Manefa Ilay Hany Adidinao Amin’Andriamanitra ve Ianao?
“Ny atao rehetra dia ho entin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.” — MPITORITENY 12:14.
1. Fandaharana inona avy no nataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany?
MANOHANA an’ireo tsy mitsahatra ny mahatsiaro azy i Jehovah, amin’ny maha Mpamorona Lehibe azy. Manome azy ireo ny fahalalana ilaina mba hampifaliana an’Andriamanitra amin’ny fomba feno, ny Teniny ara-tsindrimandry. Mitarika azy ireo eo amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra sy eo amin’ny ‘famokarana ny asa tsara rehetra’ ny fanahiny masina. (Kolosiana 1:9, 10). Ankoatra izany, dia manome sakafo ara-panahy sy fitarihan-dalana teôkratika amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” i Jehovah. (Matio 24:45-47, NW ). Amin’ny lafiny maro àry, dia mahazo ny fitahian’ny lanitra ny vahoakan’Andriamanitra, eo am-panompoan’izy ireo an’i Jehovah sy eo am-panatanterahan’izy ireo ilay asa tena lehibe, dia ny fitoriana ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana. — Marka 13:10.
2. Fanontaniana inona avy no mety hipetraka, mahakasika ny fanompoana an’i Jehovah?
2 Finaritra ny Kristianina marina rehefa revo manolotra fanompoana masina ho an’i Jehovah. Na izany aza anefa, dia mety hanjary ho kivy ny sasany ka hihevitra fa tsy misy dikany ny ezaka ataony. Indraindray, ohatra, dia misy Kristianina vita fanoloran-tena mety hanontany tena raha mendrika hatao marina tokoa ireo ezaka ataony amim-pitandremana. Rehefa misaintsaina ny amin’ny fianaram-pianakaviana sy ny fanaovan-javatra hafa ny raim-pianakaviana iray, dia tena mety ho tonga ao an-tsainy ny fanontaniana toy izao: ‘Tena mahafaly an’i Jehovah ve ny ataonay? Manefa ilay hany adidinay amin’Andriamanitra ve izahay?’ Afaka manampy amin’ny famaliana fanontaniana toy izany ny teny feno fahendrena nataon’ilay mpitoriteny.
Zava-poana ve ny zava-drehetra?
3. Inona no fara tampon’ny zava-poana, araka ny Mpitoriteny 12:8?
3 Mety hisy hihevitra hoe tsy dia mampahery na iza na iza — na antitra izy na tanora — ny tenin’ilay lehilahy hendry. “Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!” (Mpitoriteny 12:8). Raha ny marina, dia tena fara tampon’ny zava-poana ny tsy firaharahana an’ilay Mpamorona Lehibe mandritra ny fahatanorana, sy ny fandrosoan’ny taona tsy misy fanompoana azy, ka ny fahanterana no mba hany azo arantiranty, ao anatin’ny fiainana lava iray. Zava-poana, na poaka aty, ny zava-drehetra, ho an’ny olona toy izany, na dia maty eo anivon’ny harena sy ny laza aza izy eto amin’ity tontolo ity, izay eo ambany fahefan’ilay ratsy, dia i Satana Devoly. — 1 Jaona 5:19.
4. Nahoana no azo lazaina fa tsy zava-poana avokoa akory ny zava-drehetra?
4 Tsy ny zava-drehetra no zava-poana ho an’ireo manangona harena any an-danitra, amin’ny maha mpanompo mahatokin’i Jehovah azy ireo. (Matio 6:19, 20). Manan-javatra be dia be hatao amin’ny asan’ny Tompo mitondra valisoa izy ireo, ary tsy very maina velively izany fikelezan’izy ireo aina izany. (1 Korintiana 15:58). Raha Kristianina vita fanoloran-tena anefa isika, moa ve isika somokotra hatrany amin’ilay asa nanendren’Andriamanitra amin’izao andro farany izao? (2 Timoty 3:1). Sa kosa isika nanjary nanana fomba fiaina izay misy fahasamihafana kely fotsiny amin’ny an’ny mpiara-belona amintsika amin’ny ankapobeny? Mety ho anisan’ny fivavahana maro samihafa izy ireny ary mety ho tena mpivavaka be, ka mankany am-piangonany tsy tapaka ary miezaka hanatanteraka izay takin’ilay endri-panompoam-pivavahany. Mazava ho azy fa tsy mpitory ny hafatra momba ilay Fanjakana izy ireny. Tsy ananan’izy ireny ilay fahalalana marina hoe efa “andro farany” izao, ary tsy mahatsapa fahadodonana mahakasika ny andro iainantsika izy ireny. — Daniela 12:4.
5. Inona no tokony hataontsika raha nanjary zavatra lehibe indrindra ahintsika ireo zava-panao mahazatra eo amin’ny fiainana?
5 Hoy i Jesosy Kristy, mahakasika izao fotoan-tsarotra iainantsika izao: “Tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ny Zanak’olona. Fa tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo-fiara, ary tsy fantany mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona.” (Matio 24:37-39). Raha atao amin’ny antonony, dia tsy misy maharatsy azy ny mihinana sy misotro, ary ny fanambadiana dia fandaharana iray izay Andriamanitra mihitsy no namorona azy. (Genesisy 2:20-24). Raha takatsika anefa fa nanjary zavatra lehibe indrindra ahintsika ireo zava-panao mahazatra eo amin’ny fiainana, nahoana raha atao antom-bavaka izany? I Jehovah dia afaka manampy antsika hihazona ny tombontsoan’ilay Fanjakana ho eo amin’ny toerana voalohany, sy hanao izay mahitsy, ary hanefa ny adidintsika aminy. — Matio 6:33; Romana 12:12; 2 Korintiana 13:7.
Ny fanoloran-tena sy ny adidintsika amin’Andriamanitra
6. Amin’ny lafiny lehibe inona ny olona vita batisa sasany no tsy manefa ny adidiny amin’Andriamanitra?
6 Mila mivavaka amim-pahatsorana ny Kristianina vita batisa sasany, satria tsy miaina mifanaraka amin’ireo adidiny hanompo, izay nekeny hatao tamin’ny fotoana nanolorany tena ho an’Andriamanitra. Isan-taona, dia mahery lavitra ny 300 000 no natao batisa, efa hatramin’ny taona maromaro izao. Tsy arakaraka izany anefa ny fitomboan’ny isan’ireo Vavolombelon’i Jehovah marisika, raha jerena amin’ny fitambarany. Nitsahatra tsy nitory ny vaovao tsara intsony ny sasany izay efa tonga mpitory ilay Fanjakana. Tsy maintsy mandray anjara amin’ny fanompoana kristianina ka tsy manao alasafay anefa ny olona iray, alohan’ny hanaovana batisa azy. Fantatr’izy ireny àry ilay asa nanirahan’i Jesosy ny mpanara-dia azy rehetra, manao hoe: “Mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. (Matio 28:19, 20). Tsy miaina mifanaraka amin’ilay hany adidiny eo anatrehan’ilay Mpamorona antsika Lehibe ny olona vita batisa izay tsy manompo intsony amin’ny maha Vavolombelona marisika ho an’Andriamanitra sy i Kristy, raha tsy hoe voafetra amin’ny fomba faran’izay manokana angaha ny mety ho vitany, noho ny fahasalamany, na noho ny anton-javatra hafa tsy ahafahany manoatra. — Isaia 43:10-12.
7. Nahoana isika no tokony hiara-mivory tsy tapaka ho amin’ny fanompoam-pivavahana?
7 Firenena vita fanoloran-tena ho an’Andriamanitra ny Isiraely fahiny, ary nanana adidy teo anatrehan’i Jehovah ny vahoakan’io firenena io teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna. Tokony hivory mandritra ireo andro firavoravoana telo fanao isan-taona, ohatra, ny lehilahy rehetra, ary “hofongorana” ny lehilahy izay minia tsy mitandrina ny Paska. (Nomery 9:13; Levitikosy 23:1-43; Deoteronomia 16:16). Tsy maintsy nivory ho amin’ny fanompoam-pivavahana ny Isiraelita mba hanefana ny adidiny amin’Andriamanitra, amin’ny maha vahoaka vita fanoloran-tena azy ireo. (Deoteronomia 31:10-13). Tsy misy milaza ao amin’ny Lalàna hoe: ‘Ataovy izao raha mety aminareo.’ Azo antoka fa vao mainka manome lanja ireto tenin’i Paoly ireto izany, ho an’ireo efa nanolo-tena ho an’i Jehovah: “Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” (Hebreo 10:24, 25). Eny, ny fiaraha-mivory tsy tapaka amin’ireo mpiray finoana dia anisan’ny adidin’ny Kristianina vita fanoloran-tena, ary adidiny amin’Andriamanitra.
Diniho amim-pitandremana ny fanapahan-kevitrao!
8. Nahoana no tokony hieritreritra amim-bavaka ny fanompoana masina ataony ny tanora vita fanoloran-tena?
8 Tanora vita fanoloran-tena ho an’i Jehovah angamba ianao. Tondraka ny fitahiana ho azonao raha mametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainanao ianao. (Ohabolana 10:22). Raha mivavaka sy manao fandaharana mialoha amim-pitandremana ianao, dia ho azonao atokana hanaovana ny endriny iray amin’ny fanompoana manontolo andro angamba ireo taona mbola maha tanora kokoa anao, fara faharatsiny. Fomba iray tsara dia tsara hanehoanao ny fahatsiarovanao an’ilay Mpamorona anao Lehibe izany. Raha tsy izany mantsy, dia mety hanomboka hitana ny ankabeazan’ny fotoananao sy ny sainao ny tombontsoa ara-nofo. Tahaka ny olona amin’ny ankapobeny, dia mety hanambady aloha be ianao eo amin’ny fiainanao, ary hidi-trosa mba hahazoana zavatra ara-nofo. Mety haka betsaka amin’ny fotoananao sy ny herinao ny asa ahazoam-bola be. Raha manan-janaka ianao, dia tsy maintsy hiantsoroka andraikitra ara-pianakaviana mandritra ny am-polony taona maro. (1 Timoty 5:8). Mety tsy hanadino an’ilay Mpamorona anao Lehibe ianao, nefa fahendrena ny hahatakarana fa ny fanaovanao fandaharana atỳ aloha, na ny tsy fanaovanao izany, dia mety hamaritra izay ho fiainanao rahatrizay olon-dehibe ianao. Amin’ny andro fahanterana, dia mety hitodika ny lasa ianao, ka hanao hoe: Tahaka izay mba ny fiandohan’ny fotoana naha olon-dehibe ahy, fara faharatsiny, no nolaniko tamin’ny fomba feno kokoa, nanolorana fanompoana masina ho an’ilay Mpamorona Lehibe! Nahoana raha saintsainina amim-bavaka dieny izao ny hoavinao mba hahitanao fahafaham-po amin’ny fanompoana masina ho an’i Jehovah, amin’ny andro fahatanoranao?
9. Inona no mety ho azon’ny olona iray atao, raha efa mandroso taona izy ary efa niantsoroka andraikitra mavesatra tao amin’ny kôngregasiôna taloha?
9 Diniho ny tarehin-javatra hafa iray, dia ny tarehin-javatra misy ny lehilahy iray, izay mpiandry ny “ondrin’Andriamanitra” taloha. (1 Petera 5:2, 3). Nisy antony nahatonga azy hanala tena tamin’izany tombontsoany izany. Marina fa mihantitra izy ankehitriny, ary mety ho sarotra kokoa aminy ny manohy manompo an’Andriamanitra. Mety ho tokony hiezaka handroso ho amin’ny tombontsoa teôkratika indray ve anefa izy? Toy inona moa ny fitahiana mety hoentin’ny lehilahy toy izany ho an’ny hafa raha afaka miantsoroka andraikitra bebe kokoa ao amin’ny kôngregasiôna izy! Ary satria tsy misy olona velona ho an’ny tenany ihany, dia ho faly ireo havana aman-tsakaiza raha afaka mampitombo ny fanompoany izy, ho voninahitr’Andriamanitra. (Romana 14:7, 8). Ambonin’ny zava-drehetra, dia tsy hanadino izay ataon’iza na iza amintsika eo amin’ny fanompoana azy i Jehovah. (Hebreo 6:10-12). Koa inona àry no afaka manampy antsika hahatsiaro an’ilay Mpamorona antsika Lehibe?
Fanampiana mba hahatsiarovana an’ilay Mpamorona antsika Lehibe
10. Nahoana ilay mpitoriteny no faran’izay tsara toerana hanome toro lalana mahakasika ny fahatsiarovana an’ilay Mpamorona antsika Lehibe?
10 Ilay mpitoriteny dia faran’izay tsara toerana hanome toro lalana antsika mba hahatsiarovantsika an’ilay Mpamorona antsika Lehibe. Namaly ireo vavaka nataony tamim-pahatsorana i Jehovah, tamin’ny nanomezany azy fahendrena niavaka. (1 Mpanjaka 3:6-12). Nandinika tamin’ny an-tsipiriany ny sahan’asan’olombelona manontolo i Solomona. Ankoatra izany, dia nomen’Andriamanitra tsindrimandry mba handrakitra an-tsoratra ny vokatry ny fandinihana nataony izy, mba hahasoa ny hafa. Izao no nosoratany: “Ary koa, satria hendry Mpitoriteny, dia nampianatra ny olona fahalalana izy; eny, nandinika sy nieritreritra ary nandahatra ohabolana maro izy. Mpitoriteny nitady hahita teny mahafinaritra; ary izay mahitsy no voasorany, dia tenin’ny fahamarinana.” — Mpitoriteny 12:9, 10.
11. Nahoana isika no tokony hanaiky ny torohevitra feno fahendrena nomen’i Solomona?
11 Izao no andikan’ny Septante grika an’ireo teny ireo: “Ary ankoatra izany, satria hendry ny mpitoriteny, satria nampianatra fahendrena ny olombelona izy; mba hahitan’ny sofina an’izay tsara tarehy avy amin’ny fanoharana, dia nanao fikarohana tamim-pahazotoana ny mpitoriteny mba hahitana teny mahafinaritra sy ny fomba fanoratra araka izay mahitsy, dia ny tenin’ny fahamarinana.” (The Septuagint Bible, nadikan’i Charles Thomson). Niezaka hanohina ny fon’ny mpamaky azy, tamin’ny teny mahafinaritra sy tamin’ny foto-kevitra tena mahaliana sy mendri-kodinihina, i Solomona. Koa satria vokatry ny tsindrimandrin’ny fanahy masina ireo teniny hita ao amin’ny Soratra Masina, dia afaka manaiky tsy amim-pisalasalana ny vokatry ny fandinihany sy ireo toroheviny feno fahendrena isika. — 2 Timoty 3:16, 17.
12. Lazao amin’ny fomba fiteninao manokana izay voalazan’i Solomona ao amin’ny Mpitoriteny 12:11, 12.
12 Na dia mbola tsy nisy aza ireo fomba fanaovam-pirinty maoderina, dia efa nisy boky be dia be tamin’ny andron’i Solomona. Ahoana no tokony hiheverana ny zavatra vita an-tsoratra toy izany? Hoy izy: “Ny tenin’ny hendry dia toy ny fanindronan-omby [ary] toy ny hombo voatsatoka [ireo manaram-po amin’ny fanangonana fehezanteny, NW ], — omen’ny mpiandry iray izy; ary he koa, anaka! minoa anatra hianao; fa tsy misy farany ny manao boky maro, ary manasatra ny tena ny fianarana be.” — Mpitoriteny 12:11, 12.
13. Amin’ny ahoana ny tenin’ireo manana ny fahendren’Andriamanitra no hita ho toy ny fanindronan’omby, ary iza no toy ny “hombo voatsatoka”?
13 Hita ho toy ny fanindronan’omby ny tenin’ireo manana ny fahendren’Andriamanitra. Ahoana izany? Ireny teny ireny dia mandrisika ny mpamaky na ny mpihaino hanao fandrosoana mifanaraka amin’ireo teny feno fahendrena vakina na re. Ankoatra izany, dia toy ny “hombo voatsatoka”, na mifantsika mafy ireo izay revo amin’ny “fanangonana fehezanteny”, na fitenenana tena feno fahendrena sy mendri-kodinihina. Mety ho izany no izy, satria manome taratry ny fahendren’i Jehovah ireo teny tsara dia tsara ataon’ny olona toy izany, ka azo ampiasaina mba hampiorenana tsara sy hanohanana ireo mpamaky na mpihaino. Raha ray na reny matahotra an’Andriamanitra ianao, moa ve ianao tsy tokony hanao izay ezaka rehetra azo atao mba handentehana izany fahendrena izany ao an-tsaina sy ao am-pon’ny zanakao? — Deoteronomia 6:4-9.
14. a) Karazam-boky inona no tsy mahasoa raha anaovana “fianarana be”? b) Zavatra vita an-tsoratra inona no tokony homentsika ny laharam-pahamehana ny fandinihana azy, ary nahoana?
14 Nahoana anefa i Solomona no nilaza ilay teniny momba ny boky? Raha ampitahaina amin’ny Tenin’i Jehovah, dia fisainan’olombelona fotsiny no raketin’ireo boky tsy misy farany ataon’ity tontolo ity. Manome taratry ny toe-tsain’i Satana Devoly ny ankabetsahan’io fisainana io. (2 Korintiana 4:4). Noho izany, ny “fianarana be” an’ireny boky tsy ara-pivavahana ireny dia tsy misy vokany maharitra firy. Raha ny marina, dia mety hanimba ara-panahy izy io raha atao betsaka. Tahaka an’i Solomona, dia aoka isika hisaintsaina izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ny fiainana. Hanatanjaka ny finoantsika sy hahatonga antsika ho akaiky kokoa an’i Jehovah izany. Mety hahatrotraka antsika ny fandinihana tafahoatra ny boky na ny loharanom-panazavana hafa. Tsy mahasoa sy mandrava ny finoana an’Andriamanitra sy ny finoana ny fikasany ireny asa soratra ireny, indrindra raha hoe vokatry ny fisainan’izao tontolo izao mifanohitra amin’ny fahendren’Andriamanitra. Koa aoka àry hotsaroantsika fa ny asa soratra mahasoa indrindra tamin’ny andron’i Solomona sy amin’ny androntsika, dia ireo manome taratry ny fahendren’ilay “mpiandry iray”, dia i Jehovah Andriamanitra. Nanome ireo boky 66 ao amin’ny Soratra Masina izy, ary ambonin’ny zavatra hafa rehetra, dia ireo no tokony hataontsika mitana be indrindra ny saintsika. Manampy antsika hahazo “fahalalana an’Andriamanitra” ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra mahasoa avoakan’ny “mpanompo mahatoky”. — Ohabolana 2:1-6.
Ny hany adidintsika amin’Andriamanitra
15. a) Ahoana no ilazanao ireo tenin’i Solomona momba ilay “hany adidin’ny olombelona”? b) Inona no tsy maintsy ataontsika raha ta hanefa ny adidintsika amin’Andriamanitra isika?
15 Hoy i Solomona, ilay mpitoriteny, raha namintina ilay fandinihana manontolo nataony: “Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no [hany adidin’ny olombelona, NW ]. Fa ny atao rehetra dia ho entin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.” (Mpitoriteny 12:13, 14). Ny fananana tahotra an’ilay Mpamorona antsika Lehibe, izay tahotra mahasoa, na ny fanehoam-piheverana azy amim-panajana, dia hiaro antsika, ary antenaina fa hiaro koa ny fianakaviantsika, tsy hanaraka lalam-piainana feno fahasahisahian-dratsy, izay mety hitondra zava-manahirana sy alahelo tsy hay lazaina, eo amintsika sy ireo havan-tiantsika. Ny fananantsika tahotra an’Andriamanitra, izay tahotra mahasoa, dia sady madio no fiandoham-pahendrena sy fahalalana. (Salamo 19:9; Ohabolana 1:7). Hahefa ilay ‘hany adidintsika’ amin’Andriamanitra isika raha mahatakatra hevi-dalina miorina amin’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, ka mampihatra ny torohevitr’izy io amin’ny zavatra rehetra. Tsia, tsy ny fanaovana lisitra ireo adidintsika akory no tiana horesahina eto. Ny takina kosa dia ny hitodihantsika any amin’ny Soratra Masina rehefa mamaha olana eo amin’ny fiainana isika, ary ny hanaovantsika zavatra araka ny fomban’Andriamanitra foana.
16. Inona no hataon’i Jehovah, raha ny amin’ny fitsarana?
16 Tokony ho takatsika fa tsy misy na inona na inona miafina amin’ilay Mpamorona antsika Lehibe. (Ohabolana 15:3). ‘Hoentiny ho amin’ny fitsarana ny zava-miafina rehetra.’ Eny, hitsara ny zava-drehetra ilay Avo Indrindra, anisan’izany ireo tsy hitan’ny mason’olombelona. Hery mandrisika ny tena hankato ny didin’Andriamanitra ny fahafantarana izany lafin-javatra izany. Ny fitiavana an’ilay Raintsika any an-danitra anefa no tokony ho hery lehibe indrindra handrisika antsika, satria izao no nosoratan’ny apostoly Jaona: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.” (1 Jaona 5:3). Ary satria natao mba hahitantsika soa maharitra ny didin’Andriamanitra, dia azo antoka fa tsy vitan’ny hoe mety ny mankato azy ireny fa tena fahendrena koa. Tsy enta-mavesatra izany ho an’ireo tia an’ilay Mpamorona Lehibe. Maniry hanefa ny adidiny aminy izy ireo.
Efao ilay hany adidinao
17. Inona no hataontsika raha tena irintsika ny hanefa ilay hany adidintsika amin’Andriamanitra?
17 Raha hendry sy tena maniry marina hanefa ilay hany adidintsika amin’Andriamanitra isika, ankoatra ny fitandremana ny didiny, dia hanana tahotra feno fanajana azy isika — tahotra sao tsy hampifaly azy. Eny tokoa, “ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena”, ary manana “fahalalana tsara” ireo mankato ny didiny. (Salamo 111:10; Ohabolana 1:7). Aoka àry isika hanao zavatra amim-pahendrena ka hankato an’i Jehovah amin’ny zavatra rehetra. Iankinan’ny aina indrindra izany ankehitriny, satria efa manatrika i Jesosy Kristy Mpanjaka, ary efa antomotra ny andro fitsarany, amin’ny maha Mpitsara voatendrin’Andriamanitra azy. — Matio 24:3; 25:31, 32.
18. Inona no ho vokany raha manefa ilay hany adidintsika amin’i Jehovah Andriamanitra isika?
18 Mandinika akaiky ny tsirairay amintsika Andriamanitra ankehitriny. Mirona ho tia zavatra ara-panahy ve isika, sa navelantsika hanagoragora ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ny fitaoman’izao tontolo izao? (1 Korintiana 2:10-16; 1 Jaona 2:15-17). Na antitra isika na tanora, dia aoka isika hanao izay rehetra azontsika atao mba hampifaliana an’ilay Mpamorona antsika Lehibe. Raha mankato an’i Jehovah isika ka mitandrina ny didiny, dia hanilika ireo zava-poanan’ity tontolo tranainy mandalo ity. Amin’izay dia afaka manantena ny hiaina mandrakizay ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra isika. (2 Petera 3:13). Zava-mahatalanjona efa tsinjo izany ho an’ireo rehetra manefa ilay hany adidiny amin’Andriamanitra!
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana ianao no milaza fa tsy zava-poana ny zava-drehetra?
◻ Nahoana ny tanora kristianina no tokony hieritreritra amim-bavaka ny fanompoana masina ataony?
◻ Karazam-boky inona no tsy mahasoa raha anaovana “fianarana be”?
◻ Inona no “hany adidin’ny olombelona”?
[Sary, pejy 20]
Tsy ny zava-drehetra no zava-poana ho an’ireo manompo an’i Jehovah
[Sary, pejy 23]
Tsy mba toy ireo boky maron’ity tontolo ity ny Tenin’Andriamanitra fa mamelombelona sy mahasoa