Hevitra mahaliana ao amin’ny Baiboly — Tonon-kiran’i Solomona 1:1 ka hatramin’ny 8:14
Ny fandresen’ny tena fitiavana
Misy fitiavana tsy mihamalefaka mihitsy, fitiavana tsy miovaova, maharitra, mandresy. Izany dia ny fitiavana tsy azo ravana izay mampiray an’i Jesosy Kristy amin’ny ‘ampakariny’, dia ny kongregasionany nateraky ny fanahy (Apokalypsy 21:2, 9; Efesiana 5:21-33). Voalazalaza amin’ny fomba mahafinaritra io fitiavana io ao amin’ny Tonon-kiran’i Solomona.
Nataon’i Solomona, mpanjakan’ny Isiraely hendry, 3000 taona eo ho eo izay ny “tonon-kira tsara indrindra” (1:1) ka miresaka ny fifankatiavan’ny mpiandry ondry iray sy ny zazavavy tantsaha iray tao amin’ny vohitr’i Sonema (Solema). Na dia tao aza ny harenany rehetra sy ny voninahiny, dia tsy afaka nahazo ny fitiavan’ilay Solemita ny mpanjaka, satria tsy nivadika tamin’ny mpiandry ondry malalany ilay zazavavy.
Ireo mpanompon’i Jehovah, manambady na mpitovo, izay mamaky an’io boky poetika io amim-pitandremana araka ny mety dia mahita zavatra mampieritreritra ao; lazalazaina ao tokoa ny fahadiovana, ny fahalemem-panahy, ny tsy fivadihana sy ny fitiavana tsy azo ravana izay tokony hampiavaka ny fanambadiana kristiana. Isika rehetra dia afaka mandray soa avy amin’io hira io izay manandratra ny fandresen’ny tena fitiavana.
Nampidirina ho ao an-tobin’i Solomona ilay Solemita
Mba vakio ny Tonon-kiran’i Solomona 1:1-14. Tao amin’ireo lain’ny mpanjaka, ilay Solemita dia niresaka toy ny hoe teo ilay mpiandry ondry malalany. Nidera ny hatsaran-tarehiny i Solomona ary nampanantena fa handravaka azy amin’ny volamena sy ny volafotsy. Nanosika ny filany fitia anefa ilay zazavavy ary nilaza taminy fa tsy nahatsapa tena fitiavana afa-tsy ho an’ilay mpiandry ondrin’ny fony izy.
◆ 1:2, 3 — Nahoana no mety ireo fampitahana tamin’ny divay sy ny menaka ireo?
Mampifaly ny fo ny divay ary manatanjaka ny fanahy ketraka (Salamo 104:15; Ohabolana 31:6). Norarahana diloilo ireo vahiny tiana hampifalifalina, satria nampitony ny diloilo (Salamo 23:5; Lioka 7:38). Nihanatanjaka sy nahazo hery àry ilay Solemita nitebiteby rehefa nieritreritra indray ny ‘fitiavana’ sy ny ‘anaran’ilay’ mpiandry ondry. Toy izany koa, ny sisa amin’ireo mpianatr’i Kristy voahosotra dia mahazo herim-po amin’ny fisaintsainana ny fitiavana sy ny fampanantenan’ilay Mpiandry azy ireo, dia Jesosy Kristy, na dia mbola eo amin’izao tontolo izao aza izy ireo ary tafasaraka aminy.
Fianarana ho antsika: Vonona i Solomona ny handravaka ilay Solemita tamin’ny “rojo kely volamena” sy ny “bokotra volafotsy”, kanefa nanohitra izany fakam-panahy tamin’ny lafiny ara-nofo izany izy ka nanamafy ny fitiavany an’ilay mpiandry ondry tsy azo ravana (1:11-14, MN ). Amin’ny fisaintsainana ny amin’ny fihetsik’io zazavavy io, ny kilasin’ny “ampakarina” dia afaka manamafy ny fahavononany hanohitra ny fanintonan’ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo ka tsy hivadika hatrany amin’ilay Mpampakatra azy any an-danitra. Enga anie ny ohatra ny amin’ilay Solemita hanosika ireo kristiana manana fanantenana ny ho eto an-tany ka mikasa ny hanambady, hametraka ireo tombontsoa ara-panahy, fa tsy ara-nofo, amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany!
Fifampiandrasana tsy andry
Vakio ny Tonon-kiran’i Solomona 1:15 ka hatramin’ny 3:5. Miditra ao an-tobin’ny mpanjaka ilay mpiandry ondry ary maneho ny fitiavana tsapany amin’ilay Solemita manetry tena, izay manana fiheverana azy mihoatra noho ny hafa rehetra. Nandritra ny fisarahan’izy ireo, ilay zazavavy dia nieritreritra indray ireo fotoana nahafinaritra niarahany tamin’ilay malalany ary tsy andriny izay hahitana azy indray. Nandritra ny alina, dia manina azy izy.
◆ 2:1-3 — Inona no dikan’ireo sary poetika ireo?
Ilay Solemita dia nampitaha ny tenany tamin’ny “voninkazo eny an-tanety ihany [tamotamo tsotra eny amin’ny tany lemaka amoron-tsiraka, MN ]”. Io zazavavy nanetry tena sy tsotra io dia tsy nampitaha tena afa-tsy tamin’ny anankiray tamin’ireo voninkazo tsotra maro. Ho an’ilay mpiandry ondry anefa izy dia “toy ny lilia eo amin’ny tsilo”, satria nalemy fanahy, nahay sy tsy nivadika tamin’i Jehovah. Teo imason’ilay zazavavy, ilay mpiandry ondry dia “toy ny hazo poma amin’ny hazo any an-ala”. Izy io dia zazalahy araka ny fanahy nanolo-tena ho an’Andriamanitra koa ary nanana toetra sy fahaizana tena faniry tokoa. Ny lehilahy kristiana na ny vehivavy kristiana mpitovo izay mitady vady dia tsy tokony hikasa ny hanambady afa-tsy mpanompon’i Jehovah hafa iray manana toetra sahala amin’ny an’ilay Solemita sy ilay mpiandry ondry malalany.
◆ 3:5 — Nahoana moa io fianianana io no nampiarahina tamin’ireo biby ireo?
Ny gazela sy ny dieravavy dia biby malemy paika, mahafinaritra, tsara tarehy, mavitrika tokoa sy maila-tongotra. Nampianiana an’ireo “zanakavavin’i Jerosalema” tamin’izay tsara sy mahafinaritra àry ilay zazavavy. Tamin’ny fampahatsiahivana ireo zavaboary ireo, dia nomeny adidy ireny vehivavy ireny mba tsy hanandrana hanaitra ao aminy fitiavana olona hafa noho ilay mpiandry ondry malalany.
Fianarana ho antsika: Ilay zazavavy dia nampianiana an’ireo “zanakavavin’i Jerosalema”, ireo vehivavy nanompo tao an-dapan’ny mpanjaka, mba ‘tsy hanaitra ny fitiavana ao aminy raha tsy efa sitrapony’. (2:7; 3:5.) Milaza izany fa tsy azo atao ny hahatsiaro fitiavana misy nofinofy na ho an’iza na ho an’iza. Raha ny amin’ilay zazavavy, dia tsy nahatsiaro ho voasinton’i Solomona mihitsy izy. Fahendrena tokoa ho an’ny lehilahy kristiana iray na ny vehivavy kristiana iray mpitovo izay mieritreritra ny fanambadiana ny tsy mikasa ny hanambady afa-tsy mpanompon’i Jehovah mahatoky izay tena azo tiavina tokoa! — 1 Korintiana 7:39.
Ilay zazavavy tany Jerosalema
Vakio ny Tonon-kiran’i Solomona 3:6 ka hatramin’ny 6:3. Niverina tany Jerosalema tamim-boninahitra lehibe i Solomona. Tany, ilay mpiandry ondry dia namangy an’ilay Solemita sy nampahery azy tamin’ny teny malefaka. Tao amin’ny nofy, dia niandry ela loatra ilay Solemita vao namoha azy rehefa nandondòna tao am-baravarana izy; avy eo dia nampijalin’ny mpiambina izy raha mbola nitady azy tamim-pamoizam-po. Rehefa nanontanian’ireo “zanakavavin’i Jerosalema” azy izay nahatonga ny malalany ho hafa, dia nilazalaza nidera azy tamin’ireo izy.
◆ 5:12 — Tamin’ny heviny ahoana moa ny mason’ilay mpiandry ondry no ‘tahaka ny voromailala mandro amin’ny ronono’?
Eo ambony kokoa, ny mason’ilay Solemita dia noharina tamin’ny an’ny voromailala noho ny fijeriny malefaka (1:15; 4:1). Noho izany antony izany ihany koa no niantsoan’ilay mpiandry ondry an’ilay zazavavy hoe ‘voromailalany’. (5:2.) Eto, ilay vehivavy tanora nararim-pitiavana dia nampitaha ny mason’ilay mpiandry ondry tamin’ny voromailala manga volondavenona milomano ao anaty ronono (5:8, 12). Io sary io dia azo inoana fa mifandray amin’ny anakandriamaso matrok’ilay mpiandry ondry misisika ao amin’ny fotsy manjopiaka amin’ny masony.
Fianarana ho antsika: Ilay Solemita dia sahala amin’ny “saha voahidy”. (4:12.) Teo amin’ny Isiraely fahizay, ny zaridaina iray dia matetika no nanana endriky ny saha, ny tena paradisa notondrahan’ny loharano tsara sy nahitana anambazaha, voninkazo sy hazo maro karazana. Mandrakariva izany dia voahodidin’ny fefy na tamboho ka tsy azo nidirana tao raha tsy nandalo tamin’ny vavahady iray nihidy mafy (Isaia 5:5). Teo imason’ilay mpiandry ondry, ny fahadiovam-pitondrantena sy ny hatsaran-tarehin’ilay Solemita dia azo nampitahaina tamin’ny zaridaina iray kanto tsy fahita firy, mamokatra voankazo fy, mamoaka hanitra mahafinaritra sy hatsarana mamerovero. Tsy nahazo ny fony daholo ny lehilahy na iza na iza, satria nadio izy, toy ny “saha voahidy” ho an’ny mpitsofotsofoka foana ary tsy nivoha afa-tsy ho an’ilay tompony. Tamin’ny fahitsiany ara-pitondrantena sy ny fahatokiany, ilay Solemita dia namela ohatra tsara dia tsara ho an’ireo vehivavy kristiana tsy manambady amin’izao androntsika izao.
“Lelafon’i Jehovah”
Vakio ny Tonon-kiran’i Solomona 6:4 ka hatramin’ny 8:14. Noderain’i Solomona ny hatsaran-tarehin’ilay zazavavy, nefa nanda azy io ary nanambara ny fifikirany tamin’ilay mpiandry ondry. Rehefa tsy afaka nahazo ny fitiavany i Solomona, dia namela azy hody tany an-tranony. Teo anilan’ny “malalany”, io vehivavy matotra io izay nampiseho ny tsy fiovaovany dia niverina ho any Sonema. Nahery toy ny fahafatesana ny fifankatiavan’izy sy ilay mpiandry ondry ary ny lelafony dia “lelafon’i Jehovah”.
◆ 6:4 — Iza moa no “Tanàna Mahafinaritra”?
Io fitenenana io dia azo adika amin’ny hoe “Tirza”, anarana izay ny heviny dia hoe “fandravahana, zavatra mahafinaritra”. Tanàna nalaza noho ny hatsaran-tarehiny i Tirza ka tonga renivohitry ny fanjakan’ny Isiraely voalohany tany avaratra. — 1 Mpanjaka 14:17; 16:5, 6, 8, 15.
◆ 7:4 — Tamin’ny heviny ahoana moa ny vozon’ilay zazavavy no “tahaka ny tilikambo ivory”?
Miharihary tokoa fa izany dia nalamalama toy ny ivory ary nitezotezo toy ny tilikambo. Teo aloha, ny vozony dia noharina tamin’ny “tilikambon’i Davida”, angamba ny an’ny Tranon’ny Mpanjaka izay nanaraka ny manda atsinanan’i Jerosalema. Teo amin’io tilikambo io no ‘nihantonan’ny ampinga arivon’ny lehilahy mahery’, ka izany dia mahatonga ho afaka haka sary an-tsaina fa ny vozona mendri-kajan’ilay Solemita dia voaravaky ny rojo nisy haingony na ravaka boribory. — 4:4; Nehemia 3:25-27.
◆ 8:6, 7 — Amin’ny heviny ahoana moa ny fitiavana no hoe “mahery toy ny fahafatesana”?
Ny fahafatesana dia tsy maintsy mitaky ain’olombelona mpanota, ary mitovy hery amin’izany ny tena fitiavana. Noho izy mitaky fifikirana feno, izany fitiavana izany dia tsy azo ifonana toy ny Sheola (ny fasana) mitaky fatin’ny olona maty. Koa satria Jehovah Andriamanitra no nanome ho an’ny olombelona fahafahana ho tia, dia avy aminy io toetra io ary antsoina ara-drariny hoe “lelafon’i Jehovah”. Na dia Solomona mpanjaka nanankarena aza dia tsy afaka nividy izany fitiavana izany.
Fianarana ho antsika: Izay nitranga teo amin’i Solomona mpanjaka sy ilay Solemita dia fitsapana nahazoan’ilay Solemita fandresena. Tsy mba mivadibadika izy, tsy tahaka ny varavarana mora mihodinkodina ka tokony hofefena amin’ny hazo sedera fisaka mba hisakanana azy tsy hivoha eo anoloan’ny olona izay tsy irina horaisina na tsy dia tsara ifaneraserana. Tsia, nahatohitra ny fanangolen’ny mpanjaka ilay zazavavy, tsy azo nohozongozonina hatrany tahaka ny manda teo anoloan’ny fanintonan’izao tontolo izao ara-nofo. Ankehitriny, amin’ny fametrahana ny fitokisana amin’Andriamanitra sy amin’ny fisaintsainana ny ohatra tsara dia tsara navelan’ilay Solemita, ireo kristiana dia afaka mampiseho koa ny fifikirany tsy azo hozongozonina amin’ireo fotopoto-pitsipika tsara, ary izany dia ho fiderana an’i Jehovah. — 8:8-10.
Tsy azo lavina fa ny “tonon-kira tsara indrindra” izay ny fitiavana no foto-keviny dia mahatonga antsika ho afaka hankamamy bebe kokoa ihany ny fatorana mampiray an’i Jesosy amin’ireo izay nofidina mba hahaforona ny ‘ampakariny’ any an-danitra. Kanefa ny zazalahy sy ny zazavavy rehetra mbamin’ireo lehilahy sy vehivavy manambady nanolo-tena ho an’i Jehovah dia afaka mandray soa amin’ny fiezahana hanahaka ny tsy fivadihan’ilay Solemita sy ilay mpiandry ondry eo anoloan’ny fitsapana sy ny fakam-panahy. Io tapany kanto amin’ny Tenin’Andriamanitra io dia tokony hanosika antsika rehetra tsy hivadika mandrakizay amin’i Jehovah, ilay Loharanon’ny fitiavana mandresy.