BASANA
(Basàna) [mety hidika hoe Lemaka Lonaka (Tsy Misy Vatovato)].
Faritra lehibe tany atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia. Toy izao ny sisin-tanin’i Basana amin’ny ankapobeny: Ny Tendrombohitra Hermona no teo avaratra, ny faritra be tendrombohitra misy ny Tendrombohitra Haorana (Jebel ed Droz) no teo atsinanana, i Gileada no teo atsimo, ary ireo havoana teo amin’ny morony atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia no teo andrefana.—De 3:3-14; Js 12:4, 5.
Teo ambony lembalemba marin-tampona no nisy an’i Basana, tokony ho 600 m amin’ny ankapobeny ny haavon’ny toerana nisy azy. Mitovitovy tantana ilay faritra, na dia misy tandavan-tendrombohitra vitsivitsy ihany aza. Mitazona hamandoana ilay faritra satria tany volkanika, ka be vatovy (bazalta) mainty. Mifangaro eny ny karazana vatosokay sy ny tany mena mivolontsôkôlà. Mety tsara amin’ny fambolena ilay faritra noho ny rano sy ny lanezy miempo avy eny amin’ny Tendrombohitra Hermona. Mamokatra be ilay tany lemaka, sady kijana tsara ho an’ny biby fiompy. Tsara karazana àry ny omby aman’ondry tany. Rehefa niresaka momba ny vantotr’ombilahy sy ny ondrilahy avy any Basana ireo hira sy tononkalo, dia matetika no harena, tanjaka, ary fahombiazana no tiany holazaina.—De 32:14; Ezk 39:18; Sl 22:12.
Toa ngazana ny tany lemak’i Basana. Rakotra ala matevina anefa ireo tandavan-tendrombohitra tany fahiny sady be hazo vaventy, hazo oaka angamba (mbola misy hazo oaka any ankehitriny). Rehefa miresaka momba an’ireo hazon’i Basana ny faminaniana, dia fahamboniana no tiana holazaina. (Is 2:13; Za 11:1, 2) Milaza ny Ezekiela 27:5, 6 fa rehefa nanamboatra sambo fenisianina ny olona tany Tyro, dia hazo zenevrie avy any Senira no nanaovany ny hazo fisaka, ary hazo sedera avy any Libanona no nanaovany ny andrin-tsambo. Hazo mafy be avy any Basana kosa no nanaovan’izy ireo fivoy matanjaka tsara.
Azo antoka fa noho i Basana namokatra be, no nahatonga azy hotanisaina miaraka amin’ny faritra hafa mahavokatra, toa an’i Karmela sy Libanona. (Je 50:19; Is 33:9) Notononin’i Jeremia niaraka i Basana sy Libanona, izay samy avo toerana, ka ahatazanana tsara ny loza ho tonga eo amin’ny tanin’ny Israelita noho izy ireo nivadika tamin’i Jehovah. (Je 22:20) Miresaka momba ny “tendrombohitr’Andriamanitra” sy ny “tendrombohitra maro tendro” any Basana ny Salamo 68:15, 16. Mety ho ny faritra be tendrombohitra misy ny Tendrombohitra Haorana (Jebel ed Droz) no tiana holazaina amin’izany, ka mety ho i Zalmona (resahin’ny Sl 68:14) no tendrony avo indrindra any.
Toa ny Genesisy 14:5 no miresaka voalohany an’i Basana. Voatonona izy io ao amin’ilay fitantarana momba an’ireo Refaima (olona goavam-be) izay resin’ireo mpanjaka tamin’ny andron’i Abrahama (talohan’ny 1933 T.K.). Tamin’ny 1473 T.K. tany ho any, dia resin’ny Israelita i Oga mpanjakan’i Basana sy ireo lehilahy goavam-be sisa tavela tao, ka novonoin’izy ireo. Lasan’ny Israely ilay tany taorian’izay. (No 21:33-35; De 3:1-3, 11; Js 13:12) Ny fokon’i Manase no nandova an’i Basana, fa toa ny sasany tamin’ny fokon’i Gada no nipetraka tany amin’ny tapany atsimo tatỳ aoriana.—Js 13:29-31; 17:1, 5; 1Ta 5:11, 16, 23.
Ireto avy ny tanàna lehibe tao Basana: Astarta (tanànan’i Oga ary lasa tanànan’ny Levita), Edrehy (tanàna teo amin’ny sisin-tany nandresen’ny Israely an’i Oga), Golana (lasa tanànan’ny Levita koa, sady iray tamin’ireo tanàna fialokalofana telo tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana), ary Saleka. (De 4:41-43; Js 9:10; 12:4, 5; 20:8, 9; 1Ta 6:64, 71) Tao amin’ny faritr’i Argoba fotsiny dia tanàna 60 no nisy manda, ary mbola ahitana tanàna rava maro be any amin’iny faritra iny ankehitriny.—De 3:3-5; Jereo ARGOBA No. 2.
Tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka i Basana dia anisan’ireo faritra 12 niadidian’ireo lehibem-paritra mpamatsy sakafo ny mpanjaka sy ny tao an-dapa.—1Mp 4:7, 13.
Be mpitsiriritra i Basana. Nandalo tao amin’ny tanànan’i Astarta tao Basana mantsy ilay nantsoina hoe “lalan’ny mpanjaka”, dia ilay lalambe nampitohy ny avaratra sy ny atsimo tany amin’ny faritra atsinanan’i Jordana. I Basana rahateo koa namokatra be, sady akaikin’i Damaskosy. Lasan’i Hazaela mpanjakan’i Damaskosy i Basana tamin’ny andro nanjakan’i Jeho (t. 904-877 T.K.), nefa niverina ho fananan’ny Israely izy io tamin’ny andro nanjakan’i Joasy (2Mp 10:32, 33; 13:25), na fara fahatarany tamin’ny andron’i Jeroboama II (t. 844-804 T.K.). (2Mp 14:25) Azon’i Tiglato-pilesera III mpanjakan’i Asyria iny faritra iny manontolo, tamin’ny andro nanjakan’i Peka (t. 778-759 T.K.).—2Mp 15:29; 1Ta 5:26.
Taorian’ny sesitany dia lasa teo ambany fahefan’ny Grika i Basana. Lasa sompitry ny varimbazaha ho an’ny Fanjakana Romanina kosa izy io tatỳ aoriana. Nizara ho faritra efatra izy io, ka samy mbola nahitana ny anarany tany am-boalohany ihany ireo faritra ireo, afa-tsy ilay tany avaratratsinanana, izay nantsoina hoe Trakonitisy. Ny faritr’i Golanitida tany andrefana, ohatra, dia avy amin’ny hoe Golana, i Aoranitida tany atsimo, avy amin’ny hoe Haorana, ary i Batane teo afovoany, avy tamin’ny hoe Basana. I Trakonitisy (faritra iray any Basana) ihany no voaresaka ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, fa tsy ao mihitsy ny hoe Basana.—Lk 3:1; jereo HAORANA.