Manontany ny Tanora Hoe...
Ahoana raha mahantra ny fianakaviako?
TSY mamelona fahatsiarovana mahafaly ao an-tsain’i George ny tanàna feno trano bongo ao Afrika Atsimo izay nahalehibe azy. “Karazana trano antsoina hoe mukhukhu — trano bongo vita amin’ny vy fotsy ary misy efitra roa no nipetrahanay”, hoy izy mampahatsiahy. Ny iray tamin’ireo efitrano no nisy azy sy ireo rahalahy sy anabaviny valo. Nandritra ny ririnina dia niaritra tamin-kerim-po ny rivotra mangatsiaka izy mba handehanana hantsaka any amin’ny ilay hany raobinen-drano nampiasain’ny mpiara-monina rehetra. “Kanefa ny tena halako indrindra tamin’ny naha-tao anatin’ny fahantrana ahy”, hoy i George, “dia ny nahitako an-draiko nisikim-ponitra mba hahafahanay ho velona fotsiny. Sorena aho satria toa tsy nisy vahaolana ny amin’izany.”
Anisan’ny fiainana ny fahasahiranana ara-toekarena any amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana. Ary na dia ireo tany tandrefana manankarena aza dia manana mponina mahantra, mahagaga ny habetsahany. Angamba anisan’ireny ianao. Toa an’i George dia mety hahatsapa ho voafandrika ao anatin’ny fahantrana mihitsy ianao. Na dia takatra aza ny fananana fihetseham-po toy izany, izy io koa dia mety hanosika anao hanao zavatra hahatonga ny zava-manahirana ateraky ny fahantrana havesatra kokoa fa tsy ho maivana.
Ny fandosirana amin’ny fandrika
Misy tanora mahantra, mampanahy ny isany, manandrana mandositra ny fanaintainan’ny fahantrana amin’ny fanadontoana ny sainy amin’ny alikaola na ny zava-mahadomelina. Araka ny fikarohana nataon’i Jill Swart, ireo ankizy mpirenireny ao amin’ny tànan-dehibe afrikana tatsimo iray “dia mitroka setroka dity, ‘tsy hoe mba hahatsapana fahataitairana’ fotsiny. Manao toy izany izy mba tsy handrenesana ny hatsiaka, mba hanadinoana ny fahatsiarovan-tena ho manirery ary ny hanoanana.”
Kanefa inona no tsapan’ireny tanora ireny rehefa mody ny sainy ary tapitra ny dia nofinofy nataony? Nahamarika soritr’aretina toy ny “fahaketrahana mafy”, “toetra tia ady”, “fiovaovana haingana eo amin’ny toe-po”, “fahitana simba”, ary fikorontanana ara-batana maro hafa izay tsy azo lazaina velively ho “fandosirana” mahasoa amin’ny fahantrana, i Jill Swart.
Hoy i Solomona Mpanjaka hendry: “Fa halahelo izay mpiboboka (...); ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.” (Ohabolana 23:21). Ny fanandramana mandositra ny zava-misy entin’ny fahantrana amin’ny fanovana ny toetry ny sain’ny tena amin’ny alikaola,na ny dity, na ny zava-mahadomelina dia tsy hahatonga ny zava-manahirana hanjavona akory. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 31:7). Toy izao ny fanamarihana nataon’i Maria, zazavavy 16 taona, anisan’ny fianakaviana mahantra iray atsy Afrika Atsimo, tsy misy afa-tsy ray na reny ihany: “Ny fanandramana mandositra ny zava-misy dia miteraka zava-manahirana maro kokoa fa tsy mandamina izany.” Ankoatra izany, ny halafosan’ny vidin’ny fitanana fahazaran-dratsy manimba toy izany dia mandentika ny olona lalina kokoa ao anatin’ny fahantrana. Rehefa miatrika marina tokoa ny tarehin-javatra misy azy ihany ny tanora mahantra iray vao afaka manantena ny ho tafavoaka avy amin’izany.
Fahatezerana sy fahakiviana
Tezitra noho izy ireo tafahitsoka ao anatin’ny tontolo manodidina iray mahantra ny tanora maro ka maneho ny firehetan’ny fahatezerany amin’ny alalan’ny herisetra, ny fanimbanimban-javatra tsy misy antony, ny halatra ary ny endrika hafa isehoan’ny ditran’ny tanora. Milaza ny The World Book Encyclopedia fa ny tanora toy ireny dia mahita izany ho toy ny “hany fomba handosirana ny fahasorisorena, ny fahantrana ary ny zava-manahirana hafa.” I George, izay noresahina tetsy aloha kokoa, dia mahatsiaro fa tonga tezitra sy kivy ny sasany tamin’ireo namany ka niaraka tamin’ny andian-jiolahy izay nampihorohoro ny manodidina. Nampiany fa “niady sy nangalatra indrindra ireny mba hivelomana.” Kanefa nisy tanora hafa nanandrana nandresy ny fahantrana tamin’ny fetezana ho voarohirohy tamin’ny raharaha hahazoam-bola be tsy ara-dalàna, toy ny fivarotana an-tsokosoko zava-mahadomelina.
Tsy manamaivana velively ny fahantrana anefa akory ny fanehoana ditra, vao mainka kosa aza manaratsy zavatra izany. Ny ezaka izay ho azo natokana ho amin’ny raharaha mahavoka-tsoa — toy ny fianarana manao zavatra mahasoa na ny fianarana asa — dia very maina. Tsy manatsara ny tarehin-javatra misy azy ny tanora maniasia fa mahatonga fahasimbana ara-batana sy ara-pihetseham-po amboniny fotsiny ho an’ny tenany. Miafara any am-ponja ny tanora sasany — na mamoy ny ainy vokatry ny herisetra. Toy izao ny fampitandreman’i Solomona Mpanjaka: “Fahalahelovana sy henatra no ho an’izay mandà famaizana”. — Ohabolana 13:18.
Tsy afa-manoatra ary tsy manana fanantenana
Ny vokatra manimba indrindra mety hateraky ny fahantrana eo amin’ny tanora angamba dia ny fahatsapan-tena mandritra ny fotoana maharitra ho tsinontsinona sy ambany. Ho an’ny maro, ny fahantrana lalina eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana dia nampanjavona izay rehetra mety ho fanantenana hanatsara ny fari-piainany. Manazava ny The World Book Encyclopedia fa matetika ny tanora no “tonga amin’ny fahatsapan-tena ho tsy afa-manoatra sy tsy manana fanantenana mitovy amin’izay nitombo tao amin’ireo ray aman-dreniny.” Amin’ny farany dia mety hiorina ny “kolontsain’ny fahantrana” ka izay voan’izany dia manaiky tsy satry ny fahantrana mandritra ny androm-piainany.
Kanefa, moa ve manatsara ny tarehin-javatra misy anao ny fanekena ho resin’ny fahatsapan-tena ho tsy afa-manoatra sy tsy manana fanantenana? Tsia! Mifanohitra amin’izany kosa fa, ny fanaovana toy izany dia azo antoka hampaharitra tsotra izao ny fihodinkodinana tsy misy farany eo amin’ny fahantrana. Toy izao no nilazan’ny ohabolana tranainy iray izany: “Izay fatra-pihevitra ny rivotra tsy hamafy, ary izay manahy ny rahona tsy hijinja.” (Mpitoriteny 11:4). Raha toa ny mpamboly iray tsy mampifantoka ny sainy afa-tsy amin’izay mety hitranga tsy manorina — ny rivotra izay mety hipaoka ny voa na ny orana mety hanamando ny vokatra — dia tsy ho tonga amin’ny fanaovan-javatra ilaina izy. Toy izany koa, raha tsy mampifantoka ny sainao afa-tsy amin’ny fihetseham-po tsy manorina ianao, dia hahatsinontsinona ny fiezahanao hihatsara .
Nanome ity torohevitra amboniny ity i Solomona Mpanjaka: “Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tànanao; fa tsy fantatrao izay ho vanona”. (Mpitoriteny 11:6). Eny, toy izay ho voagejan’ ny tahotra sao tsy hahomby na ny fahatsapana fa mahakivy ny zava-drehetra, dia manaova zavatra! Misy zavatra azonao atao hanampiana anao hanolo tsikelikely ireo fihetseham-po tsy manorina amin’ny fihetseham-po manorina.
Aoreno ny haja amin’ny maha-olona anao
Hevero ny amin’i James 11 taona. Monina ao amin’ny toby iray misy kitranotrano naorina eny amin’ny tanim-panjakana ao Johannesburg, Afrika Atsimo, miaraka amin’ny reniny sy ny anabaviny izy. Eo amin’ny ara-nofo dia saika tsy manana na inona na inona ry zareo. Isaky ny faran’ny herinandro, dia manolotra maimaimpoana ny fanampiany ho amin’ny fanorenana ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana i James. Tsy vitan’ny hoe mahafaka andro azy fotsiny izany fa manome azy fahatsapana ho mahavita zavatra koa. Hoy i James amim-pitsikiana fatratra: “Aorian’ny andro iasana ao amin’ny fanorenana efitrano dia manana fahatsapana fahafaham-po lalina anaty aho!” Na dia mahantra aza ity tanora ity, dia manana harena sarobidy kosa izy: ny fotoana sy ny tanjaka.
Ny raharaha mahavoka-tsoa hafa iray koa dia ny asa fampianarana Baiboly isan-trano. (Matio 24:14). Tanora Vavolombelon’i Jehovah maro no mandray anjara tsy tapaka amin’izany asa izany. Amin’ny fanaovana toy izany, izy ireo dia tsy hoe manome fanantenana fiainana tsaratsara kokoa amin’ny hoavy ho an’ny hafa fotsiny, fa mampitombo koa ny fahatsapany ny haja amin’ny maha-olona azy, ny fahatsapany fa misy vidiny ary mendrika izy. Marina fa tsy ahazoam-bola ny fanaovana izany asa izany. Kanefa tadidio ny hafatra nomen’i Jesosy an’ireo Kristiana tao amin’ny kongregasionan’i Sardisy fahiny. Tena nahantra ara-nofo izy ireo, kanefa noho ny ara-panahiny lalim-paka dia afaka niteny taminy toy izao i Jesosy: “Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena hianao)”. Tamin’ny farany, noho izy ireo naneho finoana velona ny ra nalatsak’i Jesosy dia tonga nanankarena fatratra tamin’ny nandraisany ny satroboninahitry ny fiainana mandrakizay izy. — Apokalypsy 2:9, 10.
Tsy mora akory izany mitombo ao anatin’ny fahantrana izany. Kanefa, tsy misy antony tokony hahamenatra na hahatsapana ho tsy afa-manoatra na tsy manana fanantenana noho ny tarehin-javatra misy anao. Misy ny fahantrana satria ‘nanapaka ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy’. (Mpitoriteny 8:9). Miharihary fa tsy ho ela Andriamanitra dia handray an-tanana ny fitondrana ny raharahan’ny tany ary hanafoana ny fahantrana sy ny vokany manimba. (Salamo 37:9-11). Ny Zanany, i Kristy Jesosy, dia hampiditra olona an’arivo tapitrisany maro ao amin’ny Paradisa an-tany, araka ny nampanantenainy an’ilay jiolahy ory izay naneho finoana azy rehefa nadiva ho faty teo amin’ny hazo fijaliana izy ireo. (Lioka 23:43, NW). Mandra-pahatongan’izany anefa dia misy zavatra betsaka azonao atao amin’ny fomba azo ampiharina mba hiatrehana ny fahantrana. Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny amin’izany.
[Efajoro, pejy 14]
“Nahatsapa ho voan’ny fandriky ny fahantrana aho”
I George dia tanora afrikana iray izay naniry tamin’ny fony manontolo hanohy ny fianarany mba hamitana ny fanabeazana fototra. Nanjohy hevitra izy fa amin’ny fanaovana toy izany no nety hahitany asa hahazoam-bola tsara izay hamoaka azy sy ny fianakaviany avy ao amin’ny fahantrana. Tsy toy izany anefa ny fitrangan-javatra. Latsaka tao anatin’ny fahasahiranana ara-bola nampamoifo ny fianakaviany raha vao enin-taona monja no nianaran’i George, hany ka nahatsiaro ho voatery hiala tamin’ny fianarana izy mba hitady asa. Tamin’ny farany dia nahita asan’ny mpametraka tavoahangy tao anaty kesika makarakara tao amin’ny orinasa fanamboarana zava-pisotro iray izy, ary tamin’izany dia tsy nandray afa-tsy 14 rands (9 000 FMG eo ho eo) isan-kerinandro. Lany tamin’ny fikarakarana izay nilain’ny fianakaviany ny karamany manontolo.
“Na dia tsapako ho tafahitsoka tao anatin’ny fahantrana aza aho”, hoy i George, “dia fantatro tsara fa tsy hanampy velively ny fiarahana amin’ny andian-jiolahy na ny hangalarana mba hivelomana. Amin’izao fotoana izao dia maro amin’ireo mitovitovy taona amiko izay nanao ireo zavatra ireo no mpirenireny tsy manana fanantenana, na andevon’ny fisotroana sy ny zava-mahadomelina, na any am-ponja. Maty novonoin’olona aza ny sasany, vokatry ny fomba fiainany.”
Tamin’izay dia nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i George. “Ny iray tamin’ireo zavatra nomarihiko voalohany indrindra”, hoy i George, “dia izao: nanatona ahy sy niresaka tamim-panajana tamiko avokoa ny rehetra tany amin’ireo fivoriana kristiana.” Dia izao no nanampiny: “Nahazo tsikelikely ny fatokian-tena sy ny haja amin’ny maha-olona, izay tsy nananako taloha aho.” Nahita fampiononana lehibe koa i George tao amin’ireo andinin-tenin’ny Baiboly toy ny Salamo 72:12, 13 izay milaza hoe: “Fa hamonjy ny mahantra mitaraina izy [ny Mpanjaka Mesianika] (...); hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo.” Ireo fampanantenana omen’ny Baiboly dia nameno azy tamin’ny fahalianana sy fanantenana vaovao indray eo amin’ny fiainana.
Raha mijery an’i George amin’izao fotoana izao ianao, dia tsy ho azonao vinavinaina velively ny ady nataony mba hanovana ny fahatsiarovan-tena ho tsy afa-manoatra sy tsy nanana fanantenana tao aminy hanjary ho fomba fijery manorina. Amin’izao fotoana izao izy dia lehilahy iray manambady, sambatra ary manompo amin’ny maha- mpiandraikitra prezidà ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray ao Soweto, Afrika Atsimo.
[Sary, pejy 13]
Tsara lavitra ny mampiasa ny fotoana sy ny tanjaka anananao mba hanaovana zavatra misy vidiny toy izay hanaiky fotsiny ny fahatsiarovan-tena ho tsy manana fanantenana