ZAVA-MANITRA, ZAVAMANIRY MANI-POFONA
Aloesy, balsama, harefo, kasia, kanelina, ditin-kazo manitra, galbanoma, ladanoma, miora, na stakite ilay hoe zava-manitra. Miresaka komina, solila, aneta, ary sira natao tamin’ny sakafo ny Baiboly, nefa tsy ilazana laron-tsakafo ny teny tany am-boalohany nadika hoe “zava-manitra” sy “zavamaniry mani-pofona.”
Nanaovana ny menaka masina fanosorana sy ny emboka manitra nampiasaina tao amin’ny toerana masina irery ihany ny zava-manitra. (Ek 30:23-25, 34-37) Nisy koa faty halevina nasiana zavamaniry mani-pofona, toy ny miora sy aloesy natao tamin’ny fatin’i Jesosy. (Jn 19:39, 40; jereo koa Mr 16:1; Lk 23:56; 24:1.) Nisy zava-manitra be dia be nodorana tamin’ny fandevenana an’i Asa mpanjakan’ny Joda. (2Ta 16:14) Nasiana zava-manitra koa ny divay fahiny mba hahery kokoa.—To 8:2; jereo MENAKA FANOSORANA SY ZAVA-MANITRA.
Mety ho ahitra manitra ilay hoe zavamaniry mani-pofona tao an-jaridaina (To 5:1, 13; 6:2), na mety ho balsama (Commiphora opobalsamum), hoy ny manam-pahaizana sasany. “Longoza” (hazo madinika manitra anisan’ny fianakaviamben’ny sakamalao) kosa ilay hoe “zava-manitra indianina”, raha ara-bakiteny.—Ap 18:13.