-
KominaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Miara-voatonona amin’ny komina ny zavamaniry atao hoe ketsah (heb.). (Is 28:25, 27) Nadika hoe “nigela” (Prot., Kat.) sy “aneta” (Da) izy io, nefa toa “komina mainty” (TV) no mety kokoa, rehefa jerena ny teny manodidina sy ny anarany amin’ny teny arabo (kazà). Tsy iray sokajy amin’ny komina anefa ny komina mainty (Nigella sativa). Anisan’ny fianakaviamben’ny Ranunculaceae (misy voninkazo toy ny vilia baolina kely) kosa izy, mitovitovy haavo amin’ny komina, misy lainy koa ny raviny, saingy maniry mitsitokantokana ny voninkazony tsara tarehy fotsy na manga. Madinika noho ny komina ny voany mainty ao anatin’ny hodiny miefitrefitra. Mangananganana sy manitra ireo voany, ary atao amin’ny sakafo (toy ny poavra). Anisan’ny laron-tsakafo tian’ny Grika sy Romanina fahiny indrindra izy io.—SARY, Boky 1, p. 543.
Be komina sy komina mainty tany amin’ny faritr’i Palestina fahiny, saingy tsy dia misy mamboly an’ireny intsony izao any. Aparitaky ny tantsaha israelita amin’ny tany efa voasa ny voa afafy, hoy i Isaia mpaminany, fa mitandrintandrina kosa izy rehefa mamafy voa sarobidy kokoa toy ny varimbazaha sy ampemby ary vary orza. Rehefa vita ny fijinjana, hoy izy, dia tsy hosihosena amin’ny fitaovana fanosihosena misy kodiarany mavesatra ny voana komina sy komina mainty, fa velezina amin’ny tehina na tsorakazo (fampiasa amin’ny komina mainty) mba tsy ho potika ny voa kely malemy ao anaty hodiny matevina. Nanao an’io fanoharana io i Jehovah, rehefa avy nampitandrina an’ireo Israelita mba tsy hanaraby intsony satria efa ho ripaka ny fanjakana tany avaratra. Toa tiany hisafidy mantsy izy ireo hoe hanaiky hofaiziny amin’ny tsorakazo ve, sa hosihosena tsy an-kijanona sy hotorotoroina toy ny amin’ny kodiaran-tsarety mavesatra.—Is 28:22-29.
-
-
Fitaovam-pambolenaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Lapìka: Angamba nanesorana fakan-javamaniry sy nandravonana tany. Anisan’ny fitaovana noranitin’ny Israelita tany amin’ny Filistinina izy io, tamin’ny andron’i Saoly. (1Sa 13:20, 21) Nahita lapìka halimo sy vy, mitovitovy amin’ny angady mifori-dela, ny mpikaroka.
-