Aoka isika hatoky an’i Jah Jehovah!
“Matokia an’i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo [Jah Jehovah, MN ] no Vatolampy mandrakizay.” — ISAIA 26:4.
1, 2. Inona moa no hira fiderana hita ao amin’ny Isaia 26:1-6, ary nahoana?
MENDRIKA ny hankalazaina amin’ny hiram-pandresena ny fietren’ilay “tanànan’ny firenena lozabe” (Isaia 25:3). Mety tokoa àry ny hitohizan’ny faminanian’Isaia ao amin’ny toko faha-26, andininy 1 ka hatramin’ny faha-6, amin’ny hiram-piravoravoana iray ho fiderana an’i Jehovah Mpanjaka Tompo. Izany dia hiraina amin’izao androntsika izao ao “amin’ny tanin’ny Joda”, ka ny dikan’ny hoe Joda dia “Deraina”. Ny Baiboly Crampon-Tricot dia mampiasa indray ny fitenenana hoe “Yah — Yahweh”, izay amerenana indroa ny anaran’Andriamanitra. Toy izany koa fa mahery aoka izany ny tonon’io hira io araka ny andikana azy ao amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, ka ao, isaky ny hita ao amin’ny soratra ny anaran’Andriamanitra dia adika amin’ny fomba marina!
2 Henoy izao ity hira mirindra ity: “Manana tanàna mafy isika; famonjena no hotendren’i Jehovah ho mànda sy fiarovana. Vohay ny vavahady, mba hidiran’ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana. Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. Matokia an’i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo [Jah Jehovah, MN ] no Vatolampy mandrakizay. Fa naetriny ny mponina avo toerana; ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin’ny tany ka azerany ho amin’ny vovoka. Hitsahin’ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian’ny mahantra.” Toy inona moa ny fifaliana anisan’ireo izay matoky an’Andriamanitra sy midera azy amin’ny alalan’io hira io, izany hoe ny Vavolombelon’i Jehovah!
3. a) Iza moa no “firenena marina”, ary iza no miditra amin’ny ‘vavahadiny’ mivoha? b) Nahoana moa ny fandaminan’i Jehovah no manohy ny diany ao anatin’ny firaisan-tsaina na dia ao aza ireo fiezahan’ny fahavalo?
3 Yah Yahweh, na Jah Jehovah, dia tsy maintsy hampietry ny mpiavonavona sy hanafaka ireo izay tsy mitsahatra ny matoky azy. Rehefa avy ‘nahantra’ ny Isiraely ara-panahy dia tonga “firenena matanjaka”, “firenena marina”. Toy izany koa fa misy vahoaka maro telo tapitrisa mahery izay mandray soa amin’ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, niditra ankehitriny ao amin’ireo “vavahady” mivoha eo amin’ny fandaminan’i Jehovah oharina eto amin’ny tanàna iray. Amin’ny fitambarany, ireny olona ireny dia mahaforona fianakaviana iraisam-pirenena maro noho ny 57 fara fahakeliny amin’ireo tany anisan’ny Firenena (lazaina fa) mikambana. Ny ‘firenen’Andriamanitra’ sy ireo olona miaraka aminy kosa dia tena tafaray. Eo amin’ny tany manontolo, ny fanirian’io firenena io dia ny hanaraka ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra marina. Ny ‘mandany’, na fomba fandaminany, dia fiarovana amin’ireo fiezahan’i Satana kendrena hanimbana ny fitondrantenany mahatoky eo amin’ny fanohanana ny fahamarinana. Tsy mahasakana ny fandrosoan’io vahoaka tsy mivadika amin’ny Andriamaniny io ny fahavalo. Ny fitokisantsika dia miankina mandrakariva amin’i ‘Jah Jehovah, Vatolampy mandrakizay’. — Isaia 54:17; 60:22.
4, 5. a) Iza moa no “tanàna avo”, ary nahoana no azo atao ny milaza fa manitsaka azy ara-panoharana ireo mpanompon’i Jehovah? b) Oviana moa ny faminaniana voasoratra ao amin’ny Isaia 26:10 no nahita ny fahatanterahany lehibe indrindra, ary ahoana izany fahatanterahany izany? d) Inona moa no fampiharana hafa koa an’io faminaniana io?
4 Raha mbola mampanakoako ny fampitandremana isika ka milaza fa madiva hampietry ny “tanàna avo”, “Babylona lehibe”, Jehovah, dia fampaherezana ho antsika ny mahita ireo ory sy ireo madinika amin’ny tany, manaiky amin’ny fo rehetra ny vaovao tsaran’ny Fanjakana (Apokalypsy 18:2, 4, 5). Ara-panoharana, dia manitsaka an’io “tanàna avo” io koa izy ireo; ary izany dia tsy amin’ny fandraisana anjara amin’ny fandravana azy akory, fa amin’ny fanambarana ny andro famalian’i Jehovah, izay hamely ny fandehan-javatra ratsy (Isaia 61:1, 2). Hatramin’ny am-polony taona maro ny Vavolombelon’i Jehovah dia maneho hatsaram-po na dia amin’ireo ratsy fanahy aza amin’ny fankanesana any amin’izy ireny mba hitondra ho azy ny hafatra momba ilay Fanjakana, dia hafatra famonjena. Ny vokatr’io asa io dia mifanaraka amin’izay vakina ao amin’ny Isaia 26:10, manao hoe: “Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra fahamarinana izy; eny, na dia ao amin’ny tanin’ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany ka tsy mety mijery [tsy hahita, MN ] ny fahalehibiazan’i Jehovah.”
5 Mahita ny fahatanterahany lehibe indrindra io faminaniana momba ny fampodiana io amin’izao androntsika izao. Na dia ao aza ny fahafahana atolotra azy ireo, dia vitsy ny olona maniry hanavao ny fiainany mba hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah ao amin’ny “tanin’ny fahamarinana”. Ireo izay manala baraka an’i Jehovah sy ireo vavolombelony mahatoky dia ‘tsy hahita ny fahalehibeazan’i Jehovah’, satria tsy ho tafita velona izy ireny mba hanana ireo fitahiana mahatalanjona harotsaka eo amin’ny olombelona rehefa ho avy nohamasinina ny anaran’i Jehovah (Isaia 11:9). Mety hahita fampiharana koa io faminaniana io eo amin’ny olombelona izay hatsangana amin’ny maty mba hiaina eo amin’ny tany voaova ho paradisa. Ny sasany amin’izy ireny dia tsy hety hanaraka ireo fotopoto-pitsipika hampanoratin’Andriamanitra mazava ao amin’ny “boky”; noho izany dia tsy hanana ny anarany voasoratra ao amin’ny “bokin’ny fiainana” izy. — Apokalypsy 20:12, 15; jereo Ezekiela 33:11.
Manorina fiadanana Jehovah
6. Mihiaka amim-pifaliana hoe ahoana moa ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah, ary nahoana?
6 Ireo mpanompo mahatokin’Andriamanitra anefa dia mihevitra mafy ny fanandratana, ny fanamarinana an’i Jah Jehovah. Miantso azy izy ireo mba ‘hanorenany fiadanana’ ho an’ny olony ary mihiaka amim-pifaliana hoe: “Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, eny nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; nitarinao halalaka avokoa ny tany.” (Isaia 26:12, 15). Ao amin’ny tany sy nosy tokony ho 210 eo amin’izao tontolo izao, Jehovah dia manohy manampy olona azo ampitahaina amin’ny ondry amin’ny fireneny ara-panahy. Namana vaovao ana hetsiny maro no atao batisa. Tao anatin’ny volana sasany dia niisa ho dimy hetsy mahery ny mpitory maharitra manokana, mandavantaona sy mpanampy. Mihamaro ny Efitrano Fanjakana sy ny Efitrano fanaovana fivoriambe aorina. Manitatra ny fonenany sy ny fanontam-pirintiny ireo sampan’ny Fikambanana Watch Tower ary mividy fitaovana fanontam-pirinty amboniny. Mitohy ny fitomboana!
7. Inona moa no mahatonga fitaran’ny fandaminan’i Jehovah azo ampitahaina amin’ny tanàna?
7 Matoa misy izany fitarana izany dia satria ilay “Andrian’ny fiadanana” mitarika ny raharahan’ny vahoakan’Andriamanitra eto an-tany. Araka ny nolazain’Isaia eo ambony kokoa ao amin’ny faminaniany, “ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny rariny sy ny hitsiny hatramin’izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany”. (Isaia 9:5, 6.) Tanteraka amin’ny fomba mahafinaritra ireo teny ireo amin’izao androntsika izao. Ireo izay matoky an’i Jehovah dia efa manana sahady ny fiadanana sy ny rariny avy amin’io fanapahan’ny andriana io. Amin’izany izy ireo dia mandray soa amin’ny firaisan-tsaina feno fitiavana izay ny tena mpianatr’i Jesosy ihany no mahita azy (Jaona 13:34, 35). Tsy andrin’izy ireo tokoa ny fotoana efa antomotra izao izay hanjakan’i Jesosy eo amin’ny tany manontolo izay ho feno ny “fahalalana an’i Jehovah”. — Isaia 11:9; Daniela 2:35, 44, 45.
8. Inona moa no dikan’ny tenin’i Jehovah voarakitra ao amin’ny Isaia 26:20, ary mifandray amin’ny inona ny ‘efi-trano’?
8 Raha mbola manatona ny fara heriny ny fitaran’ilay Fanjakana, dia manakoako mafy ny antson’i Jehovah voasoratra ao amin’ny Isaia 26:20: “Mandehana, ry oloko, midira ao amin’ny efi-tranonao, ary mirindrìna varavarana hianao, ka miere kely indray mipì-maso monja mandrapahalasan’ny fahatezerana.” Ny ‘efi-trano’ resahina eo dia tsy isalasalana mihitsy fa misy fifandraisana akaiky amin’ireo kongregasiona 54 000 azo ampitahaina amin’ny tanàna, ivondronan’ireo Vavolombelon’i Jehovah amin’ny tany manontolo ankehitriny. Ny ho avy no hilaza amintsika izay hataon’i Jehovah, fa afaka matoky isika fa rehefa handringana ny ratsy fanahy izy, dia hiaro ireo mpanompony matoky, araka ny nataony tamin’ny andron’Isaia rehefa nampiverina ilay Asyriana lozabe ho any amin’ny taniny izy. — Isaia 10:24-26.
Azo antoka ny fanafahana
9. a) Ahoana moa no nampisehoan’i Hezekia mpanjaka ny fitokisany an’i Jehovah? b) Ahoana no tokony ho fihetsitsika rehefa misy olona mankahala an’i Jehovah miteny ratsy antsika na manenjika antsika?
9 Amin’izao andro izao, ireo mpanompon’i Jehovah dia manana antony sahala amin’ny an’i Ezekiela mpanjaka mba hananana fitokisana ny Andriamaniny. Nitoky tanteraka tamin’i Jehovah io mpanjaka io, ka nihevitra azy ho Andriamanjaka Tompo. Noho izany antony izany, tao anatin’ny fandrahonana asyriana mafy indrindra, dia nivavaka tamin’i Jehovah tamin’izao teny izao izy: “Ry Jehovah, Tompon’ny maro ô, Andriamanitry ny Isiraely, Izay mipetraka amin’ny kerobima, Hianao dia Hianao ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany; Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany. Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihaino; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere; ary mihainoa ny teny rehetra izay nampitondrain’i Sankeriba hihaika an’Andriamanitra velona.” (Isaia 37:16, 17). Rehefa misy olona mankahala an’i Jehovah maneso anao, miteny ratsy anao na manenjika anao, tsy miboiboika avy ao am-ponao ve ny hataka sahala amin’izany? Voaro amin’ny toky tanteraka ianao ka moa ve tsy mivavaka amin’i Jehovah mba hanaisotra ny fanalam-baraka amin’ny anarany? Toy izany ny toe-tsain’i Jesosy, taloha kelin’ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana. Nangataka mihitsy aza izy mba ‘hesorina’ aminy ny kapoaka nadiva hosotroiny, noho ny fanalam-baraka lehibe hoentin’izany eo amin’ny Rainy. — Matio 26:39-44.
10. a) Inona no ahariharin’ny vavaka nataon’i Hezekia raha ny amin’ny zavatra nitana ny sainy lehibe indrindra? b) Raha mbola misetra ireo fitsapana mialoha ny Hara-Magedona isika, ahoana no azontsika anahafana an’i Hezekia?
10 Nasehon’ny vavaka nataon’i Hezekia fa tsy noho ny fitiavan-tena no nitadiavany hafahana tamin’ny Asyriana; tsy nanandrana namonjy ny ainy fotsiny izy. Niriny kosa ny hanamasinana ny anaran’i Jehovah sy ny hanamarinana ny fiandrianany. Noho izany antony izany, dia nifarana tamin’izao teny izao ny hataka nataony: “Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, vonjeo amin’ny tànany izahay, mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany fa Hianao irery ihany no Jehovah.” (Isaia 37:20). Toy izany koa, raha mbola misetra ireo fitsapana mialoha ny ady faran’i Hara-Magedona isika, dia aoka tsy hohadinointsika fa raha oharina amin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah, dia mitana ny toerana faharoa ny famonjena antsika manokana. Araka ny nambaran’ilay Andriamanjaka Tompontsika teo amin’ny in-60 tamin’ny alalan’i Ezekiela mpaminaniny, “dia ho fantany [ireo firenena] fa Izaho no Jehovah”. — Ezekiela 38:23.
11. a) Inona moa no fahadisoana nataon’i Sankeriba, ary inona no nolazain’i Jehovah ny amin’izany? b) Rehefa heverina amin’izay nitranga tamin’i Sankeriba tamin’ny farany, iza moa no azontsika ametrahana ny fitokisana?
11 Rehefa vitan’i Hezekia ny vavaka nataony, dia nampahafantarin’i Isaia azy ny teny notononin’i Jehovah ho fanoherana an’i Sankeriba. Endrey ny fahadisoan-kevitr’io asyriana niteny ratsy io tamin’ny fanalam-baraka ilay Andriamanitra velona! Tamin’ny alalan’Isaia, dia izao no nolazain’i Jehovah ny amin’i Sankeriba: “Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an’iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony? Hanohitra ny Iray Masin’ny Isiraely.” Tena ilay Masin’ny Isiraely tokoa no nanao zavatra tamin’io alina io! Anjelin’i Jehovah iray monja dia mahafaty miaramila asyriana 185 000, ny reharehan’ny tafik’i Sankeriba; nataony “maty avokoa ireo”. Nody tamin-kenatra tokoa tany Ninive io mpanjaka nieboebo io, ary taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia novonoin’ny zanany mihitsy izy raha mbola nanaraka ny fanompoan-tsampiny. Afaka matoky an’i Jehovah isika: hampiharany fitondrana toy izany Satana sy ny antokony rehetra, izay miteny ratsy sy manenjika ny Vavolombelon’i Jehovah. — Isaia 37:23, 36-38.
Hisy famaliana noho ny amin’ireo novonoina
12. a) Ahoana moa no teny ilazalazan’ny Isaia 26:21 ny famelezana tsy maintsy hitranga amin’ny Hara-Magedona? b) Iza moa ireo “novonoina” izay tokony hisy famaliana noho ny aminy alohan’ny Hara-Magedona mihitsy, ary ahoana no hanaovana izany?
12 Ady niseho nahatsiravina no vao notsahivintsika teo, kanefa mbola hahatsiravina kokoa ihany ny famelezana hitranga mandritra ny “fahoriana lehibe”. (Matio 24:21.) Manasa antsika hihevitra ny halehiben’izany fandripahana izany toy izao Jehovah: “Fa, indro, Jehovah, mivoaka avy amin’ny fitoerany hamaly ny mponina amin’ny tany noho ny helony; ary ny tany hampiseho ny ra izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.” (Isaia 26:21). Voalohany indrindra, dia hataon’i Jehovah izay hahatonga ireo fanjakana ara-politika hampihatra ny fanamelohany an’ireo izay mankasitraka ny fahadisoana ara-pivavahana; amin’izay andro izay, dia tsy hahavonjy azy ireo ny andriamaniny sandoka. Afaka manohy mandamina fivoriam-pivavahana tokoa ny papa amin’ny fanangonana ny fivavahan’i “Babylona Lehibe” rehetra! Tsy misy na dia iray monja aza amin’ireo mpitarika ny fihetsiketsehana fanakambanam-pinoana manome voninahitra an’ilay Andriamanitra velona sady marina, dia Jehovah. Diso ny fampianaran’izy ireny, satria tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina, ary toy izany koa ny ataony. Nifamono ireo mpiray finoana taminy tao anatin’ireo taonjato ary nandatsaka ny ran’ireo kristiana tsy tia herisetra. Tamin’ny taonjato faha-20, dia maro tamin’izy ireny no nitondra ny fanohanany an’ireo mpitondra tsy refesi-mandidy lozabe izay namono nahafaty ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ireo tranomaizina sy ireo toby fitanana, tamin’ny fitifirana azy ireny na tamin’ny fikapana azy tamin’ny famaky. Araka ny nanambaran’i Jehovah azy tsy nisy fihambahambana tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny, dia hisy famaliana noho ireny “novonoina” ireny. — Deoteronomia 32:41, 43; Isaia 1:24; 63:4; Apokalypsy 17:15-18; 18:21, 24.
13. Araka ny faminanian’Isaia, inona moa no tokony hitranga amin’ny “andron’i Jehovah”, ary mihatra amin’iza ireo teny ireo?
13 Rehefa ho avy nofoanana ny fivavahan-diso, dia hitodika haingana hamely an’ireo mpanohitra hafa ny Fanjakan’i Kristy i Jehovah. Amin’izy rehetra ireny, sy amin’i “Babylona Lehibe”, no mihatra ny tenin’Andriamanitra voatantara ao amin’ny Isaia 13:6, 9, manao hoe: Midradradradrà hianareo, fa efa antomotra ny andron’i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ny Tsitoha no fihaviny. Indro, avy ny andron’i Jehovah, dia loza sy fahavinirana ary firehetan’ny fahatezerana hahafoanana ny tany sy handringanana ny mpanota tsy ho ao.” Izany dia hitranga tsy misy hafa amin’ny nilazan’i Davida mpanao salamo azy mialoha hoe: “Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.” — Salamo 145:20; Apokalypsy 19:11-21.
14. Tenin’Isaia hafa inona moa no tsara raha heverin’ireo firenena, ary nahoana?
14 Ho tsara ny hiheveran’ireo firenena amin’ny tany ny teny nosoratan’Isaia nanaraka izany, ao amin’ny toko faha-34, andininy voalohany ka hatramin’ny faha-8, amin’ny bokiny, manao hoe: “Manatòna, hianareo jentilisa, mba handre; ary mihaino, hianareo firenena. (...) Fa Jehovah dia tezitra amin’ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin’ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; efa nodidiany haringana ireo ary natolony hovonoina. Ary izay voavono amin’ireo dia hariana, ka hamofona ny hamaimbon’ny fatiny, ary ny tendrombohitra hiempo azon’ny rany. (...) Fa Jehovah manana andro famaliana.” Amin’izao andro izao, ny politika, ny raharaham-barotra sy ny fivavahan-diso dia simban’ny fandraisana kolikoly sy ny fahalotoam-pitondrantena. Mikasa ny hanadio ny tany anefa Jehovah; izany no antony amoahany avy amin’ireo firenena sy anangonany ho amin’ny fahatafitana velona, ireo olona vonona ny hanavao ny fiainany mba hanompoana azy araka ny rariny. Ny olombelona hafa rehetra dia tokony ho ringana amin’ny andro famaliany. — Jeremia 25:31-33.
Paradisam-piadanana
15. Inona moa no nolazain’Isaia ao amin’ny toko faha-35 amin’ny bokiny momba a) ny androntsika? b) ny ho avy?
15 Ao amin’ny toko faha-35 amin’ny taratasiny, Isaia, mpaminanin’Andriamanitra, dia milazalaza ao amin’ny fiteny soa tokoa sy mahafinaritra, ny toe-piainan’ireo mpanompon’i Jehovah izay mandray soa amin’ny fampiverenana amin’ny laoniny nampanantenaina; izany dia olombelona matoky azy hatrany. Nangonina ao amin’ny paradisa ara-panahy izy ireny ka ‘mahita ny voninahitr’i Jehovah sy ny famirapiratan’ny Andriamaniny’. Andrasan’izy ireny koa ny paradisa iray amin’ny heviny ara-bakiteny sy ny fahatanterahan’ity fampanantenana ity: “Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana; fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin’ny tany karankaina.” (Isaia 35:1, 2, 5, 6). Mahafaly anao ve izany fahatsinjovan-javatra izany? Matoky an’i Jehovah ve ianao noho ny fahazoana antoka fa hanantanteraka izany fampanantenana rehetra izany izy?
16, 17. a) Inona moa no antso amim-pahadodonana nalefan’Isaia raha nilazalaza ny amin’ny Paradisa izy? b) Ahoana moa no tokony hamalian’ireo mpanompon’i Jehovah izany antso izany?
16 Ny fitokisanao an’i Jehovah dia mety hanosika anao hanome fampaherezana ho an’ireo mpianatra vaovao, mbamin’ny kristiana hafa izay mila ny hohatanjahina ny finoany. Manapaka ny filazalazany ny amin’ny Paradisa Isaia mpaminany mba handefasana izao antso amim-pahadodonana izao: “Ampaherezonareo ny tànana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy. Lazao amin’izay reraka am-po hoe: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian’Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.” (Isaia 35:3, 4). Irintsika tokoa ny hahita ny olombelona tia ny rariny rehetra mametraka ny fitokisany amin’i Jehovah, ka izany dia hahatonga azy ireny ho afaka ny hiaina eo amin’ny tany voaova ho paradisa.
17 Noho izany, dia aoka isika hanohana ny tanana miraviravy mba hahafahany “hitana ny tenin’ny fiainana”. Aoka hohatanjahintsika ny malemy lohalika rehetra ka hampiantsika izy ireny eo amin’ny lafiny ilàny ‘handehanana miendrika ny Tompo [Jehovah, MN ], hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra”. (Filipiana 2:16; Kolosiana 1:10.) Eny, aoka hampiononintsika izay rehetra ketraka, ary aoka hifampahery isika rehefa mitranga ny fitsapana na ny fanenjehana mba hisehoana ‘hihasahisahy kokoa hitory ny tenin’Andriamanitra tsy amin’ny tahotra’. (Filipiana 1:14; 1 Tesaloniana 5:14; Efesiana 5:15, 16.) Araka izany, dia ho azontsika antoka fa rehefa ho tonga ny andro famalian’i Jehovah dia hahazo ny fitahian’ny Andriamanitsika isika rehefa ‘ho tonga izy mba hamonjy ny olony’. Amin’izany andro izany ve ianao dia ho anisan’ireo izay hatoky an’i Jehovah ka ho voavonjy?
18. Fahatsinjovan-javatra mahatalanjona inona moa no atolotra an’ireo izay matoky an’i Jehovah, ary noho izany, inona no fahavononan’izy ireny?
18 Fahatsinjovan-javatra mahatalanjona toy inona moa no atolotra, aorian’io andro hahatsiravina io, ho an’ireo izay mitoky hatrany amin’i Jehovah! Ho efa nanjavona ny mpampahory, dia ireny mpanota ratsy fanahy ireny. Ao amin’ny izao tontolo izao vaovao iray, ireo izay tia an’i Jah Jehovah dia hahita indray ny fahatanterahana noho ny Zanany, ka amin’izay izy ireny dia hafahana amin’izay rehetra mety ho fahotana. Moa ve tsy dodona ianao ny ho tonga amin’izany fotoana izany? Ny fitokisanao an’i Jehovah dia hahatonga anao ho afaka hahita izany andro mahatalanjona izany. Eny, matokia hatrany an’i Jehovah! satria hitondra ny famonjena ho anao izany.
Famerenana
◻ Mamporisika antsika hanao inona moa ny hiram-pandresena voasoratra ao amin’ny Isaia toko faha-26?
◻ “Tanàna avo” inona no haetrin’i Jehovah, ary ahoana no anitsahantsika azy?
◻ Mampahafantatra inona antsika ny vavaka notononin’i Hezekia fony norahonan’i Sankeriba izy?
◻ Ahoana no hanaovana famaliana noho ireo “novonoina” resahina ao amin’ny Isaia 26:21?
◻ Inona no hitranga amintsika raha matoky an’i Jah Jehovah isika?
[Efajoro, pejy 19]
Ampangaina hoe ny Fitondran’ny papa?
Raha nanao tatitra ny amin’ny lahatsoratra iray navoakan’i Umberto Siniscalchi tao amin’ny II Giornale any Milan ny World Press Review dia nanambara toy izao: “Iharam-pamelezana mafy ny fitsarana ambony indrindra any Italia noho ny nanafoanany, tamin’ny jolay [1987], ny fanendrena hisambotra tompon’andraikitra telo ao amin’ny bankin’i Vatican tafiditra tamin’ny raharaha maloto tao amin’ny banky Ambrosiano.” Io fanapahan-kevitra io, izay miorina amin’ny fifanarahana tranainy teo amin’ny Vatican sy ny fitondram-panjakana italiana, dia manome fahafahana ho an’ny prezidàn’ny banky izay arseveka, sy ho an’ny taleny lehibe indrindra ary ho an’ny filohan’ny mpanao kaonty tao. Manampy teny toy izao io soratra io: “Na dia tsy miampanga ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsara aza ny mpanao fanakianana sasany dia manantitrantitra fa manamavo ny lalàm-panorenana italiana ilay fanekena amin’ny fanafahana olona nandika lalàna teo amin’ny tany italiana. Nisy mpahay lalàna nitaky fifanarahana mamela ny fitsarana italiana hitory ny Fitondran’ny papa noho ny fahadisoana natao tany Italia.”