-
Aza Mitsahatra Miandry An’i JehovahNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
17, 18. Na dia amin’ny fotoan-tsarotra aza, inona moa no tari-dalana omen’i Jehovah?
17 Nanohy ny teniny ihany i Isaia, ka nampahatsiahy ny mpihaino azy fa ho avy ny fahoriana. Hahazo “mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana” ilay vahoaka. (Isaia 30:20a). Ilay fahoriana sy fahalahelovana hahazo azy ireo, rehefa hatao fahirano izy ireo, dia ho zavatra fahita toy ny mofo sy ny rano. Na izany aza, dia vonona hamonjy an’ireo mahitsy fo i Jehovah. “Tsy hiery intsony ny [Mpampianatra Lehibe Indrindra, “NW” ] anao; ny masonao hahita ny [Mpampianatra Lehibe Indrindra, “NW” ] anao; fa na mivily ho amin’ny ankavanana hianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana, ka andehano.”—Isaia 30:20b, 21.b
18 I Jehovah no ilay “Mpampianatra Lehibe Indrindra”. Tsy manan-tsahala ny fahaizany mampianatra. Ahoana anefa no ahafahan’ny olona ‘mahita’ sy ‘mandre’ azy? Mampiharihary ny tenany i Jehovah, amin’ny alalan’ny tenin’ireo mpaminaniny, voarakitra ao amin’ny Baiboly. (Amosa 3:6, 7). Ankehitriny, rehefa mamaky ny Baiboly ireo mpivavaka mahatoky, dia toy ny hoe milaza aminy ny lalana tokony haleha ny feon’Andriamanitra Rainy, ka mampirisika azy ireo hanitsy ny fitondran-tenany, mba handehanany eo amin’izany lalana izany. Tokony hihaino amim-pitandremana ny Kristianina tsirairay, rehefa miteny amin’ny alalan’ireo pejy ao amin’ny Baiboly sy amin’ny alalan’ny boky sy gazety ara-baiboly omen’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, i Jehovah. (Matio 24:45-47, NW ). Aoka àry ny tsirairay hilofo hamaky ny Baiboly, satria ‘fiainany izany’.—Deoteronomia 32:46, 47; Isaia 48:17.
-
-
Aza Mitsahatra Miandry An’i JehovahNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
b Io no hany toerana iantsoana an’i Jehovah hoe “Mpampianatra Lehibe Indrindra”, ao amin’ny Baiboly.
-