Fanontanian’ny mpamaky
◼ Manondro inona moa ny teny hoe “leviatana” ao amin’ny Isaia 27:1?
Izao no ambaran’ny Isaia 27:1: “Amin’izany andro izany ny sabatr’i Jehovah, izay mafy sady lehibe no mahery, no ho entiny mamaly ny leviatana, dia ilay menarana mandositra, sy [eny, MN ] ny leviatana, dia ilay menarana miforoporotra, ary hovonoiny ilay dragona ao an-dranomasina.” Araka ny fahazoanay ny heviny, io faminaniana io dia sady mihatra amin’i Satana Devoly no mihatra amin’ny fandaminany ratsy fanahy eto an-tany.
Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 janoary 1986 dia nanazava fa ny faminaniana ao amin’ny toko faha-27 amin’ny Isaia dia faminaniana momba ny fampodiana. Izany dia tokony ho tanteraka voalohany tamin’ny firenen’Isiraely taloha, izay hiverina any amin’ny taniny aorian’ny 70 taona hahababoana any Babylona. Na dia nandositra an’i Babylona aza ny ankamaroan’ireo babo, ny sasany dia azo inoana fa avy any Egypta sy ny faritanin’i Asyria. Koa satria Jehovah Andriamanitra nanapa-kevitra fa tokony ho afaka ny olony, ireo firenena ireo dia tsy afaka nisakana azy tsy hanao zavatra, na mitokana na miaraka. Ireny fahavalo ireny, toy ny Leviatana fahizay — azo inoana fa voay — dia hita ho nahery sy fetsy teo imason’ny olombelona. Hahomby anefa Jehovah mba hahasoa ny Isiraely fahiny. — Jereo Joba 40:25-32; 41:1-26.
Fa mampiseho inona ny “leviatana” amin’ny fahatanterahan’ny Isaia toko faha-27 lehibe kokoa? Araka ny fandrindran-kevitra dia tonga ao an-tsaina Satana Devoly, satria ny Apokalypsy 12:9 dia miantso azy hoe “dragona” sy “menarana ela”. Hatramin’ny ela be izy dia fahavalon’Andriamanitra sy ny olony. Afa-tsy izany koa, dia asehon’ny Soratra Masina mazava fa haringana Satana. Andriamanitra dia nametra andro hampiasany ny heriny, amin’ny alalan’ny Zanany, mba hanafoanana ny Devoly. Koa hovonoina toy ny amin’ny sabatra lehibe sy matanjaka ny “dragona” na “menarana”. — Hebreo 2:14; Apokalypsy 20:1-3, 10.
Aoka hotadidiantsika anefa fa ireo fahavalo nivantan’ny Isiraely fahizay dia mpanohitra hita maso, firenena tahaka an’i Egypta, Asyria sy Babylona. Toy izany koa amin’izao andro izao, ireo mpanompo kristian’Andriamanitra maneran-tany dia iharan’ny fanafihan’ny fahavalo ara-nofo anisan’izany ranomasina misamboaravoara izany, dia ny olombelona lavitra an’Andriamanitra (Apokalypsy 17:1, 15). Satana dia mitarika fandaminana iraisam-pirenena iray izay ampiasainy mba hanoherana ireo “izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesosy”. (Apokalypsy 12:17.) Io fandaminana tapahin’i Satana io dia niharihary ho nanafin-kevitra sy lozabe tahaka ny leviatana. Teo am-piandohan’ity taonjato ity anefa, dia nafoin’io “Leviatana” io ny fahefana nampihariny teo amin’ny Isiraely ara-panahy, izany hoe ireo vavolombelona kristian’i Jehovah voahosotry ny fanahiny. Ho resy tanteraka izy rehefa hivoaka harahin’ireo anjeliny mpiady Jesosy hanana ‘sabatra maranitra hamelezany ny firenena”. — Apokalypsy 19:11-16.
Araka izany, na dia mety ho ny Leviatana voalaza ao amin’ny Isaia 27:1 aza Satana amin’ny heviny sasany, ilay faminaniana dia mahafaoka mihoatra noho ny “menarana ela”. Tondroiny indrindra ny fandaminana hita maso eto an-tany tapahiny. Araka izany, Ny Tilikambo Fiambenana voatonona eo ambony dia afaka nanome ho an’ny mpamaky, santatry ny fotoana ‘tsy hisian’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny manana an’i Satana Devoly ho andriamanitra intsony. Jehovah koa dia ho nampitodika ny sainy ho amin’ilay Leviatana ara-panoharana, dia ilay menarana misosa sy miolakolaka eo afovoan’ny ranomasina, dia ny olombelona. Ny tenany koa mbamin’ireo firenena sy ireo antokom-pirenena, dia ho nanjavona’.