Azo Itokiana ve Ireo Filazana Mialoha ao Amin’ny Baiboly?
TONDRAKA ireo boky ara-tantara amin’izao andro izao. Ireo fitantarana momba izay nitranga tamin’ny lasa ireo matetika dia tena maharevo tokoa. Rehefa mamaky azy ireo isika dia mety haka sary an-tsaina ny tenantsika ao amin’ireny faritra fahiny ireny. Mety ho lasa lavitra ny saintsika rehefa toy ny mipoitra avy ao amin’ireo pejy mangina ireo olona sy toerana ary fisehoan-javatra.
Ny Baiboly dia boky toy izany — feno filazalazana ara-tantara mampientana. Ao amin’ireo pejiny isika dia manjary mahafantatra lehilahy sy vehivavy toa an’i Abrahama sy i Saraha vadiny, i Davida Mpanjaka, i Estera Mpanjakavavy ary ilay Mpampianatra Lehibe, dia i Jesosy Kristy. Tena afaka miara-mandeha aminy isika, mahare izay nolazainy ary mahita izay hitany. Kanefa maro no mihevitra ny Baiboly ho mihoatra noho ny boky ara-tantara fotsiny. Mino izy ireny fa ao anatiny dia misy izay antsoina hoe tantara nosoratana mialoha. Fa nahoana? Satria ny Baiboly dia feno filazana mialoha, na faminaniana.
Kanefa, azo itokiana ve ireo filazana mialoha ao amin’ny Baiboly? Raha nahatanteraka faminaniana ao amin’ny Baiboly tokoa ireo fisehoan-javatra tamin’ny lasa, moa ve isika tsy tokony hanampo ny hahatanterahan’ireo filazana mialoha momba ny fisehoan-javatra amin’ny hoavy? Aoka isika izao handinika ohatra sasany mba hahitana raha azo itokiana ireo filazana mialoha ao amin’ny Baiboly.
I Isiraely sy i Asyria nitana ny toerana ambony
I Isaia, mpaminanin’Andriamanitra, izay nanomboka naminany tany amin’ny 778 al.f.i. tany ho any, dia nanambara mialoha toy izao: “Dia hohitsahin’ny tongotra ny satroboninahitra, izay reharehan’ny mpimamo any Efraima [Isiraely]. Ary ny voninkazo mihamalazo amin’ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ny lohasaha lonaka, dia ho tahaka ny voan’aviavy mialintaona, raha tsy mbola tonga ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia mijery, ary raha vao raisiny, dia arapany.” (Isaia 28:3, 4). Araka izany zavatra nolazaina mialoha izany, teo antenatenan’ny taonjato fahavalo al.f.i., i Samaria, renivohitr’i Isiraely, dia nanjary toy ny aviavy masaka vonona ny hotazan’ireo tafik’i Asyria sy harapany. Izany indrindra no nitranga rehefa resin’ireo Asyriana tamin’ny 740 al.f.i. i Samaria. — 2 Mpanjaka 17:6, 13, 18.
Tatỳ aoriana, dia anjaran’i Asyria indray ny ho tonga empira teo amin’ny tantara. I Ninive no renivohiny, izay nalaza aoka izany noho ny halozana nampihariny tamin’ireo babony, hany ka nantsoina hoe “tanàna mpandatsa-dra” izy io. (Nahoma 3:1). I Jehovah Andriamanitra mihitsy no namoaka didy ny amin’ny fahafoanan’i Ninive. Hoy Andriamanitra, ohatra, tamin’ny alalan’i Nahoma mpaminany: “Indro, hamely anao Aho, (...) hataoko tsinontsinona, eny, hataoko fitalanjonana hianao. Ary izay rehetra mijery anao dia handositra anao ka hanao hoe: Rava Ninive!” (Nahoma 3:5-7). I Zefania koa dia nanambara mialoha ny amin’ny fandringanan’i Asyria sy ny hahalao an’i Ninive. (Zefania 2:13-15). Tanteraka tamin’ny 632 al.f.i. ireo faminaniana ireo, fony nandroba sy nandevona an’i Ninive tampoka ireo tafika nikamban’i Nabopolasara mpanjaka babyloniana sy i Cyaxares mediana — tamin’ny fomba tanteraka aoka izany ka nanjary tsy fantatra mihitsy nandritra ny 2 000 taona mahery ny toerana nisy io tanàna io. Anjaran’ny Empira babyloniana indray izao ny hitana ny toerana ambony.
Voalaza mialoha ny fahafoanan’i Babylona
Nilaza mialoha ny Baiboly fa hiongana ny Empira babyloniana. Nanambara mialoha ny fomba hionganan’i Babylona renivohiny koa izy. Efa ho taonjato roa mialoha, dia efa nampitandrina i Isaia mpaminany fa ho tankina ny Onin’i Eofrata. Namakivaky an’i Babylona izy io, ary ireo vavahady teny amoron’ilay ony dia toerana niankinan’ny fiarovana ilay tanàna. Ilay faminaniana dia nanonona an’i Kyrosy ho ilay mpandresy azy ary nanamarika fa ireo ‘varavaran’i’ Babylona dia tsy hikatona eo anoloan’ireo mpanafika. (Isaia 44:27–45:7). Araka izany, dia nataon’Andriamanitra izay hamelana ireo varavaran’i Babylona teny amoron’i Eofrata hivoha nandritra ny fankalazana iray tamin’ilay alina nanaovan’ireo tafik’i Kyrosy Lehibe ny fanafihany. Noho izany, dia tsy sarotra tamin’izy ireo akory ny niditra tao amin’ilay tanàna tamin’ny fanarahana ny fanambanin’ilay ony ka naka an’i Babylona.
Nanoratra toy izao i Herodotus mpanoratra tantara: “I Kyrosy (...) dia nametraka ny ampahany tamin’ny tafiny teo amin’ilay faritra nivarinan’i Eofrata tao [Babylona] ary ny andian-tafika iray hafa teny amin’ny andaniny ilany nivoahany avy tao, ka nanome baiko an’ireo andiany roa ireo mba hiditra an-keriny tamin’ny fanarahana ny fanambanin’ilay ony raha vantany vao hitan’izy ireo fa iva tsara ny rano. (...) Tamin’ny fihadiana lakan-drano iray dia naviliny ho ao amin’ilay farihy (izay heniheny tamin’izay) ilay ony ary tamin’izany fomba izany izy dia nampihena be dia be aoka izany ny halalin’ny rano teo amin’ny fanambanin’ilay ony izay nanjary azo nitana, ary dia niroboka tao amin’ilay ony, izay hatreo amin’ny fen’ny lehilahy iray fotsiny izao ny ranony, ny tafika persiana, izay navela tao Babylona noho io zava-kendrena io, ary, tamin’ny fanarahana azy io, dia niditra tao amin’ilay tanàna. (...) Nisy fankalazana tamin’izay, ary na dia efa teo am-pianjerana aza ilay tanàna dia mbola nanohy nandihy sy nifaly ny olona, mandra-pahatakarany izay nitranga.” — Herodotus — The Histories, avy tamin’ny fandikan-tenin’i Aubrey de Selincourt.
Tamin’io alina io indrindra, i Daniela, mpaminanin’Andriamanitra, no nampitandrina ny mpanapaka an’i Babylona fa nisy loza nandrahona iray. (Daniela, toko faha-5). Nisy Babylona iray tsy dia nahery nandritra ny taonjato vitsivitsy taorian’izay. Tany, ohatra, no nanoratan’ny apostoly Petera ny taratasiny voalohany azony tamin’ny tsindrimandry tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. (1 Petera 5:13). Kanefa ny faminanian’i Isaia dia efa nanambara hoe: “Babylona (...) dia ho rava tahaka ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy Gomora; tsy honenana mandrakizay izy”. Nilaza toy izao koa Andriamanitra: “Hofoanako ny anaran’i Babylona sy izay sisa ao mbamin’ny zanany sy ny taranany”. (Isaia 13:19-22; 14:22). Araka ny nolazaina mialoha, dia nanjary sisan-javatra rava i Babylona tamin’ny farany. Mety hanintona ireo mpizaha tany izay mety ho fanorenana indray io tanàna fahizay io, kanefa dia mbola tsy hanana ny “zanany sy ny taranany” ihany izy io.
I Daniela — mpaminanin’i Jehovah tao Babylona tamin’ny fotoana nianjerany — talohan’izay dia efa nahazo fahitana iray momba ireo mpandresy Mediana sy Persiana. Nahita ondrilahy iray nanan-tandroka roa sy osilahy iray nanana tandroka lehibe iray teo anelanelan’ny masony, izy. Nanafika an’ilay ondrilahy ilay osilahy ary namely azy ka nanapaka ny tandrony roa. Avy eo dia tapaka ny tandroka lehiben’ilay osilahy, ary nisy tandroka efatra nipoitra ka naka ny toerany. (Daniela 8:1-8). Araka ny nolazain’ny Baiboly mialoha sy nohamarinin’ny tantara, ilay ondrilahy nanan-tandroka roa dia ny fanjakana mediana sy persiana. Ilay osilahy dia i Grisia. Ary ahoana ny amin’ilay ‘tandrony lehibe’? I Aleksandra Lehibe izy io. Rehefa tapaka ilay tandroka lehibe ara-panoharana, dia nisy tandroka ara-panoharana (na fanjakana) efatra naka ny toerana. Marina ilay faminaniana, satria rehefa maty i Aleksandra, dia naka ny fahefana ireo jeneraliny efatra — i Ptolemy Lagus tany Egypta sy Palestina; i Seleucus Nicator tany Mesopotamia sy Syria; i Cassander tany Makedonia sy Grisia; ary i Lysimachus tany Thrace sy Azia Minora. — Daniela 8:20-22.
Filazana mialoha momba ny hoavy iray mamirapiratra
Ireo filazana mialoha ao amin’ny Baiboly momba ny fisehoan-javatra toy ny faharavan’i Babylona sy ny fanonganana ny fanjakan’ny Mediana sy Persiana dia ohatra fotsiny ny amin’ireo faminaniana araka ny Soratra Masina maro izay tanteraka tamin’ny lasa. Ny Baiboly koa dia misy filazana mialoha momba ny hoavy iray mamirapiratra izay ho tanteraka noho ny Mesia, dia ilay Voahosotr’Andriamanitra.
Ny filazana mialoha momba ny Mesia ao amin’ny Soratra Hebreo dia nampiharin’ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristiana tamin’i Jesosy Kristy. Ohatra, ireo mpanoratra ireo Filazantsara dia nampiseho fa i Jesosy dia teraka tany Betlehema, araka ny nambaran’i Mika mpaminany mialoha. (Mika 5:1; Lioka 2:4-11; Jaona 7:42). Ho fahatanterahan’ny faminanian’i Jeremia, dia nisy zazakely maro novonoina taorian’ny nahaterahan’i Jesosy. (Jeremia 31:15; Matio 2:16-18). Ireo tenin’i Zakaria (9:9) dia nahita fahatanterahana rehefa niditra tao Jerosalema nitaingina zana-boriky i Kristy. (Jaona 12:12-15). Ary rehefa nizara ny fitafian’i Jesosy taorian’ny nanomboana azy ireo miaramila, izany dia nahatanteraka ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Mizara ny fitafiako ho azy izy, ary ny akanjoko ilokany.” — Salamo 22:18.
Misy filazana mialoha momba ny Mesia manondro ny fotoana sambatra iray ho an’ny taranak’olombelona. Tao amin’ny fahitana iray i Daniela dia nahita “toy ny zanak’olona” iray nahazo “fanapahana sy voninahitra ary fanjakana” avy tamin’i Jehovah, ilay “Fahagola”. (Daniela 7:13, 14). Momba ny fanapahana mesianikan’io Mpanjaka any an-danitra, dia i Jesosy Kristy, io, dia nanambara toy izao i Isaia: “Ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny rariny sy ny hitsiny hatramin’izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany.” — Isaia 9:5, 6.
Alohan’ny hanjakan’ny fanapahana marin’ny Mesia amin’ny fomba feno, dia misy zava-dehibe iray tsy maintsy mitranga aloha. Izany koa dia efa nolazaina mialoha tao amin’ny Baiboly. Momba ilay Mpanjaka Mesianika, dia nihira toy izao ilay mpanao salamo: “Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, (...) mitaingena handroso soa aman-tsara amin’ny voninahitrao, noho ny teny marina sy ny fahalemem-panahim-pahamarinana”. (Salamo 45:3, 4). Nanondro ny androntsika ny Soratra Masina ary nanambara mialoha toy izao koa: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” — Daniela 2:44.
Ny Salamo faha-72 dia manome fahitana mialoha ny amin’ny ho toe-piainana eo ambanin’ny fanapahana mesianika. Ohatra, “ny marina hitrebona amin’ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony”. (Andininy faha-7). Tsy hisy fampahoriana sy fanaovana an-keriny intsony amin’izay. (Andininy faha-14). Tsy hisy ho noana intsony, satria “hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza”. (Andininy faha-16). Ary alao sary an-tsaina ange e! Afaka ny hahazo ireo fitahiana ireo sy ny hafa koa ianao ao amin’ny paradisa eto an-tany rehefa hosoloana ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra ity fandehan-javatra ankehitriny ity. — Lioka 23:43, NW; 2 Petera 3:11-13; Apokalypsy 21:1-5.
Tena mendrika ny hamakafakanao azy tokoa àry ireo filazana mialoha ao amin’ny Baiboly. Noho izany, nahoana raha mangataka fanazavana bebe kokoa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah? Ny fandinihana ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly dia afaka ny hanampy anao hahita hoe aiza ho aiza isika izao eo amin’ny fandehan’ny fotoana. Izany koa dia hampitombo ao am-ponao fankasitrahana lalina an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fandaharana mahatalanjona nataony mba hitahiana mandrakizay izay rehetra tia azy sy mankato azy.
[Sary, pejy 5]
Fantatrao ve ny hevitr’ilay fahitan’i Daniela nisy ondrilahy iray sy osilahy iray?
[Sary, pejy 7]
Ho eo ve ianao rehefa ho tanteraka ireo filazana mialoha ao amin’ny Baiboly momba ny fiainana sambatra eo amin’ny tany tonga paradisa?