Fianarana 1
Ny Fomba Hilazana Teny Fahamarinana Mahafinaritra
1-3. Ahoana no niandohan’ny fitenin’olombelona ary ahoana no nampitombo azy io?
1 I Jehovah no Mpamorona lehibe ny teny. Azy ny voninahitra namorona io fomba mahatalanjona io izay mahatonga ireo zavaboariny manan-tsaina ho afaka hifandray amin’izy samy izy. Izay rehetra ataon’Andriamanitra dia tsara, hany ka ny fahaizana miteny nomeny ny olombelona tany am-piandohana dia tena anankiray amin’ireo “fanomezana tanteraka” resahin’ny Baiboly ao amin’ny Jakoba 1:17. Izao no nosoratan’i Ludwig Koehler, manam-pahaizana momba ny fandinihana ny teny, raha ny momba ny fitenenan’olombelona: “Tsy tena fantatsika marina izay mitranga rehefa miteny, ny hoe amin’ny ahoana ny fahatsapan-javatra no mikitika ny saina ka mampandeha azy, (...) ary mahatonga ny teny. Zava-miafina ny fitenenan’olombelona, fanomezan’Andriamanitra, fahagagana.”
2 Vao tamin’ny namoronana azy, i Adama dia nanana voambolana sy fahaizana mamorona teny vaovao. Raha fintinina dia nahay nifandray tamin’ny mpiara-belona taminy izy. Hainy tsara ny nilaza mazava ny heviny sy nahatakatra izay nolazaina taminy. Fantatsika fa Andriamanitra dia niresaka tamin’i Adama sy nanome toromarika azy ary afaka niteny tamin’i Eva i Adama. — Gen. 1:27-30; 2:16-20.
3 Nefa tamin’ny fotoana naha betsaka ny faharatsiana teto an-tany, tao amin’ny tilikambon’i Babela, dia nokorokoroin’Andriamanitra ny fitenin’olombelona. (Gen. 11:4-9). Izany no antony mampisy fiteny maro ankehitriny ka ny ankabeazany dia mizarazara ho fitenim-paritra. Ny sasany amin’ireny fiteny ireny dia foko kely monja no mampiasa azy fa ny hafa kosa dia tenenin’olona an-tapitrisany maro. Tsy misy hafa amin’ny olombelona, ny teny dia nihataka nanalavitra ny fahalavorariany teo am-piandohana. Matetika izy io no ampiasaina hampielezana hevi-diso sy hampiodinana ny olona amin’Andriamanitra.
4. Ahoana no tokony hampiasantsika ny fahaizana miteny?
4 Nefa isika izay minisitr’i Jehovah dia maniry hampiasa amin’ny fomba tsara ny teny. Manana tombontsoa hiresaka ny amin’ilay Andriamanitra marina amin’ny olona isika, ary hizara amin’izy ireo ny hafatra kanto momba ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao sy marina. Ity Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika ity dia natonta mba hanampiana antsika hanatanteraka amin’ny fomba mandaitra io asa io.
5, 6. Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny hilazantsika ny fahamarinana?
5 Teny fahamarinana. Ny fampiasana tsara ny teny dia mitaky ny hilazantsika foana ny fahamarinana, mifanaraka tanteraka amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy afaka mitondra fahasalamana ara-panahy ho an’ny mpihaino ny hevi-diso. Izany no nanomezan’ny apostoly Paoly ity torohevitra feno fahendrena ity: “Tano (...) ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko.” Nahoana? Satria avy amin’Andriamanitra io “teny tsy misy kilema” io. (2 Tim. 1:13). Nambaran’i Paoly fa ny sasany dia “hampiala ny sofiny amin’ny teny marina”, nefa nasehony fa ny zavatra tokony hatao, dia ny ‘mitory ny teny’, ny Tenin’Andriamanitra. Tokony hifikitra amin’ny fahamarinan’Andriamanitra àry isika ary hampiasa azy io ho fototry ny fitoriantsika sy ny fampianarantsika rehetra. — 2 Tim. 4:1-5.
6 Fantatsika rehetra fa ny teny mety, lazaina amin’ny fotoana mety, dia afaka mahatonga olona iray hanomboka handeha eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay, na manampy azy tsy hiala amin’io lalana io. (Ohab. 18:21; Jak. 5:19, 20). Koa zava-dehibe ho antsika mpitory tsirairay àry ny mampiasa araka ny tokony ho izy ireo teny, ary izany dia antitranterina ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika.
7-9. Amin’ny ankapobeny, karazana teny manao ahoana no mitondra vokatra indrindra?
7 Ny fifidianana ireo teny. Ny teny dia natao mba hampitana hevitra avy ao an-tsain’ilay miteny, mankany amin’ireo mihaino azy. Tsy hahavita izany amim-pahombiazana ilay miteny raha tsy mifantina teny izay sady mahalaza tsara ny heviny, no fantatry ny mpihaino, na mora azon’izy ireo. Eo am-panombohana dia mety ho sarotra ny hifidy tsara ireo teny. Ny tenan’i Solomona mpanjaka hendry mihitsy aza, ilay mpamory ny Isiraely dia “nisaintsaina sy nanao fikarohana lalina (...) mba hahafahany handahatra ohabolana maro. Niezaka nitady ireo teny mahafinaritra sy ny fomba fanoratra tenim-pahamarinana tsy misy diso ilay mpamory vahoaka”. (Mpit. 12:9, 10, NW ). Ilaina ny fiezahana ara-tsaina, ny fikarohana sy fahaiza-mitsara zavatra mba hahitana teny mahafinaritra. Ny Mpit. 12:11 andininy faharaika ambin’ny folo amin’io toko ao amin’ny Baiboly io ihany dia mampiseho fa tena mety hisy vokany tokoa ny teny voafantina amim-pahakingana. “Ny tenin’ny hendry” dia ampitovina amin’ny “fanindronan-omby” izay manentana sy mampirisika ny olona eo amin’ny lalan’ny fiainana.
8 Ny anankiray amin’ireo foto-pitsipika voalohany tokony hianarana dia ny fampiasana teny tsotra. Tsy voatery ho be pitsiny sy sarotra ireo teny mba hampisy vokany izay lazaina. Raha ny marina, dia ny fahatsorana no fanalahidy mahatonga hahazo hevi-javatra, ka noho izany, dia tena manampy ny fitadidiana. Moa ve misy tsotra kokoa, nefa mendrika kokoa noho ireo teny voalohany ao amin’ny Baiboly? Izao no ambarany: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” Tsy hay hadinoina izy ireo! Toy izany koa ny famaranan-teny nataon’ilay mpamory hendry, taorian’ny fisaintsainany rehetra, dia ny hoe: “Matahora an’Andriamanitra marina ary tandremo ny didiny. Izany no adidin’ny olombelona.” — Mpit. 12:13, NW.
9 Aoka isika hanalavitra ireo teny mampihena ny fikarantsan’ny teny fahamarinan’Andriamanitra. Tsy ho tiantsika ny ‘hanamaizina ny torohevitra amin’ny lahateny tsy misy fahalalana’. (Joba 38:2, Darby). Satria iza moa no ho afaka hihaino sy hahazo hevi-javatra “raha manao feo hafahafa ny trompetra”? — 1 Kor. 14:8.
10, 11. Ahoana no nanomezan’i Jesosy ohatra ho antsika tamin’ny fomba fiteniny?
10 Azontsika rehetra atao ny mandray soa amin’ny fanarahana ny ohatra tsara dia tsara nomen’i Jesosy Kristy. Ny fomba fiteniny tsotra sy ireo fanoharana nataony notsoahina avy amin’ny fiainana andavanandro dia nisy vokany mahery teo amin’ireo mpihaino azy. Aoka hotadidintsika ny lahateny nataony teo amin’ny tendrombohitra iray teo akaikin’i Kapernaomy, voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Filazantsaran’i Matio, toko fahadimy ka hatramin’ny fahafito. Fiteny miangetsangetsana ve izany? Tsia. Misy teny mampiroaroa saina ve? Na dia iray aza. Nitady indrindra ny handentika ny fahamarinana tao an-tsain’ny olona mba hanohinan’izany ny fon’izy ireo, i Jesosy. Tena vonton’ny hevitry ny Rainy, dia i Jehovah, izy. Raha ny amin’ny fahaiza-miteny dia izy no ohatra fakan-tahaka tsara indrindra tokony harahin’ny minisitr’i Jehovah rehetra.
11 Aoka isika tsy hanamaivana mihitsy ny vokatra mahery entin’ny teny fahamarinana mazava, tsotra ary voafidy tsara. Afaka mampifaly ny mpihaino izany, mampirisika azy sy manosika azy hanao zavatra. Momba an’i Jesosy, ny Lioka 4:22 dia mampahafantatra antsika fa ireo mpihaino azy dia “nankalaza Azy [“nanao fanambarana tsara ny aminy”, NW ] sady talanjona noho ny tenin’ny fahasoavana naloaky ny vavany”. Nahita mpihaino maro nanongilan-tsofina koa ireo apostoliny. Kanefa ireo filohan’ny Jiosy dia “nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina” izy ireo. (Asa. 4:13). Ahoana no hanazavana izany? Satria izy ireo nanahaka ny fomba fampianatry ny Tompony, dia i Kristy. Moa ve izany tsy loharanom-pampaherezana ho an’ireo minisitr’Andriamanitra amin’ny andro ankehitriny, na tanora izy ireo na be taona?
12. Ahoana no ahafahan’ireo ray aman-dreny manampy ny zanany hianatra hilaza hevitra?
12 Afaka manampy be dia be ireo zanany hahay hilaza hevitra ireo ray aman-dreny. Ao an-tokantrano, dia azon’izy ireo atao ny mampianatra azy ireny amin’ny ohatra sy ny fampianarana fahazarana tsara amin’ny resaka andavanandro. Azo ampidirina ao an-tsain’izy ireny ny foto-pitsipika ao amin’ny Baiboly izay tokony hitari-dalana ny tenintsika. (Deot. 6:6-9). Fianakaviana maro no manokana minitra vitsivitsy isa-maraina amin’ny fandinihana ilay andinin-teny ao amin’ny Baiboly ho an’ny andro, ao amin’ilay bokikely hoe Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro, ary amin’ny fotoana hafa izy ireo dia miara-mamaky Ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza! Amin’izany ireny fianakaviana ireny dia mahazo fiofanana tsara dia tsara, ka manampy teny hafa foana amin’ny voambolany ary mitady izay hahazoana mampiasa ireny teny ireny amin’ny fomba mahafinaritra ho fikendrena ny hananana fifandraisana tsara kokoa amin’ny hafa. Amin’izany fomba izany koa ny fianakaviana dia mahazo ny fomba fiheveran’i Jehovah zavatra, ary ho hita taratra amin’ny fomba fitenin’izy ireo izany.
13-16. Mba handraisana soa faran’izay betsaka avy amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika, inona no tokony hataontsika?
13 Aoka isika hanao fandrosoana amin’ny fandraisana anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika. Noho ireo fampianarana voavelabelatra ato amin’ity boky ity, izay rehetra maniry amim-pahatsorana handroso amin’ny fanompoana dia hampiana hampiasa “teny mahafinaritra (...) teny fahamarinana mety tsara”. Tsy mampaninona izay taona na fari-pahalalanao; raha miantehitra amin’ny fitarihana sy ny fanahin’i Jehovah ianao dia ho afaka hanao fandrosoana eo amin’ny fanompoana kristianina. Kanefa mila manao ny fiezahana ilaina ianao. Mampirisika antsika toy izao ny Baiboly: “Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.” — 1 Tim. 4:15.
14 Ankoatra ny fiezahana hafa hatao, ny tsirairay avy amintsika dia tokony ho tapa-kevitra ny hanatrika ireo fivoriana rehetra alamin’ny kôngregasiônan’ny vahoakan’i Jehovah, ary hanao zavatra mifanaraka amin’io fahatapahan-kevitra io. Ireo fivoriana isan-kerinandro amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika indrindra no hanampy anao hampihatra ity torohevitra manaraka ity, nomen’ny apostoly Paoly: “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.” — 2 Tim. 2:15.
15 Izay rehetra, lehilahy na vehivavy, tanora na antitra, vita batisa na tsia ka manatrika ireo fivorian’ny kôngregasiôna dia afaka misoratra anarana amin’io sekoly io ary mandray soa avy amin’izany. Ireo izay tsy nianatra firy dia tokony hitadidy fa Andriamanitra dia nanambara mialoha fa tsy hihaino tsara ny hafatr’ilay Fanjakana ny olona maro izay manam-pahendrena amin’ny heviny ara-nofo, izay ambony na nahita fianarana araka an’izao tontolo izao. (1 Kor. 1:26-29). Fantany mialoha koa anefa fa hisy olona maro izay hamavoin’izao tontolo izao, hihaino io hafatra io sy hampita izany amin’olon-kafa mangetaheta ny fahamarinana. Raha misoratra anarana amin’io sekoly io ianao ary manaraka amim-pahatokiana ny lesona dia hahazo fahalalana izay hahatonga anao ho afaka hampita amin’ny olona tso-po, teny mahafinaritra. Hamelombelona anao sy izay mihaino anao izany.
16 Ambonin’ny zavatra rehetra, rehefa tonga mpianatra mazoto amin’io fianarana io ianao, dia hiezahanao hotratrarina amin’ny teninao sy ny ataonao, ilay nataon’i Davida, mpanjakan’Isiraely ho antom-bavaka toy izao: “Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.” (Sal. 19:14). Ny Kristianina tsirairay avy dia tokony hanana faniriana miredareda ny hilaza hevitra tsara amin’ny fotoana rehetra ary hampiasa teny hankasitrahan’ny Mpamorona. Ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika dia hanampy anao be dia be ho tonga amin’io vokatra io.