisalasalana ny maha-ara-tantara azy io.” — The International Standard Bible Encyclopedia (1988), Boky faha-IV, pejy faha-567.
Tsaroanao Ve?
◻ Amin’ny fomba inona avy no itovian’ny biby sy ny olona?
◻ Nahoana ny fahafatesana no manamafy fa zava-poana ny maro amin’ny ezaka sy asan’olombelona?
◻ Ahoana no hahafahan’ny ny andro ahafatesana ho tsara kokoa noho ny andro ahaterahana?
◻ Miankina amin’ny fifandraisana inona ny fananantsika zava-kendrena misy heviny eo amin’ny fiainana?
[Sary, pejy 10]
Ahoana no maha-samy hafa be ny fiainanao amin’ny an’ny biby?